'Isaorako ny fiainana' - Gracias alla Vida (Violetta Parra)

2020-04-01 @ 17:53 in Aingam-panahy

Isaorana ny fiainana raha toa ka mbola manana tafo sy rindrina efatra ahafahana “mihiboka” amin’izao vanim-potoana izao. Raha mbola afaka mitanina andro, mizara fiainana amin'ny biby tiana, misotro divay,…

Isaorana ireo rehetra mikarakara ny marary eny amin’ny tobim-pitsaboana isan-karazany maneran-tany, manomboka amin’ireo lehibe isan-tsokajiny, mpitsabo sy ny mpanampy, ka hatramin’ireo miandraikitra ny sakafo ho an’ny rehetra sy ireo misahana ny fanadiovana izay tena zava-dehibe tokoa.

Isaorana ireo mpamily fitaterana rehetra, an'arabe, an-dalambý, an'habakabaka : mpitatitra olona mbola mila mamonjy ny asany, mpitatitra entana hamatsiana ireo tsena, fivarotam-panafody, tobin-tsolika, sns.

Ary rehefa ho tafavoaka ny ala isika ka ho tantara sisa ity valan’aretina COVID-19 ity dia inoana fa maro dia maro ny hahay ny dikan’ny hoe fitiavana ny hafa, ary mety hihena ny fitiavan-tena.

 

calendar
« Aprily 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Rohy
  • Namana