Aza avela hikiky anao.

2015-02-11 @ 18:47 in Aingam-panahy

 

Aza avela hikiky anao ny alahelo sy hatezerana,
Raha narindriny aminao ny fo sy "trano tafo herany"[*].

Izy anie toa mbola zaza, tanora mbola erotrerony,
Marefo loatra ny fisainany, izay atolotra azy, lerany.

Mbola lavitra ny diany : havoana maro, lohasaha,
Izy mbola hatoky tena fa hoe tena lehilahy.

Izy mety koa handia ilay malama misolampy,
Efa nahalavo anao fony revon-drantiranty.

Ka tohizo, afafazo amin’ny làlana ombany,
Ny fitiavanao azy, na tsy tsapany aza izany.

Izy mbola ho matoy, izy koa mbola ho ray,
Izao ratranao izao, hotsaroany amin’izay.

Eny, matezà ny aina, tongava soa ilay andro iray,
Ho fahasambarako ihany koa ilay ianao hitsiky indray.

 

(ikalamako, 11/02/2015)  

[*] : facebook

 

 

Ho solon-mofomamy...Tsiaro hatrany hatrany.

2015-02-09 @ 03:11 in Fahatsiarovana

 

Teto no nifankahalalantsika, dia eto koa no ahatsiarovako an-drý manokana androany : Bôversera Shoan !

Tsisy mofomamy, tsisy labozia 55 fa tsiahy ireo fotoana mamintsika faramparany.

Dia bizoroka be no mameno azy Kiss

 

calendar
« Febroary 2015 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
Rohy
  • Namana