Olo-jiaby amin'ny fomban-taniny.
Nampidirin'i ikalamako | 24 Jio, 2007
Casale San Nicola : tanàna kely misy mponina 300 eo ho eo, avo tokony eo amin’ny 860 m miohatra amin’ny ranomasina, tataovin’ny tendrombohitra "Gran Sasso" (Grande Pierre), tendrombohitra vato be, mahatratra 2912 m.
Ambanin’io tendrombohitra io, (1400 m midina avy amin’ny tendron’ny Gran Sasso), no misy ny Institut National de la Physique Nucléaire, mandalina indrindra ny Physique des Particelles.
10 km ny halavan’ny tonelina manavatsava io tendrombohi-bato io, amin’ny làla-migodàna(autoroute) ka raha avy aty Roma dia ny tanànan’i Casale San Nicola no miandry anao eo am-pivoahana azy (170 km avy aty Roma). Io Fiangonana io no tazan’ny maso voalohany indrindra raha vao mivoaka ianao, na tazan’ny maso farany alohan’ny hidiranao ilay tonelina raha ho any Roma.
Mino aho fa nohalalinina manokana mihitsy ny toerana nanorenana azy io, fa fankaherezana ho an’ny ankamaroan’ny mpandeha fiara hiatrika na niatrika ny fandalovana ambanin'ity vatobe mitatao ity (raha mpino mazava ho azy).
Ny tanàna koa dia mbola tataovin’ny arabe migodana, angamba 50 m eo ho eo ny haavon’ny fototra ijoroany.
Ao no mipetraka ireto fianakaviana namanay ireto, mahafinaritra ilay tanàna raha hanaovana fialan-tsasatra, fa mino aho fa ny olona tsy lehibe tao tsy afaka honina ao mihitsy.
Ny fomban-tany tiako hotantaraina eto dia mialoha ny fanambadiana, satria hanambady i Marika sy Gianluigi.
Soratra tamin’ny 12 mey, ary any am-piangonana amin’ny 14 jolay.
Omaly kosa dia fety nanasana ny havana, tapaka sy namana rehetra, ny mpiray tanàna manontolo. Nanomboka tamin’ny 12 antoandro ka hatramin’ny nihoatra ny sasak’alina akory aza, nifandimby tao daholo, tsisy natao afa-tsy nisakafo.
Ny sakafo natokana ho an’io fotoana io : hena amin’ny saosy voatabia, lamoria (morue) nendasina, aroso miaraka amin’ny mofo (fa tsy vary na pates) ; gateau ary biscuits.(Lamoria 500 kg hono no novidiana, tena tsy nisy tavela e).
Rehefa mody dia mbola ampitondraina gateau sy biscuits efa vita fonosana tsara hatrany am-boalohany, miaraka amin’ilay fanomezana kely fankasitrahana ny firariantsoa naterina (“bomboniera” no iantsoan-drizareo azy) miaraka amin’ny confetis.
Mbola vao ny lafin-kavana sy naman-dravehivavy izay, fa amin’ny 30 jiona izao indray dia hisy toa izany tsisy valaka any amin’ny fianakavian-dralehilahy (sakafo mitovy, hanasana ireo havana sy tapaka avy amin-dralehilahy). Nanararaotana nanaterana ny fanomezana sy ny firariantsoa koa moa io andro io.
Amin’ny zoma harivan’ny 13 jolay tokony hanao "sérénade" ralehilahy, ka asa fa somary saro-kenatra izay ny anao lahy ! Ho hita eo izay hatokony.
Ankoatr’izay dia ralehilahy miantoka ny akanjon-dravehivavy, ny trano sy ny entana ao anatiny, afa-tsy ny efitrano fandriana izay zarain’ny roa tonta. Ny fianakavian-dravehivavy kosa miantoka ny akanjo anatiny (intime) hanaovan-dralehilahy amin’ny andro mariazy.
Efa mba maromaro ihany ny mariazy novonjena teto, fa ity fomba iray ity dia hafa kely aloha e. Ary miezaka manao kaonty baoritra momba ny mety ho lany hiatrehana izao fa toa vizana ambony ihany.