Fitsarana farany : sahotaky ny voavonjy sy voaozona eo am-baravaran'ny Berner Münster

Nampidirin'i ikalamako | 16 Okt, 2022

Efa ho enim-bolana lasa angamba izay aho no nomen’ilay namako ity sary ity : "voan-dàlana sady enti-mody", hoy izy. "Mba jereo ao daholo hoe ireo marika famantarana (iconographie) rehetra mety ho hita ao".

Tsy nolazainy akory na eglizy taiza io fa hainy tsara ny lohabeko hoe raha misy zavatra manitikitika azy dia tsy amelany raha tsy hitany.

Ny katedraly protestanta an’i Berne ilay izy, ny Berner Münster. Ary sary mandravaka ny varavarana fidirana io sary io.
Tafahomehy aho tamin’izay satria haiko tsara fa raha izahay no tafaraka nijery an’io dia mety ho lany teo am-baravarana teo ny tapak’andronay manontolo nikaroka sy niady hevitra hoe irý i anona, irý midika an’izao, itsy mety famantarana an’i anona.
Izay #rymiavaka izay.

Hakako fotoana io, hoy aho taminy. Kanjo moa tapaka ny tongotro avy teo dia tsy nifantoka tamin’inon’inona loatra ny saiko na dia tsy nivoaka ny trano nandritra ny telo volana aza aho.

Enim-bolana mahery izay no lasa, tadidiko tampoka izy ity aninkeo maraina ary dia tsy namelanay sy dadatoa google raha tsy nazava ireo kisarin’olona kely miisa 250 mahery, vita amin'ny vato sy hazo : ny Fitsarana Farany, sanganasan’i Herhart Küng nanomboka ny taona 1460 ka  hatramin’ny taona 1485.

Bitika ilay sary, mety hanahirana ny mijery ireo rehetra voalazako eto, fa afaka mitady amin’ny aterineto ihany ianao fa misy sary azo alehibiazina any.

 

Miainga avy amin’ny tendro fara-tampony ny fanazavana : ny mpitsara, Jesosy Tompo, no mitarika ny Fitsarana Farany, sy ireo mpanelanelana roa eo ankaviany sy ankavanany, dia i Maria reniny sy i Jaona Mpanao Batisa, mandohalika sy mivavaka.
Manao akanjo lava Izy ary mampiseho ny ferin’ny lefona eo amin’ny tratrany sy ny ratra navelan’ny fantsika eo amin’ny tànany. Ny sabatry ny Fahamarinana sy ny Lisy mariky ny Famindram-po mivoaka ny vavan’ny Mpitsara dia maneho ireo didy roa momba ny fanamelohana sy ny famonjena.

Laharan-tsary manaraka eo ambany : ireo Apostoly iraika ambin'ny folo, miaraka amin’ireo marika hamantarana azy ireo avy : i Matiasy miaraka amin'ny famaky roa lela mariky ny nanapahana ny lohany, Jakoba zanakalahin’i Alfeo miaraka amin'ny tehin’ny maritiorany, Bartolomeo miaraka amin'ny antsy noho ny fanendahana ny hodiny raha nampijaliana izy, Jaona miaraka amin'ny kalisin’ny Paska, Petera miaraka amin'ny fanalahidin'ny ny Fanjakana, Paoly miaraka amin’ny sabatra fony izy Saoly, Jakoba zokiny nitondra ny tehina sy ny satroborin’ny fivahiniana masina, Andrea niaraka tamin’ny hazo fijaliana miendrika X nanantonana azy. Mazava ho azy fa tsy ao i Jodasy fa ny faha-12 amin’izy ireo kosa, izay miaraka amin’ny hazo fijaliana sy tànana loaky ny fantsika dia i Dimasy, ilay mpangalatra tsara fanahy, nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana teo Golgota niaraka tamin’i Jesosy ka nampanantenaiNy ny lanitra.

Manaraka eo ambany dia ireo anjely dimy izay mitazona tsirairay avy ireo fitaovana nampijaliana an'i Jesosy : ny hazo fijaliana, ny tsanganan’andry nikapohana an’i Jesosy, ny volotara namatorana ny spaonjy misy vinaingitra, ny rotsa-kazo sy ny karavasy, ny satroka tsilo sy ny fantsika.
Milahatra amin’ireo anjely fa erý ambany indrindra ankavanana : ny devoly miaraka amin'ny amponga sy trompetra, manome ny ngadon'ny diabe ho an'ireo voaozona ho any amin'ny helo. Misy zohy mirehitra eo ambanin’ny tongony, ka i Jodasy miaraka tamin’ny kitapokely misy farantsa telopolo io ao anatiny io.

 

Eo amin’ny afovoan’ny sehatra indray misy ny Arakanjely Misely mandanja ireo fanahy amin'ny mizàna. Tsara ny vokatra saingy manao fetsifetsy, manandrana manova ny vokatry ny lanja ho azy ny devoly : apetrany ao anatin’ilay vilia ilany ny tongony no manofahofa kibay izy. I Misely kosa misambotra azy amin'ny volombavany no manokatra ny kibony amin'ny sabatrany ka nipotsaka tao daholo ny taovany maloto.

Ao anation’ilay faritra feno vahoaka be ireo indray :

1- eo amin’ny ilany ankavanana : angonin’ny anjely ireo nitsangana tamin’ny maty ka voatsara ho mendrika ny lanitra. Misy mariky ny hazo fijaliana miloko mena eo amin’ny handriny, toy ilay ràn-janak’ondry nanamarihana ny varavarana sy tolànana voalaza ao amin’ny Eksodosy, toko 12. Manao akanjo fotsy izy ireo, izay fampahatsiahivana ny “akanjo fotsy” nanaovan’ny olom-boafidy teo anoloan’ny seza fiandrianan’ny Zanak’ondry.

Mandeha araka ny ambaratongam-pahefana sivily sy ara-pivavahana ny fidirana any. Ireo kardinaly sy eveka fantatra amin'ny satrok’izy ireo, ny mpanjaka amin'ny satroboninahiny, ireo mpitondra fivavahana sasany amin’ny satrok'akanjony. Ireo manampahefana ao Berne, izay mifikitra mafy amin’ny fitiavany ny faritaniny dia nanamafy fa ny ben’ny tanànany (bürgmeister) izay fantatra amin’ilay sarina orsa, mariky ny tanànan’i Berne dia mankany an-danitra fa tsy toy ny ben’ny tanànan’i Zurich izay anisan'ny voaozona.
Ao amin’ny antokon'ny olom-boafidy dia ahitana ny solontenan'ny mpanorina ny katedraly sy ny vondron’ny mpiasa, izay fantatra amin'ny alalan'ny fitaovana fampiasan’izy ireo (antsy fijinjana sy fikosoham-bary, famaky, tantanana, hareza, sns). Ao koa ilay masera miaraka amin'ny ankizy ao anaty fandrian-jaza, mariky ny akanin-jaza karakarainy (Kindergarten), ireo mpanjakavavy, ary ilay olom-boafidy iray izay avotry ny anjely teny am-pelatanan’ny devoly tamin'ny fotoana farany.

Manao valala manjohy izy ireo hiditra ny varavaran’ny Lanitra, ambenan’ny anjely roa. Ny voalohany miditra ao dia ny Papa miaraka amin'ny satro-boninahiny, arahin'ny ambaratongam-piangonana ambony indrindra.

Ny paradisa dia toy ny lanitra manga feno kintana ary efa any ireo patriarka sy olo-masina izay mora hay araky ny marika famantarana azy ireo : i Mosesy (miaraka amin’ny vato fisaka misy ny Didy Folo) sy Davida Mpanjaka (miaraka amin’ny harpa), i Masimbavy Cathérine avy any Alexandrie (miaraka amin'ny kodiarana nampijaliana azy), i Masimbavy Barbara (miaraka amin'ny tilikambo, mariky ny fonja nitazonan-drainy azy), i Masimbavy Claire (miaraka amin'ny “ostensoire” misy ostia), i Masimbavy Dorothée (miaraka amin'ny harona misy voninkazo sy voankazo,  mariky ny fahagagana nataony an’i Théophile ka nampitodika azy amin’Andriamanitra), i Masimbavy Marina (miaraka amin'ny dragona izay nalefa handrapaka azy tany am-ponja), i Masindahy Sébastien (miaraka amin'ny zana-tsipìka nandefonana nefa tsy nahafaty azy), i Masindahy Laurent (miaraka amin'ny fitonoana hena mariky ny nampijaliana azy tambony afo).

2- Ao amin’ny ilany ankavanana indray ireo devoly mampijaly ny voaozona amin’ny kaikitra, sy mandetika ny hohon-tanany sy ny rantsan-tongony amin’ny nofon’ireo. Tsy lazaina intsony ny fampijaliana amin’ny fandroritana amin’ny tady sy rojo vý, ny fikapohana amin’ny hazo,  ny fandoroana amin’ny labozia, ny famiravirana amin’ny sabatra, lefona sy ny sisa.
Mety ho samihafa ny antony nahatonga ny fanamelohana ho any amin'ny helo. Ao ny tsy fanajana ny Didy Folo toa ireo olona telo nahantona tamin’ny lelany, nodorana teo ambanin’ny tongotra, fa angamba niteny ratsy an’Andriamanitra ; toy izany koa ilay vehivavy maty ny nonony, voasazy noho ny namonoana ny zanany kely. Ao ireo meloka noho ny fahotana mahafaty fito : toa ilay pretra sy  ilay sakaizavaviny, ireo nivadika tamin’ny voady nataony ka manao ho fitadiavam-bola ny famelana ota tokony ho ataony amin’ny maha-pretra sy relijiozy azy ka voafatotra sy notaritaritina ho any amin'ny helo. Ao koa ireo manampahefana ambony manararaotra sy miavonavona. Ireo tsy manaja ny asany toy ilay mpanao asa-tànana nanao ratsy ny asany, ny mpivarotra namitaka ny lanjan'ny mizàna, ilay nisoloky ho mpanamboatra kitron-tsoavaly, eny, hatramin’ny mpangataka sandoka.

 

Mitohy midina eo amin’ny tapany ambany isika ka eo afovoany, ambanin’i Misely Arakanjely ny sarin’ny Hasin'ny Fahamarinana (Vertu de la Justice) : milamina endrika, malefaka ary kanto. Mitàna sabatra ny tànany havanana ary mizàna eo amin’ny havia. Misy anjely roa eo ankavia sy ankavanany. Efa tamin’ny taona 1575 anefa vao napetraka teo io Hasin’ny Fahamarinana io, taorian'ny "Fanavaozana protestanta", fa sarin’i Maria Virjiny no teo talohan’izay.

Eo ambaniny eo misy mpanao asa-tànana roa mitazona hodi-biby mivelatra, ka ny daty nametrahana ny vato fototra tamin’ny taona 1421, tamin’ny nanorenana ny eglizy no voasoratra ao.

Manaraka azy eo ambany ireo Virjiny folo : ireo virjiny hendry 5 nitondra fanala sy solika avy eo an-kavia ary ireo virjiny adala 5 nitondra fanala fa tsy nitondra solika avy eo ankavanana, fanoharana ny amin’ny andro fitsarana, izay ho avy tampoka sy ny fisarahan’ny olom-boafidy amin’ny voaozona.

 

Saint-Tropez ao France : ny nahatonga ny anarany.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Jol, 2022

 

Ity hosodoko "Salvamento della testa di San Torpé" (i.e. "fanavotana ny lohan'i Md Torpé") sanganasan'i Gignaroli Giovan Bettino ity dia nandanianay minitra lava dia lava mihitsy raha nitsidika ny katedralin'i Pise izahay. Nanontany tena izahay hoe fa inona no zava-nisy teto ? taiza iny loha navotana tany an-dranomasina iny ?
Dia rafitra nitady tamin'ny aterineto toy ny mahazatra fa tsisy miala eo raha tsy mazava ny resaka tsinona. Teo vao nidanaka hoe hay ve izany izy ity e !

Ny anay dia tanànan'ny mpanankarena any atsimon'i Frantsa i Saint-Tropez fa tsy hainay izay tantaran'ingahy ity raha tsy tamin'io.

Torpè, Torpes, Torpezio, Tropezio, Tropez dia anarana ahalalana an'i Caïus Silvius Torpetius avokoa.
Araka ny tantara dia tamin'ny fotoana nandalovan'i Simona Piera apostoly tany Pise, mialoha ny hihazoany an'i Roma, no nahatonga azy ho kristianina.
Tandapa sy manamboninahitra mpiaro an'i Néron, amperora romanina nanjaka tamin'ny taonjato voalohany, i Caius raha mbola nivaivay ny fanenjehana sy faneren'ny fanjakana romanina ireo kristianina mba hivadika hanompo sampy.

Nisy fitokanana ny tempolin'i Diane tany Pise indray taona ary noteren'ny amperora hihira ho an'ny voninahitr'i Diane i Caius, saingy nandà tsy nety nivadika tamin'ny finoany izy.
Tezitra tamin'izay i Néron ka nandidy ireo miaramilany hampijaly an''i Caius.
Nefa, araka ny tantara hatrany, dia tapaka hatramin'ilay andry vato be namatorana azy rehefa nokapohina tamin'ny karavasy izy. Ary maty nianjeran'io andry vato io ilay miaramila nikaravasy azy.
Nomena ny liona sy ny leoparda indray izy avy teo saingy namotoka natory teo an-tongony fotsiny ireto biby masiaka.
Lany haika ny amperora ka nandidy ny hanapahana ny lohany.

Rehefa maty tamin'izany izy dia nasainy nataon'ireo miaramila tanaty lakana ka nalefa tany amin'ny onin'i Arno ny vatany, niaraka tamin'ny akoho iray sy alika iray izay noheveriny hihinana ny sisany.

Ny tanànan'i Pise moa no lalovan'ny ony Arno farany alohan'ny hivarinany any an-dranomasina ka dia nentin'ny rian-drano hatrany izany ilay lakana ary tsy niantsona raha tsy tany Héraclée, any atsimon'i France, izay tsy iza fa ny tanànan'i Saint-Tropez ankehitriny. Tsy niova, tsy simba, tsisy nanombinana hono ilay vatan'i Caius tamin'izany.
Voarakitra fa tsy izay ihany fa maro koa ny zavatra nangatahana tamin'ny anarany no tanteraka ka nahatonga ny eglizy katolika romanina nanandratra azy ho olomasina.

Ka i Caius, na i Masindahy Tropez izany no olomasina mpiahy ireo tantsambo sy mpiahy ihany koa ny tanànan'i Saint-Tropez, izay mankalaza izany isaky ny 29 aprily, daty voalazan'ny tahirin-tantara fa nanapahana ny lohany ka nahafaty azy.

Ny 'Sala del Conclave' ao Viterbo

Nampidirin'i ikalamako | 7 Jol, 2022

 

Miezaka ihany aho mampiditra ato anaty blaogy ireto vohitra sy tanàna manan-tantara notsidihanay sao mba mahasoa anareo tia zaha-tany ka any Viterbo no itondranay sy ity zandrikeliko ity anareo eto. Tantara iray anatin'ny tantaran'i Viterbo ihany anefa izy ity fa mbola betsaka ny tsara ho fantatra momba azy.

Viterbo dia nantsoina ihany koa hoe "Tanànan'ireo Papa" satria tany no foibe nisy ireo Papa nandritra ny 24 taona, nanomboka tamin'ny antsasaky ny taonjato faha-XIII, araka ny fanapahan-kevitry ny Papa Alexandre IV. Ny trano fonenan'ireo eveka teo akaikin'ny katedraly ihany noho izany no nohatsaraina natao fonenan'ny Papa. Isan'ny fanitarana natao amin'ny andron'i Papa Clement IV koa ny nanorenana ny "Sala del Conclave" sy ny "Loggia della Benedizione".

Ny "Sala del Conclave"  dia io efitrano lehibe io izay natao fandraisan'ny Papa vahiny manan-kaja. Fa tao ihany koa no nifidianana ny ho Papa Ray Masina hitondra ny eglizy katolika romana. Ka ny voalohany sy manan-tantara dia ny fifidianana izay handimby an'i Papa Clément IV, nodimandry ny 29 novambra 1268. 

 

Izay no fifidianana Papa lava indrindra teo amin'ny tantara satria dia naharitra 2 taona sy 8 volana (1006 andro) ny fahabangan'ny seza fiandrianan'ny Papa. Ary izay no nitondra ny fanaovazana tamin'ny fanatanterahana ny Fifidianana Papa ka nahatonga ny "Conclave" fantatsika ankehitriny.

Ankoatra ny fizarazaran'ireo kardinaly nivory tao manko, satria samy nanana ny antokotokony sy ny tombotsoa arovany avy, dia nisy antony hafa ihany koa nampitarika ela ity fifidianana ity :

- 20 ny isan'ny kardinaly am-perinasa tamin'izany saingy ny iray dia tsy afaka namonjy ny fifidianana satria niondrana an'ady araka ny antson'i Louis IV hiatrehana ny silamo (croisade) ary matin'ny aretina pesta tany.
- tamin' ireo 19 nandray anjara tao indray dia nisy iray nametra-pialana noho ny fahosany sy ny fahanterany. Ary nisy kardinaly roa nodimandry nandritra ny fotoam-pifidianana.

Leo ihany ny mponin'i Viterbo noho izany fitarozahan'ny fifidianana izany satria mbola izy ireo koa no niantoka ny sakafon'ireo kardinaly. Hany ka nohidiandrizareo tao amin'io efitrano lehibe io izy ireo nanomboka tamin'ny volana mey na jona 1270. Izay no nahatonga ilay anarana hoe "Conclave" - nohidiana "cum clave", teny latina midika hoe "miaraka amin'ny fanalahidy".

 

Nataon'ny mponina zay hahanoana azy ireo ka noferany ny habetsahan'ny rano fisotro sy ny sakafon'izy ireo ary nesoriny ihany koa ny tafon'ny trano mba tsy hampahazo aina ireo kardinaly.

Efa ny voalohan'ny volana septambra 1271 vao nahita marimaritra iraisana izy ireo ka i kardinaly Tebaldo Visconti no voatendry ho Papa ary Grégoire X no anarana nentiny.

Rehefa voafidy ny Papa vaovao dia mivoaka ny efitrano ireo kardinaly ary mankeo amin'io lavarangana tsara tarehy antsoina hoe "Loggia delle Benedizioni" io. Eo no ambara amin'ny vahoaka hoe nahazo Papa vaovao : Habemus Papam !
Ary avy eo no hanomezany ny tso-drano ho an'ny vahoaka.

Mba tsy hiverenan'izay intsony dia noraisina ny fanapahan-kevitra tamin'ny taona 1274 fa mitokana sy mihidy amin'ny "conclave" mandritra ny 8 andro ny kardinaly rehefa hifidy Papa ka raha tsy mahafidy amin'izay dia ahena ny sakafo sy ny rano fisotro.




 

 

 

Ny andriambavilanitra malagasy nentin'i Tara Shakti teny amin'ny 'Biennale di Firenze 2021'

Nampidirin'i ikalamako | 20 Nov, 2021

Efa iray volana lasa ity hetsika ity - tamin'ny 23 ka hatramin'ny 31 oktobra 2021 teo - fa varimbariana dia hadino nizara sy nitahiry azo ato.

Hetsika fampirantiana ny Zavakanto Ankehitriny (Art Contemporain) fanao ao Florence, eto Italie, isaky ny roa taona ny "Biennale di Firenze" ka tamin'ity andiany faha-XIII ity dia "Eternal Feminine | Eternal Change" no lohahevitra nentiny. Navoitra manokana ny anjara-toeran'ny vehivavy ao amin'ny fiarahamonina ka tanatin'ireo firenena 65 nandray anjara dia nanana solontena nitondra avo ny fanevantsika i Madagasikara satria hosodoko goavana be anankitelo no nentin'i Tara Shakti teny, entiny mampahalala amin'izao tontolo izao ny anjara-toeran'ny andriambavilanitra malagasy hatramin'ny andro taloha, tamin'ny faha-mpanjaka ka hatramin'izao ankehitriny izao.

Ka ny tena moa mahavita manao dia lavitra hijery ny sanganasan'ny olo-malaza toa an-dr'i Botticelli, ry Bernini, ry Raffaello, ry Michelangelo ka nahoana no tsy hihazakazaka tokoa hanotrona sy hanandratra ny an'ny tena.

Fa tsy nisekoseko ihany anefa no naleha tany fa nitondra voan-dalana ho an'ny mpiray tanindrazana ihany koa kah Kiss

 

Ny afotroa Vesuvio tamin'ny taona 79

Nampidirin'i ikalamako | 25 Aog, 2021

 

Ny 24 aogositra 79 no daty iray tena nanamarika ny tantaran'ny volkano Vesuvio noho ny hamafin'ny fipoahany ka nandrava tanteraka ireo tanàna manodidina azy dia i Ercolano, Pompei, Stabia ary Oplontis, noho ireo ranok'afotroa sy ny karazam-bato nanarona ireto tanàna.

Ny nahafahana namantatra io daty io dia ny tahirin-tantara nosoratan'i Plinio-ilay-tanora : "Nonum kal septembres" hoy ny filazany, izany hoe 9 andro talohan'ny volana septambra. Mpisolovava sy mpahay lalàna ary mpanoratra tamin'izany fotoana izany izy, zana-drahalahin'i Plinio-ilay-antitra. Ity dadatoany ity, izay mpanoratra sy lehiben'ny komandin'ny tafika, dia isan'ireo namoy ny ainy tamin'io loza io, sempotry ny entona sy ny lavenona naparitaky ny volkano raha handeha hamonjy ny namany.

Na izany aza dia nanao fanamarihana ihany ireo mpahay tantara tatý aoriana, rehefa nanao fikarohana tao Pompei, fa mety ho ny volana oktobra no tena sarona tanteraka ilay tanàna satria ny akanjo nanaovan'ny mponina dia efa somary mafanafana fa tsy maivana kely toa ny rehefa volana aogositra.

Isan'ny volkano araha-maso tsy miato i Vesuvio na dia "mandrimandry" aza izy satria izy ihany no volkano anaty kaontinanta raha eto Eoropa (i Etna sy Stromboli dia eny amin'ny nosy avokoa) ary feno mponina manodidina azy.

Taorian'ity fipoahany tamin'ny taona 79 ity dia ny 1631 no taona nampitroatra mafy azy indray. Teny an'elanelany teny dia nifoha sy nandravarava ihany izy. Fa nisy fotoana kosa dia natory nandritra ny 300 taona. Indraindray dia mamoaka entona fotsiny izy ao anatiny ao ary tamin'ny 1944 no nipoahany farany.

 

In vino veritas...

Nampidirin'i ikalamako | 25 Jol, 2021

 

Efa mba nanontany tena ve isika hoe inona ny antony mahatonga ny tavoahangy divay ho 75 santilitatra fa tsy 1 litatra ?

Ny tavoahangin-divay taloha dia mbola nanodidina ny 73 santilitatra teo ho eo fa efa tamin'ny taon-jato faha-19 vao nisy ireny tavoahangy 75 santilitatra ireny. Maro ny antony naroso ho nahatonga izany :

- ao ny milaza fa izay ihany ny habe tratran'ny herin'ny havokavok'ireo mpitsoka azy rehefa manamboatra ny tavohangy izy ireo.
- na koa hoe, izay ihany no fetran-divay idealy tokony sotroina rehefa misakafo.
- misy ireo manizingizina fa ny tavoahangy 75 santilitatra no fomba iray hitazonana ny hatsaran-tsiron'ny divay.
- ary ao ny mihevitra fa izay no manamora ny fitaterana.

Ny tena antony anefa dia ny anglisy no tena mpanjifa mahafatra-po ireo divay vokarin'ny frantsay. Saingy ny ahiahy tsy nihavanana satria tsy nitovy ny fatra fandrefesana frantsay sy anglisy : ny "galona imperialy" iray, mari-pandrefesana anglisy, dia mira 4,54609 litatra amin'ny frantsay.

Ka mba tsy hampisavoritaka dia nitondran'ny frantsay divay Bordeaux tao anaty barila 225 litatra, na galona 50 katroka, rizareo anglisy. Ny tanjona dia hanamora kokoa ny kajy izany ka ireo galona 50 dia mira tavoahangy 300 amin'ny 75 santilitatra. Izany hoe ny galona iray dia nitovy tamin'ny tavoahangy 6.

Ary hatramizao ny divay dia mbola amidy amin'ny tavoahangy 6 na 12 isaky ny baoritra.

 

Vaksiny ry dada, vaksinin'ny zaza... hoy ry Ny Nanahary.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Jio, 2021

Tany amin'ny taona 80' tany ho any isika nofaizin'ny bemangovitra ka nahatonga ny aingam-panahin-dr'i ry Nanahary tamin'ilay hira hoe : "Vaksiny ry dada, vaksinin'ny zaza, lesonay afak'omaly ka aoka isika samy ho faly. Fiarovana ny mpianakavy ka esory an-tsaina ny mosavy. Vaksiny tsisy vola, azo atao koa ny sola..."

Nofaizin'ny covid-19 isika atý amin'ny taona 2020 ka mbola taritintsika hatratý amin'ny 2021. Ny fanefitra hitan'ny manampahaizana tamin'izany dia ny vaksiny.. fa an'ny olon-dehibe indrindra indrindra.

Tsy voatery ho atao hoy ny Fanjakana, saingy voatery hanao ihany isika satria isan'ny pasipaoro hivoahantsika ivelan'ny firenena onenantsika izy io. Vita aloha ny tsindrona voalohany ho ahy androany, afaka roa volana sy tapany ny faharoa.

Mba tsiahivina kely ato anaty blaogy ihany koa aloha fa efa nifantoka loatra nanodidina ity aretina ratsy ity ny fanombohan'ny folo taona faharoa amin'ny taona roa arivo.

 

Ny rojo namatorana an'i Md Piera ao amin'ny bazilikan'i San Pietro in Vincoli, Roma.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Mey, 2021

 

San Pietro in Vincoli no anarana nomena io bazilika io noho ireo rojo vy namatorana an'i Masindahy Piera voatahiry ao : avy amin'ny teny latina hoe "vincula" = rojo vý.

Araka ny lovantsofina, dia nampiasaina namatorana an'i Masindahy Piera nandritra ny fotoana nigadrany tany Jerosalema sy tao amin'ny fonjan'i Mamertino ao Roma ireo rojo ireo. 

Tamin'ny taonjato faha-5 talohan'i Jesoa Kristy manko dia nomen'i Juvenal, Patriarkan'i Jerosalema, ho fanomezana ho an'i Elia Eudocia, vadin'ny amperora Theodosius II ny rojo vy izay nitazonana an'i Masindahy Piera tany am-ponja tany amin'ny taniny, araka ny voalaza ao amin'ny Asan'ny Apôstôly.

I Licinia Eudossia indray, izay zanakavavin'i Elia Eudocia sy Theodosius II, ary vadin'ny amperora Valentinian III, no nanome io rojo vý io ho an'ny Papa Leon I.

Ny Eglizy anefa moa dia efa nanana ny rojo vý namatorana an'i Md Piera ao amin'ny fonjan'i Mamertino tao Roma, hany ka rehefa nampifanatonin'ny Papa Léon I ireo rojo vý roa ireo dia nahavariana fa avy nitambatra lasa iray. â€‹

 

 

Ny 'Ruota degli Esposti', ilay kodiarana fametrahana ireo zaza tsy niriana.

Nampidirin'i ikalamako | 10 Apr, 2021

Ny "Ruota degli Esposti" amin'ny teny italianina, na "baby hatch" amin'ny teny anglisy, na "Tour d'abandon" amin'ny teny frantsay, na "Babyklappe" amin'ny teny alemanina dia karazana boaty mihodina eo amin'ny rindrin'ny hopitaly, fahizany, nahafahan'ny reny nametraka zaza nefa tsy tazana avy ao anatiny. Matetika teo akaikin'ilay kodiarana dia nisy lakolosy, hampandrenesana ireo tompon'andraikitra ka rehefa tafahodina any amin-drizareo ilay boaty dia sokafany mba ahafahana manome ny vonjy aina voalohany ho an’ilay zaza vao teraka.

Ny "Ruota degli Esposti" – na hoe “Kodiarana ho an’ireo Aseho” raha adika tsotsotra – ao amin'ny hopitaly Santo Spirito in Sassia eto Roma dia napetraka tamin'ny taona 1198, araka ny fanirian’i Papa Innocent III, mba ahafahan'ny vehivavy mamela ny zaza tsy vitany hotezaina fa tsy hamonoany azy. Be loatra manko tamin’izany ireo zaza narian-dreniny tao amin’ny onin’i Tibra.

Eo amin’ny rindrina, akaikin'ilay "kodiarana" dia misy lavaka ihany koa, karazana boaty fanitrihana taratasy ahafahan’ny olona mametraka vola kely fanampiana anohanana ny mpikararaka ireo zaza. Ireo zaza raisina ao dia nasiana marika lakroa kely amin'ny tongony havia ary "aseho" amin'ny kodiarana indray izy ireo sao mba misy hanangana azy. 

Misy ireo mametraka firavaka, na antontan-taratasy na famantarana hafa miavaka, miaraka amin’ilay zaza rehefa ampidirina anaty kodiarana mba ahafahana mamantatra azy any aoriana any, raha ilaina.

Efa tamin’ny taonjato maro lasa moa ity resahantsika ity fa atý amin’ny taona roa arivo dia misy ihany koa io “Kodiarana” io fa manaraka ny toetr'andro : tany Hamburg tamin'ny taona 2000, taorian'ny tranga maromaro izay nahitana zazakely maty noho ny fijotsoan’ny hafanana tamin'ny taona 1999.                                                                                                                                                

Izy ity indray dia fandriana mafana ahafahana mametraka ny zazakely avy any ivelany. Mba anomezana fotoana ilay reny handeha tsisy mahita, dia afaka minitra vitsivitsy vao maneno ilay kiririna iva feo napetraka amin’ilay fandriana, mampandre moramora hoe misy zazakely tonga ka mila alaina sy karakaraina. Tsaboina mandritra ny valo herinandro ireo zaza amin’izay. Mandritra izany dia afaka miverina maka ny zanany tsy misy arakaraka ny reniny. Raha tsy mitranga anatin’izay izy dia afaka omena hatsangana ilay zaza. Tamin'ny 2005 dia nandray zaza 22 rizareo ka ny fito tamin'izy ireo dia nalain'ny reniny ihany.


Inona angaha no anatin'ilay bola mivolom-bolamena ambony satro-tranon'ny bazilikan'i Md Piera.

Nampidirin'i ikalamako | 6 Apr, 2021

 

​Ho an'izay efa nitsidika ny bazilikan'i Md Piera eto Roma na ireo nahita sary fotsiny ihany koa dia mahalala fa eo ambonin'ny satro-trano namboarin'i Michelangelo dia misy bola mivolom-bolamena tataovina lakroa makadiry. Toa bitika erý mijery azy io raha avy eo amin'ny Kianjan'i Md Piera saingy tena goavana izy ary mahazaka olona roa ambin'ny folo eo ho eo (olona 20 raha mifaneritery).

Tohatra vý avy ao amin'ny Loggia del Lanternino no miakatra ao. Varavarana tery kely, zara raha 80 santimetatra, no idirana ao amin'ilay efitra boribory sahabo roa metatra ny savaivony, ary ny hodidiny dia ahitana tresaka ahafahana mitsirika sy mankafý ny hakanton'ny tazamaso avy eny ambony eny. Efatra ny isan'ireo tresaka ireo ary mifanandrify avy amin'ireo vazan-tany efatra.  

Vita amin'ny takela-barahina dimam-polo voahosotra volamena samihafa habe avy io bola io. Efa tamin'ny taona 2005 vao hitan'ireo "sanpietrini" (ireo mpiambina ny bazilika) ny ankosotra volamena, raha sambany tamin'ny tantara "nosasana", nokojakojaina sy nampamirapiratina izy.

Tamin'ny taona 1593 no nametrahana azy teny, araka ny fanirian'i Papa Clément VIII. I Michelangelo no nanao io satro-tafon'ny bazilika io saingy nony nodimandry izy dia i Giacomo della Porta no nanankinana ny famitàna azy, telopolo taona taorian'ny nahafahatesany.

Tamin'ny 1845 aza dia tao no nandraisan' i Papa Grégoire XVI  sy nandrosoany fanalana hetaheta ny Tsar rosiana, Nicolas I.
Ny Papa Pie IX  no niakatra farany teny tamin'ny 1847, ny alina mialoha ny fankalazana ny Fetin'i Masindahy Piera sy Paoly - olomasina mpiahy ny tanànan'i Roma - efa ho herintaona katroka taorian'ny Fifidianana sy ny Fihasinana azy.
Nanomboka tamin'ny antsasaky ny taona 1950 no tsy azo niakarana sy notsidihana intsony teny satria natahorana hampitsingilahila ny satro-tafo.

Ny làlambý an'ny Firenena Vatikana.

Nampidirin'i ikalamako | 6 Apr, 2021

Ny Firenena vatikanina, amin'ny maha-fanjakana mizaka tena azy, dia manana ny làlambý azy manokana ihany koa nanomboka tamin'ny taona 1929. Izy no iray amin'ireo lalambý fohy indrindra maneran-tany - tsy mihoatra ny 1,27 km ny halavany - ary natao hampifandraisana ireo firenena roa, italiana sy vatikanina.

Teo amin'ny fiantsonan'ny lalambý italianina - ny Stazione San Pietro - no miainga sy misaraka izy ireo, ka ny iray miankavia mitondra ireo zotra italianina ary ny iray ankavanana kosa miditra io vavahady be an'ny Firenena vatikana tazana amin'ny sary faharoa io. Io tafo fotsy tazana kely avy atý ivelany io no gara fiantsonan'ny fiaran-dalambý, izay nosokafana tamin'ny taona 1934 ary teo amin'ny fitaterana entana no tena nampiasana az​​y​. 


Miaraka amin'ny fivoaran'ny toetr'andro anefa dia nanjary ny fitaterana an'arabe no nahazo vahana hany ka nalefa nisotro ronono ny fiarandàlambý.

Tamin'ny taon-jobily 2000 dia nesorina ny iray amin'ireo làlambý roa an-drizareo vatikanina ka nanamboarana ity làla​​na​ â€‹â€‹zary lavarangana fitsangatsangana ity. Mahafinaritra ny taza-maso avy eto, anisan'izany ny tafo boriborin'ny bazilikan'i Masindahy Piera.


Boaty fanaterana taratasy antitra indrindra eran-tany.

Nampidirin'i ikalamako | 5 Apr, 2021


Ho eny Castel Gandolfo kely isika, tanàna 25 km avy eto Roma fotsiny. An-tampon-kavoana kely izy, mitatao ny farihin'i Albano, izay farihy vokatry ny volkano taloha. Ny tena mampalaza an'ity tanàna ity, ankoatran'ny hatsarany sy ny tantarany efa fahagola, dia satria any no misy ny fonenan'ireo Papa nifandimby rehefa tonga ny andro mafana. Hatreo amin'ny Fitondran'i Papa Benoà XVI anefa izany satria i Papa Francesco dia nandà tsy hampiasa io Lapa-panjakana io fa nisafidy ny hijanona tontolon'ny taona ao amin'ny Vatican. Lasa tranom-bakoka natao hotsidihan'ny mpizahatany izany ny Lapa ankehitriny.

Fa ny tena hankanesantsika eny Castel Gandolfo ara-tantara androany dia hiresaka momba ny boaty fanaterana taratasy antitra indrindra eran-tany. Roanjato taona izy io izao satria noforonina tamin'ny taona 1820, araka ny sosokevitra natolotr'i Jacorossi, Mpanolotsainan'ireo Priori (fikambanan-drelijiozy no nantsoina hoe priori). Somary sarotra manko ny fifandraisana an-taratasy tamin'izany fotoana izany satria tsy tonga mivantana tao an-tanàna ny taratasy fa tao amin'ny biraon'ny paositra tao Albano Laziale, tanàna mifanila amin'i Castel Gandolfo. Tao kosa dia voatery niandry mpiandraikitra iray hanangona sy hanatitra azy amin'ny toerana tokony alehany ireo taratasy sy entana. Nokaramaina 1/2 baiocco (vola tamin'izany fotoana izany) isaky ny taratasy io mpiandraikitra io.

Mbola nisy olana ihany anefa rehefa tonga any amin'ny tanàna hanaterana azy ireo satria nisy tsy nahay namaky teny sy nanoratra ireo mpiandraikitra ka tsy hainy na ny anarana na ny adiresy tokony hanaterany izany. Teo no teraka ny hevitr'i Jacorossi hoe aleo manokatra boaty iray dia alatsak'izay mpiandraikitra ao fotsiny ireo taratasy dia rizareo ao amin'ny priori no manasivana sy manatitra izany any amin'ny tompon-taratasy avy.

Eo anelanelan'ny Lapan'ny Tanàna sy ny Biraon'ny Paositra no ahitana io boaty roanjato taona niainana io.

Ny fanambadiana jiosy.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Apr, 2021

Ho an'ny jiosy dia tsy Sakramenta fa Fifanarahana ny fanambadiana. Taloha dia natao tany an-trano ihany izy fa ankehitriny kosa afaka ankalazaina any amin'ny sinagoga. Ny zava-dehibe fotsiny dia ao ambany tataro antsoina hoe "khuppa" izy ireo no mandray ny tsodrano ho mariky ny fonenan'ny tokantranon'izy ireo.
Razazalahy no manolotra peratra ho an-drazazavavy izay tsy maintsy entiny foana eo amin'ny fanondron'ny tànany ankavanana ary mandritra izany ny rahalahiny dia mitazona labozia amin'ny mosoara dantelina natolotr'i razazavavy.

"Kettuba" izay midika hoe Soratra no anaran'ilay Fifanarahana. Azo haingoina amin'ny sarim-boninkazo kely izy, soniavin'ny vavolombelona ary miantoka ny zon-drazazavavy raha sanatria tonga amin'ny tsontsori-mamba isarahana. Noho izay antony izay dia ny renin-dravehivavy no mitahiry ny "kettuba".

Taloha dia natao lisitra tao daholo ny fananana nentin-drazazavavy ary teto Roma dia tsy maintsy nametraka tahirimbola antoka, mitentina avo roa heny amin'ny sandan'ny fananana nentin-dravehivavy razazalahy.

Amin'ny maha fifanarahana ny fanambadiana dia azo ekena ny fisarahana amin'ny jiosy, nantsoina hoe "ghet" izay ankatoavin'ny Fitsarana ary marihina amin'ny fandrovitana ny "kettuba". Azo atao tsara koa ny manambady fanindroany any amin'ny sinagoga.


_____
Sary fanehoana : Kettuba, sanganasan'i Di Castro - Di Segni.
Hosodoko sy ranomainty amin'ny pergamena vita amin'ny hoditr'ondry.

Roma 1785.

2020 anatin'ny 6 minitra

Nampidirin'i ikalamako | 4 Jan, 2021

 

Na niantomboka tamin'ny ranomaso fa nilaozan'ny namana tiana aza ny 2020, ary nofaranana tamin'ny fihibohana satria izay no fepetra noraisin'ny fanjakana mba tsy hampirongatra indray ny valan'aretina COVID-19 izay namely mafy tokoa ny firenenay eto Italia, dia tsy azo lazaina fa ratsy izy fa navesatra fotsiny.

Ary teny anelanelan'ny janoary sy desambra teny dia nisy tokoa ny lesona nomeny ho an'ny zanak'olombelona : iaino arak'izay azo atao ny anio, sitraho ny bitika atolotry ny fiainana fa sarobidy izany rehefa tsy afaka atao intsony.

 

Fiarahana tamin'ireo mpanakanto vitsivitsy tanaty 'Vorombý'

Nampidirin'i ikalamako | 29 Okt, 2020

Ketriketriky ny saiko farany teo ary mba naha-afapo ahy tokoa ny nanatontosana ity horonantsary ity ! 

"Vorombý" dia hiran'ny tarika Zopanage tany amin'ny taona 80'. I Ndrina Ranaivoarimanana no namorona azy ka nohavaoziny sy nataony tanatin'ny rakikira navoakany tamin'ny taona 2017 izy ary nampihirainy an'i Harinaivo Rabevala (Naivo) izay isan'ny mpikambana ao amin'ny tarika ihany koa. 

Hevitra hafa no nitondrana ny horonantsary, mba niala kely tamin'ny mahazatra. Satria moa ny mpanakanto dia isan'ireo mpivezivezy mitety tany mitondra sy mampahafantatra ny talentany ka isan'ireo mandray vorombý matetika, misara-toerana amin'ny havana, namana, olon-tiana ka izy ireo no nindramina hampiaina azy. "Tsy misy ny mandra-pihaona ho antsika. N'aiza n'aiza misy anao dia ao anatin'ny foko hatrany ianao", hoy i Mahatma Gandhi izay.

Nahafinaritra fa maromaro ireo mpanakanto niresahana an-tsoratra, an-tendrilavitra avokoa, satria ny tena avy eto amin'ny solosaina atý Roma no miketrika ka ny sasany dia naka sary ny tenany ary nandefa ny anjaran'izy ireo  tamin'ny mailaka fa ireo somary sahirana nanao ny azy mitokana no nanirahana ny mpikirakira horonana mba ho alainy sary. Fa mbola nahafinaritra tokoa ny naneken'izy ireo handray anjara tsy tam-pihambahambana na dia tsy olom-pantatro manokana aza ny sasan-tsasany. 

Sitraka sy telina ho azy 12 mianadahy/mianaka : Edgard Ravahatra - Charles Kely - Son (Tarika Son) - Noum's Montana - Carol (Dillie) - Jaojoby - Alain Rabetrano - Radanz - Davis (Mika & Davis) - Alain sy Malala (JS Twins) ary Pita Rabeson.

Ny hefin-tsikina an'i nenibe.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Okt, 2020

 

Ny reny sy ny renibe taloha dia nanao hefin-tsikina tambonin'ny akanjony ho fiarovana ireny satria tsy dia nanana akanjo maro nisolosoloana rizareo. Mora kokoa manko ny manasa ny hefin-tsikina izay vita amin'ny hasy ny ankamaroany, noho ny akanjo na pataloha na somizo vita amin'ny lamba hafa.
Fiarovana ny akanjo noho izany no tena asan'ny hefin-tsikin'i nenibe, kanefa ambonin'izay dia :

Natao hibatana ny vilany mamay izy fony mbola tsy nisy ireny "fibatam-bilany" ankehitriny ireny.

Tsy nanano-sarotra ny namafa ny ranomason'ny ankizy, sy indraindray, manadio ny tarehy misolitiky ny loto.

Rehefa any am-pisoko i nenibe dia ny hefin-tsikina no itondrany ny atody, na ireo akohokely mila velomina, na ireo atody efa mitady ho foy izay apetrany eo akaikin'ny fatana hahazo hafanana mba hanamora ny fahafoizany.

Rehefa misy vahiny mamangy dia natao fiafenan' ireo zaza saro-kenatra ny hefin-tsikin'i nenibe. Avy tamin'izany no nahatonga ilay fomba fiteny hoe "miafina anaty atin'akanjon-dreniny".

Rehefa mangatsiatsiaka ny andro dia ampakarin'i nenibe izy iny hanafanany ny sandriny sy ny sorony. Rehefa andro mafana kosa dia hamafany ny hatsembohany rehefa izy miketrika sakafo eo amorom-patana.

Natao hikopakopahana afo mitady ho faty ihany koa iny hefin-tsikina ela niasana iny.

Mbola iny ihany koa no hitondrana ny ovy sy ny kitay mankany an-dakozia.

Raha eny an-tsaha dia izy no solon'ny harona hasiana ireo karazam-bokatra : rehefa voaoty ny pitipoà dia tonga koa ny anjaran'ny laisoa. Rehefa tapitra ny fotoanany, dia hanangonana ireo paoma latsaka avy eny ambony hazo izy.

Rehefa misy vahiny tsy ampoizina dia mahavariana fa haingana dia haingana mihitsy ny hamafan'iny hefin-tsikina iny ny vovoka amin'ny entana.

Rehefa amin'ny ora fisakafoanana dia ahofahofan'i nenibe avy eo an-davarangana ny hefin-tsikina, hilazana amin'ny vatan-dehilahy eny an-tsaha fa masaka ny sakafo ka mila mody amin'izay.

Ampiasain'i nenibe hamoahana ny mofomamy avy ao anaty lafaoro tanimanga ihany koa izy ka apetrany hampangatsiahana eo amin'ny sisim-baravarankely.

Mbola mila taona maromaro angamba vao hisy hahaforona fitafy afaka hifaninana amin'iny hefin-tsikina efa tontatonta nefa mahavita be iny. 

Avy teny am-baravarankelin'ireo Malagasy mihiboka eran-tany

Nampidirin'i ikalamako | 6 Mey, 2020

 

​Tamin'ny voalohandohan'ny volana aprily dia nisy namana nanasa ahy hiditra tamin'ilay vondrona "View from my window" tao amin'ny facebook. Nojereko ka feno vahoaka be eran'izao tontolo izao tao ary nahatsiaro tena ho bitika tsisy mpahita aho ka naleoko nivoaka tsimoramora. Nahafinaritra ahy anefa ilay izy ka niainga koa ny ketrika hoe maninona moa raha manangana iray toa an'io hanalana andro miaraka amin'ny namana ato fotsiny. Dia natsangako tokoa ny 11 aprily 2020, ary "Malagasy mihiboka eran-tany" no natao anarany.

​Nataoko vondrona mihidy izy aloha satria dia hoe iarahanay mpinamana nanala andro fotsiny mandra-pifaran'ny fihidiana aman-trano no noeritreretina. Kanjo ireo namana nampidiriko tanaty vondrona niantso namana hafa koa, dia ireo niantso hafa. Dia taitra aho afaka adiny iray naharay sary marobe avy amin'olona tsy fantatro. Voatery nangataka an'i Fahamarinana Maharitra haingana aho nanampy ahy niandraikitra ilay izy ary novohaina ho hitan'ny rehetra ilay vondrona.

Mba hanamora ny handraisan'ny maro ny foto-kevitra dia novaina ho ​Avy eny am-baravarankelin'ireo Malagasy mihiboka eran-tany izy.

​

 

Tsy haiko ny hamintinana izay nitranga tao fa ny azoko lazaina dia feno ny fo nahita ny hafalian'ny mpikambana rehetra. Ny 4 mey teo no nanomboka ny famohana tsikelikely ny varavaranay eto Italie noho izany dia ny 1 mey no nohidiana ny rindrin'ny vondrona, na teo aza  ny alahelon'ny mpikambana maro izay nangataka ny hanohizana sy hanovana anarana azy fotsiny rehefa vita ny fihibohana.

​Fotoana nanamarika ny tantaran'izao tontolo izao ny famelezan'ny valan'aretina COVID-19 ka nahatonga antsika rehetra nasaina nihidy aman-trano. Ho anay dia hijanona ho tahiry, ho tsangambato mahafinaritra ho an'ny tantarantsika Malagasy tamin'ity vanim-potoana manokana ity io vondrona io. 

Ny hanovana ny anarany sy hanohizana azy dia  hahavery tanteraka ilay lohahevitra hoe "mandritra ny fihibohana" ary zary herim-po very maina ny ezaka nanasivana sary efa 20.000 mahery mba ho izay teny am-baravarankely, na eny an-davarangana, na teo an-tokontany fotsiny no nekena hipoitra amin'ny rindrina - misy aza moa ny nahavita niakatra teny an-tafontrano mihitsy nikopa-tànana mba ahafahanay mijery ny hakanton'ny tazan'ny masony.

Io izy, azo vangiana hatrany raha manindry ny rohy ianao : Avy eny am-baravarankelin'ireo Malagasy mihiboka eran-tany 


​

 


Ny toetra mendrika nasehon'ny rehetra nandray anjara tao no tena heriny fa izahay mirahavavy dia​ faly raha afaka nanao izay nahatanteraka izany. Fahafaham-po lehibe ho anay izany.

Mankasitraka ireo haino aman-jery sy ny filazam-baovao niresaka momba ity kopa-tanana nifanaovana ity, na ny tamin'ny fampielezam-peo araka ny tatitra nataon'ny namana, na ny akony tonga taty aminay toa ireto :



 

Aleo ny hevitra vitsivitsy nofantenana tamin'ireo maro be naposaky ny mpikambana no hanambara izay tsapanay rehetra nandritra izay 20 andro nahavariana anay tao izay.

Mirary soa indrindra mba hivoaka mpandresy izao tontolo izao amin'ny fiadiana amin'ity aretina ity.


 




 

'Isaorako ny fiainana' - Gracias alla Vida (Violetta Parra)

Nampidirin'i ikalamako | 1 Apr, 2020

Isaorana ny fiainana raha toa ka mbola manana tafo sy rindrina efatra ahafahana “mihiboka” amin’izao vanim-potoana izao. Raha mbola afaka mitanina andro, mizara fiainana amin'ny biby tiana, misotro divay,…

Isaorana ireo rehetra mikarakara ny marary eny amin’ny tobim-pitsaboana isan-karazany maneran-tany, manomboka amin’ireo lehibe isan-tsokajiny, mpitsabo sy ny mpanampy, ka hatramin’ireo miandraikitra ny sakafo ho an’ny rehetra sy ireo misahana ny fanadiovana izay tena zava-dehibe tokoa.

Isaorana ireo mpamily fitaterana rehetra, an'arabe, an-dalambý, an'habakabaka : mpitatitra olona mbola mila mamonjy ny asany, mpitatitra entana hamatsiana ireo tsena, fivarotam-panafody, tobin-tsolika, sns.

Ary rehefa ho tafavoaka ny ala isika ka ho tantara sisa ity valan’aretina COVID-19 ity dia inoana fa maro dia maro ny hahay ny dikan’ny hoe fitiavana ny hafa, ary mety hihena ny fitiavan-tena.

 

Fiaraha-moninay atý Italia miaraka amin'ny COVID-19

Nampidirin'i ikalamako | 16 Mar, 2020

 

 

Tsy hanao diary ny isan'andronay mihidy aman-trano nanomboka tamin'ny 9 martsa aho fa mba hitantara fohy izay herinandro voalohany izay eto am-piadiana amin'ity aretina  COVID-19 na coronavirus ity.

Be ny fanentanana natao, samy nandray andraikitra nanentana ny namana, ny havana mba hanaraka daholo ilay lalàm-panjakana hoe "aza mivoaka ny trano raha tsy tena misy antony manokana sy lehibe". Raha ny sekoly amin'ny ambaratonga rehetra fotsiny manko no nohidiana tamin'ny faramparan'ny volana febroary iny dia ny firenena iray manontolo no noferana tsy hivoaka intsony nony tonga ny 9 martsa.

Ny antony dia satria nihombo ilay aretina tany avaratr'i Italia, nitombo ny isan'ny maty sy ny  isan'ny marary na dia nitombo ihany koa aza ny isan'ny sitrana. Nofaritana ho faritra mena noho izany ny faritr'i Lombardia, any avaratra, ka tsy tokony hisy hahazo mivoaka na miditra. Vao nahare izany ireo mponina tany ny alin'ny nivoahan'ilay didy hitsivolana dia nihazakazaka naka fiaradalambý sy fiarabe ny alin'iny ihany ny ankamaroan'ny olona "nandositra" namonjy havana sy namana any atsimon'i Italia. Mbola asa be ho an'ny fanjakana ihany koa  ny niandry azy ireny teny amin'ny gara isan-karazany satria izay tratra dia tsy maintsy natoka-monina avy hatrany. Hany  herin'ny fanjakana dia namaritra an'i Italia manontolo ho faritra mena sy nandrara anay rehetra tsy hivoaka intsony raha tsy antony lehibe ny alatsinainy 9 martsa. Maro ny fiasana nakatona fa misy ihany anefa ireo navela hisokatra satria ny fiainam-pirenena mila mihodina na izany aza. Izany hoe ireo tsy maintsy miasa aloha dia afaka mandeha fa mila mameno ilay "fahazoan-dàlana" izay  alaina ao amin'ny vohikalan'ny Ministeran'ny Ati-tany.

Tsotra sady mora azo ny anton'zay fepetra izay ary averiko amin'ny namana rehetra ombieny ombieny : "raha mbola mivezivezy sy mifanerasera isika dia mivezivezy sy hiparitaka hatrany ilay biby ratsy".

Misy ihany ny mbola mafy loha, mieritreritra hoe ahoana moa zahay no fehezinao ato an-trano. Dia naveriko foana hoe ny didi-jadona manjaka any Chine no naha-avotra an-drizareo ka izao zareo efa manomboka miverina tsimoramora amin'ny fiainana an-davan'andro. Tsy mbola resy tanteraka ilay izy fa efa manomboka mihena. Satria any Chine rehefa didy mivoaka dia arahana raha tsy te-ho tapa-doha. Ny tany tandrefana no hamono tena amin'ny demokrasiany.

Manomboka miha-ratsy koa ny toe-draharaha any amin'ireo firenena hafa. Dia hita fa mamerina ny fahadisoana nataonay teto Italie  tamin'ny tapa-bolana ihany koa rizareo. 

Omaly raha olona 368 no namoy ny ainy tatý aminay tanatin'ny iray andro, dia voalaza fa niakatra 38% ihany koa ny isan'ny mitondra ilay otrik'aretina any amin'ny faritra atsimon'i Italia, indrindra ny faritr'i Puglia. Nahoana no niakatra tampoka ? Satria nentin'ireo nandositra avy tany avaratra tamin'ny tapabolana nidina any atsimo ilay virus. Tsy hita teo no ho eo izay fa izao vao mitranga satria 15 andro no mikotrika ao anaty ilay aretina vao mirongatra etý ivelany (incubation hoy ny teny frantsay).

Tokony hilamina ilay fanarahana fepetra raha tsy misahotaka isika. Miteny ho antsika rehetra aho, hatramin'ny any Madagasikara satria averina hatrany fa tsy marina ilay hoe tsy mandaitra any amin'ny tany mafana ilay aretina. Tena  mandaitra fa samia mitandrina.

Manomboka ny herinandro faharoa mihidy an-trano izahay izao. Tamin'ny alarobia ihany aho no nivoaka kely 30 minitra niantsena. Milahatra eo ivelany, manaja ny elanelana 1 metatra avy, dia miditra tsikelikely. Rehefa tafavoaka ny ao vao miditra indray ny manaraka. Tsy atao mahakivy izany fa manararaotra maka rivotra sy manala voly ihany koa e. Inona moa no mahamaika, hiantsena dia avy hatrany dia hody dia tsy hivoaka ny trano intsony avy eo ! Ny tànana no tena mila arovana fa iny no tena hikitikitika ny entana ao anaty tsena ao. Ny orona sy vava afaka saronana amin'ny lamba fitafy raha tsy manana ilay tena izy.

Mbola ho apetrako ho tehiriziko eto fa ho atambatro ireo horonantsary vitsivitsy nanamarika ity vanim-potoana mangidingidy ho an'ny tantaram-pirenenay ity.

Tsy maintsy resena ary tsy maintsy ho resy ity aretina ity fa miangavy antsika fotsiny "mipetraha ao an-trano !". 

Raha mbola manohy mivezivezy isika dia tsy ho resy izy na afaka herintaona aza.

Ny teny fanentanana sy fankaherezana miasa atý izao dia ny " #iorestoacasa" (#mijanonaatoantranoaho ) sy ny hoe #andràtuttobene (#hihatsaraizao )

Olona avy Italia tsy mahazo miditra any Madagasikara - #coronavirus

Nampidirin'i ikalamako | 2 Mar, 2020

 

Ambadiky ny tsiky sy hehy hono tsy voatery ho fifaliana foana. Tsiky fanafenan-tomany, hoy i Bessa.

Misy rahona mampanjombona io tsiky sy hehiko io hatramin'ny maraina. Misy namana nanontany ahy tamin'ny alin'ny zoma  28  febroary hoe ahoana io "notam" io, tena tsy tafa ve fa marary mafy i dada ka tena mila mandeha aho. Tsy nanana avaly azy aho dia nentiko tao amin'ny vondronay zanaka am-pielezana eto Italia ao amin'ny facebook ny resaka. Samy niresaka tao izahay rehetra fa nisy kosa nandefa hafatra manokana ho ahy avy teo, niteny hoe i anona lasa aninkeo ka tokony efa tonga izay zareo dia eo no hahitantsika hoe tafiditra ve sa tsia.

Afaka ora iray dia tonga ny vaovao hoe avy dia nalain'ny fiara mpitondra marary teny Ivato rizareo dia nentina ho atoka-monina eny amin'ny hopitaly eny Anosiala, Ambohidratrimo. Tankina daholo aloha.

Marihina fa ny 27 febroary no nosoniavin'ny ministry ny fahasalamana ilay "notam", izay misy soratra hoe "ity dia hanan-kery amin'ny fotoana hanaovana sonia azy". Ny 28 febroary maraina izahay mbola nahazo fanontanian'ny havan'ireo lasa nisidina hoe "aiza ny vohikalan'ny ministera milaza io" fa tsy nahita zareo - satria nanomboka nanana ahiahy koa izy ireo. Nitady aho moa dia nahita hoe adiny roa talohan'ny fanontaniana no namoaka ilay izy ny pejin'ny Primature ao amin'ny facebook. Izany hoe tsy hay na ny 27 febroary tamin'ny firy no vita sonia ny fandraràna ofisialy fa ireto namana kosa ny 28 febroary tamin'ny 7 maraina no niainga teto Roma tamin'ny sidina Air France izay mbola nandalo Paris. Ny Air France koa tsy mbola nahazo teny midina hoe tsy mahazo mitondra mpandeha avy Italia mankany Madagasikara.

Ny ampitso maraina, sabotsy 29 febroary dia  hafatra avy eny Anosiala mihitsy no azoko nanazava ny fandehan-javatra sy niangavy ahy hampita amin'ny rehetra hoe aza miainga intsony fa avy dia midoboka 15 andro any Anosiala.

Nandritra izay fotoana izay dia niaraka miasa saina tamin'ilay namana manana ray marary aho. Sady tsy nandrisika azy hijanona aho no tsy nandrisika azy handeha fa olon-dehibe izy mahalala ny ataony.

Marina fa sady mifananihany izahay no mandinika hoe inona daholo no atao : haka taratasy fanamarinana fa salama tsara, hanantena fahagagana ve hoe tsy ho tratran'ny sivana fa ho tafavoaka soa aman-tsara, sns. Inona daholo no atao anaty valizy hiatrehana ny eny Anosiala raha midoboka eny : hitondra savony hanasana lamba sy hisasana, hitondra lambam-pandriana ihany koa, hitondra ody moka sy fanafody hafa sao sanatria ny moka indray no hanadaraboka, atao bebe fahana aloha ny finday mandrapahatongan'ny havana hamangy hitondra fahana malagasy, sns.

Izaho izany amin'io miresaka amin'ny eny Anosiala hoe ahoana sy ahoana ny ao dia arak'izay lazain'ny eny no handinihanay ny tokony ho entina sy hatao.

Kanjo omaly alahady 1 martsa hariva izy nandondòna toy ny mahazatra. Avy aho dia nanadrohadro hoe "efa tsy vizaky ny "quarantaine" intsony angaha ny ati-doha" - satria izay no fifamazivazianay. Kanjo hoy izy hoe maty i dada.

Kepoka aloha. Voadona satria niaraka nitady fika handehanana hahita maso an'i dada no nandanianay fotoana tao.

Dia ahoana ?
Tena mbola vonona izy handeha na dia hidoboka eny Anosiala aza. Azoko mihitsy izay faniriany handeha izay. Fony mbola teo i dada dia ny tanaty lohany dia hoe mba ho hain'i dada fa tsy any amin'ny 10.000 km intsony izy fa mba efa etsy Anosiala fara-faharatsiny. Mba efa afaka hamangy azy ny havana na dia hoe eo an-tokotany aza fa zareo tsy mahazo mivoaka.

Izao lasa i dada dia tsy maninona fa handeha ihany, mba ho akaikin'ny fianakaviana na dia eny Anosiala aza Cry

Ny maraina vao nifoha aho ity alatsinainy ity dia nanafatra indray hoe ilazao rizareo any an-tanàna handefa taratasy fanamarinana fa nodimandry i dada, na fara-faraharatsiny ny filazana manjò. Izy rahateo efa nivonona haka taratasy fanamarinana any amin'i dokotera hoe salama tsisy tazo, tsisy kohaka, tsisy n'inon'inona. Dia efa vonona hoe raha te-hiala andraikitra ny sidina hitondra dia hanao sonia izy fa izy irery no tompon'andraikitra raha misy zavatra mitranga aminy.

Izaho amin'io sady miomana fa tsy maintsy handeha hiasa ka hoy aho taminy hoe raha vao mirava aho dia mihazakazaka mody haka vaovao faramparany sady hametrapetraka ny ato an-trano dia hamonjy anao eny an-tseranam-piaramanidina fa tongava alohaloha dia misy fotoana handaminana paik'ady.

Tsy nitaredretra mihitsy vao nirava fa avy dia namonjy fodiana, namoha solosaina sy facebook dia nandondòna azy tao. Antsoiko indry izao dia izao, hoy izy. Vao mainka aho nangovitra hoe misy inona indray. Kanjo hono kay vao nanontany ilay birao nividianany tapakila izy hoe mety ho ekenareo handehanako ve ity taratasy nomen'i dokotera ity hoe salama tsara aho, dia nanokatra solosaina hitady ny momba azy ilay birao dia avy dia nivandravandra be tao hoe tsy afaka miondrana ianao fa hentitra ny fandraràna avy any aminareo. Dia teo aza moa dia nitantara rizareo hoe fahadisoan'ny governemantanareo no nahalasa azy 5 tamin'ny zoma 28 febroary iny satria mbola tsisy nahazo taratasy momba izany izahay ka tsy nahalala hoe tsy mahazo mankany ny avy Italia.

Maty momoka teo ilay faniriana hanao adidy farany ho an'i dada.
Voin-kava-mahatratra moa ilay izy ka izaho avy no kepoka sy oriory eto.

 

Miandra sy Miandravola.

Nampidirin'i ikalamako | 19 Jio, 2019

 

Efa tamin'ny volana febroary ity tantara nahafinaritra ahy loatra ity no tokony nampidiriko tato saingy varimbariana aho dia izao vao tafiditra. Niniako tsy novaina ny datin'ny blaogy. Tsy maninona fa toa fotoana somary feno fanembonana koa izany andro izany hany ka tsaroana tampoka hoe tokony natao tato efa ela izy ity.

Angamba tsy mila fanazavana betsaka fa ireo resaka rehetra taterina eo ambany ireo efa mahalaza azy... 
hoe fony vao tazako ny anarana sy endriky ny renin'i Mr Sayda, mpihira, dia nitselatra kely ny am-bavafoko hoe ilay naman'i Miandra zokiko io Fidéline io na dia efa nampitsiky ahy ihany aza ny nahita ilay anarana nitovy tamin'ny 2015, fony niaraka nanao ity lahatsoratra ity izahay : "Alefa Sayda, hoy ny hiakan'i Misié", izay lahatsoratra voalohany nivoaka momba azy tamin'ny filazam-baovao malagasy, rehefa nanomboka fantatr'olona ny talentany.

Fa sendra nisy nilaiko tamin'i Misié momba ny RadioVazoGasy moa tamin'ny febroary iny vao nararaotiko napetraka taminy ny fanontaniana ary dia io izahay mianaka fa samy fenofeno ny fonay tafaresaka teo ary dia izay ihany no tiako tsarovana eto fa tsy anampiana intsony.

 

 

 

 

 

Vary mora aty amin'ny taona roa arivo mahery siviambinifolo

Nampidirin'i ikalamako | 21 Mar, 2019

 

 

Avy dia tsaroako ny lelako vakivaky sy naharary ahy loatra noho ireo "stock tampon" nilaharanay sy ry Maria Katisoa tamin'ny 5 maraina isan'andro tamin'ny andron'ny revolisionina sosialista tamin'ireny taona 80' ireny. Tsy tsaroako na 300g na 500g isaky ny olona voasoratra anaty kariném-pokontany ny anjaran'ny fianakaviana fa dia izay aloha no fanatanjahantena isa-maraina nahazo ny andianay adolantsento tamin'ireny fotoana ireny. Tsy ny vary ihany fa ny menaka,  ny savony, ..eny hatramin'ny mofo dipaina ihany koa.

Dia kivy hoe miverina ny kariné-pokontany sy fatram-bary voafetra hividianana ireto vary sinoa...1000 Ar hono ny vary mora, raha toa ka 1225 izy ao an-tsompitra ao ao Ambatondrazaka ao. Ka tsy naleo ve nanafatra tamin-dr'i gaona, mba isika Malagasy ihany no manjifa ny antsika malagasy sady mahasalamana ny varintsika ?

Sa tanaty #Velirano hoe tsy maintsy any amin-dr'i kelimaso ilay "plan d'urgence sociale" voalaza eto ?

Tena mba fanamby tamin'ny andron'ny revolisionina sosialista mihitsy ny fahaleovan-tena ara-bary sy ny fialana amin'ny habadoana amin'ny taona 2000. Kanefa dia mbola eto isika izao. Ny habadoana moa dia miha-mahazo vahana indray aza satria na ny fomba fanoratra na ny fomba firesaka ankehitriny dia miha-mahonena hatrany hatrany.

Tena mbola nofy ireny... nofy ilay hoe hitsangana amin'ny fandohalihana ilay Nosiko.

 

 

Saripika farany

Nampidirin'i ikalamako | 17 Feb, 2019

 

Misy fomba maro amoahana ny mavesatra ao am-po mba ahafahana mandroso. 

Isaky ny mijery ireo sariko maromaro nomen'i zoky Blou ho ahy aho manko, izay sary tsy tanatin'ireo nozarainy ao amin'ny pejiny satria tena sary "manokana", dia miteny irery hoe isaky ny clic clic-n'ny fakan-tsariny dia mirima amin'ny zavatra tsy navoakan'ny vavako.

Sary nandritra ny fiondrehana sy nanomezana voninahitra farany an'i Landy izay nodimandry tampoka tao Paris tamin'ny 26 janoary araka ity vaovao ITY sy ITY.

*******************************************

Saripika farany.


Misaotra anao, ry namako
Nandrakitra ho sary,
Ny hiaka mba notanako
Tam-poko izay narary.

Ny maso vonton-drano
Nafenina amin'ny tsiky,
Tazanao ihany,
Nanjary saripika.

Izaho tsy reny intsony
Anaty fitsaharany,
Mandinika azy tony
An-torimaso farany.

Napetrakao ho ahy
Ho tsiaro an'ilay namana,
Ny fihin-tananay
Teo am-pisarahana.

Narindrina ny vata.
Nisaorana Ny Ray
Nampindrana dia naka
Ilay Landinay.

 

ikalamako, 17 febroary 2019.



Lalao Fanambin'ny Valo amby roapolo taona.

Nampidirin'i ikalamako | 3 Feb, 2019

 

Maro ny fanamby mandeha eny amin'ny tambazotra sosialy eny ka nahatonga ahy hitondra ity fandraisako anjara ity.
#28TaonaFanamby

Febroary toa izao, valo sy roapolo taona lasa
Ny hafanan'ny fahavaratra nanafana ireto sandriko
Raha nandao ilay taniko Sarin-tongotra ankavia
No nosoloin'ny hangolin'ny ririnina tsy miantra
Tam-panitsahana maraina ilay Baotin'Italia

 

 

 

 

 

 

Ny Fitiavana dia Fanomezana

Nampidirin'i ikalamako | 24 Jan, 2019

 

Ampofopofo be isaky ny avy misakafo hariva nandritra ny roa herinandro izay.

💜💜💜

Tositosy sy fihimpihina nandritra 14 ora tsy miato hatramin'ny troatra farany sy ny nivadihan'ireo maso toa kanety ireo ho fitaratra, omaly.


🐾🐾  ðŸ’œ  ðŸ¾ðŸ¾ ðŸ’œ ðŸ¾ðŸ¾ ðŸ’œ ðŸ¾ðŸ¾ ðŸ’œ ðŸ¾ðŸ¾ ðŸ’œ ðŸ¾ðŸ¾ ðŸ’œ ðŸ¾ðŸ¾ ðŸ’œ ðŸ¾ðŸ¾  
#Negrone  

Ny tontalin'ny Fitiavana dia Fanomezana. 

 

Ampela manahirana hoe...

Nampidirin'i ikalamako | 22 Jan, 2019

 

Ny vehivavy sarotiny, hono, toy ny rano madio eny amin'ny riana​ : mahery sady tsotra, tsy miolakolaka. Tsy mety afa-po. Mety ho tena ratsy noho ny devoly ary mety mbola tsara lavitra noho ny anjely.

Mandositra matetika izy ireny. Mivazavaza matetika. Sarotra ny mahazo izay tena momba azy. Izay foana.

Mahay mitia izy, mitia tena mitia, mitia tanteraka. Tsy azonao sakanana izy rehefa tia, toy ny tsy azonao anakanana ny oram-baratra rehefa ho avy.

Ny manana ireny vehivavy ireny eo anilany dia toy ny mivarotra fanahy amin'ny devoly, toy ny mamihina hadalana satria dia vitan'izy ireny ny mahalasa adala anao.

Dia manao jery todika ianao ka mieritreritra fa angamba tsara kokoa raha tsy misy azy. Mba hilamindamina kokoa ny fiainana. Ho tony kokoa.

Misy ny mahavita mandao azy ireny kanefa dia aleo tsorina fa tsy ho adinony vetivety izy ireny satria dia kanto loatra, mpanasaro-javatra sady hafakely.

Tsisy mahasolo azy, ...izay angamba no teny mahalaza azy.

[Lahatsoratra notsindrohana teny ho eny dia nadika amin'ny fiteny malagasy Wink]

 

Roma

Nampidirin'i ikalamako | 21 Jan, 2019

 

 

**********************
Ianao ry Roma
Tsy himaona,
F'am-poko foana
Antaranoana.

Ianao natsangako
Ho tanànako,
Raha nilaozako
Ny an'ny razako


[ ikalamako, 29 janoary 2019]


Nofy halina.

Nampidirin'i ikalamako | 5 Jan, 2019

 

Nofiko halina no tsy aritro dia atorako ato aloha vao mifoha...tatasiaka fanombohana ny taona. Mitrosona amin'ny tazo sy ny gripa be aho ato nanomboka tamin'ny 2 janoary fa mitsangana kely aloha manoratra an'ity dia hiverina hibonoka indray. Izaho tsy dia mba zanahan'ireny aretina kely ireny - na i djamal-al-atête aza tsy dia manao be fihavy loatra toa ny taloha intsony fa miselontselona sisa. Asa oviana aho no nahita zany maripana 38° azoko teo zany - toa tsy tsaroako, ririnin-dasa tsy tsaroana angamba.

Tanaty roa na telo volana aho izay dia nanonofy  indroa na intelo hoe misy asa fanamboarana be hono eto aminay. Manomboka miha-tsy hitako foana ny trano mifanila vodirindrina aminay fa takona tao anaty asa be tao.

Fa halina, efa diva haraina iny dia "looooza" (hoy ny Dadan'ny ankizy - tpt) fa vita hoe ilay asa be ka lasa feno fasana tsara tarehy ilay havoana kely manoloana ny tranonay - "cimetière" fa tsy ireny fasana tokana toy ny any amintsika ireny. 

Vita tsara tarehy aloha ilay izy e, sady maitso mavana dia feno olona somebiseby mikarakara ny fasany avy sy manaingo azy amin'ny voninkazo eo amin'io ahitra firaofan'ny ondry amin'ny sary io.

Ilay trano tena mifanila vodirindrina aminay lasa nikisaka be takona tao ambadikay tao, ary ilay iray nazera hono fa efa maty ny tompony ka tsisy nikarakara ilay trano - oadray ! Kanjo nony nifoha aho dia tsaroako fa hay tokoa moa vao nodimandry tamin'ny tapa-bolana ilay ramatoa fa mpivady efa antitra nefa tsy niteraka rizareo.

Vao nifoha aho dia tsy aritro fa lasa nojereko ny mety ho hevitra entin'ilay nofy. Hatramin'ny an'i Nostradamus.
Ririnina ny andro... Innocent

Karaborosy tsy minday pasazy mandeha an-dafy.

Nampidirin'i ikalamako | 6 Sep, 2018

 

Toran'ny hehy erý aho tamin'ny faran'ny herinandro teo fa sady nitaiza zana-bazaha kely aho tato no nanamboatra ity horonantsary ity : https://youtu.be/gmdPzE5OEfc

Nanontaniany aho hoe amin'ny fiteny inona izany hira izany ? Novaliako izy hoe amin'ny fiteninay, fiteny malagasy. Fa inona no lazainy ? Dia nazavaiko azy hoe nalahelo izy teny ambony fiaramanidina. Fa ho aiza izy ? hoy ihany rabefanontaniana. Hody hono, hoy ihany aho namaly sady somokotra namita ilay horonana. Angaha ianareo, hoy izy, mandeha fiaramanidina rehefa mody any Madagasikara ? Fa tadiavinao handeha inona izahay ? hoy aho taminy. Mandeha amin'ity, hoy izy, sady lasa izy nihazakazaka naka ity haingo-tranoko fataony kilalao ity.

Laughing Laughing Laughing Laughing  ianao, hoy izy, niteny hoe itony ny fandehananareo manao voaiazy  Laughing Laughing Laughing Laughing 

Eto an-davarangantsika.

Nampidirin'i ikalamako | 20 Aog, 2018

 

"Efa diva hanao veloma
Ka manala ny alahelony
Izato volam-pararano" 

Dox

 

Hira tena tiako fony izaho mbola zaza nitombo ka hatramiizao an-dalam-pahanterana izao ity hiran'i Pauline Rabehasy ity. Izaho moa tsy dia naharaka na nankafý loatra ireny hira vahiny ireny, ka raha ny ankizy variana tamin-dr'i Scorpion sy ry Bangles, izaho mbola nianoka tanteraka ny kalon'ny fahiny.

 

Ny tena namana mahay manaja ny fahanginanao.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Aog, 2018

 

Sary tamin'ny fanendrena kardinaly vaovao tamin'ny volana jiona 2018 teo ity. I zoky Kardinaly sy ity zokiko ity dia isan'ireo nahalala ahy nanomboka teo amin'ny fahaadolatsentoko satria zokibe tao an-trano izy ireo nanomboka tamin'izany fotoana izany.

Vao nahita ahy nitsena azy teny an-tseranana izy dia vaky vava hoe "tena ohatran'ny mahita sy mahare an'i maman aho aminao". Nampiako ity izaho nitafy lamba tamin'ity fotoan-dehibe nanendrena ho kardinaly an'i zoky Dezy ity dia tena nitamberina taminay telo mianadahy ny 35 taona lasa.

Fa ity pika sary ity apetrako eto satria dia nitsatoka tany amin'ny ati-fanahiko ny fanamarihana sy fanontanian'i zoky teny antsefatsefan'ny fifalianay teny : "Zandry a, misy alahelo manaloka ny fiainanao. Afaka zarainao amiko raha tianao."

Indroa be izao ilay fanontaniana no nipetraka isaky ny mahita hirika izy satria fifalian-dehibe tanaty efatra andro no nihaonanay ka tsy dia nisy nivalamparana.

Hitany fa nandainga aho. Hitany fa nitelina ranomaso aho. Hainy koa anefa aho. Hainy ny toetrako. Hainy fa akora ety ivelany fotsiny ity izaho be ati-doha ity fa marefo toy ny kristaly aho ao anaty ao.

Isaorako azy ilay fanajany ny fahanginako. Tsaroako amin'ity sary ity ny Fitiavana be mamehy anay mianakavy.

 

(Tsy teto izy no nanontany fa antony hafa indray ity fihinay mianadahy ity. Mitovy toetra izahay mianadahy fa izy mazava fo sy avy hatrany dia milaza zay tsy zakany fa tsy toa ahy.

 

 

 

Fitiavan-dreny

Nampidirin'i ikalamako | 2 Aog, 2018

 

Rahampitso maizim-bolana, hoy i neny taminao
Hanainga antsokosoko isika, haka sambo ka handao
Ity tany feno ady, ravaravan'ireo baomba
Ho any an-tany lavitra any, hanovo fiainam-baovao.

Onjan-drano, oran'andro, haizim-pito no sedraina
Hafanana mahaana mila hahafaka aina
Ilay vary iray fonosana natao vatsy efa lany
F'ilay faravodilanitra mbola tsy tazana ihany

Andro firy izay no lasa, sa vao omaly no niainga ?
Kely sisa dia ho tonga, hoy i neny toa mandainga
Fa ny ranomasonao toa ritra, ny molotrao nihanangina
Dia naronjonao tan-tratrany ny lohanao makiana

Dia nitsangana i neny, niova toera-nilasiana
Tsy nalàny teny an-tratrany ilay vata-mangatsiaka
Ny nijery mbola nihevitra fa torimason-jaza
Fa raha hain'ny tompon-tsambo, omeny trondro ianao ho haza

Fa nihantsona ny sambo, tody ihany tan-tseranana
Dia natolotry i neny ireo mpitsena ilay zanany
Efa simban'ny hain'andro sy ny rivotra sy orana
Ka dia vata fotsy sisa no handriany am-piadanana.

 

2 aogositra

 

 

(loharanon'aingam-panahy : TATO. Efa nodimandry andro vitsivitsy ilay zaza fa nafenin-dreniny teny an-tratrany foana satria raha hitan'ny hafa dia asaindrizareo avalana any an-dranomasina Cry)

 

'Mpifamofo mandra-maty', tantara nosoratan'i Thinà.

Nampidirin'i ikalamako | 24 Mey, 2018

Azo lazaina fa maromaro namana manana talenta aho : ao ireo mpanakanto ara-mozika dia ao ireo havanana amin'ny asa soratra. Maro noho izany ny kapila mangirana sy ny boky izay natolotr'izy ireo na nojifaiko tamindrizareo. 

Raha ny asa soratra dia tononkalo no maro an'isa. Mahafinaritra ahy misintona boky iray izay tandrify ny tànako dia mitsaingoka pejy iray hovakiana rehefa milamindamina iny aho. Tsy ataoko sesi-montotra fa matetika ataoko fakana aingam-panahy.

Ny boky farany voaraiko teo kosa dia tsy tononkalo fa tantara : "Mpifamofo mandra-maty" nosoratan'i Thinà Andriafaly (na i Tsikisariaka eto amin'ny serasera). Tsy nampoiziko ho tantara, fa noheveriko fa raki-tononkalo toy ny mahazatra ilay izy raha tsy tonga teny an-tanako.

Mpiara-mianatra teny amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa izahay roavavy nanomboka tamin'ny taona 1980, fa nandritra ny taom-pianarana - sendra nifampitantara hoe misy fahoriana ao amin'ny fianakaviana - vao nahalala fa hay mpihavana tsy mifanalavitra akory. Saingy ny finamanana no tena namatotra anay hatramizay ka hatramizao.

Efa tonga namangy ahy tatý Roma izy indray taona, nanararaotra ny fandalovany niasa tatý Eoropa. Tsaroako izy niteny tamiko hoe "hosoratako ho tantara izay" raha nisy zavatra noresahanay mirahavavy tamin'izay fotoana izay. Tsy nijanona tanaty saiko kosa anefa ilay resaka raha tsy tafavoaka ny boky ka nampatsiahiviny ahy.

Ny tantara moa tsy azo tsimponina toy ny tononkalo ka efa iray volana taorian'ny nahazoako ny boky aho vao nanana fotoana nifantohana taminy. Edrey fa dia tao aho no noraisina fa tsy nijanona raha tsy ny maso no vizana ary ny torimaso no niantso. Tsy lavabe rahateo moa ilay izy ka nisononoka ery ny famitàna azy.

Sady velon-tsiky teny am-piandohana sy teny an-tenantenany teny fa nahatsapa ho nahazo anjara ankolaka tanaty tantara ihany ny tena, satria tantaran'i Mialy zanak'i Ravolasoa ity izy. Mbetika nitsetsetra, mbetika nitaintaina, mbetika nitsiky teny am-pitetezana ireo pejy 160 mahery. Ary tsy nampoiziko ny niafarany ka dia nirotsa-dranomaso sy velon-tsento terý.

Hay ve ka tsy mivetsovetso lasam-borona amin'ny tononkalo fotsiny ny talentany, hoy aho, fa miangaly tantara mihitsy koa. Ny fahaiza-mamorona, ny fomba fanoratra, ireo voambolana sy sarinteny nampiasaina moa dia aoka fotsiny. Manaiky aho fa voafehy ary nentina niakatra avo ilay taranja.
Dia mandrosoa hasina akia rahavavy dia misaotra indrindra nizara !

Mino aho fa azo jifaina eny amin'ny fivarotam-boky mahazatra izy ity fa izaho aloha dia mamporisika hoe vakio fa tsy mandiso fanantenana. 

 

Giò & Giulia, voromahery mpivahiny ao Milan

Nampidirin'i ikalamako | 8 Mey, 2018

 

​Mahafinaritra ny fandroson'ny teknolojia indrindra rehefa anomezana fahafahana ny olon-tsotra hanaraka moramora ny fiainan-tokantranom-biby. Marina fa rehefa entin'ny hazakazaky ny fiainana sy rehefa tsy dia mahay loatra ny mombamomba azy ireny tsy azo onona akory fa ao an-drenivohitra be toa an'i Milan sy ny trano be mijoalajoalany dia afaka monina ao koa ny voromahery.

Nanorina akany ao an-tampon'ny tranobe an'ny orinasa Pirelli ao manko izy ireto satria ireny voromahery mpivahiny (faucon pélérin) ireny dia tia sy afaka miaina an-tanàn-dehibe ka matetika dia eny ny toerana avo no fidiany. Ary io trano mijoalajoala io dia isan'ny avo indrindra ao Milan, 32 rihana ary isan'ny nalaza ho avo indrindra tatý Eoropa tamin'ny taona 60'. Natao ho biraon'ny orinasa mpanao kodiarana Pirelli izy tany am-boalohany fa ankehitriny kosa dia ao ny foiben'ny "Regione Lombardia" ka anatin'ny andraikitry ny "Regione" izany ny fiahiana ihany koa ny zavaboary, biby sy zavamaniry ao amin'io faritra io.

Rehefa tsikaritry ny mpiasa ao amin'ity trano avo ity ireto vorona dia nampandre ny manam-pahaizana manokana momba izany izy ireo ka nanomboka teo dia nametrahana fakan-tsary miafina hanarahana andro sy alina ny fiainan'izy ireo tao an-tafontrano tao. Nasiana ihany koa lafika natao hanatodizana. Nomena anarana izy mivady : Giò ilay lahy ary Giulia ilay vavy. Ny antony dia satria Giovanni Ponti - Giò no anaram-bositra fiantso azy - no teknisianina namolavola ilay trano mijoalajoalan'ny Pirelli, ary Giulia Vimercati ny vadiny.

Napetraka ho an'ny daholobe ny rohy hanarahana izany ho an'izay liana sady mba hiarahana miasa ihany koa. Ka raha sendra misy mahatsikaritra zavatra hafahafa dia mampandre malaky ny tompon'andraikitra. Zava-dehibe sy zava-baovao tokoa ny fahafahana manaraka ny fivoaran'ny natiora, tsy mila mandeha lavitra fa eo amin'ny solosaina na amin'ny finday dia afaka manaraka ny fomba fandatsahany ny atody, ny fanafenany azy, ny fahafoizan'ilay atody - hmmm mampihetsi-po na dia zavatra efa hay ihany aza - ny famahanan'izy mivady ireto zaza, sns. Mahavariana daholo izay ataon'ireto vorona, mandeha mihaza (ny voromahery dia haingana be amin'ny fihazana vorona eny am-panidinana fa mahalana izy vao maka biby mipetraka izany) dia mody mitondra ny sakafo dia mamahana ireto zaza. Eo amin'ny isaky ny adiny roa eo rizareo miverina mitondra sakafo.

Tamin'ny herinandro iny nisy nahatsikaritra fa naratra ilay renim-borona ary tsy hita nandritra ny roa na telo andro. Niasa saina tsisy toa izany izahay. Nisy tsy natory fa nahavatra tsy niala teo amin'ny efijery ny maso, ny sasany nahavita nametraka ny finday teo anoloan'ny solosaina dia nanodina horonana ny zava-miseho. Vaky vava ihany koa mahita ny fikarakaran-drainy ireto voronkely satria raha vao teraka ireny dia mbola atolotra eo am-bavany aloha ny sakafo. Mihorakoraka toy ny zaza daholo mahita azy tonga miaraka amin'ny haza, dia mamahana ireto zaza fa reniny mbola marary dia nanjavona. Nitsinjaka daholo nony nipoitra tampoka i Giulia. Soa fa tsy re ny tabatabanay fa raha tsy izany angamba dia efa tsy tafapetraka tao intsony rizareo. 

Androany izao dia efa hita fa manomboka mivoaka ny volom-borona maintimainty ao ambany elatr'ireto zaza. Misy iray efa manomboka mikopak'elatra dia mianjera izay fa mbola tsy mahazaka tena. 

Dia io indray aloha ny mahavariana ahy ato. Ankoatra azy dimy mianaka dia mahasondriana ahy koa ny mitazana ity tanàna ity amin'ny ora isan-kazarany : vao mangirandratsy, antoandrobenanahary, avy orana, alimbe, sns. Io hariva io ohatra dia avy ny orana, nisy tselatra be teo dia io i Giulia (mino aho) fa ery ambony "climatiseur" izy no mihaminkamina sady miambina ny zaza.


 

'Aleo ihany tsy mpino, toa izay katolika mihatsaravelatsihy' : tsia, tsy tenin'ny Papa Ray Masina io.

Nampidirin'i ikalamako | 18 Mar, 2018

Tsy resa-pinoana fa resa-panahy no fototr'ity toraka blaogiko androany ity. Ilay fanahy tsara na fanahy ratsy mamaritra ny toetran'ny olombelona tsirairay. Tsy misy ny tapitr'ohatra amin'ny hatsarana kanefa koa dia misy ny hiringiriny amin'ny haratsiam-panahy. Samy manana ny isehoany ireo, samy manana ny fahaizany mamoaka na manafina azy. Misy ny tsara fanahy tsy mipoerapoera mihitsy fa izay ataony am-panetren-tena no hahitana taratra izany. Misy ny kary manafin-koho ka mahavaky vava indraindray. Dia misy koa anefa ny tena tsy tahotra tsy henatra mihitsy fa mivandravandra toa vay an-kandrina ny haratsian-toetrany. Raha atao aza ny kajy dia aleo lavitra ireny olona ireny, efa hay ny toetrany dia anjaranao ny manaraka na tsia ny ataony. 

Fa ny idiran'ny resa-pinoana eto dia satria maro ireo kivy amin'ireo saka manafin-koho ka nijapy ny resak'i Papa François indray andro. Nolazaina manko fa tenin'i Papa ny hoe "aleo ihany tsy mpino toa izay katolika mihatsaravelatsihy" ary nety tamin'ny ankamaroantsika ilay izy satria betsaka tokoa ny mitanisa ny tenin'ny Soratra Masina hampirantiana ny atao fotsiny fa tsy mampihatra izany amin'ny fiainana sy ny fiaraha-monina. Sarotra be ny mampihatra ny fanetren-tena, ny fitiavana ny hafa, ny fandeferana izay takiana amin'ny olona milaza ho kristianina. Eny, afaka miafina ao ambadiky ny hoe mba olombelona mety ho diso koa izy ireny.

Fa tsy dia io loatra no teny nolazain'i Papa Fransoa : "ho antsika rehetra, hoy izy, ho antsika tsirairay avy, dia tsara kokoa, ankehitriny, ny mandinika sao misy fiainana roa sosona ao amintsika, miseho ho marina, toa tena mpino tonga lafatra, katolika tsara kanefa ao ambany ao manao zavatra hafa". Ary notohizany fa "impiry moa isika maheno hoe raha ho katolika toa an'ireny dia aleo ihany tsy mpino.

 

 

Ny katolika moa no voaresaka eto satria ny tenin'ny Papa no notsongaina. Fa izaho kosa, na dia nobeazina tamin'ny finoana katolika aza, na hodidinina zoky sy dadatoa sy nenitoa Mpanompon'ny Avo aza, dia isan'ny tsy mety zakan'ny resaka fivavahana. Ary arakaraky ny hitomboan'ny taonako, arakaraky ny hikasohako amin'ny fiangonana sy ny mpivavaka - tsy avahako ny finoana eto - no mainka mampanalavitra ahy amin'ilay izy. Nataoko vazivazy ihany, saingy zary tenany koa, ny hoe aleo aho hijanona ho ilay matevin-koditra hatrizay ka hatramizao fa raha mi-fôpla aho tsy entiko midina manaraka ahy ny Fiangonana sy ny Fivavahana fa mba manohy mihivingivina fotsiny ny olona miteny hoe "shhh, iny ve moa hahagaga !".

 

PS :  efa napetrako tamin'ny namana vitsivitsy ihany ny hafatra fa apetrako ato koa hoe raha sanatria tonga ny andro ialako eto, izaho tsy entina any am-piangonana izany fa rehefa tsisy "Funérarium" azontsika hiarahana farany (toa mbola tsisy an'izany eto Roma) mba hanaovanareo ireny hira reveko be ireny amin'ny gloum - Bakomanga ao anatin'izany - dia avy dia tairo ny fanaterana ahy eny amin'ny "Crématorium" fa dorana no faniriako fa ny fasako dia any am-ponareo tsirairay avy, any amin'izay misy anareo any avy. Tsy hankanao akanjo mainty sy volondavenona fa loko marevaka daholo azafady.

 

Sento lalina sisa...

Nampidirin'i ikalamako | 15 Jan, 2018

 

Alatsinainy fahatelo amin'ny ity 2018 ity androany ity... #BlueMonday hono, izany no fiantsoana azy : alatsinainy mahabe fanetserana, alatsinainy mahaoriory, alatsinainy mahangolingoly tsy hay izany. Alatsinainy mampidepra, zay angamba no mahafaoka azy. Rizareo aty amin'ny ilabolatany avaratra indray no mahita an'izany e...shhhhh.

Kanefa dia indroa taona nifanesy aloha izao dia tena #Blue ilay #Monday ho ahy e. Mitamberina terý ny tamin'ny herintaona toy izao, fony aho namita iraka ho an-drazokiko lahy teny amin'ny fasan'i Md Joany Paoly II. Tena miondana be an'io Papa Ray Masina iray io izy ka dia nararaotiko ny "Andro iraisam-pirenena ho an'ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana" isaky ny alahady faharoan'ny volana janoary nanatontosako izany. Mandray anjara amin'izany isan-taona manko ny Ankohonana katolika malagasy, hany ka vantany vao tafiditra teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera izahay dia napetrako tamin'ireo namana ny faneva fotsy-mena-maitso nentiko fa izaho, hoy aho tamin'izy ireo, hiditra kely ao anaty bazilika. 

Dia niditra sy "niresaka" tamin'i Papa Joany Paoly II tao aho. Tsy haiko fa nahatsiaro tena ho nanana adidy nitondra hafatra ho azy aho satria efa nanirahany ahy ihany io taona vitsivitsy lasa izay saingy izaho mihitsy no tsy narisika satria tsoriko fa izaho sy ny fivavahana tsy dia rano sy vary loatra. Izay fiantraikany sy ny akony dia tsy haiko fa nahatsiaro ho maivana aho aloha niala tao. Herinandro taorian'izay, ny 23 janoary 2017, dia lasa izy.

Tamin'ity taona ity aho tsy namonjy ilay andro iraisam-pirenena satria tsy "angelus" fotsiny tamin'ity fa tena sorona masina niarahana tamin'ny Papa Fransoa tao anaty bazilika ka tsy nahasarika ahy loatra satria tsy dia afaka/mahazo makamaka sary toy ny fanaoko aho.

Mety hoe zarako koa aza satria dia nitamberina tsisy toa izany ireo zava-nitranga tamin'iny taona lasa iny eto am-pamisavisana fa herintaona katroka aty aoriana dia lasa nandao ihany koa ny zoky iray, tena niray andiany tamin'io zokiko lahy io.

Zanaka an-tranon'i neninay tao daholo izy rehetra fahizany. Nifandray be hatramin'ny fianakaviana. Izay didi-maharary hatrany ny fiainanay hatramizay. Nisy fotoana izy niofana taty ivelany dia nisampana kely ny làlana fa tsy nanova n'inona n'inona tamin'ny fihavanana izany. Izaho koa niala tanindrazana avy teo ka tany amin'ny taona 1985 tany  izany no nifankahitanay mianadahy farany.

Nony lasa ilay zokiko iray tam-po amiko tamin'ny herintaona dia teo hatrany izy. Tazako namoaka sarin'ny fandevenana maromaro izy tao amin'ny facebook fa izaho moa ilay efa niala dia niverina - niverina saingy natao trano niombonanay sy Andry ary Hery ilay izy - dia lasa tsy fanaoko loatra ny manao ny dingana voalohany mangataka ho namana. Izy rahateo na nahatazana ny "ankihibe miakatra" nataoko tamin'ny sariny teny ho eny aza dia tsy nangataka ahy koa. Tsy nampaninona ahy rahateo. Nefa ireo zoky rehetra iray andiany tamin'izy ireo dia mifandray amiko na any amin'ny mailaka, na namako ao amin'ny facebook avokoa.

Raha nahazo hafatra aho tamin'ny zoma alina, 12 janoary teo, fa nodimandry ny harivan'iny izy dia ny facebook-ny sy ny an'ny zanany no nojereko voalohany. Ka tao amin'ny zanany no namakiako hoe "Amin'ny alalan'ity resaka napetrak'i papa farany ao aminy ity (ao amin'ny facebook-ny) no hampandrenesako anareo fa nandao anay izao hariva izao izy". Novakiako ilay nosoratany dia hoe "fohy ny fiainana ary mety mijanona tampoka amin'ny fotoana tsy ampoizina, ka aza miandry fotoana ela miteny hoe tiako ianao sy mamihina ireo olona tianao sao tara loatra..." Teo am-pamaranana ny taona 2017 no nanoratany an'io satria hoy izy hoe "mamelà ahy ianareo izay mety ho tafintohina tamin'ny nataoko ary hamindra fo amintsika Andriamanitra ka ho taona ho an'ny Fiadanana sy Fifaliana ary Fifampihavanana ny 2018". 

Tsy haiko na narary izy nanoratra izany na olona tsy narinaritra akory satria tany Paris izy no maty. Izaho moa raha vao misy zavatra mitranga toa itony ankehitriny dia mitovy amin'ny sokatra, avy dia ampidiriko anaty akora ny lohako dia ao aho. Tsy nametraka fanontaniana na tamin'iza na tamin'iza aho fa dia ato aloha aho toy ny omby mitsako dilatra.

Manerinerina aho eto, mampionon-tena hoe mety izay angamba no mety taminay ? Tsy nisy nahasahy nifampaka namana izahay mianadahy tanatin'izay herintaona izay, hany ka tsy afaka nifampitory fitiavana sy nifamihina na dia virtoaly fotsiny ihany aza. Raha tsy izany dia mety ho navesatra noho izao angamba ny fisarahana. Nefa dia fombako amin'ireo namana mihitsy ny miteny hoe "dia efa lazaiko ihany hoe tiako ianao, tiako ianareo, tiako itena, tiako itenisany... sao sanatria lasa tampoka aho ka tsy voalazako an."

Izany hoe nijanona teo amin'ny vazivazy sy tsikitsikinay mianadahy tany amin'ny 30 taona lasa ny fahatsiarovana tavela ato anaty saiko, sy ny azy koa angamba. Ny zava-misy aloha dia tsy mitovy ratram-po ny mandao sy ny ilaozana... ka misy kaikitra kely izay ao anatiko ao, misy feo kely miteny amiko hoe tena tara loatra, tsy voateninao azy fa tianao izy, tsy nahavita nisaotra azy ianao tamin'izay rehetra vitany tamin'ny naha-zoky azy izay. 

Kanefa matoky ny rohim-pifankatiavana namatotra anay hatramizay aho ka na tsy voalazako aza izany, tsy nisy n'inon'inona nanembatsembana ny fifankatiavanay nandritra izay ela tsy nifandraisana izay. Any ankoatra indray tohizana, zoky Anselme a ! 


*lasa aho nijery boky fitehirizana sary fa tsaroako tampoka hoe nandefasany sary aho fony izy nianatra tany La Réunion (1984 tany ho any angamba izy io).

 

 

Ny fantsakan'i Masindahy Patrisy ao Orvieto.

Nampidirin'i ikalamako | 12 Jan, 2018

Ao afovoany andrefan'i Italia, ao Orvieto, no mba itondrako kely anareo amin'ity blaogy ity, hampahafantatra lava-drano fantsakana iray :  ny "Lava-dranon'i Masindahy Patrisy". Tsy misy idirany amin'ity olomasina irlandezy ity ny anarany fa angamba nalaina tamin'ny tantarany, izay nanokana toerana fisintahana sy fivavahana tany ambanin'ny tany tamin'ny antsasaky ny taonjato faha-18 tany. "Lavadranon'ny manda" no tena anarany tany am-boalohany noho izy tsy lavitra an'i Rocca Albornoz, izay tanàna misy manda fiarovana.

Tamin'ny taona 1527 no natomboka ny fanorenana azy, ary efa ny taona 1537 vao vita. Izy ity dia isan'ny hahitana taratra ny fahaiza-manaon'ireo italianina amin'ny sehatry ny asa vaventy izay mampalaza azy ireo tokoa (làlana, tetezana, tao-trano). Raha ny fantsakana mahazatra manko dia asiana tady ny siny fanovozana dia iny no alatsaka any ambany any dia sintonina miakatra avy eo, fa ity kosa dia misy tohatra roa miolikolika - ny iray natao hidinana ary ny iray natao hiakarana,  mba tsy hampifanjevo ny mpantsaka. Ampondra no nentina nantsaka tamin'izany satria 54 metatra ny halalan'ilay lava-drano ka tsy mora ho an'ny olombelona ny hiakatra ireo zana-tohatra 248 miaraka amin'ny siny feno rano (fa azo atao ihany raha te hanabokona aloha e).

 

Ny iray minitra tsy eo anilanao dia toy ny zato taona.

Nampidirin'i ikalamako | 9 Des, 2017

 

Ilay hira efa miezinezina, ny nihira sy ny nitendry dia tanora dia tanora tokoa fa miofana ho matihanina amin'ny mozika.
Kapo-batana tsisy fanomanana izy ity fa dia ngolingoly izahay nanatrika.
"Rehefa aty an-tany lavitra, hoy izy, dia ny an'ny tena no asandratra ambony".

Misaotra Richard sy Rindra !

Ambarao ahy.

Nampidirin'i ikalamako | 3 Des, 2017

 

​Tena mino ve ianao fa efa nahita azy ​nihanjaka satria nanala akanjo izy ?
Lazao ahy izay mba nofiny.
Lazao ahy izay nahavaky ny fony.
Inona ny tena mahaliana azy ?
Inona ny mba mampitomany azy ?
Tantarao ahy ny fahazazany. 
Eny, ambarao tantara iray momba azy aho ary tsy ao anatiny ianao.
Hitanao ny hodiny, ary nokasihanao ny vatany.
Kanefa dia hainao toy ny boky hitanao teny ho eny fotsiny izy, saingy tsy nosokafanao mihitsy.
Ny tena fiarahana dia tsy ara-batana fotsiny.
Ny tena fiarahana dia mahay mamantatra ny antsipirihan'ny iray, dia mitia azy fotsiny ary mitombo fitiavana azy noho izany.

 

[nahita aho dia nandika azy tamin'ny fiteny malagasy Tongue out]

 

 

Fitenindreny sy fiteny nibeazana ary fiteny nahalehibe.

Nampidirin'i ikalamako | 12 Nov, 2017

Eto am-pandaminana ireto sary sy horonana marobe ato anaty solosaina aho dia mba avoakako ity fa isan'ny mba tiako zaraina : mpinamana vitsy dia vitsy izahay nandeha nifampizara fifaliana nanodidina ny sakafo sinoa taorian'ny nanamasinana ho diakra an'i Lalatina, pretra zezoita, tamin'ny 2011 teto Roma.

Ny fanaon'ny Fikambanandrizareo dia fialana hetaheta kely aorian'ny lamesa fanamasinana ary ny ampitso izy ireo dia manao sakafo lehibe anasany olona 10 - fianakaviana avy lavitra na eto an-toerana, na koa namana akaiky sy mpiara-monina ho an'izay tsy manana fianakaviana akaiky nanotrona tamin'ny fotoan-dehibe. Ka ity fiarahanay ity dia tena izahay mpinamana ireo no nanohy ny takariva nony vita ny fialana hetaheta niarahan'ny daholobe.

Tsy diso anjara moa ny kabary kely mahazatra antsika Malagasy rehefa toa izao. Kanefa nisy namana vahiny iray teo anivonay ka dia i Mialy no nangatahana handika teny. 14 taona izy teto. Ny teny italianina no tena manavanana azy. Tsy hoe tsy mahay fiteny malagasy izy fa io aza no hany teny nampiasainy tamin'ny 3 taona voalohany tamin'ny fiainany fa efa niditra garabola izy vao niboredika nanomboka ny fiteny italianina (indraindray kivy ireo mpampianatra fa tsy hainy zay tadiavin'ilay zaza satria miteny gasy izy - hihihi).

Izaho rahateo tsy nanao amboletra mihitsy fa rehefa miresaka izahay ao an-trano dia miasa ny teny roa. Roa taona izy no tany amin'ny garabola italianina dia nanohy tany amin'ny sekoly frantsay nony ambaratonga fototra ka hatramin'ny nahazoany ny bakalorea. Karazana fiteny telo izany no tena nibahana tamin'ny fiainany : ny malagasy izay fitenindreniny, ny frantsay fiteny nibeazany tany an-tsekoly ary ny italianina fiteny nahalehibe azy. 

Izy rahateo tsy mitovy toetra amiko petsana sy pelika ity fa milamina sy tsy dia be teny izay. Tsy mitoka-monina koa anefa. Fa isan'ny tena tsy tiany ny "manery" azy hiteny malagasy fa ny azy dia misoratra eny amin'ny handrinao olona iresahany ny fiteny ho ampiasainy. Rehefa tena hitany fa sady tsy mahay miteny italianina no tsy miteny frantsay ianao vao miezaka miteny malagasy izy. Kanefa hainy tsara koa fa ny Malagasy hiringiriny avy any Madagasikara mivahiny aty dia mahay teny frantsay. Ary tsy tairina mihitsy izy fa avela amin'ny nahim-pony fa lasa izy mandeha raha terenao hoe "mba valio amin'ny teny malagasy aho ho'aho !" - zavatra tena tsy zakany iny.

Tamin'ny 2003 izahay mianaka nankany an-tanindrazana iray volana fa narary ny renibeny. Niteny gasy madio be izy navelako irery niaraka tamin'ireo zana-drahavaviko satria izaho tany amin'ny hopitaly isan'andro isan'andro nandritra  ny fotoana rehetra naha-tany anay. Tamin'izany dia hainy hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ireny hiran'i Tempo Gaigy ireny (ramose tantantan, ora iray tsy miverina, misaotra foana foana, ...), ry Ndondolah sy Tahiry (aza ampirafesina, ...), ry Tif à Tif (sipasipako, ...) sy ireo tsy tadidiko daholo.

Ka tamin'ity takariva ity dia tena tsy nandà izy na indray mandeha aza, nony nataonay hoe indry izany mandika teny ho an'i Pina fa izy tsy mahay teny malagasy. Nanao tokoa izy satria hitany hoe nandeha tamin'ny fo ny fangatahanay fa tsy namandrika azy, tsapany fa tsy hanadinana azy raha mahay fiteny malagasy izy no tanjona teto. Nisy ihany fehezanteny vitsivitsy tsy hitany ny handikana azy na dia hainy aza ireo teny ao anatiny.

Dia finaritra ahy erý aho eto miverina mijery azy ity. Soa fa voatahiry Kiss

 

Misaotra ny masoivoho fa tsy ho avy hamonjy ny fihaonana amin'ny filoha aho amin'ny talata.

Nampidirin'i ikalamako | 13 Okt, 2017

 

Matetika betsaka ny misafidy ny "Ringrazio il dottore ma rifiuto l'offerta" ao amin'ilay lalao "Affari tuoi" ao amin'ny fahitalavitra. Tsy hazavaiko ny fitsipi-dalao fa io fomba fiteny io no mba tiako ampiasaina eto, hoe "misaotra fa laviko ny tolotra".

Marina fa efa betsaka ny vazivazy - zary tenany - nifanaovana teto momba ity fiavian'ny filohampirenena ity, fa androany aho dia tena nanapa-kevitra hametraka an-taratasy fotsy ny dian-dranomainty mirakitra ny antony tsy handehanako any.

Tsy misy dikany amin'iza n'iza ny hevitro. 
Tsy misy fofona politika fa zavatra tsy haiko io ka tsy hibitabitahako.
Tsy hanova n'inon'inona amin'ny fiainam-pirenena.
Tsy hanova n'inon'inona amin'ny dian'ingahy filoha sy delegasiona hanaraka azy ary tsy hanala na 0,01 € aza amin'ny tetibola natokana ho azy ity.
Tsy mahakasika ny mpiasam-panjakana ao amin'ny masoivoho ihany koa fa izy ireo tsy maintsy manao ny asa ampanaovin'ny lehibeny azy ; tsy azo atao ny miota anaty lovia hihinana.
Tsy manome tsiny loatra ireo delegasiona mafonja aho - 40 aloha no isa reko fa mety mahery be an'izay satria ny 40 dia mpandraharaha ara-toekarena hoe ; samy mba te hanao fizahantany kosa koh, miaraka amin'ny filoha ambonin'izay, mety misy ny izay vao hivoaka an'i Madagasikara.

Fa lazaiko ihany ny hevitro satria mila mandoa ny tsy zakan'ny vavoniko aho fa kapoakako io Cool

Tsy haiko izay tena ho ataon'izany olona be dia be izany atý. Raha fiarahamiasan'ny firenena roa tonta ve dia mila vahoaka be efa ho iray fiaramanidina ? Raha hanao fanadihadiana ny fiainanay gasypora, tsy olona roa ve dia ampy ? sady afaka atao amin'ny fotoana manaraka izany. Iza koa moa ilay nilaza fa "hitokana ny masoivoho" hono rizareo ireo ?... euhhhh ka io aza efa tanin'ny firenena malagasy efa ho 50 taona na mihoatra izay koh.

Ary ilay fihaonana amin'ny talata 17 oktobra ? Efa hay fa tsy misy zava-dehibe mivaingana ho anay gasypora aty Italia ny hihaonana ao.
Raha momba ny firenena, efa renay sy hitanay amin'ny haino aman-jery sy ny tambazotra sosialy ny zavamisy. Tsy hitako izay antony mbola  hanontaniana momba izany amin'ny filoha fa efa hay ny valinteny hoe "efa mandray andraikitra ny fanjakana any Madagasikara".
Raha ny momba anay atý indray, inona moa no tena horesahana aminy ? Ny resaka  pasipaoro toa efa nilamina, fa na atao aza hoe mbola mikorontana dia efa hay ny valinteniny hoe "efa hodinihina ny amin'io".
Raha resaka anjara toeran'ny gasypora eo amin'ny firenena, ny zo hifidy sns, dia efa hay koa ny valinteny hoe "izay indrindra no anton'ny Forum amin'ny 26 ka hatramin'ny 28 oktobra io". 

Rehefa mifanasa moa dia voninahitra no ifanomezana fa tsy izay hanina ifampizarana ao loatra akory. Ka tsy vonona hanome voninahitra ny fahamenaran'i Madagasikara aho manoloana ireto zavatra roa hitako mampitsanga-menatra ireto (ireo aloha no sendra tazan'ny masoko) :

- ny USAID nanolotra fitaovana hiadiana amin'ny pesta : JEREO ATO

- ny OMS dia nanokana vola 1 Milliard $ hanampiana antsika hiadiana amin'ny pesta, hoy ny minisitry ny fahasalamana nataon'ny RFI anterivava : HENOY ATO

Kanefa ny fanjakana mandany vola manao rodobe mankatý Roma. 

 

Hevitro ahy irery ity, ary tsy mahakasika afa-tsy izaho dia izaho irery ihany.

--------------------------

* Sary : tamin'ny fandalovan'ny filoha Rajaonarimampianina teto Roma tamin'ny 2014 (efa lasa manko izy e - krkrkr - izy hivoaka ny vavahady izahay niverina nankao amin'ny efitrano fandrasaimbahiny nanapoaka ny champagne mbola tsy nisokatra)

 

Miteraha hahita, hoy ny Ntaolo.

Nampidirin'i ikalamako | 25 Aog, 2017

 

 

Ity blaogiko ity no be mpitsidika kokoa noho ilay amin'ny teny frantsay, ka tsy maninona fa aleo ato no zaraiko ity horonantsary ity sao mahasoa ny hafa (adiny iray sy sasany ny halavany fa makà fotoana tsara).

Namana iray no nanoro ahy azy ity, tohin'ny resadresaky ny samy reny Wink.

Tsoriko fa vao nanomboka aho dia kenda. Teo amin'ny minitra faha-10 aho dia niala mihitsy aloha. Haka bahana hanohy rehefa mahazoazo angovo indray. 

 

 

 

Inspiraka sy Vavaka...

Nampidirin'i ikalamako | 6 Aog, 2017

"Raha rahampitso, hono, ny Andro Fitsarana ka eo amin'ny vava-làlana mihitsy aho no anontanian'Andriamanitra hoe : inona no nataonao tamin'ny fiainanao hatramizay ? Dia ho valiako izy fa nolaniako niaraka taminao ny androko."

"Raha hahantra sy ho rava izao tontolo izao ka maniry ny hody any aminay aho dia ho ataoko izany raha miaraka amiko ianao"

Raha,
    Raha,
        Raha,

... ary raha miainga amin'ilay inspiraka no hanandratan-Tsika sombim-bavaka ? Tongue out

Androany no androany

Nampidirin'i ikalamako | 27 Jol, 2017

Ho anao any ho any
Teneniko aminao fa zah androany tendrombohitra 
Dia na mitsoka aza ny rivotra tsy mihontsona zany
Androany aho volkano handefa afo sy lavenona
Ivoahako dia tsy mety ho lasan-ko razana i Doubl’Enn
Androany aho rano voahasina hankahery anao mino ahy
Androany aho rambondanitra hamotika ny loto ambony insta 
Androany aho hanamboatra trano ao am-ponao 
Satria handeha hody any aho izao dia izao

Androany andro vaovao milay noho ny omaly
Milay loatra satria vao nifoha aho dia faly
Satria ny andro androany efa voasoratra ho anah
Dia vakiako isaky ny henonao ny aingam-panahy
Androany aho liona miambina ny lohasaha mangina
Androany aho voromahery manidina eny amin’ny taona zina
Androany aho dragona hamoaka afo hanala ny hatsiaka
Androany aho sphynx hitazana ny kintana ho avintsika

An an an, mety ho faty rehefa avy eo na radem
Ny omaly tsy voaova fa dia carpe diem
Hihira aho, hihira aho, hihira aho
Izao aho sambatra na ho faty rehefa avy eo na radem
Hiran’ny fiainako, Doubl’Enn
Hihira aho, hihira aho, hihira aho

Androany  aho andriamanitry ny fitiavana, bà betsaka avy aty
Androany aho andriamanitry ny soratra, tonga ho azy ny inspi
Androany aho andriamanitry ny ady hitondra fandriampahalemana
Androany aho andriamanitry ny hatsarana, henoy ny fiverenana
Androany aho fahafinaretan’ny vatana anaty tantra
Androany aho tsy maintsy mitanisa mantra
Androany aho any amin’ny tontolon’ny ara-panahy
Androany aho mety hita ka merkabah
Androany aho tany an-tany mankafy feom-boronkely
Voninkazo maniry, ny hamamin’ny tantely
Androany aho masoandro hanala ny aizin’ny alina
Hitondra aina, hazavana any ambany tany lalina
Hampiaiky anareo rehetra satria androany aho kintana
Raiso ny tànako satria aminareo aho androany vintana
Androany aho olon-tsotra miarahaba anao amin’ny tsikitsiky
Mila mpankahery ianao androany dia ity ny ahy ny anjara biriky

 

Doubl'enn

Pìmason'ny volana jolay...ho ahy sy ilay namako izay.

Nampidirin'i ikalamako | 21 Jol, 2017

 

 

 

Jolay, jolay, jolay...
Hatrany mahamay,
Vesaran'ny tsiahy.
Sady mainka indray,
Ity toa niampy iray.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Grand Frère, Jacques !

Nampidirin'i ikalamako | 15 Jol, 2017

 

Efa ela aho izay no tsy nahazo fehezam-boninkazo hany ka tsy niasa intsony ireo vaziko ato an-trano. Namana virtoaly nandalo tanàna tamin'ny alatsinainy teo indray no nitondra ity fehezana ity ho ahy, ary avy hatrany dia io vazy mena io no nandrian'ny saiko hasiana azy.

... vazy mari-pankasitrahana nomeny ahy 23 taona lasa izay, raha avy nitondra azy mianadahy zanany nanao fialantsasatra andro vitsivitsy tany amin'ny renibeny aho...

... Izy, olona tsotra, tena tsotra, feno hatsaram-panahy, tsy mivilivily rehefa miteny, tsy mba tia manaraka izay fombafomba sy zava-baovao apetraky ny fiarahamonina, tsy manana hena-maso izany fa rehefa tsy mety amin'ny sainy dia tsy ataony tsotra zao ...

... Izy, toa tsy tsaroako hoe nanana olana goavana ara-pahasalamana nandritra ny 25 taona mahery nahalalako azy ...

Hay efa nikiky Azy mangina tao ny homa-miadana tamin'ity fotoana nifankahitanay farany ity, tamin'ny mariazin-janany tamin'ny septambra 2016.

Hay kopakopa-tànana ho ahy ny nivoahan' ilay vazim-boninkazo indray tamin'io alatsinainy io fa lasa ny omalin'iny Izy, fa tara aho vao nahazo vaovao.

Ireo vazivaziny, ireo hehy tsy lany rehefa miaraka aminy, ny fihetsika feno fankasitrahana tsy nombany teny be loatra fa nasehony ahy hatrany tamin'izay kely mba vitako tamin'ny ankizy sy tamin'izy mianakavy : ao am-po mandrakizay.

 

 

Karaba, na ny tantaran'ny fanolanana tambabe ao Afrika.

Nampidirin'i ikalamako | 1 Jol, 2017

 

Efa elaela ity no saika nadikako fa zao vao tonga ny finiavana, ary tena nandika tamin'ny teny gasy fotsiny aho fa TATO ny loharanon'ny lahatsoratra tena mba nahaliana ahy.
Ka angano angano arira arira... firy amintsika no mahay ny tantaran'i Kirikou sy Karaba mpamosavy ? Tena laniko tsianjery izy io taloha satria nataonay mianaka toy ny misakafo isan'andro ny fijerena ilay kapila.

 

Ity dia enti-mody nataon-janako omaly tamin'ny fankalazana ny "Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny vehivavy", natao hampitahana fa ny tantaran'i Karaba sy ireo lehilahy tao an-tanàna dia tsy inona fa tantara mampalahelo momba ny fanolanana tambabe mandritra ny ady ao Afrika.

Mifototra amin'ny fanadihadiana ny fihetsik'i Karaba izy ity. Ho an'izay mahalala ilay tantara dia tena mankahala lehilahy i Karaba ka navadiny ho sary vongana avokoa (Bikeko). Toa izao ilay tantara (etsy ambany ny horonana iray manontolo ho an'izay tsy mahalala) :

Rehefa nitady hevitra handresena an'i Karaba i Kirikou dia lasa nankany amin'ny "raibeny", ilay olon-kendry monina any anivon-tendrombohitra any...ka izy no nampahafantatra azy hoe maninona i Karaba no tsy tia lehilahy sy manova azy ireo ho sary vongana.

Nandritra ny fitantarany no nahalalana fa i Karaba dia tovovavy tena tsara tarehy. Nosamborin'ny lehilahy maromaro tao an-tanàna izy, nifanotofan'izy ireo ary nogejainy tsy hihetsika mba hanitrihan'izy ireo "tsilo misy poizina" tao amin'ny hazon-damosiny. Naharary azy mafy tokoa izany ka zary kapoaka mangidy ho azy nanomboka teo ary nampivadika azy ho mpamosavy.

Mafy loatra ny hirifiry niainany isan'andro ka tsy namela azy hiaina, hitia...ary nahatonga azy hankahala ny lehilahy, izay nozoniny niaraka tamin'ny tanàna iray manontolo.

Raha dinihana ilay tantara dia tsy inona akory fa fanoharana ny fanolanana mianjady amin'ny vehivavy any Afrika. Fomba nentin'i Michel Ocelot, mpanoratra sy mpamorona ilay horonantsary, izany hitoriana ny fanolanana mandritra ny ady izay miafara amin'ny fanosehana ataon'ny fiaraha-monina. 

Hita eto fa nifanotofan'ny lehilahy maromaro izy ary nositrihan'izy ireo "tsilo", izay azo lazaina ho ny filahiany, ary niteraka fanaintainana mafy ho an'i Karaba. Vokatr'izany dia natosiky ny tao an-tanàna izy ary nanjary nitoka-monina tany ivelany. 

Maneho ny zava-misy iainan'ireo vehivavy niharan'ny fanolanana tambam-be na nandritra ny ady izany. Tsy vitan'ny nianjadian'ny herisetra izy ireny fa mbola diso ihany koa eo imason'ny hafa. Rehefa manosi-bohotànana azy ireo ny iray tanàna dia mandà ny maha-tompon'andraikitra azy sy ny tsy fahafahany manala ny fijalian'ireo vehivavy izay tsy vitany narovana.

Kirikou eto dia taratry tsy fananantsiny sy ny herimpo. Nony hainy ny tsiambaratelon'i Karaba dia nanolo-tena hanala ny fahoriany izy : nongotany tamin'ny nifiny ilay tsilo nasisik'ireo lehilahy ireo ka afaka teo ny fanaintainany. Ary teo dia niverina nankaf­ý ny fiainana i Karaba, namela ny helok'ireo lehilahy ka namerina azy ireo tamin'ny tena endriny fa tsy sary vongana intsony ary nihavana tamin'ny iray tanàna. Niova daholo ny manodidina azy ary ny zavaboahary dia niverina tamin'ny laoniny, satria ny fanolanana sy ny herisetra natao azy dia nanozona ny tanàna iray manontolo ka nahatonga azy ho maina katana, tsy nisy hazavana, tsy nisy rano, tsy nisy voninkazo, sns.

Ny tian'ny mpanoratra avoitra izany dia ny hoe, raha manolana vehivavy dia manolana ny tontolo, manozon-tena ary mitady fahoriana ho an'ny tena. Tsy mpampijaly akory i Karaba mpamosavy fa nianjadian'ny herisetra, saingy nisikin-kerimpo izy nanasazy ireo mpampijaly azy, dia ny fiaraha-monina, hany ka natosik'izy ireo sy natokany monina.

PS : Mahery ilay zanako, nosokafany ny masoko tamin'ity tantara efa haintsika ity, tantaran'i Karaba fa tantaran'ireo vehivavy an-tapitrisa ianjadian'ny herisetra, ny fanolanana mandritra ny ady, ny fanolanana tambabe any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Congo sy any an-toeran-kafa koa.

 

 

Aza afangaro ny Kolombenana sy ny Kolontsaina.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Jio, 2017

 

Mahavizana be ankehitriny ny fanarahana adi-hevitra momba io resaka mampandihy  mbenana io, raha toa ka tsy nahatohina fiaraha-monina akory izany nampandihy “mousta” izany fony izahay adolantsento niaina ny vanimpotoanan’ny Kaiamba. Mihaavolenta ny fampiasana ilay fitombenana ho fampilendalendana sy fanintonana andrizareo andriandahintany ankehitriny. Tratran’ny  fanatontoloana tanteraka ilay dihy izay isan’ny kolontsain’ny faritra iray.

Ny zavatra iray mba isan’ny manahirana ny saiko dia ny mijery ireo azo kilasiana fa artista rehefa manao fampisehoana. Matetika hipoka ny kianja – indrindra any ambanivolo tsy misy mpiandraikitra filaminana any, na anaty trano somary teritery – dia mitohaka tanteraka eo ambany lampihazo eo ny vahoaka fa mba te hahita akaiky dia akaiky ireto artista. Kanefa rehefa tonga ny hampisehoana iny “mangitakitaka” iny dia manamorona tanteraka ny sisin-dampihazo r’ikala artista, miamboho ny mpijery, miaraka amin’ny pataloha fohy efa mampiseho ravim-benana, dia sondriana ery manontsakontsana an’iny, nefa dia tena eo ambony lohan’ny mpijery mihitsy. Misy moa ireo mandohalika dia iny mbenanana iny no atondrotondrotra any amin’ny mpijery. Mahonena, sanatria toa manambany ireto mpankafý azy ! Indraindray moa rizalahy eo ambany eo tsy maharitra dia kasihandr'i lerony ny entana. Dia ry zavavy artista indray no tezitra… tssss ka nitady dia nahazo kah !

 

Ny morontsiraka avaratra (andrefana sy atsinanana) no tena havanana amin’ny fampandihizana andilana, ka isan’ny nampalaza ny “jeu de mousta” lazaiko etsy ambony. Ny avy ao afovoan-tany havanana amin’ny fampandihizana soroka sy lantsi-tànana. Ny avy any atsimo havanana amin’ny fampandihizana felan-tànana sy tongotra. Sy ny sisa mety tsy haiko ny fisiany na ny fanazavana azy fa resaka ankapobeny no ataoko eto. Fa amin’izany rehetra izany dia fitafy tsotra, arakaraky ny fitafy isam-paritra avy, no isalorana : lambaoany sy salovana, akanjo lava sy lamba tsotra. Isan’ny kolotsain'ny faritra ihany koa mantsy ny fitafy nentin-drazana.

Ka mahonena mihitsy ilay adihevitra manimba ny hasin’ny dihin-drazan’ireny faritra ireny. Ny dihim-paritra dia sokajy iray anatin’ny kolontsaina (culturel) malagasy ka aoka re tsy afangaro amin’ny resa-mbenana e. Ekena fa ny andilana no ampandihizina saingy ny kolombenana dia zara raha tafiana ny tapany ambany – ireo tanora no tena manan-talenta amin’io – satria ny tanjona dia ny hampirarakivy sy hampitsanga-mitoetra ny lehilahy mijery (fa tsy ho anay andriambavilanitra akory). Fa ny tena dihim-paritra mampandihy andilana kosa tsisy fetran-taona fa na ny vaviantitra na ny tanora maitsovolo dia mitsangana avokoa miaraka amin’ny sikina sy salovana rehefa misy lanonana.

Angamba ity horonantsary iray ity no hamintinako zay tiako lazaina.

Tamboho manan-tantara, na ho an'ny nitaingina azy na ho an'ny nandalo teo.

Nampidirin'i ikalamako | 25 Apr, 2017

​Tena mpankafy ny tarika Lolo sy ny Tariny hatrany am-boalohany aho​. Variana ihany anefa fa nisy hirany dia tsy haiko, sambany vao reko firy taona aty aoriana. Tsy dia nanana fahafahana namonjy rindran-kiran-drizareo koa moa ny tena fa mbola sahirana tamin'izany ka izay nandeha an'onjampeo ihany no tena hay.

Mahafinaritra ahy mahita ireo mpiondana LSNT sahirana mafy ao amin'ny facebook, miezaka manao antso avo azy 9 lahy hiverina an-tsehatra miaraka na dia indray mandeha fotsiny ihany aza. Raha misy izany ka sendra mba manana ny ampy entina mankany Madagasikara aho mety mba handray voromby mihitsy an ! (soa fa mbola afaka manonofy aloha hatreto, hihihi.)

Fa rehefa mihaino ity hirandrizareo iray ity kosa - nosoratan'i Erick Manana - dia toy ny mahita maso mihitsy an'ireo bandy ireo tamin'ireny. Nonina teny Anjohy sy Andohalo izahay tamin'izany fotoana izany. Mpianatry ry Mera tao amin'ny Maria Manjaka ary efa nianatra herintaona tao amin'ny sekoly anglikana tao Ambohimanoro koa. Dia nisy namanay rahateo nipetraka teo ambanin'ny tranondrizareo tery Ambohijatovo. Noho izany, azo lazaina fa nahita ny revin-drizalahy teny ambony tamboho mihitsy nandritra ny taona maromaro ihany.

 

Ka raha manao dia mianoatra mankany amin'ireny fotoana ireny ankehitriny dia mihomehy irery toa azy ireo ihany koa : moa ve mba tanaty saindrizalahy tamin'izany andro izany hoe hanao hira fahatsiarovana ireny izy ireo ampolo-taonany maro aty aoriana ? Mahafinaritra satria izahay koa izao mihaino ilay hira dia mbola mahatsiaro ireny daholo - na ny mpianatry ry Mera, na ny mpianatr'Ambohimanoro, Ambohijavoto avaratra, Paul Minault, lycée Gallieni, Sefrera Andohalo, sns izay nifanaretsaka teo amin'io sampanan-dalana teo Ambohijatovo io.

Matetika kamo ny ankizy handalo eo rehefa mirava fa siatsiahan-drizalahy foana - tsy misioka moa zany fa mitssstssst e. Nefa mino aho fa am-po taralila an - huhuhu.

Tokony asiana takelaka fanomezam-boninahitra mihitsy ity tamboho ity - antsoina hoe Tamboho Lolo sy ny Tariny - fa dia manan-tantara mihitsy ho anay adolantsento nanodidina ny taona 80' iny.

'Mbola manantena', rap miharo kalon'ny fahiny.

Nampidirin'i ikalamako | 13 Apr, 2017

Namaky ny momba ny hira aho aloha dia avy dia mailaka be hihaino ny fivoakany. Tsy nahasosotra ahy aloha e. Tany am-panombohany fotsiny no ohatran'ny niahotra kely no nahenoako an'i Salomon : tsy haiko na ilay feo-mozika no nanarona azy na lay misy mitsatoka kely teo anelanelan'ny tonony rap anankiroa no nahatonga izany. Fa nony nisosa ny ambiny dia nahafinaritra ahy.

Hira noforonin'i Noely Andriantsoavina tany amin'ny taona 2002 na 2003 tany ho any izy ity. Fa hoy i Donat Saindrotoky hoe : 

"mba nanonofy aho hoe hiara-hiasa amina Ray Aman-dreny be mpiangaly kalon'ny fahiny. Nanatona an'i Ray Aman-dreny SALOMON aho ny 2017 nangataka fiaraha-miasa taminy, hamelona ity "son" ity. Fanajana be."

Tiako ilay ketrika, tiako ilay andrana. Mozika tsy misy sakantsakana, na gadona na fotoan'andro. Misaotra an'i Donat sy Salomon.

 

'Ny Internasionaly'

Nampidirin'i ikalamako | 30 Mar, 2017

Tsisy idirany amin'ny 29 martsa akory ity - sa moa misy ? Cool 

Tsy izay rahateo no antony maha-ato azy fa fizarana fotsiny ho an'izay tsy mba nahalala ny hiran'ny Antoko AKFM-KDRSM tamin'izany. Antoko sosialista iringiriny ny AKFM ary hira fanevan'ny komionisma ny "Internasionaly", nosoratan'i Eugène Pottier tamin'ny taona 1871 ary nasian'i Pierre Degeyter feony kosa tamin'ny 1888.

Voadika tamin'ny teny maromaro izy ka ity atolotry ny Amboaram-peon'ny Tanora Revolisionera AKFM-KDRSM ity ny amin'ny teny malagasy. Hatramin'ny taona 1944 dia hiram-pirenena sovietika ilay amin'ny teny rosiana.

 

'Ireo Tany Dimy' ao avaratra-andrefan'i Italia.

Nampidirin'i ikalamako | 27 Mar, 2017

 

Eto am-pampirimina ireo sary maro loatra anaty solosaina aho no nanapa-kevitra hoe maninona moa raha zaraina anaty blaogy ny resaka fizahantany sao mba mety hanintona sy hahasoa ny hafa ihany.

Tsy voatery handany vola be tokoa manko vao mahita tany fa afaka ampiarahana ny mahasoa sy ny mahafinaritra. Tsy voatery ho ny vahiny avy any ivelany ihany koa no mihazakazaka mizaha ny toerana mahafinaritra fa ireo tompon-tany ihany koa. 

Ka raha sendra manana fahafahana mandalo any Italia avaratra-andrefana ianao na dia faran'ny herinandro fotsiny ihany aza, dia mba misy toerana iray mahafinaritra ity : Le Cinque Terre, na Ireo Tany Dimy dia MonterossoVernazzaCornigliaManarola ary Riomaggiore. Marihiko fa teny italianina fa tsy frantsay akory io anarany io fa mitovy firazanana moa ireo teny roa ireo ka mora aminareo ny maminany azy.

Italia dia saikanosy lava mahia izay nefa dia mbola bahanan'ny tangoron-tendrombohitra roa miavaka tsara izy dia ny Alpes izay mahasarona amin'ny sakany iray manontolo ny tendrony avaratra ary ny Apennins izay manivatsiva ny halavany iray manontolo, avy any avaratra ka hatrany amin'ny tendrony atsimo. Ka Le Cinque Terre dia tànana (tany no fiantsoana azy tamin'izany andro izany) miorina eny amoron'ny ranomasina Méditerranée saingy antsefatsefan-tendrombohitra ihany koa. Tsy mifanalavitra izy dimy ireo ary misy fiarandalamby sy arabe ihany koa mampitohy azy.

Ny tena tsara ho fantatra dia azo tsidihana tsara anatin'ny indray andro izy dimy ireo fa ny ilaina fotsiny angamba dia hoe manana toerana hatoriana iray alina eo amin'ny manodidina eo satria amin'ny maha-toerana manintona mpizahatany azy dia lafo ny saran'ny hotely ao. La Spezia ny tanàn-dehibe iray tena akaiky azy, fa izahay aza moa sendra nanao adidy tany Gênes no nanararaotra nankany. Napetrakay tamin'ny tanàna kely iray taty alohaloha ny fiara dia teo izahay no nandray fiarandalamby ary mifanohitra amin'izay nony hariva satria mbola niverina nody tany Gênes izahay.

Misy lalàn-tany (Sentieri, hoy rizareo, Sentiers hoy ny frantsay) mampitohy ireo Tany Dimy ireo, saingy taorian'ny tondran-dranobe tamin'ny taona 2011 izay nandrava zavatra betsaka tamin'ireo tanàna ireo dia misy ireo tsy mbola nisokatra tamin'izahay tany tamin'ny taona 2015. Fa raha manao iray amin'ireo fotsiny ihany aza dia tena efa zava-dehibe : 3 km manitsavitsa ala kirihitra, tanimboly (voatabia, voaloboka sns), miakatra sy midina tany kisilasila mandritra ny adiny iray eo ho eo. Ankoatra ny fotoana hakana aina, hankafizana ny hatsaran'ny zavaboary manodidina, ranomasina sy zava-maniry, hakana sary ihany koa. Sady fanatanjahantena no fahafinaretana no rivotra madio antoky ny fahasalamana e. Rehefa vizana manao besorongola dia afaka miakatra sy midina fiarandalamby amin'izay. Misy iray amin'ireo Tany mitirintirina eny an-tampon-kavoana, raha eny amoron-dranomasina ireo 4 sisa. Azo atao tsara ny miakatra tohatra mankeny raha mbola mavitrika fa misy ihany koa ny fiarabe mitatitra ireo mpizahatany.

Ka ny atao izany raha ho any dia mividy tapakila ho an'ny iray andro ka tafiditra anatin'io ny saran'ny fiaradalamby na impiry hiakatra sy hidina eo ianao anatin'ny indray andro, ny saran'ilay fiarabe mpitatitra miakatra eny amin'ilay tanàna iray an-tampon-tendrombohitra, ny saran'ny fidirana ireo lalàn-kely (eny, satria toy ny toerana be mpizahatany dia mila fikojakojana izy ireny). Izany hoe manatomboka tapakila iray eny am-piandohana ianao dia tsy mila miasa saina intsony.

Misy koa anefa safidy iray, dia ny fandehanana sambokely fa tsy fiarandalamby. Amin'izay dia avy any an-dranomasina ianao no maka fafiny mijery ireo Tany raha avy teny amin'ny Tany ianao teo no nijery ranomasina.

Na lanaka tanteraka aza ny hariva dia tsy heno akory izany fa efa nahazo ny anjarany ny maso sy ny saina. Asa iza loatra no namorona ny teny hoe fialan-tsasatra fa maika mahazo hasasarana rehefa fotoam-pialantsasatra satria mandeha mizaha tany - hihihi. Tokony hoe fiatoana amin'ny asa sy fialana amin'ny isan'andro mahazatra.

Ireo tahirintsary moa izany dia misy Dimy arakaraky ny Tany ka tsindrio isaky ny sary dia entiny any amin'ny pejy ianao.
Mahazoa fahafinaretana !

 

Monterosso al Mare :

Monterosso al Mare

********

Vernazza :

*********

Corniglia :

*********

Manarola : 

************

Riomaggiore :

 

 

 

 

Mahay misaotra ny fiainana isika Malagasy.

Nampidirin'i ikalamako | 9 Mar, 2017

Efa mampiaiky ny vahiny ny tsikitsiky tsy afaka eny amin'ny tavantsika Malagasy. Mbola manankery io hatramizao, hatratý amin'ny taona roa arivo mahery fito ambiny folo. Eny e, mitovitovy amintsika ihany koa zareo aziatika fa mba maro ihany koa ny mitsiky anaty fahoriana. Mbola manampy antsika ihany koa ny teknolojia hanadinoantsika izay rehetra manjò. Na mangidy aza ny ateraky ny loza voajanahary, ohatra, dia sary feno tsiky ny ankamaroan'ny sary ampitaina amin'ny alalan'ny teknolojia. 

Dia ao koa ny fahaizantsika mamadika ny tranga ratsy ho fampisehoana tsy andoavam-bola, toy ity horonantsary tany Mananara-avaratra nandritra ny fandalovan'i Enawo tany afak'omaly ity.

Amintsika rehefa mbola tsy maty mitsitra dia mbola velon-tsiky isika. Mahay misaotra ny fiainana ny dikan'izay.

 

Maromaro ihany ny tokony hanoratra ankehitriny hoe #MerciHiary

Nampidirin'i ikalamako | 8 Mar, 2017

 

Manoloana ny sazy mihatra, herintaona an-tranomaizina, mahazo an'i Hiary dia manontany tena ihany aho hoe tena mahazo torimaso mamy daholo ve ireo nahatonga izao ?

Izaho manokana aloha dia manaiky fa misy fotoana tsy dia azoazoko ny fiaingany. Fa toetrany manokana moa izay ka tsy voatery ho tian'ny olona rehetra izy. Tsy mpinamana izahay fa matetika manaka-dresaka ao aminy aho rehefa resaka mahafinaritra ahy, satria misokatra ho an'ny rehetra ny pejiny. Fa eto kosa aho dia tena midera azy fa hatramizao aho aloha tsy mbola nahita resaka hoe miangavy "firaisankina" amin'ny mpiserasera rehetra i Hiary hanafaka azy any, na hoe nigonongonona fa tsy rariny ny nahazo azy. Nanaiky izy fa diso ary ny hafatra nampitainy koa mbola feno fahendrena hoe aza miditra amin'ny fiainan'ny olona. Tsapany ihany hoe tsongoy fon'olona tsongoy fon-tena. 

Mbola nahatazana io vondrona natsangany io aho fony mbola hitan'ny rehetra avy aty ivelany izy io, ary isan'ny tsy nankatò ilay izy mihitsy satria halako bika tsy tiako tarehy no tena betsaka tao, ankoatran'ny adala sy ondraondranana rehetra faly nahazo fahalalahana hanaratsy sy hanambany ny hafa. Ilay izy rahateo vao resaka hoe fifosana dia tsy tsara mihitsy ny entiny na ahoana na ahoana hanadiovana ny fisiany. Raha hanatsara "pipole" angamba tsisy tsara ohatry ny miteny aminy mivantana hoe tsy mety izao, satria ny mifosa dia miresaka ilay olona rehefa tsy eo izy. Misy moa dia tena mivoana tanteraka. Ohatra iray, misy nanakiana ny fiankanjon'ny artista iray dia avy daholo babay sy lohavohitra amin'ny angady sy harona. Hatramin'ny hoe "mitaiza tanora ianao amin'ny mahaartista anao ka zao ve no fiankanjonao ?!!!" Oadrayyy, inona ary itony ! Ny ray aman-dreny no mitaiza ny zanany amin'ny fiankanjony fa tsy ny artista. Raha mihira izy hoe mifoha rongony dia mangalara daholo ianareo dia tena marina izay. Fa raha izay fiankanjony, soranjandiana io koh ! (tapitra ny ohatra fa mba tsetsatsetsa).

Ka hoy aho hoe misimisy ihany ny ankolafin'olona tokony hisaotra an'i Hiary amin'zao ora maizina ho azy izao :

- ireo nihoa-pefy tamin'ny resaka rehetra tao amin'ilay vondrona ka nahatonga ny fitoriana nony farany, fa dia nanaram-po mihitsy nomeny sehatra nifosana. 
- ireo mpiandraikitra ny vondrona "afaka madiodio", tsy voaroiroy kely akory fa efa misy an'i Hiary nijoro tamin'ny tongony nisolo vaika ny ankalana.
- ny fitondram-panjakana nahazo zanak'ondry atao sorona, ho fampitandremana fa zay mbola mitetateta eo dia hifafa ny kihony toa an'i Hiary. 
- ireo mantamanta vava fa nahay nilamina ihany, tsy manakotaba ny fitondram-panjakana intsony fa matahotra sao hanao vakansy herintaona eny ambany atsinanana.

Ny mampalahelo amin'ity fotsiny dia tsy afaka hampiseho firaisankina betsaka ankoatra ny #FreeHiary ny blaogasifera malagasy satria resaka fiainan'olona manokana no voakitika tamin'ilay tantara fa tsy hoe niady ny tsy mety ataon'ny mpitondra izy ka niharan'ny tsindrihazolena. Raha ity faharoa ity manko dia afaka niady ny hamotsorana azy ny vahoaka satria "gadra politika" izy amin'izay.

Izao no hoe bibilava sinambotr'ankizy... Fa araka ny fiteny iray hoe izay tsy mahafaty dia mampatanjaka, mahabe hery (hoy aza ny vazivazin'ny rainilita hoe izay tsy mahafaty mahalasa faikam-boto). Miampy ny fianarana tsy matoky olona intsony fa ny vadiny ihany sisa no nanaiky fa nanoronoro hevitra azy tao amin'ny fiandraiketana ny vondrona, ka nampidi-kizo azy saika nampiaraka nigadra azy mivady. Ankoatra izay dia efa lesona hay hatramizay hoe havako raha misy patsa no betsaka. Dia mankahery azy manokana sy ny fianakaviana keliny tokoa no mba azoko atao angamba. Asa raha mbola haverina hodinihana ny momba azy atsy ho atsy na dia miandry ny herintaona ivoahana fotsiny no hany azo atao...

Misy zavatra iray mampitsiky ahy fotsiny eto fa miparitaka be moa ao ny sarin'i Justin Trudeau, praiminisitra kanadiana. Nivoaka daholo ny sariny fahiny fa tena bôgôsy hatry ny fahakeliny ingahy. Lasa gaigy aby ny ampela ao amin'ny facebook. Dia avy aho amin'ny vazivaziko mahazatra hoe mba itadiavo ny sarin'ny praiministrantsika fony adolantsento koa nama fa mba asehontsika koa ny antsika a... Tsisy sahy namaly lay resaka, nefa raha talohaloha teo izay dia asa angamba zay vanitika tsy vanitika tao - laolina. Isa Folo ho an-drafanja fa tena nandaitra ny nanagadrana an'i Hiary, mbola tsy mitoko ary angamba tsy hitoko intsony ny mpiserasera malagasy. Tampina ny daomy.

Setroka fotsiny fa tsisy mendy akory.

Nampidirin'i ikalamako | 3 Mar, 2017

 

Rehefa nijery ity horonantsary ity ambany ity aho dia mampahatsiaro ahy olona sy olana vao avy natrehan'ny fiarahamoninay malagasy teto Roma vao tsy ela ilay izy.

Cool Laughing Laughing Laughing

Tamin'izay dia naverin'ilay namana iray taminay hoe "efa nampiomana anareo aho fa savoamboana no betsaka fa tsisy apoaka firy eo" - hahaha - zany hoe toa ireto kivindro ireto mihitsy : rehefa misy elanelana mampisaraka dia samy miseho ho dadany daholo fa raha vao esorina io manelanelana io dia hay tsy mankaiza fa samy mody gisa an !

Hoy ny fitenin-dr'i Lita aty aminay hoe "setroka fotsiny fa tsy hita zay hena mendy" - huhuhu.

 

'Avy ato am-poko mankany am-ponao'

Nampidirin'i ikalamako | 22 Feb, 2017

Efa efa-bolana izay no "niverenako" ao amin'ny facebook. Nataonay telo mianadahy miaraka ilay izy satria nilaina ihany koa amin'ny fikarakaranay ny zanaka am-pielezana malagasy eto Italia. Efa nosoratana eo am-baravarana moa hoe tsy izaho no mijôky ny pejy ka aoka tsy handefa pistily, hihihi - izany hoe hampilazana ny namana fa samy mampiasa io trano izahay fa tsy dia ny fiainako manokana firy intsony no velabelarina ao.

Tsikaritro nandritra izay fa nisy ireo namana avy hatrany dia niverina, misy ny mbola nihainohaino ary misy ny tena tsy nirototra intsony. Tsy dia mahavatra mandray anjara any amin'ny hafa aho ka noho izay antony izay no tsy dia hangatahako namana loatra, fa izay mandom-baravarana kosa ampandrosoiko fa rehefa hitany fa tsy manao n'inon'inona ve aho fa manabe trano fotsiny, hoy aho anakampoko, tsy hiala izy.

Saingy misy namana iray nandatsaka ny ranomasoko omaly. Isan'ny tena nampiseho tamiko hoe tsy nirototra izy, toa mamaly am-pahalalam-pomba fotsiny raha mifanena eny amin'ny rindrin'ny namana iombonana eny izahay. Niverina anaty lisitry ny namana izy dia nisaorako sady nilazako ihany hoe tsy dia mafana fo be toy ny taloha aho hatreto, fa eto ihany na izany aza. Namaly fotsiny izy hoe ny fifankahitana indray no zava-dehibe. Tsy sahiko notohizana kafara be intsony fa novaliako sarina fo menamena be fotsiny satria haiko ny toetrany fa mahitsy toraka izay izy rehefa tsy metimety amin'ny sainy.

Fa hoy izy nanohy ny resaka hoe "tena tsoriko fa tezitra sy nalahelo aho nony niala facebook ianao... fa blablabla blablabla... fa hoy ny zaponey hoe avy ato am-poko mankany am-ponao, tsy mila fanazavana amin'ny kabary na teny betsaka..." - ndriiiii tiako loatra, tena nilentika tany am-poko mihitsy.

Avy dia ity hiran'i Povia hoe L'Amicizia ity no tao an-tsaiko, indrindra ilay hoe :

"ma quando sbagli un amico ti apprezza, e le tue convinzioni le accetta perchè accettarsi è il verbo migliore
[fa raha mandiso ianao, ny namana mankasitraka, izay zavatra maharesy lahatra anao ekeny satria ny mahay mifanaiky no matoanteny tsara indrindra]

 

Indray andro hono... ikalamako sy i Papa Benoà XVI.

Nampidirin'i ikalamako | 15 Feb, 2017


Aoka tsy ho tafintohina ny vontom-pinoana eto am-pamakiana ny lohatitra fa tantara tena marina ity (ripaka be). Izay koa aho moa vao tonga saina fa hay betsaka mihitsy ny zavatra nanamarika ahy nefa tsy voatahiriko tato anaty blaogiko fa variana tarý an-tsaha hafa tarý. Fa araraotiko ity volana febroary ity hitahirizako ato ity resaka iray ity.

 

Isaky ny volana febroary manko dia tsaroako foana ny nanambaran'i Papa Benoà XVI fa hametra-pialana tsy hitondra ny Eglizy katolika intsony izy. Notampohany daholo ny vahoaka tamin'io 11 febroary 2013 io, fa izaho kosa vao nahare ilay vaovao dia tafateny irery hoe "izany an, izany hoe tsy namelan'i toi aho raha tsy nahita ilay maso aloha vao niala i toi." Iny masony iny manko tena mba tsy nitiavako azy iny - hihihi, izay raolombelona sy ny fitsarana ivelany. Tsy hoe tsy tsara noho i Jean Paul II izy tamiko fa tsy tiako ny masony dia ampy ahy izay. Kanjo tsy namelan'ny vintana fa nataony nifampijery "zieudanlézieu" mihitsy aloha izahay, dia nametra-pialana izy efa-bolana tatý aoriana. 

Tsy dia miondana fivavahana loatra aho. Asa, izay ve no azoko ilazana azy ? Tsy hoe tsy mpino aho anefa. Fa fivavahana katolika no nitomboako dia io no manavanana ahy izany. Mampihomehy-mahasosotra ny olona foana aho rehefa miteny hoe tonga hiangona sy hivorivory miaraka aminareo aho fa tsy dia tonga hivavaka loatra. Ary satria moa ny tena aty ivelany dia eo ihany koa ilay fitiavana hilanja avo ny fanevan'i Madagasikara, na ny fiangonana na ny fiaraha-monina tsotra no miantso hisolo tena. 

Ary izay antony izay no isan'ny nahatafiditra ahy lalina tamin'ny fikarakarana ny fananganana ho olomasina an'i Jacques Berthieu tamin'ny volana oktobra 2012. Pretra frantsay izy fa niasa sy maty tany Madagasikara. Nila fandraisana andraikitra ny fanomanana io andro lehibe io, ka isan'ny nanolo-tena hamonjy ny fivoriana voalohany mihitsy aho. Noraisiko ho adidy mba tsy hampitsanga-menatra ny Ankohonana sy Madagasikara satria andro alatsinainy, andro fiasana be izao ilay niantsoana fivoriana. Ary satria nila solontena "hanao raharaha" isaky ny firenena manana olomasina ho atsangana, toy ny namaky teny, nitondra ny "relique"-n'lay olomasina, nitondra ny fanatitra, sns, dia asa moa naninona no tonga dia nisy iray taminay nivory teo avy dia niteny hoe "aleo ianao izany no mitondra fanatitra e". Eny, hoy aho, fa hiamboho adidy ary ve moa !

Fa tsoriko fa tsy tanaty lohako mihitsy ny hoe eny amin'ny Papa no entina ny fanatitra. Nataoko dia handihindihy hitondra fanatitra mankeny amin'ny ôtely fotsiny ilay izy, sady manao fitafy mahamalagasy no mihira ny "mofo sy divay eeee, no atolotray eee, ho Anao ry Tompooooo". Efa ny sabotsy maraina nanao famerenana ny "raharaha"-n'ny tsirairay aho vao gaga hoe fa angaha moa ho eny amin'i Papa mihitsy izy ity. Izaho amin'io efa nananihany ny ankizy ihany hoe "mila mividy rebareba hono aho fa ho eny amin'i Papa fa matiko itenisany zay mihomehy ahy eo !". Fa na izany aza efa nivonona hanao izay akanjo fitondrako any am-piangonana misy ato fotsiny aho. Sady ilay Ray am-panahy mpiandraikitra ny Ankohonana moa niteny hoe iny satroborinao iny anaovana fa mety iny satria avy any amin'ny tany niasan'i Jacques Berthieu mihitsy. 

Sabotsy alina be aho izany vao nandinika. Navoaka daholo izay mba akanjo lava vitsivitsy tato dia mba nahita iray niady tsara amin'ny lamba hotafiana ny lokony. Ary teo am-panandramana azy aho no nahita hoe niady tsara hatramin'ny kapa teny an-tongotro..."scoubidou" fitenako tato an-trano io. Dia, draisy tsisy adihevitra intsony, hoy aho, fa dia izao zany no hanaovako rahampitso : Malagasy tsotra dia tsotra. Talohan'ny niala ny trano aho ny alahady dia mbola toran'ny hehy nieritreritra ny "vavan'ny spekta" rehefa hahita ny paoziko. Dia mbola namelako tatasiaka kely aloha tao amin'ny facebook hoe izay mihomehy ahy mankeny amin'ny Papa rehefa avy eo dia esoriko tsy ho namana... dia aorian'ny "Credo" hono izahay mankeny raha misy manaraka mivantana amin'ny fahitalavitra.

Haiko fa nataon'ny ankizy mbola nananihany ihany aho ka niomehy irery foana aho teny an-toerana nieritreritra ny voamasondrizareo hivontirika. Na ireo izay nahita ahy vao maraina teny aza hono dia nihevitra fa kapa nanaovako maraina fotsiny iny mba tsy ho vizana alohan'ny fotoana aho fa nataondrizareo dia hisolo kiraro aho avy teo. Marina fa nitondra kiraro avo vodi-tongotra nisoloako aho, fa nanaovako taorian'ny lamesa, izany hoe nandritra ny fety lehibe natao teo an-tokotanim-piangonana, rehefa nesoriko daholo ny satroka sy lamba ary novahako ny voloko nataoko sara-droa.

Resaka saika tsy vita moa iny nandritra ny andro vitsivitsy hany ka hadino hatramin'ny nitantara azy tato. Fa tohina tamin'ny hafaliana sy afa-po ihany aho anefa satria maro ny Malagasy nidera fa mendrika hono ikalamako teny amin'i Papa. Ka zah zany mihitsy an !!! hahaha fanetren-tena tsy roa aman-tany...


Ny ahy moa tena ekeko fa resaka ivelany daholo no nampihetsi-po ahy. Iza moa no tsy ho faly fa hiseho amin'ny fahitavalitra eran'izao tontolo izao fa nandray tànana olo-manan-kaja. Tamiko dia manam-pahefana toy ny rehetra izy. Ankoatran'ny maha filohan'ny Eglizy katolika azy dia filoham-pirenena ihany koa izy ka mba nidedaka mihitsy ikalamako fa niaka-dapa.

Kanefa nisy fotoana somary nenjehin'ny eritreritro kely ihany aho satria nitangoronan'ny mpiray tanindrazana aho nony nirava. Ankoatran'ny hafaliandrizareo nahita ilay gasy petaka niakatra teny dia nosamborin'izy ireo nosafoina ny tànako fa nahazo fahasoavana tamin'i Papa hono. Tena tsoriko fa isan'ny nanohina kely ahy izay. Hoy aho anakampo hoe "sao dia nisalovana ny anjaran'ny sasany ary aho ?". Fa avy eo moa namboariko ny saiko hoe tsy nanao aferafera aho fa mba vintam-bokako iny izany e.

Ny lohako aloha dia nolanjalanjaiko tsara mihitsy teny amin'ny làlana nolalovako nalain'ny vahoaka sary e. Malagasy ka manja kanouh ! Fa vao terý am-piakarana kosa ary, nony nanitsaka ilay karipetra mena manoloana azy izahay dia nojereko izy - nanoman-tena be hoe hiatrika ilay maso boribory be hafahafa iny. Izy koa nijery tsara, asa angamba izy naminany hoe avy aiza ikalakely iny fa toa tsisy "mainty" amin'ireto fito mianadahy hatsangana olomasina. Efa nafarana izahay hoe 50 segondra ihany ny torapo amin'ny Papa raha misy. Fa izaho ve moa nanana inona lazaina azy. Kanefa na izany aza, izy no avy dia nanomboka tatasiaka dia nandamina ahy. "Avy any Canada angaha ianao" hoy izy tamin'ny teny anglisy - hadinony angamba hoe ilay vazaha iray ao ange ka an'ny Malagasy. Novaliako tamin'ny teny anglisy izy fa "avy any Madagasikara aho" dia notohizako tamin'ny teny italianina hoe "dia misaotra Papa fa izay vao nahazo Olomasina voalohany izahay Malagasy." 

Inona moa no tokony holazaiko azy ankoatra izay ? Izaho manokana aloha izay. Fa ilay endrika sy masony nitsiky nony nifampijery izahay... izay ilay fotokevitr'ity toraka blaogy androany ity.

Raha tsy diso aho dia iny ny fananganana olomasina notontosain'i Benoà XVI farany - asa na nahavita firy izy tanatin'ny fotoana nitondrany ny Eglizy katolika. 


Canonisations à Rome - Rondro Volantsoa di Doc_Strange

Lisy malahelo

Nampidirin'i ikalamako | 10 Feb, 2017

 

She sits in a corner by the door. 
There must be more I can tell her. 
If she really wants me to help her. 
I'll do what I can to show her the way. 

["Sad Lisa" - Cat Stevens]

 

 

Dibadance...ino ma zegny ?

Nampidirin'i ikalamako | 7 Feb, 2017

Merci anarô zanaka Majunga nampitombo fahalalagna kouny niany 'ty. Dabidance/dabidence zegny iantsoanjareo soma 'ty any andrefana any.

Fa aleo raiketintsika ato daholo ireo anarana nomen'ny isam-paritra anefa :
tso-bato, katrapoky/katsapoka/katra/katra mivadika, ara-dimy, vatopizina, kifanga/fanga, kanisa, kamoagna.

Izay aloha no tazako fa mbola misy ve ? apetrao ao amin'ny hevitra e Wink

 

Antananarivo-Antsiranana, mandroso fotsiny.

Nampidirin'i ikalamako | 26 Jan, 2017

 

 

♫ ♪ Ô izany diany mahitsy hatrany re ho any Aminao
Fa ny hany tiany ka ho tompoiny anie dia Ianao ♫ ♫

Hoy ny zanany lasa nanatitra azy any hoe : 

 

Lavitra sy sarotsarotra ny làlana sady niampy ny fijanonana kely isaky ny tanàna misy ireo Ondriny : Antsohihy, Befotaka, Ambilobe, Ambanja. 

Ny alarobia 25 janoary tamin'ny folo ora alina vao tafapaka tany amin'ny farany avaratry ny Nosy, raha niala tany Antananarivo ny talata 24 janoary maraina.

Any izy no hody ho vovon-tany. Tsy any amin'i dada, tsy any amin'i neny fa eo anivon'ireo izay nahafoizany tena ka nekeny ho tompoina nandritra ny 30 taona.


 

 

Zoma 27 tolakandro : 

 

 

 

♫ ♪ Tsy manahy tsy maninona
Soava dia, dia ho ambinina ♫ ♫ 

[Olombelo Ricky]

 

 

 



Ny atao hoe 'Riddim' amin'ny voambolana rastafari.

Nampidirin'i ikalamako | 7 Jan, 2017

Ny zavatra toa itony no isan'ny mahafinaritra ahy manaraka ny pejin'ireto mpanakantontsika ireto, na dia somary lasa katalogy-na lamaody aza ny an'ny sasany indraindray (ka zay tiany ihany io koh Tongue out Yell )

Resadresaka tao amin'ny pejin'i Kheman Johariseta, izay mivoy ny gadona reggae, izy ity ka mba tiako taterina eto ho an'ireo izay toa ahy tsy mahay izay bi sy ba amin'ny resaka mozika, sitrany mba nahazo tombom-pahalalana kely indray anio alohan'ny hatory.

Hoy izy : fanontaniana tsotsotra ho an ireo artiste reggae dancehall namana mba hitsapana ny fankafizantsika sy ny fitiavantsika an'ity mozika ity :

 inona no atao hoe "Riddim" ?
 iza no tompony ?
 aiza no ahitana 

 

Io amin'ny sary io ny fanazavana hitan'ny sasany teto amin'ny aterineto teto, saingy toa mazava kokoa amiko ilay izy rehefa lasa resadresaka amin'ny teny malagasy, izay fintiniko toa izao.

Ny riddim d​ia​ midika hoe '' Rythme '' ​​fa ​amin'ny tenim-paritra izy d​ia​ hoe ''Riddim''​,​ izany hoe feonkira izay vokarin'ny trano mpamokatra iray ary izy ihany no misafidy izay ​h​itaingina an'io riddim io.​ ​
Ohatra : The Good Book Riddim, novokarin'ny Yard Vybz Production ka ry Elephant Man / Aidonia / Bounty Killer / Mavado / Vybz Kartel no artista no nosafidiana hitaingina azy.

Misy ihany koa ny "Riddim classic​"​, izany hoe riddim nametraka tantara teo ​amin'ny​ Reggae ​M​usic​. Ireo riddim ireo dia matetika mitondra ny anaran​'​ny hira notaing​e​nan​'​ny artist​a​ iray voalohany teo amboniny​.
Ohatra​ ​: "Sleng teng "​,​ riddim avy ao ​amin'ny King ​J​ammy, izay i Wayne Smith no nitaingina azy voalohany ​amin'ilay hoe "​Under mi sleng teng" .

​M​isy ny atao ​h​oe ​"​One Riddim album​", izay "compilation"​-n'​ny artist​a izay vo​a​antso hitaingina eo amboniny. Ireo izay nofidi​an'ilay trano mpamokatra ihany no ​ofisialy​ eo ambonin​'​iny ​riddim iny ary tafiditra ao anaty "credits"​,​ fa ny sisa kosa mampiasa ​ilay izy f​o​ts​iny​. Io no mahatonga ny artist​a​ vahiny​ - rehefa mitaingina riddim ka tsy o​fisialy​ izy ​- ​dia soratany ao afara ao foana ny anaran'ilay riddim satria tsy anazy iny​.​

 

Ny afindrafindrao tsy azo avela (updated)

Nampidirin'i ikalamako | 5 Jan, 2017

Somary ningitrika blaogy kely aho tato ho ato fa variana mamahana ny "klipgasy.org" izay azonareo handaniana andro hakana fafiny ny vazo malagasy rehefa mba milamindamina iny ianareo. Natao maivana tsy be sasiny ilay izy ao. Avy ao amin'ny lisitry ny mpihira no hitako lalàna haingana hitadiavanao hira, fa raha hainao moa ny lohateny dia vao maika tsara.

Mbola be ny tiako ambara momba ny fivoaran'ny hira malagasy, tena manaraka toetr'andro tokoa. Efa manangona ny hevitra nivoitra tamin'ity lahasa iray noraisina tamin'i sefo ity aho ka mbola ho avy hitondra izay zavatra voamariko, fa tsoriko fa dia variana mihitsy aho ao.

Fa androany dia miompana amin'ny afindrafindrao aloha ny resako. Dihy tsy mety ho lefy laza fa mbola voatanantsika tsara hatraty amin'ny taona roa arivo ny afindrafindrao, na any an-tanindrazana na aty ivelany. Tsy misy fetin'ny Malagasy ka tsy sokafana amin'ny afindrafindrao ary dia mandray anjara amin'ny fo avokoa ny olona. Na ny zaza aza dia efa mahay mihazakazaka maka namana handihy afindrafindrao koa.

Fa mazàna dia ilay feon-kiran'i Freddy Ranarison no manavanana antsika handihizana rehefa toa ireny. Haintsika anefa fa misy tonony ihany koa izy ka izay no mba tiako zaraina eto. Marihiko fa teo am-pihainoana  ny afindrafindraon'i Clo Mahajanga no nahatonga ity tsirin-kevitro hizara ity. Tena tsy mba fantatro ny fisian'ny afindrafindraon'i Clo hatrizay, ary ataoko laharana voalohany mihitsy izy ity fa mba nahafinaritra ahy loatra. Manaraka ny azy dia tsy mety fa mbola ripaka be foana aho amin-dRajao.

Ireto 6 ireto aloha no hitako hatreto fa ampiako eto ihany aho raha mbola misy (aprily 2015)

******************************

5 janoary 2017 : mbola eto am-panamboarana Klipgasy ihany aho. Toa tsy vitako akory ilay hoe hiresaka momba ny zavatra voamariko fa toa tsy mety lany ilay izy fa tena mivoatra daholo na ny hira na ny fitaovana. Dia isan'izany ny fivoaran'ny afindrafindrao : tao ny kilalaky, dia tao koa ny gweta tamin'iny 2016 iny izay mety tsy ho tian'ny maro fa izaho manokana toa tsy tohina an.

 

CLO MAHAJANGA : "afindrafindrao tsy lavitra ity malesa..."

 

RAZILINAH (ataon'i Eric Manana) : "tavoahangy raha mihilana tohanako lantonoara, isekely raha mihilana tohanako lanto-tsandry moramora..."

 

LIZAH RASETA : "isika izao dia toa rano sy vary, na an-tsaha na an-tanàna dia tsy mifanary, izahay mihira sy mitehaka avy ety, ianareo kosa ery an-tany mandihy..."

 

TELO FANGADY : "any am-pandehanana any ianao dia hisedra fakam-panahy, aza hadino fa ny havanao mbola miandry manantena malala ô..."

 

RAJAO (Malok'ila) : "jereko ny sarinao tena tsara, vera eto, tavoahangy sy sigara, dia tena tsy fombanao ka lazao, ambarao..."


Afindrafindrao - Rajao - 2011-04-25 di Jaonari

 

OLADAD : "izay 'lay feon-kira iray hahafantaranay ny maha-gasy anay, tsisy mpanana io an, ary tsy nindramina io an, tsisy tsy mahalala an'io raha mbola Malagasy..."

 

BARINJAKA : "afindrafindrao io anaovanao gadon-kira : sega, zouk love, kilalaky..."

 

DA ROCHE sy JAYAH : "ataovy ny fandihy sexy, afindrafindrao gweta ny aty, ianao ato aloha somary midola, izaho ato aoriana manaraka mora..."

Tratry ny blaogy 2017 !

Nampidirin'i ikalamako | 3 Jan, 2017

Ity pika sary tamin’ny ora voalohany nitsenana ny taona ity no isantarako ny toraka blaogy 2017 : mbola io eny ilay tsikiko, valisoan-dranomasoko.

Nomen-dàlana sady nombam-pisaorana ihany koa i 2016 lasa iny. Nisaorana ny miiba sy ny miabo rehetra nifanjevo tanatin’ ireny tombon’andro 365 azo ireny. Ny miiba nampahatsiaro sy nampianatra hatrany fa marefo ny zanak’olombelona ka mila mitrandraka angovo ao anivon’ny fiaraha-monina raha tsy te-hamoy fo irery. Ny miabo nahafahana nigalabona tanatin’ny fafin’ny lafadafatra – fa ny lafatra tanteraka tsy misy akory.

Tsy maintsy mbola izay ihany no miandry amin’ity fa mba iangaviana fotsiny i 2017 mba hampitanila ilay mizàna hankany amin’ilay metimety sy maivamaivana raha azo atao.

Lasa ary isika ! Hiara-hahita ny tsy fahita indray fa ny irariana dia hipaka soa aman-tsara any amin'ny alahady faha-31-n'ny volana desambra ny diantsika rehetra.

 

Toraka bolongana farany amin'ity taona ity.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Des, 2016

Mbola tsy misioka aloha fa mbola tsy tafavoaka ny 2016 Cool, nefa azo lazaina fa tapitra izy ity na izany aza. 

Ka dia ity angamba ny toraka bolongana farany amin'ity taona ity, entina hanolorana ny firariantsoa ho anareo namana mpamaky ny redirediko eto, mpanaraka ny tsetsatsetsa sy tifitifi-basy ataoko amin'ny havana eto isak'izay mahatsiaro, mpampiady hevitra miaraka amiko eto.

Somary nandringandringa izay aho tamin'ity taona ity - eny e, sy tamin'ny taona teo aloha ihany koa fa tsy nizesta fotsiny - krkrkrkr. Fa tamin'ity dia nasiako fanovana kely ny famindra dia ohatry ny nety kely ihany. Ary ny tena nahafinaritra ahy dia nahitako tsirony vetivety teo tamin'ny fiverenana niblaogy. Nataoko dia ho tsy hisy atoraka mihitsy aho tamin'ireny fa hoe za-dratsy ni-kounkou sy nizemzem sy nilaolilaolina tarý andrefan-trano tarý fotsiny.

Ny zavatra iray tena voamariko ary hitako fa nahatsara ahy dia ity : hafa ihany tokoa kay ilay mirediredy irery ato amin'ny blaogy ! Tena ilaina ny mamoaka ny mavesatra ao anaty fo, fa hafa ihany anefa ny hoe tsy voatery hozaraina amin'ny rehetra ilay izy. Indray andro nisy namana iray taitra ary niala tsiny hoe tsy naharaka vaovao raha sendra tsikariny tampoka ny toraka be nataoko tatsy an'efitra ilany tatsy. Izaho moa namaly hoe tena hafa mihitsy kosa ilay tsy misy "spekta" fa manoratra hanamaivanana fo fotsiny. Satria raha natao toy ny fifampizarana taloha io, hoy aho taminy, dia ohatran'ny vao maika navesatra ilay izy satria toa mainka mampifendrofendro mahita ireo namana milahatra mankahery.

Innocent

Manantena aho fa mbola hitohy ny fahavitrihako hampiasa ny fahaizako mandaha-tsoratra. Ilay mandaha-teny aloha tsy kapoakako fa tsoriko, na eo aza ity izaho katsetsoka sy petsapetsana ity. Tena tsy vitako ny handray fitenenana imasom-bahoaka izany, fa raha hanoratra kosa dia azo lazaina fa manavanana ahy. Ny indro kely fotsiny dia raha misy mahazo ahy dia matetika amin'ny teny frantsay no mivoaka kokoa ny ao am-poko. Raha resaka ara-piarahamonina sy ny sisa kosa dia velesiko tsara amin'ny teny malagasy. 

Ka dia mbola eto ihany isika izao ry sefo Hery ; mbola mamerina fisaorana hatrany tamin'ilay fanasana ati-doha 9 taona lasa izay hoe "Inona no manakana anao tsy hanokatra blaogy". Tsy notaritina sy nampianarina nampiasa azy fotsiny fa mbola nohenoina ilay faniriana hoe mila blaogy amin'ny teny frantsay koa fa aleo hisaraka ny kisoa sy ny vorona.
Ary mbola eto am-piandrasana ilay vinavinantsika tamin'ny volana aogositra isika izao hoe amboarina kely ny seraserantsika dia any indray mifampitarika mba samy malagasy (d'efa kôpy zay kôpy, hihihi).

Manaova fety sambatra daholo o !

Avereno ny maritondron'ny zanaka am-pielezana aty dilambato !

Nampidirin'i ikalamako | 16 Des, 2016

Olana mbola tsisy fanafana aty aminay aty Italia ankehitriny ny hahazoana pasipaoro elektronika. Efa noresahan'i Hery tato amin'ny vlaoginy izy ity roa volana lasa izay.

Dia somary nahatsikaiky ny fihetsiky ny masoivoho satria nampiantso solontenan'ny vondrona sy fikambanana misy eto Italia izy hoe hiresahana momba io olana io nefa moa ny tatitra nentin'ireo izay namonjy ilay fihaonana dia hoe handefa fampilazana ofisialy (communiqué) rizareo. Nahatsikaiky satria sery vitan'ny fampilazana ofisialy ve no namonoana vantotr'akoho ! Tonga ity fampilazana anefa dia nanamafy fotsiny fa misy ny olana fa miandry ny toro-marika avy amin'ny fanjakana foibe any Madagasikara izy ireo. 

Mbola nisy moa ny nanana fanantenana nitsilopilopy dia niandriandry ihany nefa ny fe-potoana hahalany daty ny pasipaoro an-tànana miha-manantomotra. Hany ka nisy nanolo-tena niantso ny foiben'ny masoivoho indray ary tamin'ny herinandro dia toa izao valinteny azo tany :

"Valinteny azoko avy niantso ny ambasady tao Roma omaly hariva mikasika ny pasipaoro : ny pasipaoro zay namboarina tamin'ny volana mey tany Roma hono dia tsy misy vita hatramin'izao ary toa tsy hisy fanantenana koa aza. Ny antony dia satria tsy mamoaka pasipaoro mihintsy hono ny ao Madagasikara ho an'izay aty Eoropa.

Ka raha ilainao maika hono ny pasipaoronao dia ianao tompony mihintsy manao fangatahana manokana any Antananarivo sady miverina mandoa ny sandany indray any.

Torak'izany koa ho an'izay malagasy rehetra mipetraka aty Eoropa ka hanavao pasipaoro any Paris.

Marihana fa tsy isika monina aty Italia irery hono no iharan'izao krizy/olana momban'ny pasipaoro izao fa ny zanaka am-pielezana rehetra aty dilam-bato."

Dia nisy namana iray nanamafy io resaka io hoe :

"Marina io voalaza io ary ampiako kely. Vao tonga avy any Madagascar aho ny 16 novambra lasa teo ary anisan'ny nanao ny Pasipaoro tany Roma ny daty voalaza etsy ambony,. Voalazan'ny komisera lefitra fa ny MARITONDRO na "Impronte digitali" zay natao taty Roma dia tsy tonga any Antananarivo hono ny "Données" rehetra..Niezaka niantso tany amin'ny ambasady tany Roma aho fa tsy nisy mamaly. Iray tamin'izy ireo miteny amiko hoe "antsoiko ianao avy eo".

Ny ahy tompoko dia vita ireo Pasipaoro ary tsy maintsy nandoa indray mandeha ny vola rehetra zay nilaina tamin'izany. Aty Torino aho, ka mba miangavy an-tanandroa anareo ao amin'ny Ambasady re tompoko MBA handray fepetra hamahana io olana io. Mba azo atao ve mamerina ilay vola naloa tany Roma tamin'ny volana mey ?" 

Dia vaka ihany ny saina manoloana ilay tranga. Indrindra fa tsy izahay eto Italia irery hono fa ny zanaka am-pielezana rehetra aty dilam-bato. Tsy ataoko hoe tongo-bavivaky intsony izy ity ka hoe mahamenatra fotsiny fa tena maha sorena mihitsy. Ka io maritondro io mihitsy no ilàna ny vata-tenanao hanamboatra pasipaoro fa raha izay mombamomba anao fotsiny afaka alefa an-tendro lavitra ihany. Tsy maintsy nanirahana ny tompon'andraikitra momba izany mihitsy nitondra ilay milina fakana ny maritondro nitety ireo firenena misy zanaka am-pielezana hanavao pasipaoro. Dia ahoana no ny maritondro sy ny mombamomba azy mihitsy no tsy hita izay nalehany ?

Izay monina any amin'ny faritany dia mbola nandany vola nandray fiara na fiarandalamby nankaty Roma namonjy io fakana maritondro io tamin'ny volana mey, miampy ny hotely sy ny sakafo raha tsy afaka nody teo no ho eo, miampy ny sandan'ny fanamboarana azy, 80 euro isan'olona (nefa misy fianakaviana fa tsy olon-tokana), izay mbola tsy misy resaka hoe averina fa dia samy mihainohaino daholo fotsiny ny tompon'andraikitra rehetra, samy mifanilaka andraikitra !

Ataovy resaka razoky nama a, avereno ny maritondron'olona fa sarobidy iny an !!! Sady sao mifamadika any no iafarany ka lasa maritondron'i Angeline Jolie ilay an'ikalamako vao ho kivy ny fans-ny hoe tsy Zolie intsony Ra-Anzelina 
Wink Laughing Tongue out

 

Facebook vaovao, facebook iombonana

Nampidirin'i ikalamako | 6 Des, 2016

 

5 volana katroka izay no lasa tamin'ny namonoako ilay tranokeliko tao amin'ny facebook

Dia tamin'izay aho nilaza hoe raha misy "Ondry Mainty" na "Rondro Volantsoa" mangataka anareo ho namana any dia tsa mbo zah, tsa mbo zah, marina mafy io raha mbo zah ♫ ♫. Mampilaza amin'ny blaogiko ihany aho hoy aho tamin'izay raha miverina ka manorina trano vaovao fa hatreto aloha dia mbola manala makafoka.

Kanefa moa amin'ilay izahay telo mianadahy be ketrika loatra, hany ka isaky ny misy atao dia tonga any amin'ny facebook foana ny resaka, satria maro ny zavatra mila zaraina ao momba anay Malagasy eto Italia indrindra indrindra, dia nahitana hevitra hoe hanorina tranokely iombonana izahay. Amin'izay tsy mila maniraka azy mianadahy foana aho hoe ity zaraina atsy, ity apetraka aroa, sns. Sady toa tonga tamin'ny tenin'ilay namana iray izay hoe "lasa ny fiainana tena fiainana indray no toa virtoaly fa raha vao tsy hita ao amin'ny facebook dia toa angano fotsiny fa tsisy mpahalala" - maoroderira

Ka dia lazaina amin'ny fomba ofisialy ny fiorenan'ny villa-nay vaovao "Rondro Andry Hery" Cool

Samy manana ny lakile-n'io izahay telo mianadahy mazava ho azy, fa ny ataoko fotsiny rehefa misy zavatra zaraiko ao dia asiako sonia #lonjokely hatrany na dia ohatry ny tsy ilaina ihany aza fa araky ny tenin'lay "rahavaviko soa maharitra" izay hoe "tonga dia haiko ny patin-droky vao mandalo eto" - nihahaha ka ny jomak'ampama resta jomak'ampama ziskôbou fa tsisy miova fou hatreto huhuhu.

Amin'ny ankapobeny dia avy any amin'ny twitter aho no mandatsaka resaka, raha tsy hoe ireny rohy manahirana ireny mizara azy avy any. Azo atao tsara ny mamela hafatra ho ahy ao anefa satria maro koa ny tsy zatra mampiasa mailaka intsony. Mety ho tsy tazako eo no ho eo fa raha tena maika be dia anaovy kaodifara any amin'ny kaomantera any hoe "mba jereo ny boatin-kafatra o", fa mety tazan'i Andry na Hery avy aty ivelany ireny dia lazainy amiko.

Dia izay sy izay aloha ny amin'iny, tandremo mijabaka amin'ny hafatra fotsiny fa raha tena tsiambaratelo dia any amin'ny mailaka ihany aho no mitoka-monina.

 

 

Aleo aho hipetraka.

Nampidirin'i ikalamako | 29 Nov, 2016

Valin-kafatra ho an'i Zaz...

 

ALEO AHO HIPETRAKA


Ny andro sy ny volana 
Hain'andro sy ny orana
Aleo tsy hotsarovana

Ilay izaho nifaliavanja
Nanafana kianja
Aleo tsy omena lanja

Ny tanjo-nokendreko 
Ny nofy notefeko
Ravam-pahareseko

Ny tongotro an-katoka
Handositra ny kapoka
Mari-kakanosàko

Ny saiko efa reraka
K'aleo aho hipetraka
Dia aza asiana resaka

 

[ikalamako, nov. 2016]

 

Mba nandefa fisainana indray (01/2008) - UPDATED (11/2016)

Nampidirin'i ikalamako | 23 Nov, 2016

Ity lahatsoratro 8 taona lasa ity indray no tsaroako raha nahita ity sary ity aho omaly ka aleo atambatro ato : ny feeling tao an-tranon'omby raha alaina sary an-tsaina hoe miaina izao vaninandron'ny teknolojia izao.

------------

18 JANOARY 2008

OUF vita ny fety, milamina sy voadio ny trano (tato ihany no nariana ny fako fa tsy lasa any Naples kah !).

Dia nakanaka aina nandinika ny fety nifanesy teo moa, dia niverina kely tany amin'ny Noely indray ny saina, dia tonga indray ny fanontaniana hoe :

   

Inona angaha no mety nitranga raha toa ka vehivavy ireo Majy telo nanatitra fanomezana ho an’i Jesoa zazakely ?

 

angamba

Nanontany làlana izy ireo.

 Tonga ara-potoana izy ireo.

Nanampy nampiteraka an’i Maria izy ireo.

Nanadio ny tranon’omby izy ireo.

Fanomezana tena ilaina no natolotr’izy ireo.

Sy zavatra azo hohanina.

  

Fa mba inona kosa angaha ny resaka mety ho re teny an-dalàna raha nody izy ireo ?

 

mety hoe : 

 

Kay, mba hitanareo ve ilay kapa nanaovan’i Maria  niaraka  tamin’ilay akanjolavany ?

Ary ilay zaza tena tsy mitovy amin’i Zozefa mihitsy e !

Fa mba ataon-drizareo ahoana  koa angaha ny mipetraka miaraka amin’ireo biby ireo anatin’io trano io ?!

Ka ny ampondrany aza mahia kaozatra ohatran'ny inona koh !

Ary Zozefa ange hono toa tsy miasa akory e ! Toa saomera hoe...

Enga anie fotsiny ka averiny ny vilany nitondrantsika vary sy laoka teo e !

  Virjiny hono Maria ! ntss, virjiny ny any ankaratra, olona niaraka tamiko teny Ankatso iny, fantatro tsara mihitsy !!!

 

Asa re ! 

 

 

Mangataka fa tsy mividy vato

Nampidirin'i ikalamako | 18 Nov, 2016

Isika rehetra namana mba sendra mahita ity lahatsoratra ity alohan'ny 4 desambra dia iangaviana an-tànan-droa mba hanindry ny bokotra "Votare la foto" ato amin'ito takelaka ito : IL MESSAGGERO, fa mba mitsabo vintana ikalamako manapariaka ny pikapika sariny tetsy sy teroa. Mba ampiasao daholo moa ny solosaina sy ny finday rehetra hitanareo mipetrapetraka eny fa mitoko daholo manko ireny e.

"Roma eny an-kianja" no lohahevitra dia samy mba mampiseho ireo kianja eto Roma ny mpifaninana, na kianja malaza na tsy be mpitsidika na tena tsisy mpahalala,  ka ny ahy io eo anoloan'ny toby iray an'ny polisim-bohitra io no miakatra an-tsehatra mifaninana. Ireo roambinifolo mahazo ny voalohany dia hatao amin'ny alimanaka 2017 an'ilay gazety "Il Messaggero" mampanao ny lalao.

Indray mandeha isan'andro dia afaka mandatsa-bato raha sendra mandalo o ! Misaotra indrindra.

 

 

Hafatra kely

Nampidirin'i ikalamako | 13 Nov, 2016

...tiako kosa ity an... 

(ikalamako sy angie boutax tanaty fiarandalamby - pika sarin'i sefo hery)

Nefa hoy izy hoe tsy tokony toa izao no ifanaovana veloma.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Nov, 2016

"[...] Saingy ankehitriny toa manomboka misy elanelana
Nefa samy mila manao ezaka isika roa

Ny masonao mihamalefaky ny alahelo
Hey, tsy tokony toa izao no ifanaovana veloma [...]"

...dia lasa koa i Leonard Cohen : Tongava soa any amin'ilay tontolo tsy hita maso !

Ary asa re fa nandritra ny herinandro anefa izao dia ity hirany ity no tsy afaka tam-bavako. Innocent

Te hanao fa tsy te ho bevohoka

Nampidirin'i ikalamako | 6 Nov, 2016

hehehe, nafanafana indray ny lohahevitry ny vlaogin'i Sefo Hery androany ka ataontsika blaogy koa an. Betsaka ny hevitra nifanjevo saritaka ao, tafiditra hatramin'ny fivavahana katolika Innocent

Ny foto-kevitra ijoroan'ilay "monologue" 3 min moa dia hoe inona ny fika hitan'i sefo fa mandaitra zato isan-jato raha tsy te ho bevohoka. Ny valiny azo notsoahana nony tapitra ny 3mn dia hoe tsy manao firaisana ara-nofo. Soso-kevitra ho an'ny vehivavy fotsiny ihany izy ity moa zany fa tsy tafiditra ao ny taranak'i Adama ilay tompon'ny fitaovana maha-bevohoka.

Saika tsy hihaino ilay 3mn ihany aho satria hoy aho hoe efa manaopause aho izao ka tsy manana izay olana izay intsony. Fa nihaino sy nandray anjara kely ihany nony nahita ny mpisera rehetra samy mitondra ny heviny, voakitika daholo na ny fivavahana na ny biby - krkrkrkrkr.

Ny mahasahiran-tsaina ahy fotsiny dia hoe Andriamanitra no voalaza fa nanao antsika, ka Izy zany no nanao antsika ho mangidihidy te-hanao firaisana ara-nofo, fa isika nomeny saina fotsiny hifidy ny tsy hanao, na hanao fa hampiasa fimailo na hanisa andro na hampandrora an'ikoto aty ivelany, sy zay fomba sy fitaovana rehetra afaka hialana amin'ny mety hanafihan' i lé Sperma an'ikala Oviola. Io izany ilay mampiavaka antsika amin'ny biby. 

Izany hoe nomeNy fitaovana isika, natao hananahana ilay fitaovana ary matsiro be ny fampiasana azy...fa nomeny saina mba tsy hitovy amin'ny biby nefa eo amin'iny fotoana iny mihitsy ilay saina no mikatso fa tsy hoe rehefa any am-piasana na any am-pianarana... mba tsy rariny ihany an ! Mi-demerda nareo hoy Izy. Teboka.

Kanefa ho an'ny mpifankatia dia tsy hananahana fotsiny ihany ny firaisana ara-nofo fa fandraisan'anjaran'ny vatana amin'ny fanehoam-pitiavana ihany koa. Teo ilay nampiomehy ahy tamin' ilay nampiditra resa-pivavahana, satria na efa anaty fanambadiana voahasina any am-piangonana aza dia mila mitandrina ihany ny mpivady mba tsy ho maro anaka toy ny bitro.

Ka ny an'i sefo angamba ny vaha-olana narosony dia ny hoe tsy haha-bevohoka fotsiny. Tsy nasiany resaka lay TE. Ilay fitaovana rahateo, toy ny rehetra ihany, mila ampiasaina fa raha tsy izany ny an-dramatoa ho feno tranon-kala moa ny an-drangahy hitohana tanteraka. Toa tsy dia mety ara-pahasalamana ihany io fa miakatra any amin'ny ati-doha avy eo an Embarassed. Ny nahitrikitrik'i sefo dia hoe : 

"Ny hevitra nampitaiko dia hoe izay ihany aloha no mahavaha ny olana 100%. Fa hoe ho an'izay tsy afaka hanaraka an'izay (na ondry very io na ondry nania) dia betsaka ny fikafika fa tsy 100% ny vokatra."

Ka raha tsy te ho bevohoka nefa te be dia afaka atao "manuellement" kiounkou lé raha. Atokisana zato isan-jato koa io raha tsy diso aho. Misy rantsana roapolo azo ampiasaina (folo isan'olona), nanamboatra zava-maniry toy ny karoty sy ny kourzety sy baranjely ihany koa Andriamanitra (mbo eh eee, anontanio nge Ifanihy e) ho an'ny mila "gabarit" raha tsy mety ny rantsan-tànana - tsy voatery ho fitaovan'ny soliste fotsiny ireny an. Ny zava-dehibe amiko dia miaraka misento be eny Antampon'Isamitonga izy roaroa. Sa ve hoe AAA...

Ndao klou faranana amin'ny siotsioka manaraka ny vazon'ity akamako isan'ny nandray anjara mavitrika tamin'ny fifanakalozan-kevitra tao ity ary ny lohahevitra androany e... f'izaho dia te hanao aminaooooo - huhuhu Wink Wink

Fahatsiarovana mahafinaritra.

Nampidirin'i ikalamako | 3 Nov, 2016

Ny Tompon-daka eran-tany impito, eo amin'ny taranja totohondrin-tsinoa, dia tsotra sady malefaka ihany koa na amin'ny fihetsika na fiteny na fijery.

Misaotra, Christian, nanome anay antony hihamboanay fa Malagasy izahay.Cool

[Jean Christian Randriamalaza, Roma - novambra 2016]

 

Namana

Nampidirin'i ikalamako | 1 Nov, 2016

 

Ity hiran'ny tarika Bagdad United Klan avy ao Ambositra ity angamba no ataoko fa mahafehy ireto rakitsary mameno ny solosainako ireto.

Ary atolotro manokana ireto akamako ireto androany Kiss


'Tiako ianao' lé raha eto ...

Nampidirin'i ikalamako | 30 Okt, 2016

Efa elaela ihany aho no saika handrakitra ity dingana iray mba vitako tamin'ny fiainako ity tato saingy tsy nirototra loatra fa nataoko hoe tsy zava-dehibe mila tsarovako loatra. Fa roa andro mifanesy izao dia misy namana roa miteny zavatra mamerina ahy hieritreritra azy ity foana.

Nandritra ny folo taona mahery aho niasa tamina ramatoa izay, efa 70 taona any ho any izy izao angamba satria latsaka kelin'izay izy tamin'izany. Ny reniny efa 90 angamba zay na mahery. Tsy dia misy asabe manakory natao tao aminy fa matetika dia lany andro miresaka zahay mianaka. Saingy telo na efa-taona lasa nony tsy nanana fiara intsony aho dia tsy nety tamiko intsony lay nankany aminy. Avy hatrany dia reny ny fahabangana ka nony afaka volana vitsivitsy dia nantsoiny foana aho hoe rahoviana ianao no hiverina. Tsy izay irery anefa ny olako saingy kamo be aho hitantara aminy dia avy dia tsy novaliako intsony ny antsony. Dia navelako tany izy. Misy fotoana anefa dia miasa ny saiko hoe efa nahazo taona izy mianaka, raha sanatria tonga ny andro tsy haha-eo azy intsony dia mety hanenenako izao fahanginako izao ka tokony mba hamangy azy ihany aho. Nefa tsy vitako foana ilay izy fa tena tsy te-hitantara aminy ny olako aho fa haiko fa tsy ho tanako ny ranomasoko fa izaho bekoretaka izay. 

Fa tamin'ny iray volana lasa izay dia noraisiko an-tànana ny heriko rehetra, tsy maintsy tonga any aho hoy aho. Noraisiko ny fiarabe iombonana dia lasa aho. Kanjo - soa ihany, vintana angamba hoy aho, hehehe - tsy tao izy. Dia hoy aho hoe tsy maintsy antsoiko izy izany ilazako hoe eto aho ary andrasako izy raha efa akaiky hody. Satria raha mody fotsiny aho dia tsy ho fantany mihitsy hoe "efa tonga nitady azy". Nantsoiko izy fa hay lasa vao maraina nankany amin'ny tranony any an-tendrombohitra izy mianaka nanao faran'ny herinandro.

Dia nolazaiko azy hoe izaho ato am-baravarana saika hanao mamikely anareo mianaka. Efa ela aho no saika handalo fa tsy ampy herin-tsaina hiresaka (sady kendan-dranomaso ihany aho miresaka amin'ny finday, tsssss) fa androany tena nataoko izay nandalovana. Faly be izy naheno ny feoko ary mino aho fa azony ny toe-panahiko nahatonga izay rehetra izay fa izy indray no nankahery ahy. Nahatsiaro tena faran'izay maivana aho nony avy nanidy finday. Tsy dia fanaoko izay dingana izay kanefa dia vitako satria tena tsy nandry ny saiko.

Ka naharay mailaka avy amin'ny namana iray aho zao maraina izao dia nanganohano kely indray ny masoko. Teto amin'ny blaogasifera no nampinamana anay tamin'izany, niara-nitolona tamin'ny fanaovana asa-soa sy niara-nivanitika tamin'ny hagegena ihany koa, dia avy teo nifampitarika tany amin'ny facebook. Nony niala tany aho dia mbola vitsy aloha hatramin'izao ny namana nanoratako mailaka na nafarako olona hampita kopa-tànana. Ka ankoatra azy ireo, sy ianareo zay mamangy ity blaogiko ity, dia misy ny namana manomboka miasa saina any hoe nisy inona no tsy hita intsony aho. Anisan'ireny izy saingy soa fa tsaroany hoe voarakitra tany amin'ny blaoginy tamin'izany ny adiresiko dia io izy nanoratra io : matahotra aho sao dia vaovao ratsy ny aty amin-dry fa tiako indry, tena tiako be [...] Mba omeo vaovao akia aho.

Dia avy hatrany koa dia ny tenin'ilay namana iray omaly no niverina tao an-dohako raha nizara ilay hiran'i Gildas Arzel hoe "Avant de t'aimer" izy. "Aza hadino mihitsy, hoy izy, ny miteny hoe tiako ianao amin'ny olona izay tianao fa mandalo fotsiny ihany izao fiainana izao."

Manampy trotraka izany ny famaranan-dresakay sy Angie Boutax ary sefo Hery matetika hoe "tiako be nareo an, aleo lazaina zao sy averimberina ihany fa tena tsy hay ny rahampitso". Sady miaraka manao zavatra ara-sosialy ihany izahay telo mianadahy no mifanafatrafatra foana.

Azo atao ve ny misoroka ?

Nampidirin'i ikalamako | 27 Okt, 2016

 

Nihetsika indray ny tany aty aminay, tsy lavitra anay, tsy lavitra ilay toerana efa voa tamin'ny volana aogositra - 100 km eo ho eo avy eto Roma, adiny iray eo ho eo raha atao amin'ny fiara. Naheno tsara izany horohorontany izany ny Romanina satria tamin'ny 7 ora hariva izany omaly ; misy ny izay vao niala tany am-piasana, misy ny efa tafody tany an-trano, sns. Ikalamako aloha isan'ny tsy naheno fa ny vaovao tamin'ny 8 ora alina no nanaitra azy nefa izy dia teo am-pikarakarana sakafo hariva tamin'io ora nihetsehan'ny tany io. Dia nihetsika fanindroany hono tamin'ny 9 ora alina. Dia mbola tsy nahare koa ikalamako nefa tamin'ny 9 ora alina latsaka fahefany izy dia efa tany am-pandriana fa somary manarinaritra izay - izany hoe tokony ho naheno satria tokony nihozongozona ny fandriana. 

Asa re, sao dia tsara fototra ny trano onenanay ? izahay rahateo ato ambany rihana (asa ry tompon-trano ao ambony na nahare na tsia - mila anontaniako azy izay fa toa hafahafa ihany raha tena ikalamako irery no tsy naheno - izy mianaka mbola tany ivelany ka mety tsy nahare n'inon'inona). Sa somary efa aty atsimon' Roma izahay, zany hoe somary lavitra kokoa ny ivon'ilay horohorontany ka efa mihena ny herin'lay izy ? (nefa dia 20 km eo ho eo fotsiny ny manasaraka ny avaratra sy atsimon'i Roma - mila anontaniako koa ireo monina aty atsimotsimon'ny tànana aty - ilay zaodahiko ao Acilia toa mamaky ny blaogiko ara-dalana an - krkrkrkr). Na izany aza, efa nisy fotoana nihetsehan'ny tany tao avaratra afovoan'i Italia tao ihany (io mihitsy anie no tena faritra faizin'ny horohorontany e) dia naheno soa aman-tsara aho tamin'ny 2 ora maraina tany ho any tamin'izay. Sa ve hoe efa miha-antitra ? hmmmm

Fa ny alehan'ny saiko eto izany dia ity : ny tangoron-tendrombohitra Appennino no mamaritra iny toerana avaratra-afovoan'i Italia iny, mihazo mankany atsinanana ihany koa. Ary maro ny manam-pahaizana momba ny horohoron-tany no efa nampilaza fa hisedra izany hatrany io toerana io. Tsy hoe mpaminany izy ireo fa io no nianarany sy alalininy isan'andro eo ka hainy ny zavatra lazainy. Ny zava-mitranga rahateo manamarina izany hatrany.

Ka vazivazy ihany no nitondrako ilay resaka tamin'ilay namako tatsy hoe ny trano moa matoa afaka naorina teny na dia efa nazava hatrany am-boalohany aza fa tsy atokisana io faritra io fa ambany ziogan'ny horohorontany dia nahazoana alalana (iza no nanome alalana ?), na tsy mety tsy nangataha alalana (zay tiako ihany fa tsisy bedy). Mety tsy izay monina ao ankehitriny no nanorina fonenana tao, izany hoe tsisy idiran'ny taranaka aty aoriana ny maha-tompon'andraikitra na tsia, fa nandova tranon-drazana zareo dia izay.

Ka raha efa hay ary fa hisedra horohorontany foana iny faritra iny, raha tonga tokoa moa ny fampilazana fa mila miala eny izy ireo - aleo misoroka toa izay mitsabo - moa ve hanaiky izany izy ireo ? Ehhhh zay raolombelona izay manko. Hitako eto lay hoe eto ny tanindrazanay, tranon-drazanay ity, ny harenanay no laninay teto, ka ho aiza zahay raha hiala eto, teto no nahalehibe anay, sns sns (na dia atao aza hoe omena tanàna iray vaovao eny amoron-dranomasina izy ireo).

Ka hoy aho tamin' ilay namako hoe izany tsy hilatsahako ho filoham-pirenena fa io izao raha tany Madagasikara dia mbola hadisoan-dRajaonarimampianina ihany no nahatonga zao (taolana ny nify ka homehy)... eny e, satria izao moa dia efa misy ny mahasahy miteny hoe rahoviana no hihetsika ny tany ao amin'ny Lapan'i Montecitorio (izany hoe ny lapan'i Mahazoarivo aty aminay) dia mba tototra ao ingahy praminisitra... ndriiiii tsisy idiran'ny vitsika amin'ny solintany an !!!

Eritreritro moa zay. Mety tsy ho izay ny eritreritro raha nonina tamin'iny faritra iny aho ka namoy havana sy fananana... raha izaho moa no vita matavy tao dia tsy ho nisy ity lahatsoratra ity.

Mankahery hatrany ireo traboina sy namoy havana.

 

Andro natokana ho an'ny SORA-BAVENTY

Nampidirin'i ikalamako | 22 Okt, 2016

HAHITAN-JAVATRA MIHITSY ITY FANDROSOANA ITY KAH Laughing

ATO AMIN'ITY ROHY ITY MISY FANAZAVANA FOHIFOHY FA TOA HAHAVALALANINA MAMAKY NY TANTARA RAHA TATATATAIKO ETO FA SAMIA MITSIKARAKA ANDROANY IZANY.

KA VAHAO DAHOLO NY GEJAN'NY SORA-BAVENTY ANDROANY E !!!

ARY LASA ANY AMIN'NY VLOG NY SAIKO HOE TSY AFAKA HANKALAZA ITY ANDRO ITY IZANY ANY FA BLOG IHANY NO METY, SA HAKA FANAMAFISAM-PEO ? Tongue out Tongue out

 

Tamberin'ny fahazaza...

Nampidirin'i ikalamako | 17 Okt, 2016

 

Mandrangotra kely ato aloha anio handatsaka ity horonantsary ity... toa atao hoe kopa-tànana avy amin'ikalamako nefa toa tsy dia tena izay loatra angamba fa andao atao hoe fanentanana ny mpisera hitsidika ny "Vlog"-n'i sefo Hery fa zany indray zao no malazaCool

"Serasera Telo Minitra" moa no anarana nomeny ity toraka vlaogy ity.. mitoraka ve zany sa ahoana marina ? Dia mba nomeny "micro" 50 segondra tao ikalamako ka dia io hitanareo io ny tavany.

Fa ankoatra lay fandraisana anjara - fandraisam-peo sy sary - dia nitantara ny tontoloandron'ny alahady niarahanay koa i Hery ao anatiny ao. Nahafinaritra satria ilay izy ny tena marina dia fihaonana tamin'i dadatoa sy nenitoa ary razokilahy, 38 taona aty aoriana. Mandalo mitsidika sy manao fialantsasatra eto Roma zareo. Hehy sy korana no nanafana ny latabatra, nitanisana ny lalao, ny ditra sy hagegena rehetra fahizany. Tsy ditra hoe inona akory fa ilay hoe nahatata-bava ray aman-dreny tamin'izany. Lavalava ihany ny fotoana niarahanay tamin'izany aloha e, telo trano nifanolo-bodirindrina izahay mpihavana ary nitovitovy taona ka zay trano tsy voakorontanay no nanenina, ny tabataba manginy fotsiny,... Fa teo koa rizareo lehibe tsy sasatry ny nifety, nifandimby nikarakara fa ny tena natetika aloha dia tao aminay.

Ah zalahy, tsy mety lany lay tamberina ato efa roa andro izao, satria isan-kariva dia miaraka misakafo ato antrano izahay mianakavy. Ary tsy maintsy manaiky ihany ny tenanay fa dia tsy hiova intsony raha atao ny kajy fa hay moa efa toa zao hatramin'ny fahakely LaughingTongue out

 

 

 

Efa tsy lavitra an' Antsampandrano ilay sakakeliko.

Nampidirin'i ikalamako | 13 Sep, 2016

Iray volana hono sisa dia ho tonga eny Antsampandrano ikala Pelosona. Mety ho latsak'izay, mety ho maherin'izay koa. Nomena safidy aho : hanohy ny fitsaboana amin'ny alalan'ny "chimio" sa handray ilay làlana iray hoe hodontoina fotsiny ny fanaintainana. Ny faharoa no noraisiko tsy nisy fihambahambana. Mety hoe efa namboariko tamin'izay koa ny saiko satria efa resaka fanaoko matetika amin'ny namana rahateo ny hoe raha sanatrian'ny vava ka tonga amiko izay loza izay dia aza kitihana intsony ilay bibikely fa tohano amin'ny ody fanaintainana fotsiny aho mandrapahatongantsika amin'ny tsontsorimamba isarahana.

Tsy noraisiko toy ny biby izy fa efa isam-pianakaviana fa amiko raha tsy atokisana zato isan-jato ny fahasitranana dia aleoko mifidy ny làlan'ny natiora fa hamaivanina fotsiny. Hoy radoko hoe raha ity ka tonga amin'ny tsisy antenaina intsony satria mety tsy hahahinan-kanina intsony izy sy hiharatsy ny toe-batany dia mila ampiana tosika ny fandehanany... sniff... enga anie tsy ho tonga amin'izay aho fa ho tafitan'izy samirery ny diany. 

Ilay zanako ato tsy mahalatsa-kanina sy mitelina ranomaso nanomboka omaly, mainka mahakely ny herintsaina ho entiko hitantanana an'ikalapiso amin'ny diany farany. 

Fitiavana be no nomeny dia am-pitiavana be no isaorana azy.

 

Aza avela hahalala

Nampidirin'i ikalamako | 6 Sep, 2016

Atolotro manokana ho an'ilay namako tsy foiko izay amin'izao ora manjombona izao.
Fihina be rakembako.

 

Hary elatra ilay zaza nokoloina.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Sep, 2016

Handeha ianao ry zanako vavy
f
'efa io ilay fanilon'ny andronao ho avy. 
Handeha ianao, handeha ka mahereza,
n
y tokantranonao no iriko hateza.

Ny masoko raha toa manganohano,
t
sy tomanin'alahelo fa ando tso-drano .

 

Caderousse sy Laudun (Vaucluse, France), 3 septambra 2016.

Vazo sy hira.

Nampidirin'i ikalamako | 28 Aog, 2016

 

Nahita ity ohabolana ity aho dia niteny irery hoe "angaha moa zany vazo sy hira izany tsy zavatra iray ihany ?"
Dia lasa nijery rakibolana. Hay moa ny vazo ka kalom-pitiavana, hiran'ny olo-manina ?
Dia azoko ihany izany ny foto-kevitr' ilay ohabolana, fa ny nanitikitika ny saiko avy teo indray hoe "ohabolan-drazana io sa ohabolana ankehitriny ?"

 

Setrasetran'ny natiora.

Nampidirin'i ikalamako | 25 Aog, 2016

Ankoatran'ny setrasetran'ny zanak'olombelona mpampihorohoro dia eo koa ny tany mihorohoro, kanefa làlan'ny natiora : tanàna telo tao amin'ny faritr'i Italia afovoany (100km eo ho eo avy eto Roma) no rava tanteraka tamin'ity 24 aogositra tamin'ny 3 ora sy sasany maraina ity.

Mbola mitohy mihetsika ny tany, misy ny mbola mafimafy. Mitohy mirodana ireo sisa tavela ka maika manototra izay efa teo. Ny isa vonjimaika farany aloha androany dia 250 ny maty, 215 no voavonjy tao ambany rindrina nianjera tao.

Miondrika am-panajana eo anoloan'ireo namoy ny ainy, mirary fahasitranana sy mankahery ho an'ireo velon'aina. Miray fo tanteraka. Ary miombona alahelo amin'ilay namana malagasy namoy rafozana sy zaobavy tamin'izao loza izao.

 

"Voa teo amin'ny fo."

 

"ny saina sy ny herimpo ihany no iadiana amin'ny tahotra"
Ny tilikambon'ny fiangonana nijanona teo amin'ilay ora farany naharava ilay tanàna : tamin'ny 3 ora sy 37 minitra maraina, mbola tanaty torimaso ny ankamaroan'ny mponina.

 

"tanatin'ireo trano nirodana - hadiana moramora amin'ny tànana mba tsy hampianjera tanteraka ireo sisa mijoro".

 

 

"isan'ireo velon'aina na dia tena simba be aza ny trano fonenany" - ny fanevam-pirenena tsy navotsotra.

 

"ny fahoriana miaraka amin'ireo biby" - isam-pianakaviana ihany koa izy ireny rehefa tena tia azy.

 

Tantaran'i Roberta, indroa nieren-doza. Ny voalohany, 7 taona lasa izay tany L'Aquila, tanàna fonenany, ravan'ny horohorontany tamin'ny 3 ora sy 32 minitra maraina koa. Raha 6.2 tamin'ny mari-pandrefesana Richter ho herin'ilay horohorontany tao L'Aquila tamin'io 6 aprily 2009 io dia 6.0 kosa ity indray mitoraka ity.
Ny reniny no avy ao Amatrice. Ny tolakandron'ny 23 aogositra izy no tonga tao rehefa tsy nanitsaka tany nandritra ny 4 taona. Isan'ny trano tsy nirodana ny tranon-drazany - vintana sy anjara angamba hoy izy.

 

"ireo anjely anivon'ireo rindrina nianjera".
Ny asan''ireo mpamonjy aina : mpamonjy hain-trano, mpamonjy loza an-tendrombohitra, olon-tsotra manolo-tena hanampy amin'ny famonjena, isan'izany ireo mpitsoa-ponenana maromaro izay nahazo fialofana ao amin'iny faritra iny.


"Anjely misy rambo, ireo zavaboahary manampy ny olombelona hitady ireo aina tototra anaty rindrin-trano rava, amin'ny alalan'ny fanamboloany"

 

"miasa ho antsika olombelona amin'izao loza tsy roa aman-tany izao. Tsy "alika fotsiny" fa anjely."

 

"manavotra olona maro izy ireo. Raha mampijaly biby ianao dia tsarovy fa indray andro any mety izy no hanavotra anao"

 

 

"zazavavikely iray avotra", efa ho 36 ora taorian'ny loza. Misaotra an'i Leo, ilay anjely misy rambo miasa ho an'ny polisim-pirenena.

 

"Ali-nofy ratsy - rava tanteraka ny tanànan'i Accumoli, tsy lavitra an'i Amatrice, ivon'ilay horohorontany."

 

"Andron'ny fahanginana sy fahoriana anio. Miray fo amin'ireo niharan-doza."

 

"famoizam-po sy herintsaina no eny amin'ny endriky ny mponina."

 

"Nanampy nanala anao tao ambany rindrina nirodana  fotsiny aho. Azafady raha tara izahay vao tonga, dia efa tsy niaina intsony ianao, fa tiako ho tsapanao eny ambony eny fa nanao izay azonay natao izahay namoahana anareo rehetra tao. Rehefa mody any aminay any L’Aquila aho dia haiko fa misy anjely kely mitsinjo ahy eny ambony eny, ary amin’ny alina dia ho kintana mamiratra eny ianao. Veloma Giulia na tsy fantatrao aza aho. Andrea", teny kely napetrak'ilay mpamonjy hain-trano teo amin'ny vata misy ny nofo mangatsiakan'i Giulia.

 

 

tsy ampiana teny be.


 

"Ny firaisana no hery." 
"Indrisy, tsy tsara foana ny andro, misy ihany koa zava-mitranga manamarika antsika, manohina antsika. Ary alahelo lalim-paka no manjohy antsika eny. Fa izay "tsapantsika" izay dia midika zava-dehibe. Manana fo isika."

Andron'ny Fifankatiavana, 30 jolay

Nampidirin'i ikalamako | 30 Jol, 2016

Tsy asiana tatasiaka be fa sady tsy ampy na ny teny na ny sary na ny fotoana, no sao hivoaka ny foto-kevitr'ilay Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fifankatiavana androany (sa moa Finamanana no tokony ho izy ?) Tongue out

 

"Famoizam-po" - Martiora Freedom

Nampidirin'i ikalamako | 25 Jol, 2016

Efa mivelatra amin'ny tontolo maromaro mihitsy manko ny gadona henoiko ankehitriny, ary maro tokoa amin'ny hiran'ireto tanora ireto ny mahafinaritra ahy, indrindra ny tonony an... Cool. Eo kely aloha rizalahy ireto no tsongaintsika androany.

 

Pìmason'ny volana jolay ho an'ilay namako mandalondalo io

Nampidirin'i ikalamako | 20 Jol, 2016

Tsy afaka mifanotrona toy ny isan-taona tary andrefan-trano tary isika roa satria aho tsy any intsony, nefa haiko fa mifampahatsiaro isika, indrindra androany.

Nijery blaogin'olona tsy fantatro izay aho teo, dia tateriko ato sady adikako amin'ny teny malagasy ny zavatra nahafinaritra ahy tao : 

"Ary nony tonga ny aloka, ilay mahatsaratsara iny, dia topazana maso ihany ny habakabaka hijerena hoe nankaiza ilay masoandro namela tetsy sy teroa ny tselatselatry ny kintany."
Fihina be rafotsikeliko a !


 

Tsy mamisavisa ny ratsy fa miomankomana raha sanatria.

Nampidirin'i ikalamako | 16 Jol, 2016

 

Isan'ny resaka tsy zakan'ny Malagasy ilay manafatrafatra hoe raha sanatria aho maty dia izao sy izao no mba ataovy. Toa hitako ihany ny hivingivindohandrizareo tamin'ny fotoana nanoratan'i Ratsimiseta ilay tononkalo malaza "Rehefa maty aho". Nefa anie dia ny Ntaolo ihany no milaza fa ny aina tsy mifametra e !

Tsy ny amin'ny lafiny materialy fotsiny anefa fa eo amin'ny fanehoana fitiavana ihany koa, na amin'ny fihetsika na amin'ny famborahana izany mihitsy.
Izaho tena mpamela hafatrafatra sy mpiteniteny an'io hoe raha sanatria ka dila tampoka aho dia tsarovy fa tiako be nareo, tiako be ianao, dia mba zao sy zao no faniriako faramparany raha azo atao.
Kanefa dia impiry aho no mifanjinja amin'ny havana sy namana mihitsy satria ny setriny mba azo dia hoe "aza mirediredy eo 'ty !Sealed

Izaho manko dia milaza foana hoe ianareo no mba ametrahako azy fa izaho tsy manam-bola omena ny "notaire" izay karamaina hampirina azy itony, toy ny aty an-dafy. Efa haintsika ihany fa tsy antsika ny segondra manaraka : mety avy mivanitika aminareo eto aho, hoy aho, dia mitsangana saingy mety hiakatra tampoka ny tosi-dràko dia hiankarapoka aho dia izay ; na hidina ny tohatra aho avy manao veloma anareo dia mety hisolifatra dia hidona ny lohako dia ho vita eo ny amiko, sns.

Dia mbola ao koa ny tranga toa itony fanahafihan'ny mpampihorohoro itony. Efa maro izay "Je suis" niombonan'ny mpisera eny amin'ny tambazotra sosialy izay an !!! Indrisy fa tamin'ity "Je suis Nice" ity dia nisy reny malagasy vao erotrerony tokoa isan'ny namoy ny ainy tao - handry am-piadanana anie izy, ary mirary fiononana ho an'ny fianakaviany sy ireto zanany kely anankiroa. Ka iza tokoa moa no nanampo fa haka fahafinaretana hijery afomanga no nivoahana ny trano nefa dia fahafatesana no niandry teny amoron-dranomasina ! Cry

Tsy hoe mamisavisa ny ratsy hiavian'ny soa. Tsy izany mihitsy satria tsisy maniry ny ratsy ho avy saingy isan'ny trangam-piainana daholo izany. Fa miomankomana ihany, amin'izay raha tonga ny lera dia hiverina ao an-tsainareo daholo izay "redirediko" rehetra izay.
Innocent Amen Tongue out

 

Fitsaboana amin'ny ragga.

Nampidirin'i ikalamako | 13 Jol, 2016

LaughingLaughingLaughing toa tena mety handaitra ity fitsaboana ity an : "Raggatherapy" an'i Dj Gouty sy Jess Flavi One... atao raggadose maximum ny serum. Tsy excuse lay hoe tsy mahay mandihy fa raggatherapy dia ataovy izay tianao Cool

 

Fanoloana ny Mpiambina eny amin'ny Lapa-panjakana italianina

Nampidirin'i ikalamako | 12 Jol, 2016

 

Naka fotoana mihitsy aho tamin'ny alahady mba hanatrehako ity. Marina fa eny amin'ny lapa toy itony, sy eny amin'ireo toby miaramila ihany koa dia misy isan'andro ny matso kely rehefa hiova ny anjara fiambenana. Ny ao amin'ny Quirinale, ny Lapa-panjakana misy ny Filohan'ny Repoblika, dia ao an-tokotany no anaovana izany isan-kariva fa rehefa alahady kosa dia eo amin'ny kianja malalaka manoloana ny Lapa ka azon'ny rehetra atrehana. Ny tena moa rehefa monina amin'ny toerana iray dia tsy maika intsony hijery ny zava-mahaliana ao amin'ilay tanàna, hany ka manao rahampitso lava. Fa vitako ihany izy ity na dia efa 25 taona nipetrahana teto aza.

Ny baiko tena niasa tao izany dia ho an'ny "Guardia montata !" (guarde montée, mpiambina apetraka) sy ny "Guardia smontata !" (garde démontée, mpiambina esorina).

Nandritra ilay lanonana fohy (15 minitra ary nofaranana tamin'ny kaonseritra kelin'ny Mpitsoka Mozikan'ny "Carabinieri") dia reko nanetoka kely ery tany anaty foko tany, nahatsiaro ny fotoana nanaovana raharaha miaramila teny amin'ny Toby RAAA teny Betongolo, isan'ny fotoana nankafiziko indrindra tamin'ny fiainako.

(somary notapatapahako kely ihany ilay horonantsary)

 

Faly aho, tena faly fa Portugal no nandrombaka ny amboara Euro 2016

Nampidirin'i ikalamako | 10 Jol, 2016

Mba tsarovana ato anaty blaogy ihany aloha ity fa tena tsy mpijery baolina sy mpiondana an'ity taranja ity mihitsy aho saingy androany kosa dia tena naka toerana tsara nanomboka tamin'ny minitra voalohany mihitsy aho : naniry mafy ny handresen'i Portugal.

Faly be fa ny haraton'i Eder no valisoan-dranomason'i Kapiteny Ronaldo.

Folaka

Nampidirin'i ikalamako | 9 Jol, 2016

Isan'ny hira tena tiako hatramizay izy ity, toa angorodaon'i Regis no manaraka azy raha tsy diso ny fitadidiako ny tany amin'ny taona 80.
Elabe tsy re i Liva ka izao indray vao miverina an-tsehatra, niaraka tamin'i Olombelo Ricky tao amin'ny Palais de Sport teo ka asa na isan'ny averiny hohiraina ity. 

 

Vita indray aloha ny revy "Tavamboky"

Nampidirin'i ikalamako | 7 Jol, 2016

 

​Tsy be famisavisana, tsy be fandanjalanjana. Tsy asiana jery todika, tsy asiana famintinana. Noraisina ny fanapah​an-kevitra fa hovonoina tanteraka ilay takelaky ny tena atsy amin'ny tambazotra "facebook". Tsy nandany ora maro fa raha vao hita hoe izay no vahaolana dia nampiharina.

Afaka iray volana dia ho feno 8 taona ny nonenana tany, mba ampy kosa angamba izay o ?
Afaka miverina miserasera sy mitoraka blaogy tsara, afaka miverina mijery tantara mitohy sy vaovao an-tsary amin'ny fahitalavitra, sns.
Tsy nasiana resabe, izay naharay fampilazana dia tsara, izay tsy naharay dia hahare amin'ny hafa ihany atsy ho atsy. Tsisy azo hamerenana ny fanambarana rahateo fa dia zay zany !

Novonoina fa tsy nohidiana. Izany hoe na miverina mamoha trano any aza aho dia tsy afaka hiditra intsony, sady tsisy n'inon'inona intsony ao fa nasaiko nofafany daholo. Tsy nangataka tahiry aho fa atao inona tokoa moa !

Fony tsy tany 8 taona lasa izay, toa nety ihany ny fiainana k'ty ! Cool

 

Mamo ny foko.

Nampidirin'i ikalamako | 6 Jol, 2016

 

...mba dizina koa indraindray Embarassed

 

Mamo ny foko



27 desambra 2014

Misaotra Tompo vs Ampio aho Tompo

Nampidirin'i ikalamako | 9 Apr, 2016

Rediredy kely fotsiny indray androany. Tsy haiko hoe inona no tena foto-kevitra fa tiako resahana fotsiny. Tsy haiko hoe maninona koa moa no resahako zany ! Cool.

Isika olombelona manko rehefa sendra fahasahiranana no tena voatarika hitodika amin'ny Andriamanitrany. Aleo ataoko an'izay no fiantsoana Azy satria samy manana ny Andriamanitra sy ny Zanahary tompoiny arakaraky ny finoany.

Misy zavatra ketrehako miaraka amin'ny namako izay ato. Dia hoy aho taminy hoe tsy maninona na ovaina aza zay nolazaiko fa teny afaka hakana hevitra hitondrana ilay ketrika fotsiny io nomeko io, fa tsy dia teny avy ato am-poko loatra. 

Dia mandinika ny tenako tokoa aho hoe izaho tokoa toa tsy mahay mitodika amina Andriamanitra izany rehefa sahirana an. Indraindray aza aho amin'iny fotoana iny no tena devoly kely mandehandeha.... pfff, tena ondry mainty marina Tongue out.
Fa rehefa misy mahafaly ahy kosa tena tadidiko Izy. Impiry aho no miteny hoe "merci Seigneur", "tena misaotra ny Tompo", "ahhh thanx God". Ary tena avy amin'ny foko izay fisaorana izay fa tsy hoe zesta teknika akory. Tsy haiko iza marina Izy fa hoy foana aho hoe matoa aho tsy sahy midegany be loatra amin'ny fiainana dia matahotra izao Andriamanitra atahoranareo izao koa.

Dia asa hoe mety ho faly amiko ve izao Andriamanitra izao raha tsy manadala azy aho amin'ny andro sarotra fa mahay mahatsiaro azy kosa amin'ny androko tsara ? Angamba miverina ihany amin'ilay ngonongonoko indray andro iry hoe "tiako raha amin'ny androm-pahasoavanao aho no tsaroanao fa tsy dia hoe ny fahorianao foana no hozarainao amiko."

Tapitra ny rediredy.

Hafatra ho an'ny namana iray eto amin'ny blaogy.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Apr, 2016

Kivy be foana aho rehefa handray ny blaogiko fa toa araky ny tenin'lay "Bandy Maditra Be" iry hoe mitady ho lasa "nécrologie" izy izany. Nefa androany dia tena eto ihany no tiako hampitana ity vetsovetsom-poko  ity.

Ankona tanteraka indray aho manko nahazo fanontanian'ny namana iray tao amin'ny facebook hoe nodimandry hono akia i.... Avy dia nikoropaka nanontany namana iombonana aho, izay nanamafy ny vaovao. Efa tany amin'ny 2015 tany, hoy izy, fa nataoko dia nahalala koa ianao. Izy koa aza toa efa taorian'ny fahoriana vao nahare.

Marina fa lany ao amin'ny facebook ny androantokon'androko matetika, saingy tsy ny pejin'ny namana rehetra no asehony ao amin'ny pejy fandraisana fa zay matetika ifaneraserana ihany. Ary impiry moa aho rehefa "manadio trano" - izany hoe manala namana izay hitako hoe tsy dia misy fifaneraserana matetika mba tsy hahamaro ny namana ka tsy hahitana ireo sasany (toa itony mitranga itony) - dia rehefa tonga eo amin'ny anarany aho ka hitako hoe "mbola nanidy pejy" izy dia hoy foana aho hoe "izy tsy esorina fa tena mba namana mifampizara hatrany". Nataoko ity izy dia sahirana ka somary niato kely. Tato ho ato kosa dia ekeko fa tsy tandriko intsony hoe tena tsy tao intsony ny anarany, ka asa na nofafana tanteraka na nesorina daholo avy hatrany fotsiny izay namany tao.

Ka eto amin'ny blaogiko no hampitako amin'ilay andefimandriny androany ity hafatro ity. Ho azy sy izy mirahalahy kambana zanany. Namana ato amin'ny blaogy izy - mino aho fa mbola mandalondalo mahita ity (enga anie). Tato rahateo no nifankahalalanay vao nitohy tany amin'ny facebook ary nihitatra taminay mirahavavy. Efa ranomaso tsy miaraka amin'ny fahoriana moa izy ity ka sanatria tsy hamoha fota-mandry na hamendrofendro. Fa tiako lazaina azy fotsiny hoe tohina tanteraka aho amin'izao fotoana anoratako izao, malahelo tamin'ny fahalasanany ary malahelo ihany koa tsy nahare vaovao ara-potoana.

Misy namana virtoaly mamela diany kely ao anaty fo ao ny fandalovany na tsy hoe niara-nivary lena aza. 

 

Lanaky ny nofy ratsy ihany ikalamako

Nampidirin'i ikalamako | 18 Mar, 2016

Raketiko ato aloha ity fa mety izay no hanosika ahy hanoratra hitantara azy atsy ho atsy (izany hoe hiverenako soratana ity lahatsoratra ity amin'izay).

Efa ho herinandro mahery manko izao no sembanin'ny nofy ratsy foana ny torimasoko. Teo alohaloha izy dia saika nitovy foana ny fitrangany, saingy afak'omaly alina niova kely ary tena tsy tiako mihitsy. Dia mba hafa koa, somary maivamaivana  alina (tsy alina moa izany fa efa maraina e, satria aho taitra tampoka sady nangovitra moa ny famantaranandro fanaraina koa naneno, namoha an'ingahirainy handeha hiasa).

Efa nanam-pikasana hanoratra ilay nofy afak'omaly ihany aho satria kamo hitantara amin'ny olona sao lazainy efa marary saina. Saingy tena tsisy aingam-panahy mihitsy fa toa modaka be fotsiny ato. Kanjo nivenjivenjy kely teto amin'ny aterineto aho io dia nahita famporisihana hoe aborahy fa aza kobonina ny nofy ratsinao, soraty raha tsy tianao tantaraina amin'ny olona, amboary ho angano kely, ezaho ho tsara fiafara fa hanampy anao betsaka izany.

Dia tonga ato ihany aho aloha izany manoratra ity. Asa raha ho tafaverina miaraka amin'ny aingam-panahy hiangaly azy na dia hionona amin'ity Foot in mouth

 

'Ianao no antoky ny hampaharitra anao mandrakizay na tsia'...hoy i Serge Reggiani

Nampidirin'i ikalamako | 16 Nov, 2015


(...) Dia ho velona hatrany ianao raha mbola misy tia anao
Raha mbola misy andriambavilanitra miresaka momba anao
Raha mbola misy olona mahatsiaro anao
Ny hanononana ny anaranao fotsiny
Dia hampirehitra lel’afo kely iray...
Ianao no antoky ny hampaharitra anao mandrakizay na tsia (...)
Hoy ity hiran’i Sergio Reggiani ity, atolotro indrindra an’izay namana iray izay.

Omaly aho vao nahare ny vaovao ratsy. Notadiaviko tao amin’ny tambazotra facebook ny zanany (satria tsy namako) dia nijojo ny ranomasoko nahita ilay sary tsotra dia tsotra tokoa nandravahany ny pejiny tamin’ izay fotoana izay : tamin'ny volana septambra teo izany no nahalasanany.

Izy no Malagasy voalohany fantatro – ankoatra ilay namako malagasy nanafatra ahy nankaty - tanatin’ny herinandro nahatongavako teto Roma tamin’ny fiandohan'ny taona 1991. Avy dia nahatsapa tena nahita zoky, nahita reny aho tamin’ny fandraisany ahy.

Tsotra sy be fitiavana : tsy misy afa-tsy izay no azoko ambara momba azy.
Tsy mba simban’ny fahatafitana tamin’ny fiainana ny toetrany nandritra ny dimampolo taona nanambadiany olona hafa firenena.
Tsy mba simban’ny fanatontoloana ny fomba fisainany na dia efa nahatety izao tontolo izao aza izy, noho ny asan’ny vadiny sy isaky ny fotoana fialan-tsasatra.
Tsy mba simban’ny fizahozahoana ny fony na dia nisondrotra hatrany aza ingahy vadiny teo amin’ny asany.

Nahafinaritra ery nahita azy an-gazety, rehefa nisy fihaonana ofisialy na teny amin’ny lapa-panjakana malagasy na tany amin’ireo masoivohom-pirenena isan-karazany. Satria mitovy lenta amin’ny Lehiben'ny masoivoho ny vadiny amin’ny maha-Tale Jeneralin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena lehibe iray miasa any Madagasikara azy. Izay no toerana notazoniny farany talohan’ny nandehanany nisotro ronono.

Olona avy any avarabaratr’i Eoropa any ingahy. Tany amin’ny taona 1967 tany ho any no nifankahalalandrizareo raha tsy diso ny fitadidiako. Toa mbola hitako foana izy mitantara amiko hoe isaky ny ora fisakafoanana dia mody mandalo ao amin’ilay fivarotana niasany ingahirainy, kay efa nitilitily azy. Izy anefa hono tamin’izany nampitahorin’ny olona hoe ny vazaha ange mpaka fo, dia natahotra mafy mihitsy. Saingy babo ihany fa ingahy tsy namotsotra tamin’ny fisariana zoro.

Dia miaraka lokin'ny hehy izahay roa itantarany ny fangovitany nony tonga ny andro hitondrana azy hihaona amin’ny rafozany (satria tena azo an-tsaina mihitsy lay tahotra raha ny fahatsorany Smile). Impiry naveriny tamiko hoe "aza matahotra, malala, fa izaho no hanambady anao fa tsy ny ray sy reniko", hoy izy, fa izaho efa nanangan-torana nony hidina ny fiaramanidina.

Efa nanana olana tamin’ny fo izy na tamin’ny fotoana  nifankahalalanay voalohany aza, fa aty amin’ny tany mandroso moa sady misy ny enti-manana ka dia voaaraka akaiky foana ny fahasalamany. Nandalo tany an-tanindrazana aho ny 2003 – vao voatendry niasa tany am-bolana vitsivitsy izy ireo tamin’izay – dia mba nahita fotoana nahafahanay niaraka nisakafo. Tany amin’ny taona 2008 tany aho no nahare hoe tena narary mafy izy ary lasa nalemy. Saingy tsy nifanena mihitsy izahay.

Indray andro, tamin’ny taona 2012 raha tsy diso aho (mety ho 2011 ihany koa anefa) dia akory ny hafaliako naharay antso an-taribihy tamin’ingahirainy nilaza fa eto Roma izy mivady (fa manana trano eto koa moa rizareo) ary mba maniry hahita ahy ka handalo aty an-trano ny ampitson’izay. Dia mijanona misakafo ianareo, hoy aho, raha izany no izy. Tsy afaka mijanona izahay, hoy izy, fa mba maka rivotra kely vetivety fotsiny amin’ny tolakandro fa te-hahita anao mafy. Dia tonga tokoa zareo, mbola afaka mandeha izy fa tantanana miadana fa tena efa sahirana be sady reraka dia reraka.

Hafaliana no nifamihinanay mirahavavy-mianaka. “Mbola nataon’Andriamanitra hahita an-dry akia aho”, hoy izy… Nafeniko ny masoko nanganohano tamin’izay, fa nanomboka omaly aho isaky ny mahatsiaro io teniny io sy mitadidy ny endriny tamin’izay fotoana izay dia mirotsaka ny ranomasoko. Tsy maintsy malahelo fa tsy vato ilay fo e !

Ka ho azy ity aingam-panahiko nisidina androany ity, ho fanomezam-boninahitra azy.
Fa fiderako hatrany koa ny vadiny.
Ity sary nindramiko tao amin-janany ity dia mahalaza zavatra be dia be momba azy mivady. Nisy elanelana be, tena lehibe tokoa, teo amin’ny faripahaizan’izy ireo – tsy hoe fanaratsiana no ilazako izany fa izay nahafantatra azy ireo dia nahalala izany avokoa. Saingy Fitiavana sy Fifanajana ary Fahatsoram-po sy fanahy no tena nanjaka tamin’ny tokantranon’izy ireo ka tsy mba olana tamin’izy ireo izany. Hita taratra eto amin’ity sary tamin’ny fandevenana azy tany an-tanindrazany ity ny fahatsorana sy ny mahamamy hoditra azy ireo.

Veloma vetivety fotsiny akia, amore mio ! Mbola hihaona isika indray andro any. Misaotra anareo mivady tamin’ny fitiavanareo ahy, haiko fa niangarana kely aho raha samy ankizy teto Roma. Embarassed

Ingahy Formidable

Nampidirin'i ikalamako | 10 Sep, 2015

 

Mpampianatra taranja frantsay anay teny amin'ny sekoly ambaratonga faharoa no nitantara ity taminay. Asa naninona fa tsy afaka tato anaty lohako izy ity efa ho herinandro izao Innocent

Fa fony fahavelony, hono, ingahy Formidable dia nanafatrafatra mihitsy ireo havany hoe raha maty aho dia aza mba apetraka eo an-doha fasako ny anarako fa tsy tiako mihitsy.
Satria manko, hono, dia nohadrohadroin'ny olona loatra sy nihomehezan'ny olona foana izy tamin'io anarany io noho ilay anarana tsy dia mahazatra.

Nony tonga tokoa, hono, ny andro nahalasanany, dia toy izao no soratra napetraky ny havany teo amin'lay vato mariky ny fasany.

"Ato no mandry fehizay, olona iray mamy hoditra tamin'ny fiaraha-monina. Nahafoy ny androny tamin'ny fanaovan-tsoa. Nanome izay kely nananany nanampiana ny hafa. Tsy mba nitady valiny teo amin'izay nataony tamin'ny hafa. Vady, ray, zanaka, zoky, zandry, namana, mpiara-miasa tsy foinay mandrakizay."

Dia isaky ny misy mpandalo, hono, eo amin'ny fasany ka mijanona mamaky ilay soratra, dia misento tokana, miteny hoe : "c'est Formidable !"

 

Angano angano, arira arira,
Izaho mpitantara.
Ianareo mpamaky.

 

 

Any andro iray

Nampidirin'i ikalamako | 1 Jol, 2015

Any andro iray, izao tenako izao
Hangina tsy handre, ka hitomany ianao

Any andro iray, ny fo mifankatia
Hisaraka avokoa, dia ho foana ny fitia.

Ary any andro iray, izao tontolo izao
Ho toro ka hisolo, ho tany vaovao
Any andro iray, Satana sy ny sisa
Handositra avokoa, hiseho ny paradisa. 

Hisaina ianao, mba inona no atao ?
Hisaina ianao fa tsy ho fantatrao

Any andro iray, ho hitanao tokoa
Ireo razana hatrizay, hitsangana hifoha
Ary any andro iray, ny didy dia ho tò
Ka ho eo anatrehanao ilay endrika Tsitoha. 

Hisaina ianao, mba inona no atao ?
Hisaina ianao fa tsy ho fantatrao 

 

Tovo ANDRIANANDRAINA

 

"Iny ilay zaza".... hanokatra pejy vaovao amin'ny fiainany.

Nampidirin'i ikalamako | 29 Jio, 2015

Vita izay ny ambaratonga voalohany ... "ny tena efa mato-tsaina", hoy ny tarika Remy, "io ilay tranobe jerena, miandry eny Ambohitsaina. Eny indray no andrandraina raha hanitatra ny saina".

Dia miverina ao an-tsaina hatrany ity tononkalon'i Toetra Ràja ity isaky ny misy dingana vitan'ilay zaza.

 

Toetra RAJA, mey 2010.

 

 


Ireo dingan'ny torimaso

Nampidirin'i ikalamako | 27 Mey, 2015

(Isaorako manokana ny namana Soanja sy Radotiana nizara azy ity tary andrefan-trano tary, ary nierako tamin'izy ireo ny hitahirizako azy ato fa moramora amiko kokoa mitady azy raha sendra ilaina)

*************


Mandalo dingana 5 voaporofo ara-tsiantifika ny torimason'ny olona tsirairay manomboka ny fotoana hidabohany eo ambony fandriana mandra-patoriny tanteraka.


1- Alpha – The walking state - MIFOHA
Mahatratra 8 -13 Hz ny refin'ny onja manamarika ny fiasan'ny atidoha eto. Onja Alpha no fiantsoana azy.


2- Theta – Light Sleep State – (Stage N1) - RENDREMANA
Mihena ho 4 - 7 Hz ny refin'ny onja manamarika ny fiasan'ny atidoha. Mbola mora taitra be ilay olona fa na dia jiro mirehitra na feo kely maneno fotsiny aza dia mampifoha azy.
Miha-miadana ny fihetsiky ny masony ary miha-miadana ihany koa ny fihetsiky ny hozatry ny vatany. Misy olona manonofy amin'ity dingana ity ary raha taitra eo izy dia mety ampahany amin'ny nofiny ihany no tadidiny.


3- Gamma – Sleep State (Stage N2) - MATORY
Mahatratra 12 -16 Hz ny refin'ny onja manamarika ny fiasan'ny atidoha. Zara raha mihetsika ny hozatry ny vatana ary manomboka tsy tsapan'ilay olona matory intsony ny manodidina azy hoe aiza izy io matory io. Ny 45 - 55% amin'ny torimaso no mitranga eto. Tsy mihetsika intsony ny maso. Miha-malefaka ny onjam-piasan'ny atidoha saingy misy onja mahery vaika mitsitapitapy mitranga eny anelanelany eny izay antsoina hoe “sleep spindles.”


4- Delta – Deep Sleep (N3) - MATORY LALINA
Mahatratra 0.5 to 4 Hz ny refin'ny onja manamarika ny fiasan'ny atidoha. Onja Delta no iantsoana azy. Dingan'ny torimaso fiampitana ihany anefa no tena asan'izy ity. Eto amin'ity dingana ity no miseho ny nofy ratsy, mipipy ampandriana, miala teo ampandriana dia mandehandeha na miresaka kanefa tsy mahatsiaro saina.
Miadam-piasa be ny atidoha eto. Misy onja malefaka sy onja maherivaika mitsitapitapy miseho eny anelanelan'ireo Onja Delta. Sarotra fohazina be ny olona matory eto. Tsy mihetsika ny masony ary tsy mihetsika ihany koa ny hozatry ny vatany. Malemilemy ohatran'ny olona mamo sady tsy tonga saina ao anatin'ny fotoana fohy izy raha mifoha eto.


5- Epsilon - REM Sleep (Rapid Eye Movement) (N4) - MATORY MATY
Fitohizan'ny Delta Sleep lalindalina kokoa no miseho eto ary mitohy hatrany ny fahatongavan'ireo Onja Delta ao amin'ny atidoha. Miandalana ny fiampitan'ny torimason'ilay olona avy amin'ny Torimaso Lalina (Delta Sleep) mandeha amin'ny Torimaso Maty (REM sleep). Miha haingana ny fisefoan'ilay olona matory saingy tsy mirindra fa miova ary marivo ihany koa. Mihetsiketsika haingana be ny masony. Tsy afa mihetsika ny hoza-batany. Mitepo mafy kokoa ny fony ary miakatra miaraka amin'izay koa ny tosi-drany. Ohatran'ny very saina mandritra ny fotoana fohy ny olona mifoha eto amin'ity dingana ity.


Araka ny voarakitra ao amin'ny "Journal of Medicine" dia ao anatin'ny 70 ka hatramin'ny 90 minitra aorian'ny fahitana tory no miseho ny Fatoriana Maty voalohany. (Epsilon – REM Sleep).
Eo amin'ny 90 ka hatramin'ny 110 minitra amin'ny ankapobeny no faharetan'ny fiampitampitana ireo dingan'ny torimaso feno iray.


Fohy ny faharetan'ny Fatoriana Maty (Epsilon – REM sleep) ary lava kokoa ny faharetan'ny Fatoriana Lalina (Delta – Deep sleep) ao anatin'ilay torimaso feno voalohany isan'alina.
Arakaraky ny androsoan'ny alina anefa dia mifamadika izy io ary ny Fatoriana Maty (Epsilon – REM sleep) indray no lasa maharitra kokoa ary miha-fohy ny faharetan'ny Fatoriana Lalina (Delta – Deep Sleep.)


Rehefa hadiva haraina ny andro dia mihodinkodina eo amin'ny dingana N2, N3 sy N4 ny torimason'ny olona.


Ny havesa-danjan'ny Misaotra

Nampidirin'i ikalamako | 23 Mar, 2015

 

Toa tsy mety ho lany daty mihitsy ity resaka manao soa ity izany an. Lasa teo indray manko ny tafasiry. Ny votoatin-dresaka dia iray foana : manaova soa raha mbola afaka manao izany. Mivaly hatrany ny soa atao. Tsy miandrandra valiny anefa rehefa manao soa. Ary tsy ny olona hanaovana izany no voatery hamaly anao.
Dia tiako hotantaraina kely eto ity zavatra niainako vao haingana ity. 

 

Tamin’ny faramparan’ny taona 2014 iny dia nisy dia iray nalehako. Efa mahafinaritra moa mikisaka ankehitriny fa maro ny saran-dalana mora. Dia nitsiry teo koa ny hevitra hoe efa handeha ihany ka ahoana raha mitsoriaka mamangy namana iray. Nojerena dia afaka mahita tapakilan-damasinina haingam-pandeha mora ihany koa. Nisy fanahiana ihany hoe raha sanatria ka tsy tratra dia vola very fotsiny, satria hampiasa fitaterana isan-karazany vao ho tonga eny amin’ny fiarandalamby. Raha ny kajy tsotsotra dia tokony ho tratra, na ampiana ireo fotoana lany amin’ny fitohanan’ny fiara eny an-dalambe sy ny fiandrasana ny fitateram-bahoaka sasany aza dia azo atao hoe malalaka ihany. Dia tapaka ihany ny hevitra hoe aleo aloha atao mba tsy hanenenana. Raha tena tsy tratra dia tsy anjara izany ny hifankahita. Raha lasa dia arahaba soa arahaba tsara. 

Kanjo tokoa dia tena tsy laitra ilay fitohanana teny an-dàlana hany ka tena 10 mn alohan’ny hiaingan’ny fiarandalamby aho vao nitontona tany. Ilay gara rahateo mbola tsy haiko ka tsisy fotoana nandinihana hoe aiza no mankaiza fa nahita soratra manondro masinina haingam-pandeha dia nihazakazaka tsisy toa izany nidina ilay tohatra. Efa hampaneno kiririoka ny “sefo de gara”. Avy dia niakatra tsy nanontany intsony fa faly erý hoe lasa ihany. Kanjo sady manidy varavarana ingahy sefo no miteny hoe “marihina fa tsy manan-kery amin’ity fiarandalamby ity ny tapakila mora vidy” …

Loooza, notaritina indray ny valizy ndeha hivoaka kinanjo tsy nisokatra intsony ny varavarana. Nikoropaka nitady an’ilay sefo. Soa fa iny izy handeha hanamarina ny hidim-baravana koa. Ampidino aho hoy aho taminy fa diso azafady. Ho aiza ianao, hoy izy. Nolazaiko ny alehako dia hoy izy hoe ka mankany ity kah. Eny hoy aho, mankany ity saingy tsy tapakila mandeha amin’ity no atý an-tanako, izaho tsy manam-bola hividianana tapakila feno matoa aho naka ity. Mandehana aloha hoy izy mipetraka etsy fa jereko ny momba izany avy eo fa tsy afaka midina intsony ianao na ahoana na ahoana. 

Nipetraka, nipotrapotraka ny hatsembohana, nihararetra nefa faly ihany hoe lasa – tsss. Lasa teo ny kajy tao an-doha hoe mety mbola ampy ve ny vola sisa aty amiko sa hiantso an’i sefo Hery hamahana ny karatra ilay fividianana zavatra amin’ny aterineto. 

Afaka kelikely io hitako ingahy sefo mifamaly amin’ny tovolahy afrikana. Tsy haiko zay nifamaliana fa ny reko dia ilay tovolahy miteny hoe “tsy manafokafoka anao aho”… dia nanohy nifamaly teo, dia nilamina avy teo, dia hitako namoaka vola ilay tovolahy. Dia nandray ny tapakilany dia nipetraka teo amin’ny seza teo alohako. Dia niandry ny anjarako aho. Dia niandry. Asa impiry izy no nandalo teo amiko, fanahy iniako jerena fa sao ataony dia mody fanina aho. Tsy miteny tsy mivolana izy fa manohy ny làlany, dia nanomboka naka toky aho no sady nanomboka latsa-dranomaso hoe “ndryyy mba mitsinjo ahy ve izy izany e ?” 

Na izany na tsy izany, mba lalina koa aloha ilay gara misy fiarandalamby roa samy haingam-pandeha dia miaraka miainga e ! Sa natao fanahy iniana fa tsy maintsy misy foana ny diso toa ahy ? Smile

Afaka adiny telo tonga soa aman-tsara tany amin’izay naleha. Navelako nidina daholo ny mpandeha satria teo amin’ny kalesa loha-masinina sady misy ny tranokelindrizareo mpiandraikitra no nisy ahy. Nony tafidina daholo ny olona dia nanao mbay làlana ilay mpiara-miasa aminy aho satria somary nibahana teo an-dalantsara izy. Etsy ny fivoahana hoy izy fa tsy atý. Azafady hoy aho fa misy zavatra tiako lazaina ilay  mpiara-miasa aminao fotsiny, dia nomeny làlana aho. Naheno ahy ingahy sefo dia nijery. Efa nomaniko moa ny holazaiko. Nataoko teo amin’ny foko ny tanako, ny feoko mangovitra (be hetsimpo tsssssss) : “misaotra tompoko” hoy aho sady somary niondrika kely aho. “Tsy misy fisaorana madama”, hoy izy. Nitanàka ilay namany nijery ahy… “andrayyyyyy, hoy izy, tsara beeeee”.. “marina e”, hoy ihany izy sady nampakariny ny ankihiben-tànany. 

Nandritra ny adiny telo dia zay no nameno ny lohako : tsy ny olona ataonao soa no hamaly izany aminao. Ary tsy mitady valiny aminao koa ny olona manao soa anao. Ka mahaiza mankasitraka na kely na be ny soa atao aminao. Mahaiza misaotra.

 

Andro ho an'ny Tononkalo anio.

Nampidirin'i ikalamako | 21 Mar, 2015

... Ary nisy namana teo ankodimiran'
Ny sendrasendra, akia,

Nandramby zany tànako ...
Kintana mangiran'
Ny làlan'ny fitia
Mihirika ho fananako.

Eny, misy namana azoko hiankinana
Raha tojo ny fidinana,
Azoko hifaharana
Hanohy ny fiakarana.


Clarisse Ratsifandrihamanana 

 

 

 

Kianjan'ny kanto eo Mahamasina.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Mar, 2015

Mahafinaritra fa efa kely sisa izany dia hotokanana sy ho ampiasaina ity kianja ity. Ny hira gasy no tena omena sehatra betsaka ao. Tena ankafiziko ny hira gasy ka isan'ny mahafinaritra ahy itony tetikasa itony. Tsara ilay amporisihin'ny fitiavana ny kanto ka enga anie ho maro ny tetikasa toy itony, ary indrindra enga anie hahay hanaja ny zavatra atsangana toy itony isika malagasy fa isika izay koa manko annn.......

 

Harvey sy ny "Lotus"-ny

Nampidirin'i ikalamako | 7 Mar, 2015

Mahafinaritra kosa itony vaovao itony zany an : Harvey Rabenjamina, 26 taona. Izy no namolavola ny endrik'ity Lotus Evora 400 ity.

 

Tora-drano avy any ambony...

Nampidirin'i ikalamako | 28 Feb, 2015

Indrisy ry Iarivo, Iarivo niandohana, mamy k'efa nilokana.... safo-drano ianao ity ! Sanatria ve ka heniheny ianao ka hiverina ho heniheny ?

Dia ho aiza ireto vahoaka ? Inona izao no harapaka fa ny kely an-tànana nafoy, ny trano nianjera sy dobo-drano, ny asa vao maika tsy hisy, sns. Inona no hatao rehefa hisintona ny rano ? mbola hiady amin'ny fivelomana, ny aretina ho manginy fotsiny, ny Fanjakana tsy azo ianteherana.

Efa niainanay ny rano niakatra teny amin'ny tanàna ambany 30 taona lasa izay fa tsy mbola nisy ny tahaka ity indray mitoraka ity... CryCryCry

 

[sary tokana ihany (nindramina tao amin'i Madagascar Sondage) fa vaky toy ireo fefiloha ny fo mijery ireo sary marobe.]

Hetsika #weselfie2015 ho fanampiana ny Akamasoa sy Père Pedro

Nampidirin'i ikalamako | 26 Feb, 2015

 

Mandritra ny andro vitsivitsy (ny 25 febroary ka hatramin'ny 6 martsa) dia misy fanaingana ny tontolon'ny aterineto handray anjara amin'ny hetsika #weselfie2015 ka isaky ny sary alatsaka ao amin'ny Facebook na Twitter na Instagram miaraka amin'io "hashtag" io dia androtsahan'ny mpiandraikitra ireo pejy ireo 50 centimes ho an'ny Fikambanana "Amis du Père Pedro" entina mikarakara ny Akamasoa.

Mahatsikaiky fotsiny fa mametraka sary ao amin'ny facebook aho dia ny sary no tazan'ny namana sy mahamaika azy ireo asiana tsikera fa tsisy mahamarika ilay "hashtag" sy ny pejin'ny mpikarakara misoratra amin'ny sary. O rey olona e !!!! Laughing

Tsy laitra ny teknolojia !

Nampidirin'i ikalamako | 23 Feb, 2015

Ripaka indray aho nahita ity marina mafy. Tsy haiko aloha taiza no niandohany, iza no tena nanao azy fa ataoko ato ihany na izany aza. Taratry ny herin'ny teknolojia... na dia hanofinofisana fotsiny ihany aza.

 

I Mona Lisa (La Joconde) amin'ny ho fahatanorany vaovao indray LaughingLaughingLaughing

Jombilo.

Nampidirin'i ikalamako | 19 Feb, 2015

Teny efa reko teny ho eny ihany ity teny iray ity fa raha tsy nihaino ny hiran'i Rah-CKiky aho tsy taitra loatra hitady izay dikany an. Ka moa ve avy amin'ny teny frantsay Gigolo izy ity sa tena teny gasy vao noforonina mihitsy ? Tenin-jatovo izy raha zao fahitako azy izao satria na ny rakibolana eto amin'ny aterineto aza toa mbola tsy namoaka azy. Na sao dia tenim-paritra ?

Ka lasa ny saiko eto hoe sao dia tara loatra ny fanangonana itony teny vaovao itony e, rahafakampitso efa andron'ny Tenindreny (Teny ibeazana araka ny sosokevitry ny namana iray). Sa efa isan'ny teny malagasy ofisialy fa izaho no taraiky ? 

Fa mahery ity Rah-Ckiky ity an, manomboka mahafinaritra ahy na dia somary kidaladala miteniteny foana izay aza indraindray Laughing

Fa ampian'i Sahoby an'ity koa dia aoka fotsiny - tena nataony manara-penitra tokoa Cool

 

Jombilo tsy matsiro
Mihinan’ny volany tsy manino

Rehefa io ilay sponsor
Avy hatrany ianao dehors
Rehefa tonga ilay vazaha
Dia tsy maintsy mandeha mipà
Raha tsy zany mandray kifafa
Misolo toeran’ireo solafa
‘Nareo roa no mifankatia
Izaho anefa tsy maintsy miray vilia
Raha bôgôsy ka tsisy sôsy
Dia tsy maintsy iraisana ilay matos
Izaho lasa nitsiry mony
Mila  ho voan’ny tazovony
Nefa izaho indray no misy fil
Toute  option sady tactile 

 


Madagasikara sy Italia avy eny an'habakabaka.

Nampidirin'i ikalamako | 16 Feb, 2015

Mahafinaritra ahy erý ho'aho ny manaraka ny siokamboronkelin'i Samantha Cristoforetti e ! Mpanamory sambondanitra italiana izy io, mbola eny an'habakabaka izy amin'izao ary tsy sasatra maka sary sy mampita ny ataony isan'andro sy ny toerana tazany avy eny.

 

Toy izao, hono, ny tendro avaratra indrindra amin'i Madagasikara, Antsiranana :

[The very Northern tip of ! /(IT) L'estrema punta settentrionale del Madagascar! ]

 

Ny Tsingin'i Bemaraha :

[(IT) Ciao ! La Riserva naturale integrale Tsingy di Bemaraha si trova laggiù ed è patrimonio .]

 

Tafio-drivotra mandalo :

[A storm seen from above – hello ! (IT) Una tempesta vista dall'alto - ciao Madagascar!]

 

Ity kosa ilay fireneko iray, ilay faharoa, ilay onenako ankehitriny : Italia mirehitra jiro... tsara erý, marina moa an !

[Tonight a special thought to after an important day. Stasera un pensiero all'Italia dopo giorno importante!]

 

Tamin'iny herinandro teo iny - nifarana tamin'ny asabotsy 14 febroary - dia nisy ny Festival di San Remo - fifaninanan-kira malaza eto Italia isaky ny volana febroary. Tamin'ny alakamisy 12 febroary ary dia nifandray mivantana taminy teny an'habakabaka ny tao amin'ny Festival. Nahavariana ilay mijery azy miresaka dia votsotra moramora eny ilay "micro". Tamin'io fotoana io indrindra no nilazany fa mandalo ambonin'i Italia ny sambondanitr'izy ireo ary afaka jerena tsy mila fitaovana fitazanana lavitra rehefa harivariva iny. Toa izao kosa ny nahitany anay tamin'izay fotoana izay :

[(IT) In questi giorni siamo visibili dall'Italia nei dintorni del tramonto. Oggi vi ho salutati!]

 

Dia toa izao izy am-perinasa... maka sary Wink

Sary...mainty sy fotsy.

Nampidirin'i ikalamako | 14 Feb, 2015

Aleo ny hira sy ny dikan-teny malalaka nataonay sy dadatoa google no omena toerana fa tsy asiana resa-be. Hiran'i Carmen Consoli izy ity, "In bianco e nero" [(sary) fotsy sy mainty] no lohateniny. 

Mijery ny sarin’ny reniko aho
Toa sambatra ery izy, telo taona angamba izy teo
Mamihina saribakoly eo an-tratrany
Fanomezana mba tsara indrindra.
Sary tamin’ny nankalazana ny andro nahaterahany
Sary mainty sy fotsy efa vasobasoka.
Mijery ny reniko tamin'izany andro izany aho dia mahita
Ny tsikiny mitovy amin’ny ahy.

Dia mieritreritra aho,
Impiry no tsapako hoe lavitra ahy izy ?
Eritrereto hoe impiry.

Mba satriko erý ny hiresaka aminy ny momba ahy
Fara fahakeliny, manontany ny anton’ny
Fahanginana ela sy toa feno fankahalana 
Sy ireo fotoana tsy nifampiraharahanay.

Nasehoko azy hoe hentitra aho
Nanana hambo sy tsy hay atonina 
Ao anatiko ao toa masiaka
Fa matahotra  fifanandrinana.

Mijery ny sary ny reniko aho
Toa sambatra ery izy, roa-polo taona teo angamba
Ny volo voafintina anaty sarondoha landy
Ny tian’ny endrika aseho toa zary nanjavona.
Sary maneho ny taona enimpolo,
Ny hamiranan’i Catania.
Notsongolohako an-tsakany sy an-davany dia hitako
Ny fijerinay mitovy.

Dia mieritreritra aho,
Impiry no tsapako hoe lavitra ahy izy ?
Eritrereto hoe impiry.

Mba satriko erý ny hiresaka aminy ny momba ahy
Fara fahakeliny, manontany ny anton’ny
Fahanginana ela sy toa feno fankahalana 
Sy ireo fotoana tsy nifampiraharahanay.

Mba satriko erý ny hiresaka aminy ny momba ahy
Fara fahakeliny, manontany ny antony
Mba satriko erý ny hiresaka aminy ny momba ahy
Fara fahakeliny, manontany ny antony.

 

Aza avela hikiky anao.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Feb, 2015

 

 

Aza avela hikiky anao ny alahelo sy hatezerana,
Raha narindriny aminao ny fo sy "trano tafo herany"[*].

Izy anie toa mbola zaza, tanora mbola erotrerony,
Marefo loatra ny fisainany, izay atolotra azy, lerany.

Mbola lavitra ny diany : havoana maro, lohasaha,
Izy mbola hatoky tena fa hoe tena lehilahy.

Izy mety koa handia ilay malama misolampy,
Efa nahalavo anao fony revon-drantiranty.

Ka tohizo, afafazo amin’ny làlana ombany,
Ny fitiavanao azy, na tsy tsapany aza izany.

Izy mbola ho matoy, izy koa mbola ho ray,
Izao ratranao izao, hotsaroany amin’izay.

Eny, matezà ny aina, tongava soa ilay andro iray,
Ho fahasambarako ihany koa ilay ianao hitsiky indray.

 

(ikalamako, 11/02/2015)  

[*] : facebook

 

 

rediredy ouainina

Nampidirin'i ikalamako | 10 Feb, 2015

 

 

efa nahavita torapo lahatsoratra aho teo an Innocent

Tsara lay mi-red red mitoraka blaogy fa hay moa ikalamako efa kobon'ny pokona dia navy dia wine.  Embarassed

Aleo izany avy dia ilay hira no apetraka e - hisy hahatsiarovanao ♫ ♫, ozy Jerôme Randria Wink

 

 

Ho solon-mofomamy...Tsiaro hatrany hatrany.

Nampidirin'i ikalamako | 9 Feb, 2015

 

Teto no nifankahalalantsika, dia eto koa no ahatsiarovako an-drý manokana androany : Bôversera Shoan !

Tsisy mofomamy, tsisy labozia 55 fa tsiahy ireo fotoana mamintsika faramparany.

Dia bizoroka be no mameno azy Kiss

 

Ny fiainana teny an-drova fahizany, ara-tsary sokitra.

Nampidirin'i ikalamako | 7 Feb, 2015

Eny Avaradrova hono ity hay kanto ity (zay ilay milay ao amin'ny facebook fa tsy ela dia mahazo fanazavana raha vao mametra-panontaniana, hihihi). Eo amin'ny tambohon'ny SFF, izany hoe ampitan'ny SAFF, efa alohan'ny hahatongavana eny amin'ny Rovan'i Manjakamiadana mihitsy.


 

Toy ny tamin'ny andron'ny Ejypta fahagola dia itony sarisary (sy soratsoratra) itony no natao hampisehoana ny fiaimpiainana, ny zava-nisy sy nitranga tamin'ny toerana iray fony mbola tsy nisy ny soratra ampiasaintsika ankehitriny. Ka mazava ho azy raha eny amin'ny "tanàna ambony" eny no misy azy ity : mitantara ny fivoahana na fidiran'ny Mpanjaka eny Androva fahizany, ireo mpanara-dia azy sy ireo vahoakany. Tsy tamin'ny andro fahagola aloha no nanaovana azy raha izao fahitako azy izao e, saingy mahalaza tsara ny tiany ambara. Indrindra koa fa natao amin'ny tambohon-tsekoly.

Nipetraka teny tanàna ambony teny ihany izahay fa tsoriko fa tsy mbola tandriko io an. Eny e, manaiky aloha aho fa tsy dia niakatra nihoatra lavitra ny zaridain'Andohalo na izany aza e, satria teo amin'ny manodidina teo no nisy ny sekoly sy ny trano fonenana tamin'izany. Ny tena rahateo mbola kely dia tsy dia nisaina hanita-dàlana lavitra loatra.

Fa ny tena nanintona ahy amin'izy ity indrindra indrindra dia ilay lokony. Nosokirina tamin'ny tany mena (biriky tany mena) ve sa novolavolaina aloha vao napetaka eo e ? Hitsikaraka valin'izay indray aloha. Io ilay loko maha-Nosy Mena an'i Madagasikara. Efa aty ivelany aho vao mahatsikaritra ny hamenan'ny tany any ambanivolo any amintsika any rehefa mijery sary.

 

"Is this love?", hoy i Bob Marley.

Nampidirin'i ikalamako | 6 Feb, 2015

Tokony ho feno 70 taona anio 6 febroary i Bob Marley. Avy dia ity hirany ankafiziko indrindra ity no tonga ato an-dohako

 

Ivangao lambaoany.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Feb, 2015

Hira tena tiako izy ity. Indrindra fa rehefa manjomonjombona iny ny volondanitra - asa angaha maninona. Tiako lay feon'i Tata Rahely. Tiako ilay gadona. Tsy dia tena azoko ny nolazainy tamin'ny voalohany fa ny fotokevitra nijoroan'ny lahatsoratra aloha nazavazava ihany. Tsy namelako raha tsy azoko ny tonony. Mianatra manaraka azy aho io. Rehefa io no milahatra ao amin'ny RadioVazoGasy dia mijotso kely môraliko ato zay. Tsisy idirany amin'ny tononkira fa lay hira mihitsy no mety amiko.

Avelao aho hody eh e ia

Hametra-beloma heky aho ty rô, hody ami-gnavako agny e

Lavitry e lalam-be mbola hombagna ka tsara gne mifanody

Eny e e e, aia atero an-tsasa-dalagne eky aho rony e, magnano azafady

Hentsaky e manambady aho zany e, hody fa manan-kava.

 

Veloma rô, veloma gn'omeko anao o o

Engao agny e e hody aminay agny eh

Vandevandeshanao iao ngahy indeshinao lavitry aty,

Ivangako lamashinina hoy anao, ivangako lambahoany.

E e endre he gnaia, e e he engao agny e he

Lasha gn'eritao o o, tsy hita ralambahoany eh he

Feno e roy tao o o tsy azo ndra lamashiny eh

E e he e e rony, e e he e e hody aho agny eh

Ivangao lambahoany aho rô la mbala tianao o !

 

Avelao aho hody eh e ia 

Nahafeno telo taogno aho zay rô nagnaraky anao tatiky

Tamin'ny iaho mbola zaza madiniky gn'azonao nambakaigny

Endre e aia a, zay elabe zay aho marogny nagnaraky e sitraponao,

Fa androany heky aho zany e trotraky e fombanao.

Veloma rô, veloma gn'omeko anao o oh.......  

 

PS : Izany hono rizalahy an, aza mahita azy mbola kely dia manambaka hoe hividianako milina fanjairana sy lambaoany nefa avy eo tsy tanterahanareo akory, fa rehefa tonga taona sy tonga saina izy afaka telo taona dia avelany eo nareo.

Ary tamin'ny vao nahay azy ity aho dia nataoko dia olona efa nahazoazo taona i Tata Rahely. Hay mbola tanora nijajika tsara tamin'ny fotoan'androny saingy nosomparan-drafahafatesana aloha loatra. Tsy mahita sariny hafa ny serasera fa dia ny horonantsary no noezahany najanona dia nandraiketana ny endriny.

Tsiditsidio ihany ny Tononkirantsika ao fa tsy ambaka ny an'ny hafa ny mpanakanto malagasy eo amin'ny aingam-panahy an Wink

Antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany.

Nampidirin'i ikalamako | 1 Feb, 2015

 

Mitondra ahy any amin'ny 40 taona lasa mijery ity horonantsary ity. Safononoka ery ity izaho nahita azy io tamin'iny herinandro iny, hihihi.

Mbola mainty sy fotsy ny fahitalavitra tamin'izany sady tsy arehitra raha tsy faran'ny herinandro. Mbola tsaratsara ny fiainana, mbola netinety ny tantana, mbola teo ilay raim-pianakaviana na dia zara raha teo aza.

Ry O. Suza sy Barijaona, Ludger Andrianjaka, Henri Ratsimbazafy, Ventson' Androy (Angeline sy Jacqueline), Troupah, Raozin'ny Paradisa, Ambio, sns. Ireny no nametsovetso sy nandrotsirotsy. 

Ry Tino Rossi, Dick Rivers, Donny Osmond, Alain Barrière, Sheila, Sylvie Vartan sy Johnny Hallyday, sns, no mpihira vahiny.

Jacquou le croquant, Arsène Lupin, Auberge de la Licorne, sns, no tantara narahana sy nahavalalanina ery.

Dia nandeha ny taona. Maro ny zava-baovao dia nanaraka izany ny ankizy fa izaho dia tavela tao anatin'io tontolo io. Efa tsy afaka teo ambavan'ny ankizy ny hiran-dr'i Abba sy ry Bee Gees ; efa "eternal flame", "careless whisper", "reality" no fibatana sipa ; efa rarak'ivy rizareo mijery an-dr'i Eric Tselatra, ry Nini Kiaka sy ry Papaye Iraimbl, sns, izaho mbola variana nanamboatra ny "cahier de chant"-ko Kalon'ny fahiny. Tonga aty amin'ny taona roa arivo, izaho very tanteraka amin'ireto Mirado sy Marion sy Melky sy Soprano sy Beyoncé sy Timberlake sy Rihanna, sns, fa mbola somokotra mankafy an-dr'i Kintana telo sy ry Barijaona sy ry Ataum eto amin'ny aterineto Embarassed

 

Namana, mana-namana, finamanana.

Nampidirin'i ikalamako | 30 Jan, 2015

Tsy filàna akisa akory ity lahatsoratra ity na famelezana akaiky fa eritreritra mandalo fotsiny. 

Tsara erý manko ny mahatsapa hoe manana namana - na virtoaly aza - rehefa iny izy maneho eny tsindraindray amin'ny teny na fihetsika kely hoe mahatsiaro anao na tsy hitahita aza ianao sady manome toky eny ihany koa hoe eo izy raha misy ilàna azy.

Fa mahafinaritra ihany koa, ary manohina mihitsy, rehefa misy namana maneho aminao amin'ny fehezanteny roa na telo fotsiny hoe marefo ny tanja-tsainy ka tiany zaraina aminao. Tsy mangataka n'inon'inona izy fa manamaivana azy fotsiny izay fihetsiny izay. Hainy fa tsy afaka hanampy azy amin'ny olany ianao - indrindra raha lavitra azy - fa ataony fampaherezana ho azy kosa ny fahalalana fa ao ianao tsy mitsara, tsy mandiso, tsy mandray an-tendrony, tsy manaraby, tsy manao serimônina. Tsy voatery ho hainao toy ny paosinao izy vao afaka hanampy azy ianao. Ary tsy voatery handoa-danitra ianao hanampy azy.

 

"Fony aho kivy ratsy tsy mba nanana hitarainana, hoy i Henri Ratsimbazafy, tsisy tia, lany vatsy, zary leon’ny fiainana. Dia ianao tamin'izay no hany mba  niteny tamiko ka namerina indray ny fiainana ho mamiko. Eny teny kely monja feno hatsaram-panahy, nisy hevitra mafonja ka nitondra hery ho ahy."

 

Tsaroako tampoka ny tenin'ilay akama be izay Wink hoe "misy namana tsy foy kôtiana... ohatra hoe ianao".  Tamin'izay aho avy dia niteny hoe tsy mi-tira mihitsy angamba aho zany an Yell.

Fa vazivazy moa iny nandraisako azy iny fa marina fa misy mihitsy ny bandy - na dia ireny atao hoe tsy mandalo katsa-maina ireny aza Tongue out, fa tena fatra-panaja ny sipa tsy foiny kôtina. Ilay "tsy foy" no tena tsindriana eto. Tsy hoe tsy sahy na tsy tiana akory.

Fa avy eo miankina amin'ny tsirairay ny mino na tsy mino izany satria ianao miaina ilay finamanana ihany no mahatsapa zay fihetsika tsara be izay. Misy ny tsy mety mino fa ry Don Juan sy ry Casanova dia afaka tsy mikôty sipa fa mandray azy ho namana toy io lazaiko io ambony io.

Fantatro fa tsy mijery ny blaogiko izay namako izay. Tsy fantany akory ny fisian'ity. Fa apetrako eto ihany ity eritreritro nandalo androany ity rehefa avy naharay "misaotra" avy taminy aho ho setrin'ny fampaherezana nasiana tsiky kely nalefako ho azy omaly.



 

Izao indray no iarahabako anao :

Nampidirin'i ikalamako | 29 Jan, 2015

Mitsingerina androany ny nahaterahanao.

 

 

Izaho anefa tsy mahatakatra

Zava-tsarobidy fatratra

Fa ny atolotro izao

Dia ny hira ho anao ♫ ♫

 

 

 

Wink Ps : ho an'ilay namako any an-tany lavitra Kiss

Soraty amin'ny rindrina...

Nampidirin'i ikalamako | 26 Jan, 2015

Ho fanajana sy fiondrehana eo anoloan'ny andrarezina lavo ity blaogiko androany ity. Nandrotsirotsy ny fahazazako, sy ny hatanorako ka hatramin' izao ankehitriny izao ny hiran'i Demis Roussos. Isan'ny tena tiako i "on écrit sur les murs

On écrit sur les murs le nom de ceux qu'on aime, 
Des messages pour les jours à venir, 
On écrit sur les murs à l 'encre de nos veines, 
On dessine tout ce que l'on voudrait dire.
On écrit sur les murs la force de nos rêves, 
Nos espoirs en forme de graffiti, 
On écrit sur les murs pour que l'amour ne se lève 
Un beau jour sur le monde endormi. 

 

Dia nampandrevirevy hatramizay mihitsy koa i "Loin des yeux loin des coeursEmbarassed

 

 

...miteraha hahita !

Nampidirin'i ikalamako | 23 Jan, 2015

Eto am-piatrehana ny safidin-drafotsikely amin'izay fianarana ambony ho ataony aho dia tonga saina fa tena misy lesoka be mihitsy ny fahaizako mikirakira sy mitsikaraka eto amin'ny aterineto eto. Ekeko fa tsy dia manintona ahy loatra izy ity fa voafetra ny tontoloko eto. Tsy dia mandany andro mitady zava-baovao eto aho fa zay mandalo ny masoko sy ren'ny sofiko ihany. 

Kanefa atý amin'ny taona roa arivo dia ato daholo ny torolalàna sy ny sosokevitra sy ny fitarihana ilain'ny mpianatra (sy ny ray aman-dreny koa). Hatramin'ny fisoratana anarana.

Tsy mety amin-drafotsibe ilay izy fa naleony niantso vonjy tamin'ny mpampianatra mihitsy androany. Satria ankoatra ilay very ato anaty ala kirihitry ny tolotra isan-karazany eto amin'ny aterineto dia tsy mora koa miatrika izany miaraka amin'ny zaza miala sakana (hihihi miteraha hahita hono koh). 

Tsara ilay rizareo mahalala ny zavatra tiany sy manana ny zony feno hifidy izany fa tsy toa antsika nanoa be fahatany ny ray aman-dreny. Fa rehefa eo amin'ny taonan'ny miala sakana izy dia mbola tantara koa ny manazava aminy ny lafy tsara sy lafy ratsin'ny fanapahakeviny fa matoa izy nifidy zavatra iray dia tsara iny aminy, amin'iny fotoana iny fa tsy mijery ny atsy ho atsy izy. 

Marina fa vao nanomboka ny taona dia efa nisy ny resadresaky ny tompon'andraikitra eo amin'ny fitarihana sy fanoroana azy ireo amin'ny izay taranja mety hanavanana azy sy azony atao, nanazava azy ireo koa ny asa azony atao rehefa vita ny fianarana. Izany hoe nisy fihaonambe aloha dia avy eo noraisina sy niresahana tsirairay izy ireo. Mba tiako loatra iny fomba iray iny. Kanefa nilaiko ihany ny fanampian'ny mpampianatra azy mivantana. Tsy miteny aho hoe ananany hena-maso kokoa fa mba feo hafa afaka hampieritreritra azy hoe tsy dia diso loatra ilay an'i neny. 

Hitako nilamindamina ny sainy ka asa izay ho tohiny. Mandrimandry saina koa izy fa mbola afaka tsy miala eto Roma avy hatrany raha vao afaka bac izany. Fa mba azony aloha hoe ny fampianarana eto Italie mihitsy no latsa-danja ka tsy tokony ataony ambanin-javatra ny vintana ananany hoe manana vatsy hafa sy mafonja.

Kely ny zaza, kely ny adintsaina. Lehibe izy dia lehibe koa ny adin-tsaina. Mora ny nisafidy ho azy iny sekoly nataony nandritra ny 15 taona iny. Lehibe indray ny fiasan-doha hanampy azy hisafidy ny hataony eny amin'ny anjerimanontolo. Lasa zao !!!

Na izany aza, misy fifaliana manafana ny foko amin'izao resaka zao satria nofinofiko hatramin'izay ny ho mpandika-teny saingy tavela any anaty tiroara any ilay nofy fa nananihany ilay fiainana ka tsy tanterako ilay izy. Efa zary bogongolo mihitsy aza. Tsaroako nitselatra mihitsy ny foko nilazany taorian'ny fihaonana tamin'ny tompon'andraikitra hoe io no fianarana tiany hatao. Tiako fa mba nalainy tamiko ihany izay fitiavana fiteny maro izay, ary voafehiny tsara hoy ny mpampianatra ka tsy misy atahorana fa mila milofo fotsiny izy. Let it be.

 

 

Tranobongo : Kamba kely sy Zopanage

Nampidirin'i ikalamako | 22 Jan, 2015

 

Rehefa miteny hoe Zopanage dia "aty an-tany lavitra aho no mihira ho an'ialahy" no ao am-bavan'ny rehetra - hirampirenena, loll. Dia manao dokambarotra kely aho eto izany (ho an'ny roa tonta) hoe raha te-hahalala ny hiran'izy ireo ankoatran'ny "Namana" ianao dia midira ao amin'ny RadioVazoGasy mandahatra sy mihaino (sady misy Tononkira ireo an - héhé).

Hanontany tena ny mpamaky hoe inona ny hidiran'i Kamba kely amin'ny tarika Zopanage. Tena tsy misy idirany tokoa raha tsy hoe isaky ny mihaino ity hira "Trano bongo" ity aho dia manembona foana an'i Kamba kely.

Taona 2008 no nifandrimbonana teto amin'ny blaogasifera ny fitsaboana an'i Kamba kely. Azonao jerena ATO ny tantarany.

Saingy indrisy, indramiko ny blaogin'i avylavitra hitantara azy Innocent

Na izany aza, tsy vita teo ny adidy fa noraisin'ny Fikambanana TetezanaOnlus an-tsoroka ny fanampiana ny iray tam-po aminy eo amin'ny fianarana. Isan'ny fangatahan'ny reniny koa ny hanamboarana ny trano fonenan'izy ireo saingy mbola somary nanahirana iny hatreto satria tsy afaka natsangana amin'ny tany tsy misy kadasitra ny rindrina na dia hoe efatra fotsiny ihany aza.

Ka eto no mampifandray ity hiran'ny Zopanage ity sy i Kamba kely. Satria io trano bongo nataoko amin'ny horonantsary io no mba trano fonenan'izy mianakavy, ary ireo zaza ireo no iray tam-po aminy (ilay vavikely iray io no kambana aminy). Isaky ny mihaino ity hira ity aho dia ireo sary ireo no ato an-dohako na dia maro aza ny sarina tranobongo.

Tiako fotsiny ny nanao izay fanamarihana izay satria hitako nahasarika sy nanohina olona maro ilay hira. Aingam-panahy be teo am-piketrehana lay horonana.
Embona sy hanina...

"JeSuisNico" na "ny fahaiza-misisika"

Nampidirin'i ikalamako | 21 Jan, 2015

Mba ketrika nahafinaritra ahy ity hashtag  #JeSuisNico  ity an. Lalao madio natao hihomehezana tsy mila mamaky/mijery "au deuxième degré" izany Tongue out

Ny niandohan'izy ity dia ny ankisisika nataon'i Nicolas Sarkozy tamin'ny "Grande Marche Republicaine" natao tao Paris taorian'ny "Raharaha Charlie Hebdo" iny. Na efa tsy amperin'asa intsony aza i Sarkozy - noho izany tany amin'ny laharana faharoa na fahatelo fa tsy nilahatra tamin'ireo filohampirenena nanokatra ny diabe - dia tsy nanaiky raha tsy tafalahatra teo aloha indrindra teo, araka ny sary voalohany. Bandy misenina mihitsy !

Izay no nahatonga lay inspiraka #JeSuisNico teto amin'ny aterineto hoe "JeSuisNico, l'art de l'Incruste" ka nahitana fandraisana anjara tena mavitrika be. Santionany izay tena naharipaka sy nahafinaritra ahy fotsiny ireto (indraindray mila tadiavina i lery) Wink :

 

 (tohiny)

Felly, ilay kintana vao saika hamiratra...

Nampidirin'i ikalamako | 20 Jan, 2015

Isan’ny nampalahelo ahy ny nandre ny loza nahazo an’i Félicien tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny. Isan'ny nitaintaina niaraka tamin'ny rehetra aho nandritra ny roa andro nitadiavana azy tao ambany rindrin-trano nirodana tao. Isan'ny niezaka nanantena hatramin'ny farany fa mbola hisy fofon'aina izy rehefa afaka soa tao. Isan'ny gina nony nambara fa vovoka izy ka hody vovoka tokoa.

Félicien Rakotomalala, na Felly, izay nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninana Kopikolé 2014 noho ny fahaizany nampitovy azy tamin’i  Mikea (Théo Rakotovao) na teo amin’ny endrika, na teo amin’ny fihetsika, na teo amin’ny feo. Nananany ny talenta.

(sary nalaina tao amin'ny pejin'i MIKEA)

 

Nahafinaritra ahy ny nandrasain’i Mikea azy teo ambany elany avy hatrany. Tsy mba niandriandry fa vao novambra 2014 dia nahatafavoaka horonana niaraka ny “copié” sy ny “collé”.

 

 

Ary mbola isan’ny nanohina ahy koa ny tenin’Ikaky Vahömbey hoe :

"Beko brothers" no fiantsoako anay sy i zandry Théo Mikéa izay mampisandratra avo ny mozika baka atimo araka ny faniriako hatramizay.

Nahafinaritra ahy ery ny safidin'ny mpijery an'i Félicien izay nahara-davahana an'i Théo. Efa nikasa nangingina ny hampiara-peo tamin'izy roalahy ireo aho amin'izao fipodianako an-tsehatra izao: "3 générations artistiques du Sud". 

Kinanjo voamarina ilay vaovao. Nalai-nino aho raha tsy nahita sary. Tankina. Kepoka. Siasia ny an-draolombelona.

Naho ondate 'bekobeko ambatane avao raho nanike zao.

 

Ndryyyy….. Tsetsetra sisa…

Tiako loatra ilay Androy, tiako loatra ilay atimon'i Gasikara iny, sy ny kolotsainy, sy ny mozikany. Mba tiako loatra koa lahy izay fikasan’Ikaky nangingina izay !

Tsy antsika marina ny segondra manaraka fa rehefa ho avy rafahafatesana dia mandramby tsisy serasera, tsisy adivarotra amin'ny tenin’i Eric Manana.

Tena mbola tanora vao hisandratra tokoa, 19 taona. Kintana vao saika hamiratra teo amin’ny sehatry ny kanto nefa dia lasa sahady namonjy ny habakabaka.

Miara-miondrika amin’ny tontolon’ny mozika malagasy sy ny fianakavian’i Félicien manontolo. Soava dia, Felly !

Ry ZeSouiSarlý

Nampidirin'i ikalamako | 19 Jan, 2015

Mbola amin’ny pejy voalohany sy amin’ny soratra matavy etsy sy eroa eto amin’ny aterineto aloha zao ny hetsika "JeSuisCharlie". Tsy dia manaraka loatra azy ity aho. Tsy manaraka ihany koa andrizareo CharlieAoFrantsa fa izay tazan’ny masoko eny no japiako vakiana.

Ka mihomehy aho amin’ireo ZeSouiSarlý, izany hoe JeSuisCharlie made in Mada – na any an-tanindrazana na aty ivelany. Raha ny fahitako azy tsy dia mbola zakantsika tsara lay “liberté d’expression” andrianindrizareo Frantsay. Dia mitsiky ihany aho mamaky fifanakalozankevitra mavaivay fa rehefa tsy maharesy tohika andrizareo ZeSouiSarlýMaisZeSouiPàSarlýHebdo ny andaniny dia faranana amin’ny hoe “aoka izay fa lasa resaky ny moana sy marenina ilay dinika”, na hoe “lasa dinika tsisy antony izy zany”. Misy moa dia mivoaka ny foto-kevitra tsotra izao ny fanoharana omeny (isan’izany ohatra hoe “raha manitsaka anao ny vadinao ve dia ho tsindrominao ny antsy?". Ohatra ny tsy hitako ny hidiran’ny “fahalalahana miteny” voizin’ny JeSuisCharlie amin’ny famitahana, famadihana, fivadihana amin’ny dinan’olondroa. Iny ve tsy efa tribonaly hafa no mitsara azy ? Cool).

Ny tiako hahatongavana dia ity : toa tia manara-damaody fotsiny ny betsaka fa toa manao haingo diso an'Iarivo.

Misy amin’ireo miaro mafy ny “fahalalahana miteny”-ndrizareo Frantsay no avy dia maka lagy be maheno an-dRatsiraka na Ravalomanana na Rajoelina na Rajaonarimampianina mandray micro. Eny, rehefa maheno an’i Hollande koa indraindray. Tsy tadidiko impiry aho izay no namaky hoe “est-ce que quelqu’un pourrait lui fermer la gueule?!!!” – Foot in mouth

LaughingLaughingLaughing ... ataovy sérieux nama fa ZeSouiSarlý koa ange rizareo e. MisyMihainouuu... 

 

Ikalamako ! .... prézanty !!!

Nampidirin'i ikalamako | 18 Jan, 2015

Niverina amin’ny taniny ny blaogista, huhuhu.

Tena nataon’ny facebook lany inspiraka mihitsy ikalamako tsy nahita blaogy natoraka nandritra ny taona maromaro an Sealed. Malalaka kokoa ny sehatra any manko, sady JeSuisCharlie kokoa satria mora ny fandraisana anjara mavitrika sy fifanakalozan-kevitry ny mpinamana, na ny tsy mpinamana fa mpanaraka “pejin’ny mpankafy” (sady tsy voatery mizème lay pejy) ; fa ato amin'ny blaogy mila miditra ho mambra serasera vao afaka mikapetsona mamaly hevitra.

Fa tamin’ny faramparan’ny taona teo iny aho ohatra ny nanana fikasana hiverina ato. Hitako ihany ny lafitsaran’ny blaogy : afaka mirediredy irery eto aho tsy voatery hisy hamaky, tsy voatery hisy hamaly hevitra. Fa any amin’ny facebook toy ny tsy mety ilay izy fa matoa nosoratana dia natao hovakiana, dia ny namana toa mahita havaly foana, laolina. Ankoatra izay dia mila marimaritra iraisana ihany koa any noho izy toerana iraisam-pirenena. Hany ka misy zavatra mila atao amin'ny fiteny telo na efatra rehefa tena tiana hahakasika ny namana rehetra Wink 

Nohidiako fotsiny ny tranoko any satria nafana fo loatra aho tany ka raha misintaka tanteraka (désactivée) dia mitsambikimbikina daholo ireo resaka nandraisako anjara – ary faran’zay halako mahita ireny an, satria raha olona tsy naharaka ilay izy dia toy ny hoe adala miteny irery ny tena. Misy koa ny pejy sy vondrona iandraiketako ka manjary afaka ireo lohadinika sy hafatra nozarazaraiko tetsy sy teroa.

Rehefa hitako tafaverina soa amantsara ato aho dia hiezaka amin’izay hampifandanja ny ataoko any sy ato, fa tena reko ihany hoe nitady ho very ilay fitiavako mampiasa ny saiko hanoratra. Angamba koa mila miverina mamaky boky etsy ambony sezalava amin’izay an.

Betsaka ny zavatra vita sy hita tany aloha na izany na tsy izany e. Nahitana karazan’olona, karazan-kevitra, karazan-kira, karazan-damaody, karazana revy, sns.  Taona maro lany tamin’ny fifanampiana, fifampizaràna fifaliana sy fahoriana, fifanomezan-tànana, fifanakalozan-kevitra, fifanoroana hevitra, fampiroboroboana ny soa sy ny kanto, fanaovana resa-tsaka sy resak’alika ihany koa, fifanomezana lagy sy fakàna litika, sy ny sisa sy ny sisa.

Dia tao ihany koa ny zavatra mba nanamarika ny fiainana manokana, toa ity hira iray ity izay nentiko namikavika ny herinandro farany tamin’iny taona 2014 iny, sy nitondra tsikitsiky nankaty amin’ny 2015.

Traty ny taona daholo e ! (mbola tsy tara io fa mbola tsy tapitra ny janoary an Embarassed)

 

Mba satriny

Nampidirin'i ikalamako | 9 Okt, 2013

 

Mba satriny, eny mantsy, hiaina filaminana
Ho lavitra ny ady izay manjaka ao an-taniny.
   Fa ny zony hiaina filaminana
   Toa voaambana ny basy.

Mba satriny, eny mantsy, hianatra, hiasa
Ho tonga olom-banona, ho tsara fari-piainana.
   Fa ny zony hianatra sy hiasa
   Toa sembanin’ady lava.

Mba satriny, eny mantsy, hifaly sy hiravo
Ho tsikitsiky hatrany no hisoritra amin’ny tavany.
   Fa ny zony hifaly sy hiravo
   Toa akorain’ny fahantrana.

Dia mba satriny, eny mantsy, hifindra firenena
Hitady ravin’ahitra, hamelomany ankohonana, hahitany fiadanana.
   Fa ny zony hifindra firenena anefa
   Toa voararan’ny lalàna.

Soa fa nisy ilay sambo nampanantena famonjena,
Soa fa nisy vola sisa an-tànana nanefana izato sarany,
Soa fa nisy ranomasimbe hotetezina andro maro,
Dia indro tsinjony sahady ilay Kanaàna miandry azy.

Saingy indrisy tsy tafita, rendrika io ilay nifaharana,
Maro ireo natelin’onja, tsy naloany intsony,
Ireo mbola velon’aina, mbola ho ady koa ny fiainany,
Satria mbola lavina aminy, ny zo honina eto Kanaàna.

Fa manaikitra ny fo mijery ireto vata an-jatony,
Fa adidin’ireo velona ny mandevina ny maty,
Ary zon’ny maty ny ho tsara levenana
   Fa ny zony faha-velona,
   Hiaina anaty filaminana
   Hianatra, hiasa
   Hifaly sy hiravo
   … indrisy nofinofiny ihany.

 

Roma, 9 oktobra 2013.

(fiondrehana eo anoloan'ireo mpitsoa-ponenana 300 eo ho eo namoy ny ainy raha niainga avy tany amin'ny moron'i Afrika, namonjy an'i Lampedusa, nosy kely ao atsimo atsinanan'i Italia. Nandositra ny ady sy fahantrana tany amin'ny taniny, nanantena hahita fanavotana sy fiainam-baovao saingy ilay ranomasimbe no tompon'ny teny farany ho azy ireo. 100 mahery no aina avotra tamin'io andro alakamisy 3 oktobra 2013 io)

Fa amin’ny masonao

Nampidirin'i ikalamako | 26 Feb, 2013

Fa Amin'Ny Masonao  

 

 

Aza afenina ahy ilay masonao, malala
Fa ao no hamakiako
Ny tonon'ireo hira fikalonao ho ahy
Ao koa no hakako toky fa fitia tsisy sanda
No ity mamehy antsika, mamatotra toa tady.

Ao an-tsofiko ao, ngonony mora ho ahy,
Ireo vetson'ny fonao malefaka fiangaly,
Ataovy mangorintsin'ilay feonao mambabo
Ny foko sy fanahiko hahita lanitra avo.

Ka ny vatantsika, avela hiara-hihovitra,
Fa fitia mira zotra no manambatra azy,
Ny empon'ny fonao mirindra amin'ny ahy
No vatsim-pitiavana hisedrantsika tany hay.

 

2 febroary 2013

 

 

"Hirahira ho anareo manatrika eto - La palma dell'acqua" by Amelia Fenosoa.

Nampidirin'i ikalamako | 18 Nov, 2011

Mampodipodimandry loatra ity zaza ity ka aleo hozaraiko ato.

Isan-taona toa izao ny "Zecchino d'Oro" aty aminay, Festival ho an'ny hiran'ny zaza izy io.

Tamin'ity taona ity dia isan'ny mandray anjara i Amelia Fenosoa, 5 taona  ary ity hiran'i Lolo sy ny Tariny ity no entiny eny ambony lampihazo.

Ny fotokevitr'ilay hira moa eto - araka ny fanazavana nomen'ny mpikarakara ny Festival - dia ny hatsarampanahy sy fahalala-tànan'ny zaza malagasy. Ny rano no tena ambetin-dresaka, ny rano izay harena sarobidy ho antsika, indrindra ho an'ny any amin'ny faritra atsimo. Tsy tokony holanilaniana amin'ny tsy antony ny rano izay fanomezana sarobidy fa lasa ho "aina" izy rehefa ny tsirairay mahatandrina izany ka tokony hiezaka hamela soa isika fa izay no mitondra fahasambarana.

Hira hira hira hira hira
Hira hira hira ho anareo manatrika eto
Lascia che ogni bene ci dìa felicità (aoka ny soa rehetra hanome fahasambarana ho antsika)

 

Vita soan'ny Roma III

Nampidirin'i ikalamako | 18 Aog, 2011

Efa saika lavareny teto amin'ny sehatry ny serasera.org ity Roma III. Ambohipihaonan'ny namana manko teto Roma - andiany fahatelo izao - nanomboka ny 11 ka hatramin'ny 15 aogositra lasa teo.

Tsy hay ny tsy hisaotra an'i hery sy angie izay atidoha niketrika ny fandaminana rehetra. Fa isaorana indrindra koa ireo namana tonga niara-paly sy nifankahalala, rehefa avy nifandray tamin'ny alalan'ny virtoaly. Tao izany i ds ombam-pianakaviana avy any Strasbourg, i bilaky mianaka sy i tritriva mangamaso avy ao Paris, i mimosa avy any Grenoble. Dia nanampy isa ihany koa ny namana malagasy vitsivitsy eto Italia, tao ny avy tany Livourne, ny avy tany Gênes ary ireo avy tany Naples ary ireo namana vitsivitsy eto Roma, anisan'izany i colar.

Dia izahay eto an-toerana nandray ny vahiny moa dia nisy an'i hery sy angie ary ikalamako ombam-bady aman-janaka avy, tao koa i mbaliana ary i hervé - ombam-bady ihany koa - isan'ny nikirakira ny RVG tamin'izany.

Korana sy hehy no nafotaka tao anatin'izay dimy andro izay. Tahatahak' izao ny sombitsombiny fa ny rehetra kosa dia efa natambatra sy mbola hatambatra ato avokoa : Roma III

namana ireo....

 

Ny 11 aogositra no nanomboka tonga ny vahiny,

alt

 

ka dia efa nanomboka koa ny fizahan-tany Wink...

alt

 

Tonga ihany koa ny andiany manaraka,

alt

 

Ora fisakafoanana hariva :

alt

 

dia tsy maintsy asiana fihinanana glasy aorian'ny sakafo fa mafana loatra ny andro :

alt

 

Tao anaty fandaharam-potoana ny hilanona kely indray takariva :

alt

alt

 

ankoatra ny afindrafindrao tsy azo avela dia tsy hadino koa ny mofomamy mitam-pihavanana :

alt

alt

 

sy ny sarim-pianakaviana kely Cool

alt

 

Ny ampitso indray dia vonombonona maraina daholo Smile

alt

 

satria nanapa-kevitra ho eny amorom-parihy,

alt

 

dia natao daholo izy azo natao teny : ny fihinanan-kanina,

alt

 

ny ganagana kely moa tsy tana vao mahita rano

alt

alt

 

ny ganagana be koa toa izany,

alt

 

ny tena ganagana koa moa miselontselona mivezivezy eny ihany, mampahatsiahy fa izy ireo no tompon-drano Yell

alt

 

ary izay tsy mahay milomano na kamo milomano na vizana milomano dia mivazo:

alt

 

Dia notohizana tany an-tranon'ny namana ny takariva satria tsy nisy fatana nahafahana nitono hena intsony teny amorom-parihy fa nesorin'ny fanjakana ho fitsinjovana ny kirihitra tsy ho may,

alt

 

ka dia mitohy ny kaly sy ny vazo sy ny dihy sy ny toko resaka

alt

 

Na dia nisy aza ny nivoaka alina (fanindroany ho an'ny sasany Surprised) dia mbola tafafoha tsara ihany ny ampitso maraina, andro fiaingan'ny hody. Efa nisy aza moa ireo efa lasa maraimbe.

alt

 

dia raikitra indray ny ketrika fa hirodorodo...

alt

 

...hirodorodo hisakafo any amin'ny snou alohan'ny hamonjen'ny sasany fiarandalamby, sy fiaramanidina ary ny làlana mody mianatsimo.

alt

 

izany rehetra zany dia tsy maintsy faranana amin'ny lelaka glasy Tongue out fa izay no maha-Roma an'i Roma

alt

 

"ary etsy hasiana sary farany alohan'ny hifamihinana hifanaovana veloma !"

alt

 

TAPITRAAAAAAAAA....miandry fihaonana manaraka indray, veloma madinidinika e Cry

 

 

Samy mahery hoy i Tence Mena, atanshionnn

Nampidirin'i ikalamako | 27 Jol, 2011

Tena reveko loatra ity fa aleo aloha atao ato Cool

"Tia" hono, i raozigasy, ka hanandratra izany amin'ny "Indram-peo"

Nampidirin'i ikalamako | 10 Mey, 2011

Nahita masoandro, i TIA : boky voalohany nosoratan’i Raozigasy. Ary ho fampahalalana izany boky izany dia nomanina ilay hetsika INDRAM-PEO.

 

Fa iza moa i Raozigasy

 

Raozigasy : no solon’anarana nofinidin-dRamananjato Hajalalaina Andriamiharisoa entiny hamoahana sy hizarana ireo vetsovetsony.

Raozigasy : tambatr’ilay Raozy vonikazom-pitiavana sy ilay Gasy manamarika ny fihaviana.

Raozy : lokon’ny fitiavana ; entina mizara ny hotrakotraky ny fo raha faly, entina mampitony ny jalim-po anaty raha malahelo, voninkazon’ny embona sy ny vetsovetso. Haingon’ny fo mitempo fitia, milanja ny haban’ny sento zaraina. Miombon-taintaina, mitambatra tsiky, mizara hasambarana,

Gasy : lokon’ny fihaviana; entina mirehareha amin’ny kolotsainy manan-karena, entina iavahana amin’ny kantony tsy hita noanoa, taratry ny raitra sy ny lafatra malagasy maro karazana. Asandratra hiavaka amin’ny hafa rehetra, avoitra ho tabihan’ny firenena. Ajoro tsy ho takon’ny haitraitram-pandrosoana.

Raozigasy dia filazana ihany koa ilay raozidia miavaka sy manimba ny tontolon’ny raozy tsotra rehetra, miavaka i Raozigasy satria miezaka mampiely patrana ny kanto malagasy manerana izao tontolo izao ary manabe voho hatrany ny tenin-drazany.

Raozigasy sy ny Tononkalo Malagasy dia "lamban’akoho ka aina no fetra".

Tia indray kosa no amboara voalohany narafitr’i Raozigasy ho fehezan-tononkalo, hizarany amin’ny mpamaky ny fiTIAvana ao anatiny

 

alt


Mandrosoa hasina raozigasy a !

 

Veloma njy yonikafopl :'(

Nampidirin'i ikalamako | 2 Mey, 2011

Tohina indray ny fo fa nilaozan'ny namana serasera/facebook dia i Ny Hasina Heritiana alias Yonikafopl.

Afaka ny fijaliany, vita ny hazakazany, handry am-piadanana izy !

Veloma akia neny a, veloma any amin'i Shoan fa efa hifankahita ianareo izao.

Isan'ny havanana teo amin'ny asasoratra izy, ankoatr'ireo tsikiny nameno ny pejiny ao amin'ny facebook. Ity misy tononkalony iray isan'ny nahafinaritra ahy noraiketiny ao amin'ny pejin'ny serasera :

Indray andro any,
Raha sendra ka tomany,
Dia antsoy aho,
Tsy mampanantena aho anefa,
ny hanome tambitamby,
Fa ny azoko atao,
De hiaraka aminao,
Handrotsaka tomany.

Indray andro any.
Raha toa ianao te handeha,
any lavitra any,
Dia antsoy aho,
Tsy hataoko anefa
Ny hitazona anao,
Fa hiaraka aminao aho,
Hizotra iny lalana iny.

Raha toa indray andro any,
Miantso ahy ianao,
Ka tsymisy valiny,
HEnonao tonga any,
Dia tongava haingana,
Fa mila anao aho,
Mila ilay teny mamy,
Miloatra avy eo imolotrao.


Misaotra an'i Hery nampahatsiaro azy toa izao :

Very namana iray indray ny serasera.
Tamin'ny 05/04/2004 i yonikafopl no nisoratra anarana tao amin'ny
serasera. Anisan'ny mpandray anjara mavitrika teto izy sy i akamatiana
zandriny tamin'izany fotoana izany, anisan'ny mpampiditra sary
matetika. Nisy fotoana izy narary mafy dia tsy afaka nandalo teo
amin'ny serasera nandritra ny fotoana maharitra. Namana vitsivitsy
ihany no nilazany ny aretiny. Taty aoriana dia niverina tsikelikely
indray izy ary hita ny herim-pony nandresy ilay aretina. Tsy tahaka ny
taloha intsony izy fa niova be ara-batana. Hitako hoe saika ni-se
laisser aller kely izy tamin'ny voalohany. Taty aoriana anefa dia
nivoatra tsikelikely ary hita indray hoe tapa-kevitra hiatrika ny
fiainana izy... niverina nifandray tamin'ny ankizy izy. Niverina
ni-tsaty tao amin'ny karajia efa ho isan'alina. Tamin'ny 2 avril teo
izy no nitsaty farany tao amin'ny karajia.

 

 

Eoropa paradisa sa Eoropan-disadisa ?

Nampidirin'i ikalamako | 28 Mar, 2011

Roso an-tanin’olona fa hoe hila ravin’ahitra, hitady ny soa, handranto ny soa sy ny tsara, hahita faripiainana ambonimbony kokoa…

Dia mbola toa izany koa ireo nandositra ny ady atsy Afrika, niatrika ny onja mahery sy ny rivo-nifofo tanatin’ireo lakana sy sambokely,  nanao vy very ny ainy, nandositra ny ady sy fanenjehana any an-tanindrazany izay mivaivay amin’izao fotoana izao ka namonjy ny morontsiraka atsimo atsinanan’i Italia.

Eoropa paradisa sa Eoropan-disadisa ?

Misy ny vonona hifofotra tokoa saingy sao tsaratsara kokoa ny mifofotra any amin’ny tanin’ny tena tokoa e ? Aleo mahantra any an-tanin’ny tena hono toa izay mahantra aty an-tanin’olona fa atý toa sady efa mahantra no tsisy mpijery tsisy mpiantra akory.

Izany eritreritro lasa izany dia tsy inona akory fa mbola mahaontsa ahy ity ranamana iray somalianina ity. Asa na teraka sy lehibe teto izy, na mety ho zaza natsangan’olona fahizany, na tonga hitady ravin’ahitra, na tonga teto nanaraka ny ray aman-dreniny voatendry hiasa teto, na nalefan-dray sy reniny handranto fianarana na ahoana.

Taona vitsivitsy lasa izay no nahitanay azy isaky ny hariva etsy amin’ny sampanan-dalana etsy : tsy maintsy misy tavoahangy-na labiera  eny an-tanany dia miandry fiara mijanona amin’ny jiro mena izy hanasa fitaratra hono. Eo amin’ny valo ora alina eo no fanombohany “miasa” eo ary matetika amin’ny iraika ambin’ny folo alina izy mbola eo. Manasa fitaratra hono izy nefa ny andro maizina be, izy efa "vita ketsa"… kanefa mino aho fa tsy ny labiera no nahavizana azy fa zava-mahadomelina. Ny tenany tsy zakany moa zany fa dia mba io angamba no fanalany hamohamo. Tamin’ny voalohany izahay somary natahotra ihany, indrindra izaho rehefa irery mitondra fiara. Kanefa moa dia hita fa tsy mila vaniny ranamana fa rehefa atao izy hoe tsia aza sasana dia lasa izy miverina mipetraka eo amin’ilay vato nataony seza dia mitolona ny tavoahanginy na lasa saina irery eo.

Angamba izy io nivoaka tamin’ilay toby iray mpikarakaraka sy mpitsabo itony zareo domelin’ny zava-mavesatra itony (centre de récupération des toxico-dépendants) eo akaiky eo, kanefa mahagaga ihany raha dia izy irery no mivoaka eo.

Kanefa dia asa fa indray andro aho sendra nihaino vaovao tamin’ny onjam-peo no taitra fa nisy tovolahy vahiny maty novonoin’olona hono tao amin’ny zaridaina akaikin'ilay sampanana "fiasany". Ontsa be ny foko fa tonga dia azoko an-tsaina fa ilay ranamana io maty io. Asa dia inona loatra re ny antony ? nisy vola kely ve tany am-paosiny, sa niady tamin’olona ve izy sa nahoana loatra  fa dia tsy haiko moa.

Volana maromaro taty aoriana kosa dia nisy nametraka ity fahatsiarovana ity teo amin’ilay toerana “fiasany”, tena mba nahafinaritra sy nanohina ahy tokoa. Fomban-drizareo italianina manko (ny eto moa no haiko fa ny any an-kafa tsy fantatro) ny mametraka voninkazo, sary sy soratra amin’ny takelabato toa izao eo amin’ny toerana nahafaty ny havany na namany (toerana nitrangan’ny loza ohatra) ka asa na iza no namany mba nahavatra nametraka ity ho fahatsiarovana azy:

omaggio a Farah Ali Hassan Farah Ali Hassan
teraka tao Mogadissio ny taona 1954
maty nisy namono ny 20.09.2009
"Mandria ao amin'ny fiadanan'ireo Marina"
Namana iray

Asa, mety ho iray amin’ireo nikarakara azy tao amin’ilay toby ve ? Sa iray amin’ireo olona mpandalo amin’ny fiara eo isak'alina ka ontsa toa ahy ? Sa namany talohan’ny nampikororosy azy ? Asa loatra fa ny saiko aza mba nanana fikasana hametraka voninkazo eo indray andro any  saingy nenjehin’ny eritreritro aho hoe "fony velona izy tsy nanaiky aho ny hanasany ny fitaratry ny fiarako sitrany ahay na dia 50 centimes fotsiny aza mba mety ho nahafaly  azy ka nahoana no izao vao hamela voninkazo ho azy !".

Hany heriko dia nanokana ity pejin’ny blaogiko ity ho azy.

Handry am-piadanana izy na inona antony nampikororosy sy nampivary lavo azy toa izay na inona.

Sambatra izy mbola manana namana nahavita nandrakitra ny fahatsiarovana azy amin’ilay takelabato sy nanoratra hoe “mandria ao amin’ny fiadanan’ireo Marina”.

Tratry ny krismasy dia samy ho tratry ny 2011...

Nampidirin'i ikalamako | 25 Des, 2010

Na somary navesatra ihany aza ity taona 2010 hifarana ity dia tsy nampiondrika tanteraka akory izany fa nanovozana hery hatrany niatrehana ny ho avy.

Koa enga anie ho Noely hifono fifaliana sy fiadanan-tsaina no atrehantsika namana rehetra anio ary ho soa sy fanambinana hatrany no hoentin'ny taona 2011 hitsidika io.

 

  Noel2010

Mandroso mankany amin'ny lasa...valin-tagin'i simp.

Nampidirin'i ikalamako | 13 Jol, 2010

Elaela izay no tsy nisy tagy...mba manampy kely hanodina ny saina tsy halahelo loatra.

Tonga ny tagy rehefa  hoy i simp hoe : Tadidinareo ve ity ?...

Hiverina any @ 40 taona lasa aho - kiiiiii litika aho tamin'izany fa isaky mamaly ny fanontaniana hoe "iza ny anaranao" ny tenanay dia mahazo an'zao hira zao foana :

 

Nony nihalehibe dia toa nilay ilay izy - arakarak' izay nifrapy tamin'ilay hira koa zany ee Tongue out

Izao ilay izy tena revena amin'ny fo fa lasa "vakoka" ... saingy indrisy nosimbain'i lery amin'ny ilay zesta kosa nama ilay hira milay ben'ny dadany a....(Hafatra manokana : Izay manana ny orizinalin'izy io dia iangaviana hifandray @ tompon'anarana....)

Na izany na tsy izany, ikalamako koa mbola nahabotrabotra hatramizao an - inona no misakana anao tsy hanokatra blaogy ? Wink

 

 

 

 

 

 

Veloma akia Shoan a !

Nampidirin'i ikalamako | 3 Jol, 2010

Tiako ery mahatsiaro anjy toa izao. Misaotra tamin'izay rehetra niarahantsika hatrizay.

Tsy manadino anjy sy ireo andro sy alina lanintsika teto amin'ny tontolon'ny aterineto ikalamako.

Veloma njy la miss,

am-pitiavana be.

Roma, aogositra 2008

Roma, aogositra 2008

Roma, aogositra 2008

 

Roma, aogositra 2008

Roma, aogositra 2008

Roma, aogositra 2008

Roma, aogositra 2008

Bracciano (Roma), aogositra 2008 

Roma, aogositra 2008

Roma, aogositra 2008

Roma, aogositra 2008

Roma, aogositra 2008

Giulianova, aogositra 2008

Roma, jiona 2009

Roma, jiona 2009 

Roma, jiona 2009 

 Roma, jiona 2009 

Val de Reuil (Rouen), febroary 2010

Val de Reuil (Rouen), febroary 2010 

Val de Reuil (Rouen), mey 2010 

 

 

Paris sy Val de Reuil, nandritra ilay takariva nanehoana firaisam-po taminy, febroary 2010

Asaramanitra 2010

Nampidirin'i ikalamako | 22 Jio, 2010

Arahaba ry ambanilanitra !

 


 

Miroroa am-piadana Jean Gabin !

Nampidirin'i ikalamako | 9 Mar, 2010

"Ny soa atao levenam-bola"...mbola azo inoana aty amin'ny 2010.

Nampidirin'i ikalamako | 26 Feb, 2010

Niherina ny andro nandehanana tany Parisy nanaovana ilay hetsika entina manohana an'i Shoan izay miady mafy amin'ilay foza ratsy.

Mbola izay aloha zao no kotaba eny rehetra eny aminay namana niara-nanomana azy iny. Efa nentin'i Hery teto ihany moa ny fihetseham-pony tamin'izany.

Lasa kely fotsiny ny saiko androany ka nahatapa-kevitra ahy hizara izany ato amin'ny blaogiko ihany koa. Hoy ny eritreritro mandalo hoe "na efa mahazo vahana aza ny haratsiana - na toetra, na fanao, na zava-mitranga eo amin'ny tontolo, sns - dia toa mbola mahavelombolo ihany ny mahatsapa fa mbola mitombina ihany ny ohabolan-drazana hoe "ny soa atao levenam-bola" aty amin'ny taona 2010", satria indro fa navalin'ny namany sy ny manodidina azy amin'i Shoan tokoa ny soa sy ny tsikitsiky nentiny ho an'ny tsirairay hatrizay raha tonga izao ny fotoana ilany izany.

Tsy ny tanjona ara-bola nentina natao solom-boankazo ho azy ihany no tratra tamin'iny hetsika iny, fa ny fidodododon'ny rehetra dia nanafana ny fony tokoa ka nanome tanjaka sy hery azy hiady sy hihoitra hatrany fa tsy hiraviravy tànana.
Dia hifampisaotra daholo ihany moa isika rehetra mpifamoivoy eto amin'ny tontolon'ny aterineto, satria dia na tany amin'ny facebook aza no nitsirian'ilay hevitra dia nanao soroka niara-nilanja sy tongotra niara-namindra tao daholo ihany isika rehetra na ny avy tao amin'ny facebook, na ny tato amin'ny serasera, na ireo vohikala sy onjampeo isan-karazany misahana ny tontolontsika malagasy mahalala sy niara-niasa nivantana tamin'i Shoan na tsy mahalala azy akory aza fa nahare ny momba azy fotsiny satria misy ny namana iraisana na nentanin'ny firaisan-kina tsotra izao.

Izy sy ny fianakaviany moa dia mampita ny fisaorana sy fankatelemana ny rehetra naneho sy maneho ary mbola haneho firaisam-po  amin'izy mianakavy amin'izao fotoan-tsarotra izao.

Na dia tao Parisy aza no natao ny korana dia nisinisy ihany ny namana avy any amin'ny faritany : Lille, Troyes, Dijon, Bretagne, Amiens, Rouen,Toulouse, niampy anay sy Hery avy aty Roma ary namana iray avy any Athènes. 

Ka misy sary vitsivitsy ihany satry hozaraina aminareo (azonareo tsidihana koa ato)  ary ny azonareo vakiana ato kosa  ny fisaorana sy tatitra fohifohy momba ny fizotra sy ny vokatr' iny takarivam-pikoranana iny.


 Ny toerana nananaovana ny korana


eny iky rankizy, tonga ity ilay andro lehibe...faly hanao adidy sady faly mifankahafantatra Embarassed

 

namana ihany, namana hatrany Smile
 

 

Arison Jaha, Olombelo Ricky ary Edgard Ravahatra : tsy afaka nijanona moa izy ireo kanefa nitondra ny anjara-birikiny.
 

be kenonkenona...sa manao PV ?
 

kabary fandraisana sy fisaorana.
 

ireo vahiny.

 

 hanomboka ary ny korana...

 
 
ny afindrafindrao tsy azo avela.
 

 

afa-po ny mpikarakara fa tratra ny tanjona nokendrena Cool
 

 

 tsisy miala ambony pista an.. ahintsano pousiera...

 

eo r'ingahy Dj a, mbô asio kilalaky indray klou e Tongue out

 

efa any amin'ny karaoké indray izao ka samy mihira amin'ny fo an...

 

Teto izahay niara-niredona ny hiran'i Michel Fugain hoe "Je n'aurai pas le temps".

 

Cin Cin akia Shoan a, mirary fahasitranana e !

 
Ao anaty vahoaka ao daholo ry mimosa , raozigasy, sipagasy, oully, hery, rawestern ho an'izay mpitsidika ny dailymotion, bilaky, tritriva mangamaso, rakaroka, fahamarinana, infinity ary ikalamako mazava ho azy
 
§§§§§§§§§§§§§§§§§§§§§§§§
 
 
Ny ampitso izahay nisy 9 mianadahy nidina namangy azy tany Rouen nitondra ny vokatra ka io izy mbola feno tsiky na dia reraka aza ary manao mampamangy ny blaogasifera...
 
 

Mankasitraka ny rehetra hatrany : ny atidoha nikotrika, ny mpiara-misalahy, ny mpanotrona, ny ao amin'ny restaurant, ny mpamily ny lafiny fitsinjahana, ny mpaka sary rehetra ary Shoan nampiray antsika  ! Onera be daholo ny lany dia afaha havizanana daholo e.

Manjakamiadana 2010.

Nampidirin'i ikalamako | 7 Feb, 2010

 

Fa hoy i Clarisse Ratsifandrihamanana izay hoe : "Raha tafakatrao izay efa bobongolo; Raha tafarinao ireo kisolasola, Eny sombinaiko, ny fikirizanao, Ekeko, eny ekeko, mitomban-dahy ianao".   In- "Fantatro" - Salohy, pejy 17)

Zay mihitsy !

Nampidirin'i ikalamako | 25 Jan, 2010

Androany no nivoaka (manaitra, tsy mahazatra !) ny voka-piaraha-miasan'ny CCOC sy ny vondrom-panakanto (SETA, SAMOELA, RABOUSSA natevenin'ny mpihira toa an'i JAOJOBY sns...)

Mpampita fotsiny aho ka tsy ho be sasiny fa dia ireo AMPITAPITAO FARAN'IZAY TRATRA ! (NdA)

 

 

 

 

Mirary soa avy amin'ny fo !

Nampidirin'i ikalamako | 17 Des, 2009

Léa, kintana iray misandratra...

Nampidirin'i ikalamako | 3 Des, 2009

Léa, zazavavy vao 14 taona, manoratra sy mamorona hira. Zaza natsangana izy, monina ao Frantsa, fa ny rahavaviny kosa mbola tafajanona any amin'ny tany niaviany, any MADAGASIKARA.

Nifankahita izy mirahavavy taona maromaro aty aoriana, na mifanalavitra toerana aza...ka ity hira ity dia natolony indrindra ho an'io rahavaviny io.

Mipao-tsatroka !

 

 

Vaovao fohy momba ny fanarenana ny Rovan'i Manjakamiadana

Nampidirin'i ikalamako | 29 Okt, 2009

Afaka andro vitsivitsy dia hiherina ny andro nahamay ny Rovan'i Manjakamiadana, ny alin'ny 6 novambra 1995.

Maro ny hetsika efa hita sy re momba ny fanarenana azy io. Mahavelom-bolo anefa ankehitriny fa efa mandroso miadana, saingy mbola lavitra ezaka izany.

Ankehitriny moa dia ny "Comité National du Patrimoine", komity manokana natsangana teo anivon'ny Fitondram-panjakana tamin'ny taona 2006, no miandraikitra mivantana izany fanarenana izany, miaraka amin'ny Fikambanana "Fanarenana ny Rova".

Notsinjaraina ho ambaratonga 4 ny asa tamin'izany ka ny tapany voalohany sy faharoa dia nokendrena ho vita mialoha ny faran'ny taona 2009.

Azo lazaina fa tàna ny fanamby : fanamafisana ny fototra sy ny andry, famerenana na fanoloana ireo vato ary ny famitana ny tafo solaitra sy vifotsy toa ny tany am-piandohana.

Tsy nataon'ny komity ho tompon-trano mihono anefa isika Malagasy izay miandrandra izany fanarenana izany, ka dia indro atolony ny tarehimarika sy ny fanazavana fohifohy momba ny fizotran'izany adidy makadiry napetraka amin'izy ireo izany.

Manentana sy manantena ny fandraisan'ny maro anjara hatrany koa izy ireo fa ny tao-trano tsy efan'ny irery tokoa.

 

Programme de restauration // Programan'asa : Jereo eto

Plan de l'enceinte royale et vue du site aujourd'hui // Ny Rova fahizany sy ankehitriny : Jereo eto.

 

Contexte hisotrique et technique du projet. Situation des travaux en cours (Mai 2009). Financement des travaux en cours // Tantara fohy sy ny tetikasa. Toe-draharaha ankehitriny (Mey 2009). Famatsiana ara-bola ny asa eo andalam-panantanterahana : jereo eto

Les prochaines étapes (3ème et 4ème phase) // Ny ambaratonga manaraka (tapany fahatelo sy fahaefatra) : jereo eto.

zzzzzzzz-n'ikalamako

Nampidirin'i ikalamako | 26 Aog, 2009

Click to view my Personality Profile page

 

izao zany kou, zzzzzzzzzzz beuh !

Izany hoe ilay tagy izany raha atontaly dia hitsongolohana ny rehetra momba ny namana izy ity e !

Dia arehitro ny arendrina !

Nampidirin'i ikalamako | 25 Jio, 2009

Tsy mba nisy ihany koa ny nanazava tamiko hoe inona ny dikan'ny arendrina (sady tsy nikaroka aho fa raha tsy hita izay maharatsy azy ve dia tsy hotohizana ? lollll) fa manantena aho fa tsy vokatry ny fanjanahantany frantsay izy io.

 

 

arendrina taratasy ô, may may may

zé tsy faly manao aminay...

Valin-kafatra : hatsangako ny sainam-pireneko.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Jio, 2009

 

 

 

Eny iky ry Kdaomba, atsangako ny sainam-pireneko raha mbola nahazo tombon'andro aho hahafahako maneho  fa Malagasy - Proudly Malagasy - avy any Madagasikara.

Io ny ahy, io no Madagasikarako na mahantra aza, na tantely afa-drakotra aza ka anjakan'ny adala, na lavitra ahy aza.

Nomen'ity firenena honenako ity ahy ny zom-pireneny ary dia natsangako "teo amin'ny antsasa-taho" tatsy amin'ny pejiko iray tatsy ny saina "maitso-fotsy-mena" italiana nanehoako fisaonana volana vitsivitsy lasa izay raha nisy horohorontany be namoizana ain'olona maro teto Italia.

Mbola mirehareha amin'ny maha-malagasy ahy tanteraka aho ka dia atsangako ny sainam-pirenena "maitso-fotsy-mena" malagasy amin'izao andro fahatsiarovana ny nahazahoan'i Madagasikara ny fahaleovantenany izao satria aho mbola tsy very zo fa mbola malagasy 100 isanjato.

 

  "Fa anivon'ny mamiratra, ny taniko no mamiko, tsy manam-paharoa ; hafa mbola hafa, mamy tena mbola mamy" (Jérôme Randria)

Valin-kafatra : Proudly Malagasy.

Nampidirin'i ikalamako | 26 Mey, 2009

Fony tany Madagasikara aho dia sahirana mafy nisintontsitona io voloko io tamin'ny braoshinina fa ngita e !  Ny tarehy no ratsy hoy ny Ntaolo ka ny volo no sintotsintonina - tsssss

Tonga taty an-dafy aho dia "Negra" no fiantsoan-drizareo ahy (tsy izy rehetra akory an, matahotra Andriamanitra fa misy kosa ny tena feno fanajana ny zon'olombelona e Tongue out). 

...Kanefa ange dia môla be izy ireo mahita ny fiolikoliky ny volonao e,

...Kanefa ange dia tsy andrin'izy ireo ny hahatongavan'ny masoandro migaingaina hanendasana tena eny amoron-dranomasina e - misy aza moa mandritra ny ririnina manao ity hoe solarium ity mba ho negra toa ahy - dia asa maninona fa toa izaho foana no diso fa negra.

 

Dia tsy maninona fa proudly malagasy negra ngita volo izao sipa izao : MALAGASY AHO

 

 

 

Ho an'ny zanak'i Bira sy ny manodidina : hetsika "Bezoro e !"

Nampidirin'i ikalamako | 22 Mey, 2009

Bezoro daholo,

Ho anareo ao Antananarivo sy Antsirabe ary ny manodidina.
Ho fitokanana ny atelier d'art "Bezoro e!" izay natsangana ao Antsirabe : fiaraha-mikorana ny tontolo andron' ny alatsinain'ny Pentekosta miaraka amin'ny tarika Vahömbey hotrononin'ny artista maromaro. Indro ny fanazavana sy ny fandaharam-potoana momba izany.

Ny toerana :
fivoahana amin'ny lalàna miankandrefana mankany Betafo, tokony ho 100m mialoha ny Orinasa STAR

Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso na manoratra amin'i :

Vahömbey
00261-3202-45459
[email protected]

TONGAVA MARO, KARIBO E !....

 

Die Liebe, der Mensch, die Revolution

Nampidirin'i ikalamako | 15 Mey, 2009

Die Liebe, der Mensch, die Revolution

L'Amour, l'Homme, la Révolution

Fitiavana, Olombelona, Fanafahana

 

 


Die Liebe, der Mensch, die Revolution - Frank Baier

 

Hiran'i Frank Baier, niarahany nihira tamin'i Tselonina tao amin'ny Cinéma Kanto (Antananarivo) tamin'ny 14 sy 15 janoary 1983. 

Tononkira amin'ny teny alemana : H.E Käufer

Tononkira amin'ny teny frantsay : Amin Kerker

Tononkira amin'ny teny gasy : Tsilavina Ralaindimby

Mihira : Frank Baier sy Tselonina

 

Paka 2009 : mirary soa ny namana rehetra.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Apr, 2009

Iza no nahatsiaro ity ?

Nampidirin'i ikalamako | 7 Apr, 2009

Eeeh, zany ny hira tamin'ny andronay - CoolCoolCool - efa nohavaozina izy eto fa tena mbola reveko...(ndao hitsiky aloha fa be loatra ny mampitsetra)

 

 

 

 

Miondrika noho ny horohoron-tany namely anay izahay eto Italia.

Nampidirin'i ikalamako | 6 Apr, 2009

 

Miondrika indray izahay fa maro no mamoy ny ainy tamin'ity horohorontany mafy nanampoka anay tanatin'ny torimasonay tamin'ny telo sy sasany maraina ity. 5,8 amin'ny mari-pandrefesana Richter ny hamafiny.

L'Aquila, tanàna eo @ 100 km avy eto Roma no foibeny fa izahay teto Roma dia samy taitra sy nahare tsara ny fihovitry ny tany avokoa.  Na izany aza dia misy ihany ny tranoavo simba ka tsy azo hialofana eto Roma. Ny làla-migodàna mampitohy an'i Roma sy L'Aquila moa teo nohidiana fa efa misokatra ho an'ny fiara madinika izy izao fa tsy azon'ny fiara vaventy ampiasaina fa manjary manelingelina ny fifamoivoizan'ny famonjena satria maro ireo maratra no tsy maintsy alefa amin'ireo hopitaly hafa ivelan'ny faritra niharan'ny voina.

Efa 150 eo ho eo izao no namoy ny ainy, 1500 ny maratra ary tsy vitsy ny maratra mafy, 50.000 no tsy manam-kialofana, trano efa ho 15.000 no tsy azo honenana intsony fa efa rava tanteraka na efa marefo dia marefo tokoa.

Mbola mitohy ny fihorohoron'ny tany. Tamin'ny 6 sy sasany hariva teo no mbola nisy iray naherihery teo amin'ny 4,1 amin'ny mari-pandrefesana Richter.

Ny loza dia efa mananontanona ihany koa ny orana sy havandra hijojo ao L'Aquila anio hariva. Hampihena ny  fandroson'ny asa fitadiavana ireo olona rakotra anaty rindrina mianjera izany. Voatery karohana amin'ny tànana mantsy fa tsy afaka mampiasa fitaovana misy motera satria aina no tadiavina ao.

Dia tsy any amintsika ihany moa fa angamba noho izahay mbola aty Afrika (???) fa dia efa manao ny asany ihany koa izao ny jiolahy ("foza orana" koa ve izy ireo izany ?) manararaotra mandroaka ny entana miparitaka sy tsy voaraokan'ny tompony sahirana tamin'ny fanavotana aina.

Ireo Malagasy namana sy fianakaviana monina ao L'Aquila sy ny manodidina dia toa efa nahazoana vaovao daholo  ihany fa tsisy azon'ny voina, misaotra ny Avo. 

Misaotra ireo namana rehetra nisahirana nanoratra nanontany vaovao momba anay. 

 

 

 

 

Mbola ho avy izy e !

Nampidirin'i ikalamako | 27 Mar, 2009

MBOLA HO AVY IZY (Minoa fotsiny Wink )

 

Resaka ve no ho tantaraina
Olon-dehibe samy manan-tsaina
nefa ny zavatra fantatray
'Ty fitiavan'ity mampiferin'aina re

Taitran' ny bika sy ny hatsarana
Izay dia hirifatra ka tsy tana
Hanova fonenana ve r'ingahy
ka ny vady aman-janaka no hialana re

Mandra-pihaona tongava soa
Raha hanaraka an'iny any lavitra any
Ianao no namadika fanekena  (Cryhiara-maty aminareo aho)
F'izahay sy ny ankizy dia eto ihany ô
Aza maharitra ela loatra
Fa rehefa miverina tiako ihany ô

O raha nilaozan'ny tiana tsy taza-maso
Tsy mahahinan-kanina fa misento
Mirotsaka ho azy ny ranomaso
Nefa na ho ela na ho haingana iny
Tsy maintsy miverina fa andraso 

Mbola ho avy izy e, k'aza malahelo
Izay nanova fitàna, ka nandao tanàna e!

Mbola ho avy izy e, k' aza malahelo

 

RAMILISON BESIGARA

 

 

AZA TEZITRA IANAO FA SOMONGA NY AHY AN !

 

Blaogin' ikalamako misaona.

Nampidirin'i ikalamako | 19 Mar, 2009
 
 
 
Anjely kely maro toa azy no inoako fa mitsena azy izao !
 
 
 

Dony kely aloha hakana saina fa tsss...

Nampidirin'i ikalamako | 17 Mar, 2009

Haingam-pandeha ny tantaram-pirenena. Izao no vokatry ny avom-bava sy ny fikitihana vodin-tsoavaly mandeha.

Raha izay tsy nokitihana ny Injet sy ny Domapub tamin'izany noho ny tahotra hovoasongona angaha, raha navela handalo toa ny rano an-damosin'ny ganagana fotsiny ny kabarin'i Deba tao @ radio Viva (oups nizara telo io horonana io satria naharitra 20 mn, fa toa ny tapany voalohany sisa tavela ao ; izaho nihaino azy hatramin'ny farany aloha fa tsy hitako izay loza nihantona taminy e - lol) fa satria demokrasia no ampanjakaina, dia tsy izany no natao fa ny lohabe fotsiny ka tonga hatramin'ny avom-bava hoe "tsapao aloha ny hery vao mifanandrina" dia izao isika fa tonga amin'ny tsontsori-mamba isarahana.

Dia ilay iray koa moa maivan-doha be, tsy sain-jaza intsony satria efa nananika ny telopolo taona, fa hakentrenana ka izay rehetra lazaina dia natao hanafintohina fotsiny ilay mpifanandrina. Ny raharaham-pirenena angamba ataony dia mitondra masinina haingam-pandeha. Dia lohabe ihany koa no tena miady ao fa tsy misy azo raisina ny foto-kevitra ijoroan'ny lahatsoratra tolona manko e.

Dia angamba nataon'izy ireo dia INJET sy TIKO i Madagasikara ka nifampitsapan-drizareo ny heriny avy. 

Dia androany dia toa tsy nisy zavatra azoko intsony fa toa komberaka be sisa no fahazoako azy : dia tena sortie honorable pour tout le monde tokoa ve dia mody nasiana sinema be (sa sinema kely). Gaga aho hoe misy garde présidentielle, ny andro antoandro be nanahary, ny fahefana feno efa nomena ny Vice amiral na dia atao aza hoe tsy an-dRamose intsony, tsisy vahoaka noahiana sao latsa-drà teo...dia mora be toa ireny ve ny nisambotra ny Vice-Amiral - le chef suprême par-dessus le marché - sy ireo jeneraly ary i dadapasy ? Nojerena ilay film ao @ france24 fa toa tsisy gidraka fa tonga dia nanaiky ireo jeneraly niakatra tanaty kamio (sa ny saiko no lasa lavitra loatra ka manana hallucination aho ?).

Amin'izay manko dia mba tsy hoe nomen'ny laitier ho an'ny Dj ny fitondrana fa mbola teny am-pelatanan'ny rasil klou, fa avy teo ny rasil no nanipy azy teny @ boay kely...Nanao pasadisy zany e (mbola manao io lalao io ve ny ankizy ankehitriny ? ilay mifanipy baolina ny samy ekipa, ka tsy mahazo alatsaka raha tsy feno folo, dia izay mahavita izany no mahazo isa - passe à 10 hozy ny ngozo)

Vizana ny saiko, aleoko asiana dzama kely, cuvée noire mihitsy aloha kah !

 

 

OK, "A mon pays !" izany e, mandra-pahatongan' izay kobonin'ny rahampitso indray fa soap opera gravy be ity. Efa hitovy halava amin'ny Beautiful.

 

 

Dia ampiako tononkalo kely fa i simp efa nanisy vazo io ambany io :

"...

He ! ry masoandro izay osaosa taratra

Mbola aiza iky ny andro fahavaratra :

ny kotroka sy tselany,

ny rahona havelany ,

ny aizim-be hatafiny,

ny orana hafafiny,

no vao izay sahady dia sarisarin-tsaona

no isantaranay ity andro lohataona !"

 

Rado  in-"Masoandro sasatra"

 

 

Dia ny aina no matezà aby rey olona !!!

Vive l'OLP-malagasy, miara-dia amin'i Finoanaranoray.

 

 

 

Hafatra ho an' i news, kdaomba, finoanaranoray...

Nampidirin'i ikalamako | 25 Feb, 2009

Voan'ikala Jogany tary andrefan-trano tary indray aho ka indro tonga mitondra ny andiany voalohany amin'ny resa-tagy amin'ity taona 2009 ity.

Antsoina hanefa adidy amin'izany ianareo andriamatoa sy ramatoa isany izay voalaza anarana eto ambany :

- news2dago

- kdaombaramita

- finoanaranoray

- tritriva mangamaso

- ontsy

- tebokaefatra

- radotiana

 

Ato amin'ny blaogy org - ko ny lalàna mifehy ny lalao sao dia  roahin'i sefo eto raha minantsana amin'ny teny faranitsihay.

Mahavità be rizareo, dia misaotra a !

Soa fa nisy anareo...

Nampidirin'i ikalamako | 18 Feb, 2009

Hafaliana tsy omby tratra ny mahita sary toa izao :

 

 

(sary www.trimobe.org)

Les  Bébés ne sont plus sous respirateur artificiel,ils ont été extubés le 10 Février,faute de place en Périphérie,ils sont encore resté une journée en réanimation. Ils sont en pleine forme, et n'ont plus de fièvre.

Pour la première fois depuis leur séparation ils ont de nouveau été réunis hier cote à cote, et ont manifesté beaucoup de joie de se revoir ,puis ont très vite repris leurs automatismes et se sont remis dans leur position initiale face à face , torse rejeté vers l'arrière.

 

Petite Sarah | Frédéric François.

Nampidirin'i ikalamako | 10 Feb, 2009
 
 
Petite Sarah
 
 
Tu seras notre fille
Ma petite Sarah
Nous serons ta famille
Chez nous tu grandiras

J'ai rangé ta valise tu es chez nous chez toi
On t'aimera tu verras

[Refrain] :
Petite Sarah
Sois la bienvenue sous notre toit
On est bien ensemble
C'est bon de t'entendre
Rire aux éclats
Petite Sarah
Un ange de plus entre nos bras
Que ta vie nouvelle
Toujours soit plus belle
Petite Sarah
Sarah Sarah

Nos enfants te protègent
Comme leur petite soeur
Ca fait longtemps qu'ils rêvent
D'un aussi grand bonheur

Un sourire à tes lèvres nous réchauffe le coeur
Comme un soleil en douceur

[Refrain]

Petite Sarah
Un ange de plus entre nos bras
Que ta vie nouvelle
Toujours soit plus belle
Petite Sarah
Sarah Sarah
 
 
Frédèric François
 
 
 

Mitomania ianao ry Taniko.

Nampidirin'i ikalamako | 7 Feb, 2009

Vita e ! vita soa ny fandidiana an'i Mahagaga sy Mahalatsa.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Feb, 2009

Tsy manana vaovao ambara firy fa norantovina tato ilay vaovao mahafaly tena mahafaly.

Mirary koa raha mirary ny hitomboan'ny fahasalaman'izy ireo.

Misaotra izay azo isaorana, yeahhhhhhhhhh !

 

Hafatra farany ao :

SMS de Pascale Jeannot à 13:38 le 04 Février : Pr Lalatiana ANDRIAMANARIVO VIENT D'APPELER : ILS SONT SEPARES ,TOUT VA BIEN !!!

La suite dans le prochain bulletin de santé produit par le Pr Lalatiana....

 

 

 

Mba tsarovy koa...

Nampidirin'i ikalamako | 30 Jan, 2009

Sao variana amin'ny adilahy politika tokoa re ireto isika ka hadinontsika fa mbola anaty fahasahiranana ireo tanàna nolalovan'i Fanele sy Eric, indindra fa i Morondava.

 

Dia amin'ny alarobia 4 febroary ho avy izao no hiatrika ny fandidiana hanasarahana azy mirahalahy kely kambana siamois ireo mpandidy ao amin'ny hopitalin'i Necker (Paris). Mirary fahombiazana sy mirary soa be dia be.

 

Mahagaga sy Mahalatsa.

Nampidirin'i ikalamako | 22 Jan, 2009

Asa re raha efa voaresaka teto ny vaovao farany momba azy mirahalahy kambana "siamois" ireto izay tantara efa rentsika teto fony nikarakara an'i Kamba kely isika.

Variana amin'ny rivotra politika mivaivay va re ry news2dago sy ry jentilisa sy ry avylavitra hoy aho anakampoko sa izaho no tsy naharaka ilay vaovao fa efa nolazaina teto ihany izy ity (raha manao fitadiavana etsy ambony aho manko dia ny vaovao tamin'ny volana jolay no ao), ka aleo re zaraina aminareo ihany - indrindra ho anareo ao Paris sy ny manodidina - fa dia ho tonga ao Necker amin'ny faha-25-n'ny volana janoary izao izany izy telo mianaka kely ka misy ity taratasy ity mihodina izany mangataka tànana miara-milanja e :

Mitady olona sy association izahay ,mba hanampy an'izy telo mianaka rehefa tonga eto Paris amin'ny alahady 25/01 ho avy izao.

Misy comité de ccordination nijoro depuis la semaine dernière, ary koa calendrier  d'aide et de solidarité aux siamois et à leur maman accessible en cliquant sur le lien suivant : http://www.doodle.com/bs65av327eqpivra

Ci-joint le compte rendu de la première réunion du 14/01/2009.

Le tout est consultable sur le site http://www.trimobe.org

Ny "médecins sans frontières" sy ny fanjakana malagasy moa no mandray an-tanana ny lany rehetra fa ny eo amin'ny lafiny fampiantranoana ny renin'ny zaza, ny akanjo mafana ho azy ireo, sns - izany hoe ny lafiny lojistika hoy ny fiteny no tena ilàna fifandrimbonana, ka dia ampitapitao re ny hafatra e !

Dia mirary soa be dia be amin'izao ady matanjaka atrehin-drizareo izao, na ho an'ny fianakaviana, na ho an'ny mpitsabo sy mpandidy, indrindra indrindra ho azy mirahalahy kely.

(hanomboka indray ny fitaintainako na dia tsy voakasika mivantana aza aho tamin'ity indray mitoraka ity Embarassed)

 

Vaovao Midi-Madagasikara : Jereo ato

Arahaba, hoy i raozigasy.

Nampidirin'i ikalamako | 10 Jan, 2009

Tononkalo nosoratan'i Raozigasy hiarahabana antsika nahatratra ny taona 2009.

 


 

 

Ry Iarivo tsy foiko - Eric Manana.

Nampidirin'i ikalamako | 17 Des, 2008

Rehefa mifarana toa izao ny taona dia tsy mety fa tsy maintsy manembona, saingy raha sendra ity hira dia tena mi-depra, tsssss

"Nofinofiko farany, mba eo am-pelatànanao no hifarana ny dia,

Tsy ho taraiky an-tanin'olonkafa ery e

Dia ho tafita izany ho tanteraky"

 

 

 

 

"Nofy" - fa akaiky ny Noely.

Nampidirin'i ikalamako | 6 Des, 2008

Nofy

Nofin’ny mpifatotra : Ho tapaka ny tady.
Nofi-miaramila : Hitsahatra ny ady.
Nofin’ny mpandresy : Hamitsaka ny resy.
Nofin’ireo resy : Ho faty ny mpandresy.
Nofin’ireo noana : hisy ny mpamahana,
Nofin’olombelona : ho ahy ny fahafahana.


Clarisse Ratsifandrihamanana
(Salohy p99)

(azy ihany koa ny tononkalo etsy ambany "Ry Dadabenoely")

Fihavanana, adidy, fihatsaram-belatsihy.

Nampidirin'i ikalamako | 25 Nov, 2008

Ny hazo voaroy ihany no hazo voangaly. Angaliko ianao raha tia ahy ; fa raha tsy tia ahy ianao, mba tofoka aho ;  ary  raha manova ianao mba afoiko ; fa ny “fitia mifamaly mahatsara fihavanana”.
Aza boraborahana ny fihavanana fa ny “fihavanana tahaka ny voara, ka raha vakina, misy vitsika”.
Manaova toy ny maso sy orona ka iray alahelo. Koa raha soa, miara-tsoa, ary raha ory, miara-mitondra.

Fanehoan’ny Ntaolo ny FIFANKATIAVANA sy FIHAVANANA  ireo ambony ireo.

Ary mbola maro ireo Malagasy mbola mandala ny Fihavanana.

Rehefa lavitra ny tanindrazana dia tena aseho mihitsy io fifankatiavana io, ka azo lazaina mampiavaka antsika ihany amin-drizareo tandrefana izay samy maka ho azy izany.

KANEFA :

Rehefa lavitra tanindrazana dia samy manana ny olona mahazatra azy hiarahana : mitovy fisainana, mitovy fiaviana, mitovy firehan-kevitra, mitovy lafin-kavana, mitovy finoana, mitovy asa, mitovy sekoly, mitovy fari-piainana, mitovy fahendrena, mitovy hadalana.

Rehefa lavitra tanindrazana dia mazavazava kokoa ireo fahasamihafana ireo satria kely ny sehatry ny fiaraha-monina.

Rehefa lavitra tanindrazana dia samy miady mafy amin’ny fiainana ary samy miezaka hanana ny tsaratsara kokoa. Misy ny mifanampy, misy ny mifaninana. Mety daholo izany fa ny tanjona dia hanatsara fari-piainana.

 

Fa rehefa lavitra tanindrazana ihany koa dia miova manaraka ny fiainana iainana ny dikan’ny Fihavanana :

- dia matetika mivadika hoe : tiavo ny namanao hihinananao ny hamaminao.Tongue out

- dia matetika mivadika hoe : aleo very tsikalakalam-pihavanana toa izay very tsikalakalam-bola.

- dia matetika mivadika hoe : fihavanana fanambakana ny Fihavanana manomboka amin’ny renintsoratra F lehibe nolalain’ny Ntaolo (hoy izay Olon-dehibe nivahiny tato aminay izay rehefa nitafatafa momba ny fiovan’ny fihavanana aty ivelany izahay).

- dia matetika mihamafy ny hoe : havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa havan-tetezina.

- dia matetika fihatsaram-belatsihy sisa no anaovana ny adidy (voatery asaina na olona mahasosotra aza raha tena tsy azo ialana ; raha azo ialana moa dia vitaina amin’ny tsikitsiky fotsiny ; voatery vangiana ihany koa raha misy fahoriana fa tsy dia hoe avy amin’ny fo no hidododoana).

 

Ka rehefa atao ny kajy dia mihalefy ny fomba malagasy sy ny fandalàna ny Fihavanana rehefa lavitra tanindrazana. Tsy hoe tsy hita izay maharatsy azy fa lasa tsy dia laharam-pahamehana intsony fotsiny.

Raha misy ny disadisa eo amin’ny antokon’olona roa, dia azo atao mihitsy ny tsy mifanasa raha misy fifaliana. Tsy mahataitra ny manodidina na tsy voaasa aza ianao, tsisy manodidina tohina amin’izany akory. Tsy mikredy mihitsy ny manodidina rehefa misy évité fa tsy invité. Mandeha zatra ilay fiainana amin’io fa FIFALIANA sy FAHASOAVANA tsinona kah. Azo tsy iaraha-mizaka iny.

Raha misy ny disadisa eo amin’ny antokon’olona roa, dia azo ampandrenesina daholo ihany ny tapaka sy namana tsy ankanavaka raha misy fahoriana. Mahataitra ny manodidina raha tsy midododo ianao ilay azo tsy nasaina tamin’ny fifaliana. Mahataitra ny manodidina raha tsy voaantso ianao, tsisy manodidina tsy tohina amin’izany.  Mikredy mihitsy ny manodidina fa tsy misy azo évité-na. Mandeha zatra ilay fiainana amin’io fa FAHORIANA tsinona kah. Azo/mila iaraha-mizaka iny.

Dia miala tsiny miala fondro aho raha tohina daholo ny manodidina fa amiko ny hoe Fihavanana dia avy amin’ny FO ny fiaraha-mitsiky raha misy fifaliana, ary fiaraha-miondrika raha misy fahoriana. Impiry moa no melohina ny “manao maty vao ramalala” !

Rehefa avy tsy niara-nifaly nandritra ny fotoana maro ve dia TSY MAINTSY hiara-hiondrika amin’ny andro iray amin’ny anaran’ny fihatsarambelatsihy. Dia rehefa hisaraka, dia fiteny ny hoe “eny ary fa dia tsy ho ny ratsy intsony anie no hifanodiavantsika fa mba ho ny tsara indray”, nefa dia haiko izao – satria efa nataony ahy indray mandeha - fa rahampitso raha mifanena eo am-bavahadinay indray izahay (fa miasa ao amin’ilay mpifanolo-bodirindrina aminay izy) dia hahodiny toa ny mahazatra ny lohany.

Dia hitako miala any indray ny kristiana be vontom-pinoana : "aza manao an'izany ianao fa hoy ny baiboly hoe raha misy..." HALTE !!! Tsia ; raha misy  mamelaka ny takolako havanana, tsy omeko kosa ny havia fa narary kle ! Tonga dia direkta be tsisy alaharo no valiny. Miala tsiny fa fitia mifamaly io. 

Tsia, manaja ny safidin'ny hafa aho. Raha te-hamitram-pihavanana amiko ny olona iray dia afaka nanao izany ary afaka hanao izany fa tsy miandry fahoriana hidona vao voatery hanao izany. Samy olon-dehibe dia samy tompon’andraikitry ny fihetsiny sy ny fisainany. Izy no tezitra ka tsy azoko terena handravona fihavanana izy raha tsy vokatry ny fony.

Ary miangavy ny manodidina aho mba tsy ho tohina amiko amin’ny fihetsiko amin’ny androm-pahoriana toa ny TSY nahatohina azy  ireo tamin’ny androm-pifaliana.

Ny fihetsiko tsy fanivaivana ny maty akory, fa ny maty tsara levenana, ny velona kosa no homem-boninahitra – kanefa ny voninahitra hifanomezana fa tsy omen’ny iray fotsiny. Toa ny nataoko tamin’ny maty rehetra (Rado, Père Ralibera, Miriam Makeba, raha tsy hitanisa afa-tsy  ireo aho) dia naondriko ny lohako, nanokana 10 mn fanajana azy aho. Ary mino aho fa nahafaly kokoa ny maty raha nidododo nijery azy fony narary ireo maro nidodododo nony lasa izy – na nidodododo nony efa teo am-bavahoan’ny ora farany izy.

 

Tsy araham-pihatsarambelatsihy ny Fihavanana, raha tsy izany dia aleo apetraka an-tsisiny izy aloha dia aleo samy maka ho azy toa ny tandrefana.

 

POURQUOI  JE  BLOGGUE  POUR  LE  FIHAVANANA angamba no tsara natao lohatenin’ity.

Veloma Miriam, mandria am-piadanana Mama Africa (nampiana)

Nampidirin'i ikalamako | 12 Nov, 2008

 

 

 

Dia teto "Afrika" tokoa no nandaozany ny tany.

Tsy ilay Afrika, ilay kaontinanta mainty, ilay firenena nipoirany, ilay Afrikany ; fa ilay Afrika eoropeana araka ny vazivazinay mazàna.

Niady hatramin'ny farany izy ary lavo teo an-tany fiadiana raha avy naneho tamin'ny mozikany ny hiakam-pitolomana nitondrany ny fiainany nandritra ny taona maro : TSIA, tsy ekena ny herisetra, tsy ekena ny fanavakavaham-bolonkoditra

Lavo teo ambony sehatra tany atsimon'i Italia, tao Castel Volturno ao Caserta, nandritra ny rindran-kira nokarakaraina hanohanana an'i Roberto Saviano, mpanao gazety italiana sy mpanoratra, ary nanoratra ilay Boky mitondra ny lohateny hoe "Gomorra" izay efa vita horonantsary ankehitriny, ka nahatonga azy ho lasibatry ny "camorra" izay manjaka tsy refesi-mandidy tokoa ao amin'io toerana io. Castel Volturno izay sehatry ny herisetran'ny camorra ka namoizan'ny teratany afrikana 6 ny ainy roa volana lasa izay.

Hitodi-doha anio ho any Afrika atsimo, tanindrazany, ny nofo mangatsiakany.

 

Mama Africa, miondrika eo anoloanao am-panajana ny tontolo.

Mama Africa, mandria am-piadanana.

Veloma.

 

 

 

(sary : Riccardo Siano, Gazzetta del Sudafrica)

 

Le téléphone pleure - sniff sniff

Nampidirin'i ikalamako | 3 Okt, 2008
 
 
 

Ahodiko eto ihany ny blaogy :-)

Nampidirin'i ikalamako | 2 Okt, 2008

...ny eto entiko ary, ny ary entiko aty fa mifameno tsinona...

Ity "Fiadanana hafahafa" nosoratan'i Rado ity dia mba mbola tsy haiko raha tsy vao androany, ka aleo aterina ato indray sao mba misy te-hampiseho vangy kely amin'ny fitsikiana. Izay Rado izay, mahay mampihomehy, mahay mamendrofendro, mahay mampisaina :

 

Fiadanana hafahafa

Any efitrano iray, mitokantokana irery
Efitrano teritery toa tsy maha-te hijery
Efitrano iray mangina, efitrano mahonena
Nefa kosa efitrano tena fandinihan-tena

Misamonomonona ao, hirahira hafa kely
Ataon'ny voronkely maro, nefa kosa tsy tantely
O! Ny fanaka tsy misy, toko roa no ijoroana
Tena efitrano tsotra, eo an-dàlam-pandrosoana

Irony hanitry ny làsana? Ao no tena hiely fatratra
Ny taolam-balon'ny fahiny, indreny hita hiampatrampatra
Nefa, misikina hery, dia hidio ny varavarana
Sao dia hisy any ho any, olona manarangarana

Eny an-tànanao tsinjovy,fa gazety no vimbinina
Aforiporitra hafahafa, toa fiazina, fihinina
Mba hamantaranao kokoa, ny fiantombohan'ny tantara
sy ny zavatra hatao, hatreo dia raiso ny sigara

Tsy maintsy miditra ao ianao, indray mandeha raha kely indrindra
Amin'ny andro anankiray, amin'izay ianao mamindra
Toy ny olo-maimaika te hahita fiadanana
Fa ny toerana eo ivelany eo, tsy ho azonao ho namana

Satria handini-tena ianao, dia herezo re ny saina
Izay mangejangeja anao, ô esory sombinaina
Mivonona mba hiady; Ary aza mba mitsoaka,
na ho basy no hitefoka, na tafondro no hipoaka

Miovaova ny eto an-tany, misy andro maha-mirana
Fa ity indray mandeha ity, feno zava-manahirana
Ary rehefa injay manery, ilay fotoana be ankaso
Ireo tsy mahatanty "saoka" dia mandrotsa-dranomaso

Mm Injay misento tokana ianao, miheritreritra ny lasana
Raha mijery ity efitrano toa mi-tokontanim-pasana
Dia tsarovana avokoa izay rehetra niaremana
Ny goavy sy sakay, eo vao samy hanenenana

Vita izay, ô tsaroana afaka entana ka faly
Injay fa maivana ny tena, afaka ota, afa-jaly
Ilay gazety, indro ariana, vita mantsy ny adidiny
Ny fehikibo indro alaina, mba haverina amin'ny hidiny

Dimy minitra monja izay, nefa dimy minitra lafo
Azoazo moramora tao ambanin'ity tafo
Raha toa tsy fantatrao izay voalazako androany
Rahampitso vao maraina dia ho fantatrao izany

RADO

Nomen'Andriamanitra ny fara i news2dago !

Nampidirin'i ikalamako | 26 Sep, 2008

Tena tsy afaka mametraka hevitra ao amin'ny pejinao aho rainy Frown ka aleo mba hanaovako lahatsoratra vaovao mihitsy hiarahabana an' i Fanilo kely : TONGA SOA E !!!

Maroroa taiza ry izy mivady,  ary mahazoa aina haingana ny nenin'i Fanilo fa efa tsy andrin'i dadany izay hodian'ny sipabeny anankiroa. 

Mitombo iray indray ny  mpantsaka rano izany ry news an ! Mirary soa e !

 

 

 

 

16 taona lasa izay.

Nampidirin'i ikalamako | 22 Sep, 2008

Tononkalo novakiana 16 taona katroka lasa izay, teny am-pandevenana an-dRamaroson Wilson, mpamoron-kira, sakaizan'i Rado.

 

NY RANTSANY

 

Mahaontsa ery ilay efitra nidirako

feno fitolokon'ny sento lavareny

f'ilay mpanisy feo ny andalan-tononkirako

no indro fa mangina, mikimpy tsy miteny

 

'Reo rantsany mpitendry, mpikitika ny lyrany

indreo, toa savolaina ka dia miala sasatra

any an-tsaina sisa ireo ngadongadon-kirany

nentiny nandoko ny kanto sy ny fatratra

 

Veloma ianao, Ramaro, mandria am-piadanana !

Be ny vitanao niarahana nitazana

Ary dia misaotra nametraka ho fananana

ireo hira sarobidy ho an'ny tanindrazana

 

Tsy maty akory ianao raha mbola misy ihany

olo-mahatsiaro ny asanao  rehetra.

Ny nofonao no lo , hihintsana ho tany

fa ny hiranao tsy maintsy ho tafatoetra.

 

RADO - 6 septambra 1992

 

...atolotra ho azy nanoratra ihany koa ankehitriny.

 

 

 

Ireo iray tam-po amiko.

Nampidirin'i ikalamako | 13 Sep, 2008

Angamba mbola vitsy aminareo no mahalala fa manana anadahy sy rahavavy mba ...olo-malaza ihany aho (sans trop me vanter hein !)

 

Ny zokiko vavimatoa : 

 Angela Davis
 
 
izaho :
 
 ikalamako
 
 
ary ny zandrikolahy:
 

 Micka kely

fa izy efa nisavi-tsaranga (sa nisavi-bolonkoditra ?) avy teo.

 

Mamelom-bolo ny anaran-dray : RR Majunga.

Nampidirin'i ikalamako | 8 Sep, 2008

Nahafaly ahy (zanak'antitra e, aza omena tsiny) ny nahita ity pejy ity androany : pejin'i Raivo, mamelom-bolo ny anaran-dray izy.

Dia ny kapila mamiratra hono izany dia hita ato : 


RAIVO,

album "Hommage" (2002) : www. mymusic. com

"Mahabibo" (2008): available at www. apcm. ca

 

AVIS AUX AMATEURS...dia mirary soa betsaka ho azy ireo.

Veloma hono e !

Nampidirin'i ikalamako | 2 Sep, 2008
 

Aogositra : ampoka namana.

Nampidirin'i ikalamako | 30 Aog, 2008

Izay angamba no azo amintinana ny volana aogositra nodiaviko tamin'ity taona 2008 ity.

Nanomboka tamin'ny :

12 aogositra : Glory sy ny feo mangany ; Valeria "mpamokatra" ny sangan'asany : namana fantatra tao amin'ny MySpace.

 

 

 

 

14 ka hatramin'ny 20 aogositra : ireo namana eto amin'ny seraseratebokaorg ; anisan'izany ihany koa ny mpanakantontsika nimpirimpirina tany ho any, fa soa fa nisy ny aterineto nahafantarana izay momba azy ankehitriny Wink.

 

 
   
 

 (P.S. : noraiketina ato kosa ireo horonantsary nirakitra io fihaonana io)

 

20 ka hatramin'ny 29 aogositra : Shoan, andrarezin'ny blog "Gasy Ka manja" (saingy indrisy, toy ny blaogytebokaorg-n'i sefo Hery dia vizana koa ireo takelaka blog iadidian'io vohikala io)  sy Davina.

 

 
  

 

 

 

 

 

 §§§§§§§§§§§§§§§§§§

Fiteny moa ny hoe "satry foana ny hiaraka kanefa tsy maintsy misaraka" ka dia nisy foana ny fifanaovam-beloma teny antseranam-piaramanidina, tssss ! 

 

 

 

  §§§§§§§§§§§§§§§§§§

Dia izao aloha aho izany dia manerinerina indray mamentsoventso ny hirahiran'i sefo foana hoe "inona no manakana anao tsy hanokatra blaogy ?", satria dia izao no vokany.

Nilay e ! Veloma mandra-piserasera eto indray !

 

 

Rebeke 2008 : lasa izao.

Nampidirin'i ikalamako | 27 Aog, 2008

 

 

 


 

Fihaonana eto Roma ataon'ireo namana mpiserasera.

Nampidirin'i ikalamako | 18 Aog, 2008

ANDRO VOALOHANY : 

Ireto avy ny namaly "izaho izay" tamin'ny vaky lapelina :

Avy eto an-toerana :
- angie ombam-bady, mpikarakara be fandavantena sy zotom-po (merci njy)
- sefo hery
- mbaliana
- ikalamako ombam-bady aman-janaka
- lolita24, raozigasy
ary tao koa ireo namana monina eto Roma faly nihaona sy nikorana na tsy mpiserasera aza : Parfait, Eva, Roger, Mamie, Sandra,

Avy any Frantsa :
- ds ombam-bady aman-janaka
- lanto
- rakaroka ombam-bady aman-janaka
- Eric, Lova

Dia Jereo eto izany ny sary nalaina androany.

Rahampitso hijery tanàna ary hanagno baly ny alina.

 

ANDRO FAHAROA (tapany voalohany) :

nandeha nijery tanàna nitaingina ilay bisy ben'i valilahy Jojo be (hozy Francis Turbo).

Tonga koa i mimosa 

Nanampy isa tao koa Mamy sy  Mamih ary Stefano, Rainilita monina any Madagasikara miteny gasy be. Vao tonga avy any Madagasikara mandalo andro vitsivitsy eto Roma izy ireo.

Dia Jereo eto ihany ny sary, fa eo am-piomanana hamonjy alim-pandihizana izahay izao Wink

Dia Jereo eto ny sary tamin'ny totorebika. 

 

ANDRO FAHATELO :

Ny antoandro nihinana ny mofomamy nokasaina hohanina omaly nandritra ny fety saingy nahemotra hohanina androany indray.


Tany an-dranomasina ny tolakandro, saika hanao barbecue fa tsy afaka indray dia nentina nody ny cue fa ny barbe navela tany alt alt alt alt

Jereo eto indray ny sary.

 

ANDRO FAHAEFATRA : 

Efa lasa aninkeo maraina : Eric, Lova, Mimosa ary Lanto.
Hanainga rahampitso tolakandro : ds mianakavy.
Mbola tavela eto Roma : rakaroka mianakavy sy izahay mpiandry tanàna.
Noho izany androany no fotoana niaraha-nikorana farany sy nifanaovana veloma mandra-pihaona.

Dia toy ny mahazatra nandritra izay efatra andro izay Jereo eto ihany ny sary. 

Misaotra ny namana rehetra namaly ny antso ka afaka tonga http://www.moov.mg/forums/smileys/014.gif .

Misaotra ireo naniry ho avy fa tsy afaka http://www.moov.mg/forums/smileys/img36.gif.

Misaotra ireo niray fo hatrany sy nilendalenda ireo sakafo sy glasy (na hot na tsia http://www.moov.mg/forums/smileys/022.gif ).

Misaotra indrindra an'ireo nikarakara, indrindra indrindra i angie, fa raha tsy teo izy tsy ho tontosa ity fihaonana ity http://www.moov.mg/forums/smileys/001.gif: Kiss be akia njy malala a.

VELOMA VELOMA VELOMA e !http://www.moov.mg/forums/smileys/img26.gif

Mbola velon'aina...

Nampidirin'i ikalamako | 30 Jol, 2008
 
Tsy hoe izay vao nifoha, fa mbola be kenonkenona dia izao vao miasa...
 
 
 (tahiry)
 

Fahatsiarovana.

Nampidirin'i ikalamako | 27 Jol, 2008

Na mafana aza ny kotrana ao amin'ny Blogathon, ity andro ity koa tsy hadino, satria noho ny fisian'ity fandrosoana ity atao hoe aterineto ity dia tsy tara intsony ireo lavin-kavana fa misy ny gazety mampita ara-potoana ny vaovao.

  

 

"Salakao"

Nampidirin'i ikalamako | 17 Jol, 2008

 

Mba notadiaviko, notadiavinay   

(aza mivonto fo lalasoa sy maintikely sy sipagasy... e : sady tsy Ilaimainty io fa ilay anabaviny indray an)

 

izay Malagasy tanaty vahoaka amin'io horonankira io, tsa hitako riha fa mba zahavonareo re !

 

 

 

 

Deux doigts miaraka amin'i "violety" (mdr)

Nampidirin'i ikalamako | 15 Jol, 2008

Misy namana nanolotra "fo violety" ho ahy tany amin'ny blaoginy andro vitsivitsy lasa izay (kikoo njy !) fa arakaraky ny hidirana lalina amin'ity raharaha manga ity moa no hifankafantarana bebe kokoa amin'ireto namana eto ireto.

Be ny zavatra nahatsikaiky, nampihetsim-po, nahavariana, nifandirana hevitra, fa niraisana fo koa hatramin'ny nifankahalalana teto izay.

Tanatin'ny herinandro kosa anefa dia nisy ny zava-nifamahofaho nolalovanay ka nitsonika hatramin'ilay "tavy niaro ny foko tsy ho tohina amin'ny sedra mahazo" ka nanolorany ahy io fo violety io (volomparasy kay moa no fitenin'ny malagasy azy e !).

Ary omaly raha niresaka mivantana tao amin'ny tsaty izahay roa dia tena naniry mihintsy aho ny ho teo anilany satria nisy "adidy iray makadiry" tsy maintsy natrehany Undecided, karazam-panadinana hijerena na efa nihamatotra izy na tsy ambolana.

Noho izy afaka tamin'io fanadinana io Wink (navoakany androany ny laza adina) dia tena tsy aritro raha tsy mifandom-bera kely zahay roa androany :

deux doigts akia violety/volomparasy a :

saingy deux doigts toa izao : 

 
 
 
fa tsy toa izao an !  :
 
 

Bakomanga.

Nampidirin'i ikalamako | 14 Jol, 2008

Cool Cool Cool Cool

 

 

 

Raha tena izany tokoa moa !

Nampidirin'i ikalamako | 13 Jol, 2008

Indrisy, fa raha mba tena marina ity mailaka voaraiko ity dia hotsoahiko indray ilay fangatahana nataoko an'i harilova hoe "raha mba manana vola entina hamonjy JMJ dia mba alefaso hatao spons ho anay re!"

Honorable Correspondant,

A l’occasion de l’expansion de ses activités Commerciales et Marketing , l'Etablissement financier dénommé ELITE FINANCE Sis à Abidjan Côte d'Ivoire a organisé une Tombola en faveur de toute personne physique ou morale résidant ou non en Côte d’Ivoire et possédant une adresse électronique.

Pour cette tombola organisée les prix étaient les suivants :

- Ier Prix : Une Villa SIPIM située à Abidjan d’une valeur de 82.500 €

- 2è Prix : une somme de 72.500 €

- 3è Prix : une somme de 62.500 €

- 4è Prix : une somme de 52.500 €

- 5è Prix : une somme de 42.500 €

- 6è Prix : une somme de 32.500 € et plusieurs autres lot intermédiaires etc...


A l’issu de cette Tombola, votre adresse Email a été tirée au sort et vous désignant comme l’heureux gagnant du 3è prix représentant la somme de Soixante deux mille cinq cent (62.500 €) EURO. Il s’agit d’un gain fiable et il n’y aucun doute à vous faire à ce sujet.


En conséquence, nous vous demandons de bien vouloir lui envoyer de toute urgence un message de confirmation de votre code CB:
Code CB / 00701212708-06 
Ainsi que votre nom et prénoms et adresse précise pour vous donner la procédure de retrait de votre gain.
Nous vous recommandons la discrétion et ne divulguez pas votre code gagnant de façon à nous éviter des situations avec plusieurs gagnants ayant le même Code. Soyez vraiment discret à l’égard des tiers jusqu’à la remise de votre gain.

Notre Institution vous adresse ses vives félicitations pour ce gain.

Jean Claude EMILE
Directeur du Service commercial
Cordialement.
 
         

 

Sitraka enti-matory.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Jol, 2008

Diana,
Jean sy Bako Razafindambo,
Max Andriamamonjy,
Professeur Clément Andriamamonjy sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ao amin'ny "Neuro-Chirurgie", HJRA Antananarivo,,
Association FOKO,
Association Heli's Madagascar,
Association Tetezana Onlus,
Ireo Zaza Vavy, notronim-bady aman-janaka ,
Tobacco Imperial Madagascar,
Mme Anja Elizabeth,
Mme Liva,
Mavo,
Mino,
Namana Serasera Dago,
Avylavitra mivady, Prezidà glou ary zoky ravatorano,
Vohikala "Filongoa" (zanak'i Toliara),
Vohikala "Gasy tsy Very" (zanak'i Fianar),
Vohikala "Malagasy eto Italia",
Ireo namana rehetra ao amin'ny serasera.org, blaogy.com, blaogy.org,
sy ireo rehetra niray fo sy saina tamin'i Kamba, na lavitra na akaiky,

misaotra eram-po eran-tsaina. Misaotra tamin'ny firaisan-kina. Misaotra  fa nahaefa adidy daholo.

 

Kamba mianakavy teo Ambodivona  raha hitodi-doha ho any Mahajanga omaly alakamisy 10 jolay 2008. Misaotra an'i avylavitra sy ny vadiny (amin'ny sary) mbola nahafoy fotoana nanatitra sy nanatrika ny fiaingan'izy ireo (ary mbola nandefa ny sary)

 

 

MIRARY NY SOA REHETRA HO AN'I KAMBA KELY.

Arahaba, arahaba ry fahazazana.

Nampidirin'i ikalamako | 2 Jol, 2008

Ny pasoka miavosa,

Ny sakafo sady efa tara vao mitokona no mbola kila sy may,

Ny trano tsy voampirina,

Ny vilia tsy voasasa fa raha vao mipetraka ny sotro dia adaboka ao fotsiny aloha fa tonga dia eny ambony kianja ; 

...izany rehetra izany mbola arahana hatsembohana mitete amin'ity hafanana 32°,

...ny entana amin'izany voakapoka daholo fa teritery ihany ny efitra nefa ny fihetsehana tsy hita hotantaraina,

 

satria rehefa nandramana daholo ireo lalao hafa dia izao no vokany :

  • ny bowling tsy mahavoa ny toraka kapoaka,
  • ny boxe tsy mamely fa sady tsy re akory ny fidabokin'ny totohondrin'ny adversa eny amin'ny tavanao, no tsy mahazo fy le mamely rivotra kle !
  • ny golf tsy mampazoto fa ny tena angamba efa nahazoazo taona ka tsy mahita lavaka tsara  intsony, lol

ka dia ny TENNIS izao no malaza eto amin'ny tanàna. Vao miantso ny zaza hoe "mama andao amin'izay" dia lasa mirifitra ny reniny mamonjy kianja... ao amin'ny Wii.

Mahay raha ra-olombelona amin'ity virtoaly ity, tssss.

 

Hafaliana tsy omby tratra.

Nampidirin'i ikalamako | 27 Jio, 2008

Vita soa ny fandidiana an'i Kamba kely : misaotra anareo rehetra rehetra.

Faly loatra aho ka nijoy kely ny ranomasoko teo avy niantso ny rahavaviko isan'ny mikarakara mafy azy ao amin'ny hopitaly Ravoahangy-Andrianavalona.

Lava dia lava ny andron'izy ireo androany izay. Tamin'ny 8 ora sy sasany  maraina izy dia efa niditra trano fiandrasana mialoha ny fandidiana, nokarakaraina nasiana ny kojakoja rehetra hiatrehana izany. 

Tamin'ny mitataovovonana ka hatramin'ny 8 ora alina teo no nikatroka ny fandidiana i Pr Clément Andriamamonjy sy ny ekipany.

Efa nifoha i boay kely bôgôsy tamin'izaho niantso tamin'ny 10 ora alina (amin'ny 11 ora alina any Madagasikara). Mitaraindraina izy ao = fambara tsara.

Tsy vita eo anefa ny ezaka, mbola mitohy ny fanotronana azy hiatrika ny aorian'ny fandidiana - mba tsy hisy fahasarotana ny fihidin'ny fery.

Mirary azy hahita fahasitranana haingana sy hitombo fahasalamana hatrany.

Mbola mamerina fisaorana eram-po eran-tsaina ireo namana sy tapaka tsy ary ho tanisaina eto fa maro tokoa ianareo no nanohina ny antso na tamin'ny lafiny ara-bola na tamin'ny lafiny ara-tsaina. Fitiavana daholo izany. Misaotra misaotra. 

Tratry ny asaramanitra jiaby ! (Updated - doty tsisy kadou)

Nampidirin'i ikalamako | 25 Jio, 2008
 
 
 
 
(tsss, efa hivalona ny 26 jiona vao tafitan'ny Kilonjy aty aminay ny fiarahabana...) 
 
 

Ilay Ambohipihaonana tamin'ny asabotsy.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Jio, 2008

Efa be ny voalaza tsy misy kianina ireny fa dia manantitra hatrany ny fisaorana ny rehetra.

Misaotra an'i jogany efa namoaka ilay tatitra fa ity izany dia somary nodioviko kely ilay izy (tonga indray ikala tsisy asa !!!), nesorina daholo ny kabary ambony vavahady nataon'i Botlives (!mialatsiny), nesorina ireo fivezivezena be tsisy farany tamin'ireo namana niditra sy nivoaka (...est entrée dans la salle, ... est sortie de la salle, tss).

Mampiomana aho fa lava dia lava izy ao (55 pejy) fa dia ataovy fanalana andro fa efa tonga izao ny fotoam-pialantsasatra, fa dia lokin'ny hehy irery aho namaky azy tao an (mba vakio fa tsy mamono antoka ny mahita ny senina be tao, misy resaka tsy mitohoka, misy mitaraina foana, misy be zesta,...Ikalamenavolo aza kay i sipagasy namela ny solosainany tany antranony nirehitra fotsiny dia lasa izy niasa dia any izy niditra tamin'ny anarany hoe sipagasy, tsss).

Aleo ny tatitra no hilaza azy e, mazotoa daholo : (tsindrio ilay sary)

 

Zon'ny zaza.

Nampidirin'i ikalamako | 19 Jio, 2008

...dia firy sy iza avy daholo indray izao no tsy nanome litika ny ray sy reniny tamin'ity hira ity ???  

 

 

 

Konfesy...

Nampidirin'i ikalamako | 13 Jio, 2008
 manaraka ny toe-tr'andro...
 

Any ianao ry olon-tian'i simp tavela any Madagasikara.

Nampidirin'i ikalamako | 12 Jio, 2008

Mirary soa indrindra ho anao amin'izao nahatratraranao ny faha-dimampolo taonanao izao.

Hay va re efa nandia antsasaka taonjato ianao e ; tena mbola mitana be mihitsy an ! Tsy niova mihitsy ianao. Variana aho mandinika ireto fotoan-dehibe niovanao fitafy ka raitra ery. Tsy mba tsikaritro ireny fotoana ireny - indrisy mantsy, mbola tsy feno taona aho tamin'izany ka tsy nahazo nifanerasera taminao. Hay hatramin'ny tavan'ilay raika lahy iry nampihaingoana anao tamin'ny taona 1975 ka nesorina ireo tavan-tsoavaly naha-ianao anao...Nefa mino aho fa tsy nampiova anao ireny fotoana ireny fa tonga amin'ny hiran'i Henri Ratsimbazafy hoe : "et la mode a changé si souvent, mais toi tu as gardé ton..." Tsisy ny toa anao hono e !

Hakotroka ry simp ny fankalazana ny jobily volamenan'ny olon-tianao izao an. Indro aloha ny horontsary hanamarihana izany. 

 

 

Dia nandinika aho fa na anatin'ny maro aza izy, mba miavaka ihany ry tavan-tsoavaly an. Izao izy rehefa aty amin'ny lapa-panjakan'ikalamako, lol.

 


 

 

 

 

 

 

Mba tsarovy amin'ny andronao i Kamba hiatrika ady anio.

Nampidirin'i ikalamako | 10 Jio, 2008

Efa herinandro izay no tonga ao Antananarivo i Kamba sy ny fianakaviana keliny. Eo ampiandrasana ny hidirana bloc izy, antsasakadiny lasa izay aho no niantso nanontany vaovao.

Mirary ny soa rehetra ho azy.

Misaotra ireo malala-tanàna rehetra na any an-toerana na aty ivelany amin'ny fanampiana azy.

 

Diana sy Kamba mialoha ny fiaingana tany Mahajanga.

 

 

 

Lanonana famaranan-dalao.

Nampidirin'i ikalamako | 1 Jio, 2008

Tongava maro !

Izay mbola tsy nahaefa ny anjarany na mbola manana atolotra dia mbola misy fotoana hatrany.

21 km ho an'i Kamba omaly 25 mey : misaotra Bako sy Jean !

Nampidirin'i ikalamako | 26 Mey, 2008

"Demi-Marathon de Ottawa" nandraisan'i Jean sy Bako (Black Angels) anjara hanangonana vola entina mitsabo an'i Kamba.

 

 

 

 

 

 

Mbola entanina daholo isika rehetra. Tolory tanàna izy fa ny kely foinao ho azy androany, antoky ny ampitsony !

Tsidio ny zazavavy.org sy malagasy-miray

MISAOTRA HATRANY. 

Hotahiana anie i Neny.

Nampidirin'i ikalamako | 24 Mey, 2008
 
 
 
Handroso hasina ny "namana-reny" rehetra
any Frantsa sy any Madagasikara !
 
(sy izay firenena mankalaza manokana ny Reny amin'ny andron'ny 25 mai)
 
 
 
 

“Antso avo ho fanampiana an’i Kamba�.

Nampidirin'i ikalamako | 20 Mey, 2008
Efa nisy tamintsika angamba no nahita sy namaky teto amin’ny tontolon’ny blaogy ny tantaran’i Kamba, zaza herintaona mipetraka any Majunga izay manana takaitra hatrany an-kibon-dreniny.

I Diana Chamia, mpitoraka blaogy avy amin’ny FOKO any Majunga, moa no nampahalala azy io teto, ary niangavy izy tamin’izany ny hanampiana azy hitady vahaolana amin’ny hitsaboana io zaza io, fa izay no nampanantenainy ny renin’ny Kamba.

Maro ny fifanakalozan-kevitra nataon’ireo namana eto amin’ny blaogasfera ary ny fivoatran’izany dia voarakitra ao amin’ny “Malagasy-Miray” :

http://malagasymiray.net/2008/05/02/help-diana-help-them-bloggers-committe-on-the-way/

 


 

Ankehitriny dia tonga ny fotoana hanaovana antso avo ny namana rehetra tsy ankanavaka handray anjara amin’ny fanohanana ara-bola enti-miatrika ny fitsaboana an’i Kamba, izay irariana dia irariana tokoa mba tsy hanano-sarotra.

Efa misy dokotera mpandidy iray nanaiky tam-pitiavana ny handray an-tànana ny raharaha, ka isaorana betsaka izy, ary isaorana eram-po eran-tsaina indrindra indrindra i Jean sy Bako RAZAFINDAMBO tamin’izay efa vita sy mbola hataon’izy ireo ho an’ity zaza ity. Izy ireo no tena angady nanana ny fivoaran’ity hetsika ity.

Eto am-piandohana aloha dia vola tokony ho 500 euro eo ho eo no ilaina hampakarana azy mianakavy kely any Antananarivo amin'ny voalohandohan'ny volana jiona hanaovana ny scanner izay tsy misy any Mahajanga : nokajiana anatin’izany ny saran-dàlana, ny ho lany amin’ny scanner sy ny kojakoja ao amin’ny  hopitaly ary ny hiveloman’izy mianakavy kely mandritra izany fotoana izany. Aorian’izany kosa vao ho fantatra ny tena teti-bola ilaina amin’ny fandidiana.

Tànan-kavia sy havanana re izy ity ka izay didi-maharary, koa manentana antsika rehetra amin’izany asa soa levenam-bola izany.

Indro ny pejy manokana hahitana ny fanazavana rehetra sy handraisana anjara amin'izany  voin-kava-mahatratra izany :

www.zaza-vavy.org/kamba

Isaorana betsaka tokoa ireo ezaka rehetra natao sy hataon’ny tsirairay. Misaotra ny tontolo virtoaly manome fahafahana malalaka mifanampy amin'ny soa.

Misaotra sy mankasitraka.

 

PS : Raha misy monina ao Ottawa na manodidina, na sendra mandalo ao amin'ny andron'ny 25 mai izao dia afaka manotrona an'i Jogany/joan amin'ny fampaherezana an'i Jean sy Bako Razafindambo izay handray anjara amin'ny "Half Marathon de Ottawa" hanohanan'izy ireo indrindra izao hetsika ho an'i Kamba izao.

"Jean sy Bako : Go Go Goooooo"

 

 


 

Vazo fahiny ihany : ry Black Jacks indray izao

Nampidirin'i ikalamako | 4 Mey, 2008

 

Dia miala any indray ary ny vazonay roapolo taona lasa izay !

 

"Ento mora" - Black Jacks 

(fa lasa white ilay jacks aty amin'ny taona roa arivo, lol) 

 

O ry kdaombaramita a !

Nampidirin'i ikalamako | 29 Apr, 2008

Ity paositra alefako androany ity dia atolotro manokana ho anao :

- izay nampiasa  "Lala sy Noro", sy "méthode boscher", sy "Isambilo", sy "Takelaka notsongaina" tamin'ny fotoana  nampiasako izany raha ny fandinihako azy ;

- nihira sy nikalo ny "Vola sy Noro", sy ny "Vahiné", sy ny "Troupah", sy ny "Ventson'Androy",  sy ny "Il était une fois", sy ny "C. Jérome"... sy nampirindra hetsika tamin'ny feon-kiran'i "Freddy Ranarison" tamiko (sy lalasoa koa angamba) fa mino mihintsy aho ;

- niray andiany tamiko tamin'ny Fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika tao amin'ny "Régiment d'Amour, d'Amitié et d'Allégresse" tetsy Betongolo raha nitondra ny anarana "Fanarenana" ireo nahavita ny dingana farany tamin'ny sekoly ambaratonga faharoa tamin'ny taona 1985, rehefa avy nijery isika roa - 23 taona aty aoriana - ka nahatsikaritra fa iray tobim-piofanana ara-miaramila,

... 

koa indro tohin'ilay paositra nalefanao, atolotra ihany koa ho an'ireto tanora marobe eto izay mety mahay ny feony fa tsy mahalala ny lohatenin'ilay hira, na manontany tena hoe Razafindrahety izany ve tsy sekoly teny amin'ny lahaute teny ?

 

Fa ny zavatra mba mandreraka amin'ity serasera ity kosa dia ity : tsy hamantaran-dahy sy vavy ! tsss.  

Hay ve i kdaombaramita sipa fa tsy bandy e Embarassed

 

 

 

"Antandroy" arak'i Pasitera Tolotra.

Nampidirin'i ikalamako | 24 Apr, 2008

Mbola tsy miala any atsimotsimo any isika, saingy aleo i Pasitera Tolotra - izay mpandalina indrindra momba ny finoana jiosy - no hanazava azy. Ny tena moa tsy mana-talenta momba izany ka asa raha manan-kolazaina ny hafa fa fanazavana vaovao amiko izy ity. Nefa dia tombom-pahalalana daholo ihany koa.

 

 


 

ANDROY.

Nampidirin'i ikalamako | 18 Apr, 2008

Fanontaniana napetraky ny tao an-tranonay foana ny hoe : "taiza ho aiza tamin'ny fiainako no nitiavako an' Androy ?"

Tsy hitako ny valiny. Ny toetrako angamba mifanaraka tsara amin'ny hangazan'ny tany sy ny fanakoakon' ny beko antandroy.

Efa voalazako fony voatagy aho fa isan'ny mba nampalahelo ahy tamin'ny fiainako ny tsy nahafahako nanohy hatramin'ny farany ny fianarana teny amin'ny Anjerimanontolo (sampana tenin-drainiboto), nefa dia mba fikasako tamin'izany fa ny lohahevitra hotohanako amin'ny famaranana ny fianarana dia ny hoe "Comparaison de la langue allemande et le dialecte antandroy". Frown

Indro misy beko antandroy ho an'izay mba liana hahalala misimisy kokoa an'ity faritra atsimon'ny Nosintsika ity, tanànan'ny roy,  maniry betsaka any amin'io faritra io .

Fomba fiteny any Androy ny hoe : "aty Androy, ny fiainana toy ny fihinanan-draketa, tsy eritreretina ny tsilony".

 

 

 

 

Mandria am-piadanana, Romule !

Nampidirin'i ikalamako | 15 Apr, 2008

 

Nodimandry omaly 14 avrily izy (eo ankavia amin'ny sary) .

 

Ity hira ity isan'ny sangan'asany farany niaraka tamin'ny Gabhy sy Salomon.

Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany.  

 

Enti-mody : "Aza ampijaliana ny tenintsika" - and. 3.

Nampidirin'i ikalamako | 14 Apr, 2008

Fanoratra ny teny avy amin'ny teny vahiny sasantsasany.

Ireo teny vahiny gasina dia tokony hampanarahina ny fomban-teny malagasy ; koa amin'izany tsy tokony hosoratana hoe ministra fa minisitra, tsy rejistra fa rejisitra. Samy azo soratana kosa ny kristianina sy kristiana.

Ny fiafaran'ny teny "-ie" amin'ny teny frantsay raha gasina dia tsy tokony ho -y fa -ia: jeografia, poezia, litania...

(nalaina tanaty ny boky "Isambilo" T4 nosoratan'ingahy Regis Rajemison Raolison ihany ity lesona ity, ary tena ilaintsika mpandika vaovao toa ny any amin'ny Global voice, ny wikipédia sns.) 

 

 

 

 

"Manina anao"

Nampidirin'i ikalamako | 9 Apr, 2008

Hiran'i Carson Rangers, nalaina tanatin'ny rakikira "Beratro" navoaka tamin'ny 2002.

 

 


 

Enti-mody : "Aza ampijaliana ny tenintsika" - and. 2.

Nampidirin'i ikalamako | 6 Apr, 2008

Rahoviana no tokony hampiasa ny "milaza ny ho avy" amin'ny matoanteny.

 

Efa ohatra iray io lohateny io, satria misy fotoana tsy azo ampiasana afa-tsy ny ho avy amin'ny matoanteny :

 

- Ao aorian'ny tokony : Tokony hiantso  dokotera fa voa mafy ny marary (io ilay ohatra amin'ilay lohateny etsy ambony)

- Ao aorian'ny mba (milaza zavatra kendrena) : Mianatra mba hanondrotra ny firenena.

- Ao aorian'ny enga anie ka : Enga anie ka hotahin'ny razana isika.

- Eo alohan'ny anie : Hotahin'ny razana anie isika.

- Ao aorian'ny te, ta : Ta hatory ity zaza ity izany.

- Ao aorian'ireo teny rehetra mitarika hevitra milaza ny ho avy toy ny hoe :  tsara, mendrika, mikasa, mikendry, mitetika, maniry, mitady, mila, tiana, vonona, manao izay, madiva,... : tsara hianarana io tononkalo io, mila hatory ny masoko, madiva hilentika ny masoandro.

 _____________________________________________

Dia ity mba misy fanalàna havizanana sy fakana alahelo kely : 

 

 


 

Madagasikara : araka i Brigitte Rabarijaona.

Nampidirin'i ikalamako | 31 Mar, 2008

Tsy miala eo amin'ny foto-kevitra momba an'i Madagasikara isika.

Vaovao vao nampitain'i Helisoa ity ary nanaitra ahy : sary hosodoko nataon'i Brigitte Rabarijaona.

 

 

fanazavana eo ambany : 

 

 
Fa tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy ity raha misy afaka mamaly :
 
Io voninkazo Madagasikara  io  - rehefa hanala azy isika dia asaina amboarin'ny namana ny molony, dia rehefa avy eo lazaina izy fa mitovy amin'ny voan'ilay voninkazo, tsss ; mba nataoko koa ny zanako tamin'izahay mianaka tany dia toran'ny hehy ery izy sady nametraka ilay fanontaniana apetrako aminareo ihany :
Aty aminay aty Italie, stella di Natale no anaran'io voninkazo io, izany hoe "Kintan'ny noely". Rehefa  ririnina, amin'ny fotoanan'ny Noely ihany vao betsaka azy io eny an-tsena hany ka lasa bizna be (mila ampidirina anaty voambolana malagasy ve io teny io hihihi), satria fanao fanomezana. Ka iza ary maninona no Madagasikara no anarany any amintsika. Bizna be io raha misy manondrana aty isaky ny krismasy, sa tsy vokatra izy amin'izay fotoana izay ? Misy fotoanany tokoa ve ny famonian'izy io ?

 

Enti-mody : "Aza ampijaliana ny tenintsika" - and. 1.

Nampidirin'i ikalamako | 29 Mar, 2008

Ny fanakambanan-teny

 

Raha ny teny voalohany miafara amin'ny  -ka , -tra, -na, ary ny faharoa manomboka amin'ny renifeo dia toa izao ny lalànan'ny fanakambanan-teny :

alatsaka ny -ka, ny -tra, na ny a amin'ny -na, dia soloina tsipi-panohizana "-". Raha toa ka tokony hiova ny renifeo amin'ilay teny faharoa dia ovaina ka ny :

f tonga p : tongo-parafara

h tonga k : tongo-kazo 

l tonga d : tongo-dovia

r tonga dr : hero-dronono

s tonga ts : tongo-tsaka

v tonga b : tongo-boalavo

z tonga j : sora-javona 

 

Raha toa ka miafara amin'ny -na ny teny voalohany dia milatsaka ny a amin'ny -na  saingy ny n kosa miova ho m eo alohan'ny renifeo b sy p, na maty mihitsy eo alohan'ny renifeo m sy n :

oh : moron-tsiraka, sisin-tany, feom-baliha, fofo-menaka.

 

 

 

Lalao vaovao : enti-mody malagasy.

Nampidirin'i ikalamako | 28 Mar, 2008

Hevitra avy amin'i lap izy ity, tohanako fa tsara Wink .

Jereo ato ny fanazavana.

Raha ny hevitra mipetraka ao amin'io lahatsoratra nataon'i lap io dia ho lalao mbola ho lava izy ity. Tsy an-tery hono fa izay terem-panahy. 

Mbola tsy ny anjara enti-modiko ity fa fanokafam-bavony aloha. 

Mahavità be daholo  ! Misaotra lap ! Innocent

 

 

Ry tenin-drazako

 

 
Eny, mamiko ianao, ry tenin-drazako, ry teniko !

Tiako ianao, lalaiko loatra ary izao dia tsy afeniko,

Fa ny foko manontolo sy ny saiko sy fanahiko

Mampitovy lanja anao sy i Neny ilay niteraka ahiko.

Moa tsy taminao indrindra no nianarako niteny :

Nanononako an’i Dada, nanononako an’i Neny.

Dia i Dada sy i Neny : sampan-drano nitsinjovako

Ny loharano niandohako dia ireo razana tsarovako.

Dada ! Neny ! mamy izany. Aina nisehoan’ny felana,

Tany nisehoan’ny voa, lalana nanelanelana,

Vavolombelona hita maso maneho ny lasa izay takarina

Ho tsinapa sy azo raisina ary tena nisy marina...

Tiako i Dada, mamy i Neny ! Nefa inona, lazao

Ny ho nanononako azy raha tsy tao tokoa ianao ?

Ry Tenin-drazako lalaiko ! Ry teny mamy tsy hariako,

Taminao no nahalalako ireto faka nitsiriako...

 

Ary raha zohina indray ny zanatohatra niakarako,

Teny an-dalan'ny fiainana isoritan'ny tantarako,

Dia lasitra namboarinao, notinefinao maharitra

Hifanentana amin'ny molotro, no nahaizako namaritra

Ny hasoan'ito taniko. Ka na lanitra baliaka,

Na tanety mena volo, na ny fanja soa sariaka,

Na ny rano mikoriana, na ny vorona mikalo

Eny anivon-takariva mampiherika mpandalo

Ka mampody aina indray ilay tanàna haolo ngazako...

Taminao dia taminao ! Taminao ry tenin-drazako. 

 

Ary nony vaky vony ilay fitia tanaty foko,

Ka niraraka ho hanitra ny embona ela notrotroiko,

Moa tsy teny taminao no nanokatra ny molotro

Hanambara ilay fitia nampombain'ny fo natolotro ?

Teny tsotra mahalaza ny fitia sy ny alaheloko

Izay nirafitra ho tantaran'ny tsiambarambarateloko .

Eny, ho'aho, ry tenin-drazako, ry fiteny malagasiko,

Tsy nindrana aho fa ambiny aza ireto vita an-taratasiko !

 

Tapitra eo va re ny soa sy ny voa izay notiazako

Taminao, ry teny tiako, taminao, ry tenin-drazako ?

Moa ny herinao voafetra ho an'ny andro fahazazako

Ka raha misondrotra ny taona  dia hiletsy ilay malazako ?

Tsia ry teniko lalaiko ! Tsia, ry teny izay hamboiko !

Tsia ry teny malagasy, ry fiteny iray tsy foiko !

Atao ahoana no hanadino, fa ireo aina sy solofoko,

Ireo taranaka avy amiko ary tena sombi-nofoko :

Tsiry vokatry ny faka, piti-drako tonga aina,

Sarobidiko, lalaiko, nofiko raha diva haraina :

Noro, Fanja, Vero, Tiana, Hery, Zo, Voahangy, Mamy...

Tsy taminao daholo va no nanononako an'izany ?

Taminao no nahitako izay mba laniko ho anarany,

Na i Ramatoaniaiko, na izato Andriamparany...

Ry tenin-drazako lalaiko ! Afapo ny faniriako,

Fa azo taminao daholo izay itiavako ny tiako. 

 

Ary moa ho lany tsiro ny herinao raha toa fakaina

Ny hasinkasin-kevi-tsoa italanjonan'ito saina,

Rehefa injay ianao velarina hanamboarana fiainana :

Mibaribary sy miseho ny marina ekem-pisainana .

Voazavanao ny tsy hita maso, tazoninao ny fahagola ,

Raketinao ny fahendrena tamin-drazako efa tola.

Abaribarinao an'ohatra ny adim-piainana itolomako,

Ny eritreritra sy nofiko, ny hevi-dalina ironako,

Ny fanahy mikatsaka hery, ny finoana izay ilomako,

Hay tsy zava-baovao, f'efa nisy ka iombonako

Tamin'ireto razambeko, olon-kendrin'ny fahiny,

Italanjonan'ny taranaka mandimby ankehitriny ?

Dray ! Ry teny mamy loatra ! Dray ! Ry teny iray mba tiako !

Moa tsy ny torohevitrao no nanitsiako itony diako ?

Tiako ianao, lalaiko loatra ! Ny momba anao sy ny forongony

Horaiketin'ito foko amin'ilay vilany nongony...

Ka ny satanao  rehetra sy ny zony no handrianiko

Ny hevitra napetrakao hozohiko sy antoniko.

Ka na firy refin'andro hany sisa holalovako,

Ahy ianao, ry tenin-drazako, ary hijanona ho lovako.

 

 

Rado (1952) 

Vaovao farany.

Nampidirin'i ikalamako | 26 Mar, 2008

Ato indray izany ny vaovao farany e, mba lasa nifindra monina kely nianavarabaratra any fa efa ela niainana teto Afrika. 

 Jereo ato : Tribune de Genève

 

FIDIO IKALAMAKO !  FIDIO IKALAMAKO !  FIDIO IKALAMAKO  !

Miangavy an-tànan-droa re !

Nampidirin'i ikalamako | 24 Mar, 2008

“Aza ampijaliana ny tenintsika” hoy i DadaRabe indray andro tany amin’ny hevitra nandehandeha tany. Izaho koa angamba isan’ny nametraka sangisangy zary tenany indray andro hoe fa maninona no tsisy mari-piatoana ilay lahatsoratra. Vao haingana koa aho  nahita hevitra toy ny hoe : "fanalana sy fitaizana no eto",dia nanoratra ilay ranamana hoe : rehefa fa tsy refa, fotoana fa tsy fotôna, hoe fa tsy oe, sns, tsy tsaroako daholo.

Nisy namana iray teto moa niresahako indray andro momba ny antony tokony mahatonga izany rehetra izany dia voatanisany tao ny hoe :

- mety fohy ny fotoana ananan’ireo namana any Madagasikara : ny tosaka ambany be nefa ny vola aloa betsaka ihany.

- mbola votsa mitady ny faingo sy ny teboka ny ankamaroany.

- ny zava-dehibe izy mianatra mampiasa solosaina aloha fa izany resaka fanoratra izany manaraka ihany

Ekeko daholo izany rehetra izany, nefa mino aho fa ny fampandrosoana ny tanintsika dia ny fanajantsika indrindra indrindra ny antsika : atomboka amin’ny fiteny sy ny teny malagasy izany. Andrianiko ny teniko, fandre matetika io fiteny, izany hoe ataoko toa ny andriana ny teniko.

Tanjona kinendrin’ny "Tetikasa Telomiova" ohatra ny fampiroboroboana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny aterineto, fa ahoana moa no hiroboroboany raha ny teny malagasy aza toa very hasina fa na simba aza dia tsy olana, fa ny zava-dehibe ny aterineto. TSY AZO ATAO MIARAKA VA RE NY MIANATRA ATERINETO SY MAMEHY NY TENY MALAGASY ?

Marina fa misy ny frantsay tsy mahay manoratra ny teniny, na ny anglisy tsy mahafehy ny fanoratra ny teny anglisy. Moa dia tsy maintsy manao toa azy ireo isika fa tsy hanao ezaka hanaja sy hilofo hamehy ny tenintsika ?

Sady ny teny malagasy dia isan’ireo mora soratana satria izay andrenesanao azy no hanoratanao azy fa tsy mila irony satroka sy tsindrim-peo isan-karazany irony loatra. Moa tsy vetivety sy moramora kokoa manoratra fotoana noho ny fotôna ? Dia sarotra ve ny mamerina izay hita voasoratra amin’ny lahatsoratry ny namana hafa ka ohatra ny hoe dia soratana miaraka amin’ny haintso fa tsy toa ny andrenesana azy fotsiny hoe oe,  ny mampme tsy toa izao no fanoratra azy fa mampiomehy. Dia tena mila fotoana lavabe ve ny manoratra ireny na ambany aza ny tosaka ?

Rehefa miteny isika dia mino aho fa sady mieritreritra fa ny teny malagasy tsy manana ô fa oa, fa ny teny malagasy mampiasa y amin’ny faran’ny teny, fa ny teny malagasy tsy manana ny litera u, fa ny teny malagasy dia mampiasa haintso marobe amin’ny lohan’ny teny fa tsy re izy ireny rehefa tononina : hafa, hoe, hafatra,... ka mino aho fa tsy dia handany fotoana loatra raha mba samy mizatra manoratra sy mieritreritra amin’ny teny malagasy madio. Raha mila manenjika fotoana moa amin’ny fampidirana lahatsoratra, tsy azo atao ve manokana andro hafa manaraka mba hamerenana mamaky azy ireny sy hanitsiana izay diso ?

Tsy mamely akaiky andranona na ranona ity lahatsoratro ity fa mba fiangaviana an-tànan-droa fotsiny rey olona, averiko indramina ilay tenin’i DadaRabe hoe “aza  ampijaliana re ny tenintsika !” fa lova sy harentsika io. Ny an’ny hafa aza ve asaina hianarantsika dia ny antsika indray no tsinontsinoavina ?

Matoa aho manoratra ity dia noho ny fahatsapana fa mihamaro ireo lahatsoratra ahitana taratra ireo, ary dia marina ilay hevitra napetraky ny namana tany ho any hoe “Fanalana sady Fitaizana” no eto.

Miala tsiny raha lava dia lava ny lahatsoratra fa be loatra ny aingam-panahy ka tsy aritra intsony ny tsy hamoaka azy. Raha diso ny teniko avereno amiko fa aza izaho no ariana ; ataovy toa ny voankazo an’ala ka ny mamy raiso fa ny mangidy kosa ario. Misaotra betsaka.

Mirary Paka sambatra !

Nampidirin'i ikalamako | 21 Mar, 2008

 

 
 
Ikalamako dia mirary Paka sambatra ho anareo namana rehetra eto amin'ny tontolon'ny blaogy malagasy.
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 

Maninona angaha ny biby no tsy mba miteny...

Nampidirin'i ikalamako | 18 Mar, 2008

Miala tsiny amin'izay tsy tia biby aloha, indrindra fa ireo tsy tia saka toa an'i sipagasy matahotra horangotiny sy iaboba manome soso-kevitra hoe asiana gants ny tongotra aman-tànan'izy ireny, na i maintikely milaza fa tia biby tokoa saingy amporisihan'ny alikany ho tsy tia saka, na i lalasoa tsy tia saka mainty - tsy hay na ny "tsy tia" na "ny saka" no maintyTongue out - fa dia marary ny foko ato fa marary ny sakako mainty, tena ilay fiancé-ko mihitsy fa izy irery no lahy amin'izy efatra sady izy no malemy fanahy indrindra.

 

Efa elaela izy no mandringa fa noho ny biby tsy mba miteny dia vinavinaina fotsiny hoe inona no mahazo azy, tsss.

Efa natao ny taratra X dia mety ho ny lohan'ny taolam-pe no misy tsy mety (nefa toa tsy maninona akory ny taratr'ilay izy ao fa tsy mahita lazaina angamba ilay dokotera dia mba mitsatoka aloha). Antibiotika 15 andro.

 

Mbola tsy misy fiovana afa-tsy ny hoe mandringa kely ilay nandringa be teo dia nentiko indray androany ka mety ho tsistita indray hono ka mila maka santionan'ny rano avalana hodinihina indray. Dia antibiotika hafa indray ity 10 andro, dia sady nomeny vitamina hanamafisana ny taolana ihany. Koditra aho hoe ahoana no hakana ilay rano io, kay nomeny karazana fasika tsy mitroka aho dia amin'izay ilay rano tavela eo dia iny no alaina amin'ilay siringa kely (mahay raha raolombelo).

 

Raha izay anefa izy mba miteny dia efa mba fantatra hoe "aiza marary ny sakako, ato ?", "ao ary e !, "Ity fafody"   Izao lasa manao ankamantatra sy ankitsapaka... lalina izany !

Coucou Lyuba !

Nampidirin'i ikalamako | 17 Mar, 2008

Mba jereo ange ity Lyuba e, zanak'ilay Suédois manambady Ukrainienne tena miondana hira gasy (Uli, tu me permets de passer ici le film que j'ai piqué dans ton blog hein !) :

 _______________________________________________

Lyuba, Jaojoby, Fifi et Maki

Notre petite fille Lyuba vraiment aime beaucoup la musique malgache. Aujourd'hui elle a aussi découvert le roi du salegy Jaojoby. Elle danse au rythme de la chanson "Vambanao" et a choisi un partenaire suédois et un malgache: sa poupée de Fifi Brindacier et son maki qui s'appele Ruth. C'est l'union culturelle parfaite...

 

 


 

 

Mahery ity Berlusconi-nay ity kah !

Nampidirin'i ikalamako | 15 Mar, 2008

Oyez peuple, oyez oyez.

Raikitra ny fampielezan-kevitra eto aminay fa hifidy izay ho praiministra indray izahay amin'ny volana aprily rehefa nadaboka ny governemanta Prodi.

Toa ny  mahazatra moa dia i tonton Berlusconi tsy hanaiky ho gisitra mihitsy fa tsy maintsy miady mafy hiakatra eo ambonin'io seza fiandrianana io.

Ka ity horonana ity dia mirakitra ny valim-panontaniana napetrak'ity tovovavy iray tamin'ingahy io.

Mandalo itony "situation précaire" moa ny ankamaroan'ny vahoaka, indrindra ny tanora (toa anay, lol), tsy mba afaka manantena ho avy tsaratsara akory fa dia miaina fe-miaina. Ka izay no nanontanian-drakalakely hoe : inona no vaha-olana atolotrao ireo tanora hanorina tokantrano manoloana ny olana mianjady eo amin'ny tontolon'ny asa ?

Ny valintenin'i tonton moa dia ny hoe : "amin'ny maha-ray ahy, ny vaha-olana tsotra indrindra dia mitady vady manan-karena tsy mba manana problema ekonomika - manambady ny zanak'i Berlusconi ohatra - ary ianao sy ny tsikitsikinao io dia afaka mahazo izany mihitsy".

Mahavoa mihitsy i tonton-nay io kah, avec son beau sourire par dessus le marché !!!

Hisy azy ny filaharana any Arcore (villa-n'Ingahilehibe any Milan) hangataka ny tànan'ireo zanany. Mino aho fa afaka mangataka daholo na lahy na vavy fa ananany daholo izy ireo, lol. Ka aiza daholo ianareo rankizy fa lasa izao an.

Hilaozako vetivety aloha nareo fa sao tara train mankany Milan aho, sitrany ahay mba lasa Mme Ikalamako Berlusconi  atsy ho atsy...Aza matahotra fa ho tsaroako daholo ianareo rehefa tonga amin'ny fanjakako aho e.

 

"Ken Lee"

Nampidirin'i ikalamako | 12 Mar, 2008

Efa tsy zoviana amintsika intsony ity hiran'i Mariah Carey ity : "ken lee".

Mahazoa fahafinaretana daholo.

 

 


(version bulgare izy ity fa amin'ny anglisy ihany)

 

"Bal mavo ranjo"

Nampidirin'i ikalamako | 12 Mar, 2008

Tsy mety leo mihitsy aho mamerina ity horonana ity, ary izao vao hitako fa hay misy famintinana ny moments clous ato (fa tsy ny fantsika rehetra na izany aza, kanefa dia efa ampy hanasana vangy beuuuuh!), ka izay manana 22mn à disposition ka te-hiala hamomamo dia afaka manindry ny bokotra "play".

 

 

 
"Bal poussière" notontosain'i Henri Duparc tamin'ny 1988.

 

Tiako afindra aminao...

Nampidirin'i ikalamako | 9 Mar, 2008

Mbola vao mihoatra 20mn ny sasakalin'ny 8 martsa (izany hoe vao miandoha ny 9 martsa fa tsy maninona e, aleo tara toa izay tsisy. Misy vahiny sy sahirana nikarakara fetin-jaza dia tsy tafa eto raha tsy izao).

Ka ity izany no mba efa nomanina : 

 

MANIMANITRA DAHOLO IZAY LALOVANAO

MISY FOFOM-BONINKAZO

VONINKAZO MIMOSA 

 

 Arahaba ry Andriambavilanitra namako isany !

 

 


 

Tsingerin-taona.

Nampidirin'i ikalamako | 7 Mar, 2008

MIRARY FAHASAMBARANA

 

Fa ny silaky ny aina mbola handingana etsy aloha

Ary hanaraka fidinana vao hihazo fiakarana 

Hitetitety tany maro dia hihoatra fefiloha 

Ka voleo amoron-dàlany ny "Mirary fahasambarana". 

 

Lila Ratsifandrihamanana

 

Izy koa mba mendrika hotehafana e !

Nampidirin'i ikalamako | 4 Mar, 2008

Tsy vazivaziko izany fa tena amin'ny fony kosa no hanaovany azy fa mba mendrika hahazo tehaka izy e !

 

 

 
 
dia ato andrefana ato koa misy iray, mba tsy afako loatra ny tsy hanasa vangy amin'ny fihomehezana...

 

Madagasikara voasingana tao amin'ny "Festival de San Remo".

Nampidirin'i ikalamako | 3 Mar, 2008

Vita tamin'ny asabotsy 1 martsa ny "58ème Festival de la chanson italienne de San Remo".

Etsy ambany ny vokatra tamin'izany.

Fa ny tiako aseho anareo eto (isaorana ny ramosen'i Angie nanamarika io taminay malagasy Wink ), dia ny hiran'i Eugenio Bennato, mitondra ny lohateny "Grande Sud", mitantara indrindra ny fifindra-monin'ireo mponina avy any amin'ny "Tany Fahatelo" (TdlR,hihihi, mba tsy hilazana hoe tany mahantra na tany an-dalam-pandrosoana) mankaty Italia (Afrika ihany anefa - ). Misy io zazavavy malagasy io raha arahanareo tsara fa izao no fiverenana ataony :

"Zahay maro nandeha
Nandeha nilefa jaly
Mahatsiaro anareo
Mahatsiaro an-tanàna."

Dia misy koa tenim-paritra avy any atsimon'Italia (any amin-dr'i Harilova) sy teny shawili ary teny arabo amin'io hira io. 

Ary nahazo ny laharana fahafolo tamin'ny 20 nifaninana izy io tamin'ny vokatra ankapobeny, ary nahazo isa tsara tamin'ireo vokatra isam-tsampana :

 


 

Classifica finale Sezione Campioni Sanremo 2008

1. GIO' DI TONNO & LOLA PONCE

con "Colpo di fulmine"

2. ANNA TATANGELO

con "Il mio amico"

3. FABRIZIO MORO

con "Eppure mi hai cambiato la vita"

4. TOTO CUTUGNO con "Un falco chiuso in gabbia"

5. FINLEY con "Ricordi"

6. PAOLO MENEGUZZI con "Grande"

7. SERGIO CAMMARIERE con "L'amore non si spiega"

8. GIANLUCA GRIGNANI con "Un falco chiuso in gabbia"

9. LITTLE TONY con "Non finisce qui"

10. EUGENIO BENNATO con "Grande sud"

 

 

Classifica parziale Sezione Campioni Sanremo 2008

3. EUGENIO BENNATO (93 voti)

 

Premio della Critica "Mia Martini" - Sezione Campioni Sanremo 2008

6. EUGENIO BENNATO (4 voti)

 

Premio della Sala Stampa Radio e Tv - Sezione Campioni Sanremo 2008

7. EUGENIO BENNATO (5 voti)

 

 

 

 

Hafatra avy any Suède.

Nampidirin'i ikalamako | 3 Mar, 2008

Misy ity havana ity - ukrainien-suédois no fahazoako azy fa mila "jiro manazava" avy amin'i lalasoa isika (Wink) - satria Rakotozafy no anarana entiny. Mpankafy Lolo sy ny tariny koa izy ity ary nandeha namonjy "Jorery sy lolo" izy tamin'ny asabotsy teo, dia ity no noraiketiny tao amin'ny "bloggen"-ny :

 

 


 

ary izao no nozarainy amintsika :


Misaotra Lolo, Erick, Dina, Passy, Bebey, Raplay, Goda et Benny pour un concert absolument formidable. Je publierai une révision et quelques photos dans ce blog demain. Mais j'écrirai en suédois, pas en français, parce que mon français est trop mauvais. Pourtant, si vous voulez, j'essaierai de traduire mon texte dans la langue française pour vous.

Skrivet av Rakotozafy 1 mars 2008 klockan 23:45

 

Chers visiteurs malgaches, pendant que je cueille mes pensées pour écrire une révision acceptable de concert d'hier, je vous offre une petite chose divertissante à regarder. Dans le joueur de CD à la maison, Erick Manana chante une de ses nouvelles chansons ("Mialagalana ve") et ce que vous voyez c'est la réaction spontanée de notre fille Lyuba à la musique. Elle a 13 mois, et elle commence à danser simplement. Il semble, l'amour pour la musique du Madagascar est dans le sang et dans les gènes de notre famille ukrainienne-suédoise.

Veloma.

Skrivet av Rakotozafy 2 mars 2008 klockan 19:37

 

Manao ahoana Laza, Rondro et tous autres chers visiteurs malgaches,

malheureusement je ne peux pas parler malgache et mon francais est mauvais, mais désormais j'essaierai d'écrire au moins un résumé court de chaque article dans ce blog. Merci beaucoup pour votre visite et j'espère que vous reviendrez.

Je suis revenu aujourd'hui d'une visite très courte à Paris, où j'ai vu le concert de Lolo Sy Ny Tariny. J'écrirai une révision ici en suédois, mais évidemment - comme j'ai promis - j'ajouterai des mots français aussi. Si quelqu'un qui visite mon blog a aussi vu le concert, dites-moi s'il vous plaît, parce que je pourrais avoir besoin de votre aide avec quelques titres des chansons et peut-être quelques paroles.

Skrivet av Rakotozafy 2 mars 2008 klockan 19:13

 

Merci Uli, misaotra be dia be. 

"Ny paiso"

Nampidirin'i ikalamako | 26 Feb, 2008

 

Ny paiso

 

 

Tafatsiry indray ny maitso
Eto an-tokontaninay,
Rako-pelana ny paiso
Mavokely rano iray



Tafafoha maraina aho

Hifoka izato rivo-manitra
Eny an’elanelan-taho
Manga ery ny volon-danitra



Eny ambony rantsan-kazo
Indreny vorona mivazo
Am-panaovana ny akany…



Toa hisy azy fatratra
Ny lohataona vao misantatra
Any ambanivohitra any !

 

 

Dox

 

(isaky ny mivoaka ny trano aho ka mahita io paiso mamelana io dia tonga ho azy ao am-bavako foana ity tononkalo ity)

Resa-tagy.

Nampidirin'i ikalamako | 22 Feb, 2008

Lamaody mihodinkondina moa izy ity ka ireto ny nanatontosa ny adidy nampiantsorohako azy avy tatsy amin'ny tranoko atsy andrefana.

 

tokinao

shoan

kalaneny

harilova

lalasoa

 

Mbola tsy nahaefa adidy : i sefo (lalina izany, ianao nalain-kanirina indray no mampivandravandra) sy  i sazikely mbola sahirana maka sopapa angamba.

Tonga amin'ny tenin'i  ikalakely  moa izy ity hoe : "kilalao mahafinaritra no andeha hilazako azy, mba hifankalalantsika mpinaman'i blaogasifera rehetra maneran-tany."

Misaotra ny namana rehetra fa tsy ny blaogy.com ihany no mifampitsidika fa hatramin'i jogany aza tonga mijery ny fihitaran'ity resaka ity... 

Dia miandry azy mitsà kely ireo izahay an. ! Efa liana dia liana Cool

Miara-mitehaka daholo an !

Nampidirin'i ikalamako | 19 Feb, 2008

 

Tsara loatra ! Tsy mety raha tsy zaraina ho an'ny namana, Zanak'Iarivo sy Zanaky ny lafy valon'ny Nosy. 

 

 

 

 

"Olona izy fa tsy alika vavy"

Nampidirin'i ikalamako | 15 Feb, 2008

Tononkalo nosoratan'i Bana Rahalahy

azonareo vakiana ao amin'ny takelak'i kalaneny : am-bava homana, am-po mieritra...

Bôny fety daoul ry mpifankatia !!!

Nampidirin'i ikalamako | 13 Feb, 2008

Eo daholo indray ary aloha ("réveille-toi" ry lalasoa sy ny zénérasiô tanora tamin'ny taona 80 ) mba manka-fy sy -fihina amin' ny lui sy ny elle-ny avy re, fa fetin'ny mpifankatia hono koh !

Ity sazikely mbola tena manonofy izay ho valentin-ny no mahaory, ndrooo !Innocent nefa ny olona amin'izao blouzy be mifamihina ; miala tsiny amin'ny mineur e !

 

(sady mihira no manao tsianjery an !)

 


 

Resak'ireo nandia ny hatanorany tamin'ny taona 80 tao Antananarivo.

Nampidirin'i ikalamako | 12 Feb, 2008

Dia variana sady toran'ny hehy aho mamaky ireto resaka ataon'ireto tanora tao amin'ny moov.mg tao.

Efa tonta be izy ity (2004) fa izay vao hitako (mbola bado aho tamin'izany fa tsy mbola nahalala an'i sefo Wink). Ity pejy voalohany ity ihany no tena nahaliana ahy fa dia nitamberina daholo daholo ireo hetsika tamin'izany rehefa mamaky ireto voatanisa ao aho.

Ny role : 

Tsiferana,  Jacky Z na Rajakta, Jules kely, Tor Disc-Jockey, Rasoa na i Danie le avy any Diego, sipa metisy karana manja be, Mimi, sipâ vezo nipetraka tao Ambohidahy,  Rabanane rock, Olijaona Raboana, ry jumelles tsy miova fa mbola ireny ihany ny bika,  Doc Holyday,  Jean-Claude Lavabe, Rabetsaroana, Brice, Gova Jacky Judoka, Cocobe sy Bob ary Ra-Sam videurs, ny bandin'ny Maka, Rakaja sy Van,  Bera sy Men, zanak'Indrianjafy, fianakam's iray manontol teo Antsahabe, ry Lola be, ry Clarck, ry Lolo be, ary ry Raba, Mahatsangy zanak'i Charles Ravaojanahary, Razafy moto,  Ra-Vévé, Ra-Serge, Ra-Nary, Ra-Gangs, Potsy-kely, Ra-hivigin-doha, Mbilo...

Ny toerana : 

Club du Lac(Ivato), Kaléi sy Caveau, Rivière Parfum, ampitan'ny Médecine Antsakaviro, eo @ ilay tanin'Anandrano

Ny hira : 

born to be alive,rivers of babylon, j'ai encore rêvé d'elle, Pink Floyd : Another

Vam  :

ny pointe : eny @ digue resaka vitesse, porsche- n 'i Lahifotsy

fiakarana Ankatso :  VW-n'i Dida sy Ntsoa, 3116

Route circulaire : resaka pilotage fa tsy tanjaky ny daba fotsiny

famille Rabary 2749

2333 

6610 tao @ poste

404 grenat

504 manga be an'i Haja be 2504

Ny fikaliana : 

Blanche Neige, 

Rakala eny Antaninarenina @ Parking ampitan'ny Roxy

sisin'Indra ry Jackson, sy Ra-Claude mpivarotra masikita,

ao amin'Indra : Ralay,  Ra-Maurille, Thierry, Ra-Tom gérant

 

ah zalahy, lavabe nahavariana ahy izy tao fa tena nitsambikina nankany amin'ny 25 taona lasa  aho. Tsy ampiana intsony koa fa manjary iray kilaometatra ny lisitra.  Misy loha sy vam sy toerana voaveriko ao an-doha izy ireo fa misy tena nivoaka tanteraka angamba na tena mba tsy arako tamin'izany. 

Mba fandaniana andro ny ahy ity rey olona ! 

Ratsimandrava.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Feb, 2008

 

 

 

RATSIMANDRAVA

 

Tsy an-drentirenty no niakaranao

Hitondra ny vahoaka,

Ry Ilay tsy mba nitsaoka 

Hatramin’ny andro farany

Ka mamela mamy mipetraka ho tantarany...

Akanjo volontany, somizo volontany,

Izany monja ihany ihany

No teny an-koditrao...

Hany mba nangirana

Dia ny fampiehana sy ny galonanao !

 

Kanefa, tsapanay fa nampiretsidretsika

Ny teninao nilaza fa efa nisafidy

Tsy hiamboho adidy !

Manakoako izany ka mampihetsiketsika

Ny drafi-Pokonolona

Hiatrika ny tolona !

Na dia maotina aza, ianao miteny.

Tsy mirehadrehaka sy nilaza ombieny ombieny

Ho izao sy izao 

Ny mombamomba anao...

 

Ny rafitry ny ASA naboraborakao

Ny kiry nentinao nandavo fahavalo

No entinay handravaka izato fasanao

Sy antoka ho anay, nanaitra lafy valo !

 

ENY,

 

Tsy an-drentirenty no niakaranao

Hitondra ny vahoaka sy ny taninao

Kanefa, an-tapitrisa…

Tsy àry ho voatanisa…

An-tapitrisa maro no mihoby anao !

 

Clarisse Ratsifandrihamanana - 20 jiona 1975 

 

 

Lesona ara-politikan'ny toe-karena.

Nampidirin'i ikalamako | 7 Feb, 2008

Lesona nampanarahana ny toetr'andro italiana izy io.Nataoko ao amin'ny ikalamako.blaogy.org fa sao bedin'i sefo miteny faranitsihay eto, nefa tena tsy voadikako teny gasy ilay izy fa mifona r'ireto. Misy voambolana teknika tena tsy haiko nandika azy dia mba hahamora ny fiainako sy tsy hitenitenenana foana dia nadikako tamin'ny tenin-dreny malala aloha, ka izay mba te-haka lesona dia mitsidiha ao azafady Tongue out

O ry vahoaka eee!

Nampidirin'i ikalamako | 4 Feb, 2008

Hira gasy indray aloha izao ry zareo a ! Eto indray aloha isika.

Hafa ihany ny tena gasy, tsy mena mitaha.

Mahazoa fafiny daholo.

 

Carson.

Nampidirin'i ikalamako | 1 Feb, 2008

Nahita io tononkalon'i tsikisariaka ao amin'ny lahatsoratra "saovaly de boa" io indray aho dia nahatsiaro tokoa ny fahiny, hany ka nanita-kevitra hanao fikarohana.

Dia rehefa nosavasavaina ity antsoina hoe solosaina, dia ireto no hitako tao :

 

           
 

Dia asa mety ho firy amin'ny mpitsidika no mahatsiaro ireo hira ireo.


 

IZAO RETSY :

Izao retsy a, aza mitomany,

Fa izaho, izaho eto ihany 

Izao retsy a, fafao ny ranomaso 

Fa ny tany tsy ilaozan'ankaso  

 

sy hoe :

   (azonao henoina ato ny sombitsombiny hamohazana ny fitadidiana ho an'izay nanadino)

 

ORAM-PAHAVARATRA : 

Midona ny any Ankaratra, manako any lavitra any 

Fa oram-pahavaratra no hamonto izany tany 

Ny masoko kosa vonton-dranomaso 

Alahelo no miavosa vokatry ny ankaso  

 

Carson moa dia isan'ny nirona tamin'ny bàn-kira antandroy ihany koa (santionany ity)- ary izay no tena nankafizako azy Wink (toujours mon Grand Sud, lol)

Ary izy dia tsy iza fa zanak'i Latimer Rangers, ilay niasa tao amin'ny Radio Televiziona Malagasy. 

Saovaly de boa : fangatahana disika pirefere !

Nampidirin'i ikalamako | 31 Jan, 2008

"Ity hira ity dia atolotr'ikalamako ho an'i Tsikisariaka mba hisy hahatsiarovany ny fahatanoranay ! "  

 

Dia aoka i sefo tsy hanome litika indray, mdrrr ! 

Tsimbalivaly ny fiainana e !

Nampidirin'i ikalamako | 27 Jan, 2008

Izany tokoa satria voarombaka ny amboara tamin'ity indray mitoraka ity (escrime ihany io)!

Fiadiana amboara ara-paritra toy ny mahazatra izy ity, fa natao tany Salerno (tokony ho 50km avy eo Naples, mianatsimo ihany). Voarombak'i Ravavitokana ny amboara voalohany teo amin'ny sampana misy azy, fa ny tena fahafahampony (sy anay, na namana na ray aman-dreny rehetra mpiray tobim-piofanana) dia satria ilay zaza nangalarana taminy indray mitoraka iry no nalavony teo amin'ny famaranana androany. Tsimbalivaly ny fiainana e, kodiaran-tsarety.

Ke le mieira gania meiera gainina hoy ny vazaha, lol 

 


 

Mba samy manana ny angatahany e !

Nampidirin'i ikalamako | 25 Jan, 2008

 aza tezitra ianao fa somonga ny ahy e!

(tsy hoe manivaiva fa mba samy manana ny angatahany isa-maraina koh) 

Sary tamin'ny versera.

Nampidirin'i ikalamako | 15 Jan, 2008

Indreto sary vitsivitsy nalaina tamin'iny andro iny :

 

 sary miaraka.

 

angie  makafoky ny coca-ny.
 

kahitry mafana.

 

ikalamako sy Dotmg ilay teo ambanin'ilay varavarankely

 

gianlody manao rally fa tara be satria kay tsy mba nilazan'i sefo akory, tsss.

 

 

tena dizina i sefo kle !

 

  pissoa ve izany tena miady amin'ny rano izany sahady ???

 

tratran'ny paparazzi ange ianao ry lapino le nilaiso katless e !

 

 

 tena mbola nisy ambiny ny coca sy gato-ndry ry maintikely...

 

 

mazava ho azy fa vao eny am-baravarankely i samoana dia  efa maheno fofona gato.

 

Undecided tezitra mafy mihitsy ange ry sazikely izany fa matahotra ny tsy hahatratra gato intsony koa. 

 

 io i simp le nanao elvis presley !

 

mbola sary miaraka.

 

 sipagasy a, ary hay mahay mandihy be indry ity !!!

 

ny tsikin'i tsikisariaka

 

 aza ilaozana manao pv any an-tokontany r'ikalakely an ! 

tokinao kosa aza mivatravatra rehefa haka partenera handihy e

ry kalanika nilaozany mifanenjika any an-tokontany fotsiny fa tsy afaka nijery televizio hono  

 harilova lasa nirifatra fa  tadiaviny entina any amin-drizareo any Naples koa ny fako, tsss

asio tsapiky amin'izay e, asio tsapiky amin'izay ! 

 

 

 

 

 

 

Fankasitrahana.

Nampidirin'i ikalamako | 14 Jan, 2008

Tsy napetrako ho isan'ny hevitra ny fisaorana sy fankasitrahana anareo rehetra tonga namonjy fety nanomboka tamin'ny talata 8 janoary, fa ataoko pejy manokana.

Misaotra dia misaotra, mankasitraka sy mankatelina anareo rehetra. Tsy hanina nahavoky moa no naroso anareo tao fa voninahitra nifanomezana, ary natao lehibe tsara mihitsy ny mofomamy mba  tsy hahadiso anjara ireo tara (mbola misy ao ho an'ireo izao vao tonga fa dia mazotoa e ). Nahafaly anefa ny nahita fa tonga maro tokoa ianareo, na ny voaantso manokana na ny sendra nandalo tsy nihafahafa fa nandroso.

Manja ny eto ka tonga amin'ny hiran'i Julio Iglesias hoe :

 

"Le monde est fou, le monde est beau

Un rendez-vous toujours nouveau 

Une symphonie inachevée

Qu'aucun génie n'a pu rever 

Le monde est beau le monde est fou

Il promet trop pour donner tout

On sait qu'au bout c'est le rideau

Mais on s'en fout le monde est beau."

 

 "fou et beau" eto amin'ny "monde serasera" fa dia misaotra sy mankalaza e!!! 

 

Fanasana !

Nampidirin'i ikalamako | 7 Jan, 2008

Aiaiaia fetibe !!!      8 janoary : Herintaona eee...

Mandrosoa daholo ry ambanilanitra : eo ry pissoa, ento sazikely sao hadinon-dry ; o ry tsikisariaka sy mirana a, efa nifanarahana tatsy izy ity fa asiana arosazy an ; oadray, i sefo e, tsss, ianao angady nananana sy vy nahitana indray ve no hihafihafy fotsiny eo ambaravarana fa mandrosoa re, efa ao ny gateau, saingy izaho no  mandidy azy io fa tsy hoe anao ny serasera dia ianao foana no hanapaka gateau na dia mitovy tsisy valaka tamin'ny gateau tany amin'ny Mon Tanà aza izy ao an, natao mitovy fa samy serasera - copie coller - ; dia mba ilazao ange ry gianlody sy ilay namana clip bodo sao tsy mbola nahare fa namana daholo ireny e Tongue out ; mandrosoa akia ry hanta ; angie a, ao ambany latabatra akia ny coca sy rano dia mba rosoy i tsiory a ; mandrosoa re ry lalasoa ; ry lapino ; ry soanja ; ry ryana ; ry malala ; ry simp ; ry lanto; ry Dotmg ; ry sitlo ; voromailala a mba asio vazo toa itony ilay fety fa mba ataovy duo-nareo sy ers indray ; ataovy toy ny an-tranonao re ry zoky ravatorano ; ao ramanatantara mba raiso moa ny vera ; ary DadaRabe izay ve efa tonga e ? ho tara fety lahy ranamana iny, nefa mba mila poezia kely ity andro ity ;  jentilisa sy radotiana a, mba ataovy milay ilay reportazin'ny fety rehefa avy eo fa kapoakanareo io an ; efa ao ve ry sipagasy, ry lanto, ry ikalakely sy ry maintikely ? andraso aloha hametrahana afisy atsy avaratra fa zareo manko matetika variana ao ka tsy dia mitsidika aty firy ; aza hadino ny cure-dent samourai ry lehilahytsyresy ; eee, tsaroako foana ny vatravatranao fahizany ry tokinao ; mba lalovy dia omeo pasazy ao ange i shoan ry badouda azafady ; sefo a, mba azo invité-na koa ve jm sao dia azo atao direkta ao amin'ny RVG ity fety Wink ity ?

...oay ho tafiditra ato daholo  ve izany ???... shhh tsy koi fa namana virtoaly daholo ve ireo dia tsy ho tafa ?! Mba mifaneritery re e - ataovy iray-mandroso-iray-mihemotra (lol, tery ny trano) - maro dia maro nareo ka tsy ary voatonona avokoa fa mandrosoa daholo, dia rehefa vonona daholo dia tsindrio amin'izay ilay bokotra fandefasana ny televizio etsy ambany ...

Klou  klou ...naika hadino k'ity, harilova a, mba tsofy rano klou e  !

zayyyyy ... alefa amin'izay :

 (kii, tena tsy hita indray ilay soratra hoe "délivré pour le printemps de votre blaogy")

 

 

Ireo taona tsara indrindra eo amin'ny fiainantsika.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Jan, 2008

Hira atolotr'i Renato Zero ho an'i Roma izy ity - any ampovoany any nampidirany hira iray mampalaza an'i Roma "Roma nun fa la stupida stasera" (Roma, aza misary adala anio hariva).

Isaky ny mamarana ity hira ity izy rehefa eny ambony lampihazo dia miteny izao foana :

"Te-hisaotra olona tokony ho 6 tapitrisa aho nefa tsy hivalampatra amin'izany satria farafahakeliny ny 5 tapitrisa sy 999 hetsy dia fantatro daholo ka tsy tokony hanampatra ny fitanisako ny firaiketam-poko aminareo aho. Tsoriko anefa fa mandroso foana mankany amin'ny aretina aho, mandeha mitsidika matetika ireo romana tsy dia ambinina ara-pahasalamana, ary dia voatery aho mibedy anareo fa betsaka ireo sampana ao amin'ny hopitaly izay babangoana, toa tsisy zanaka tsisy mpiray tam-po mitondra fitiavana, toa tsy mahazo an-tsaina ny fahorian'ny sasany izay tsy mifandraika velively amin'ny zavatra andrasan'ny tanànantsika. Aoka tsy rehefa feno ny fiarany na matavy ny "carte de crédit"-ny vao hanakaiky olona iray ianareo fa indrindra indrindra rehefa tsy mandeha amin'ny ara-dalàna ny fiainany fa izany no tena romana. Toa izany isika ! Ny sisa azoko atao dia maka sary anareo amin'ny foko, satria  ao no toerana mahatoky natokako ho anareo foana. Ary ny hany ampatsiahiviko anareo foana : Aza adinoina aho ! Non dimencicatemi eh !"

 

Ny andininy faharoa ihany no adikako eto mba tsy hahalava loatra ny blaogy :

"Heveriko fa mahavariana tokoa ny mitoetra anaty haizina mifamihina sy moana ;
Toy ny mpilalao totohondry aorian'ny fihaonana,
Toy ireo farany sisa tsy maty fo aman'aina ;
Angamba indray andro ho fantatsika fa tsy very isika,
Ary ireo alahelo raha ny tena marina tsy mba nisy.

Fa ireo taona tsara indrindra eo amin'ny fiainantsika
Ireo taona tsara indrindra eo amin'ny fiainantsika
Fihino mafy aho fa tsy misy alina tsy manam-piafarana
Ireo taona tsara indrindra eo amin'ny fiainantsika !"

 (aza ny ataony no atao anefa fa izay lazainy tanteraho...)

I migliori anni della nostra vita (Renato Zero, otronin'i Laura Pausini sy Claudio Baglioni)

 

 

Penso che ogni giorno sia come una pesca miracolosa
e che bello pescare sospesi su di una soffice nuvola rosa
Io come un gentiluomo,
e tu come una sposa
Mentre fuori dalla finestra
si alza in volo soltanto la polvere.
C'è aria di tempesta!
Sarà che noi due siamo di un altro lontanissimo pianeta.
Ma il mondo da qui sembra soltanto una botola segreta.
Tutti vogliono tutto per poi accorgersi che niente.
Noi non faremo come l'altra gente,
questi sono e resteranno per sempre...
I migliori anni della nostra vita
I migliori anni della nostra vita
Stringimi forte che nessuna notte è infinita
I migliori anni della nostra vita
Stringimi forte che nessuna notte è infinita
I migliori anni della nostra vita

Penso che stupendo restare al buio abbracciati e muti,
come pugili dopo un incontro.
Come gli ultimi sopravvissuti.
Forse un giorno scopriremo che non ci siamo mai perduti...
E che tutta quella tristezza in realtà non è mai esistita!
I migliori anni della nostra vita
I migliori anni della nostra vita
Stringimi forte che nessuna notte è infinita
I migliori anni della nostra vita!
Stringimi forte che nessuna notte è infinita
I migliori anni della nostra vita

Renato parla : Avrei da ringraziare..Avrei da ringraziare 6 milioni circa di persone ma non mi sto qui a dilungare anche perchè almeno 5 milioni 999 le conosco,e quindi non starò a dilungarmi su quanto il mio attaccamento presso di voi sia illimitato.Vi confesserò che vado molto verso la malattia, vado a trovare molto spesso dei romani che non se la passano molto bene con la salute,devo rimproverarvi un po' perchè certi reparti sono desertici addirittura di figlimancano addirittura di fratelli, sono carenti di quell'affetto, di quella comprensioneche una città come la nostra non si può permettere di disattendere.State vicino alle persone non solo quando hanno il pieno nell'autobile e una carta di credito cicciona,stategli vicino anche quando non vanno bene le cose perchè noi romani.. Noi.. Siamo fatti così!
Non mi rimane.. Non mi rimane che farvi una polaroid col mio ventricolo sinistro, e qui sarete al sicuro per sempre.E di farvi un'altra piccola raccomandazione, a tutti quanti...Non dimenticatemi eh!!!

 

Tonga soa aty amin'ny 2008 daholo !

Nampidirin'i ikalamako | 2 Jan, 2008

 

ho soa ny taon-tseraserantsika 2008 !  

 

( ary ... toa nanomboka sy hitohy amin'ny rano izany taona izany k'ity !!! )  

Tratry ny farany...

Nampidirin'i ikalamako | 31 Des, 2007

TRATRY NY FARANY DAHOLO O

DIA SAMY HO TRATRY NY TAONA VAOVAO

IZAY IRARIANA HITONDRA SOA SY FANAMBINANA 

 

(ndeha hi-bal klou) 

Mirary Fety Sambatra !

Nampidirin'i ikalamako | 24 Des, 2007
 
                                        
 
 

Ho messo via - Ligabue

Nampidirin'i ikalamako | 14 Des, 2007

J'AI MIS DE COTE   (ho messo via) 

   

 

J’ai mis de coté un peu de bruits

Ils disent qu’il faut faire ainsi

Dans la commode il y a une mine et tonsille de six mille watt

J’ai mis de coté les petites repentances

Ils disent que j’en ai pas l’age

Et si à un moment ça change

J’y rejoue puisque ça me va

 

J’ai mis de coté un peu d’illusions

Que tot ou tard suffira ainsi

J’en ai mis de coté deux ou trois cartons

En tout cas je sais qu’ils sont là

J’ai mis de coté un peu de conseils

Ils disent que c’est plus facile

Je les ai mis de coté puisque à se tromper

J’en suis vraiment fort

 

Je me fais un peu de place

Qu’est ce que j'attends de moi, qui le sait

De la place vide il y en avait, il y en a, il y en aura

J’ai mis de coté pas mal de choses

Mais je ne m’explique jamais pourquoi

Je n’arrive pas à te mettre de coté

 

J’ai mis de coté quelques coups de batons

Les signes, ceux-là, on ne peut pas

Car ce n’est ni le mal ni le coup

Mais malheureusement le bleu

J’ai mis de coté pas mal de photos

Qui vont ramasser des poussières

Soit sur les remords que les repentances

Les rancoeurs et sur les pourquois

 

Je me fais un peu de place

Qu’est ce que j’attends de moi, qui le sait

De la place vide il y en avait, il y en a, il y en aura

J’ai mis de coté pas mal de choses

Mais je ne m’explique jamais pourquoi

Je n’arrive pas à te mettre de coté

 

Dans ces chaussures

Et sur cette terre

Qui dodeline

Avec le réconfort d’un ciel qui reste là

Je me fais un peu de place

Qu’est ce que j’attends de moi, qui le sait

De la place vide il y en avait, il y en a, il y en aura

J’ai mis de coté pas mal de choses

Mais je ne m’explique jamais pourquoi

Je n’arrive pas à te mettre de coté

 

LIGABUE

Bezoro e ! bezoro bezoro.

Nampidirin'i ikalamako | 8 Des, 2007

Tonga soa ihany ny kapila ka mampita sy manolotra ny Bezoro ry Vahombey.

Efa tamin'ny 20 taona lasa, fony mbola teny amin'ny Anjerimanontolo teny Ambohitsaina no nahalalako ka nankafizako  ity tarika ity tamin'ny "Besorongola", "Voankazo manta kisoka" ary "Mamaliza". Ny fitiavako manokana an'Androy eo ihany, fa ilay feon'ny mpihira koa nahafanina ahy.

Somary "en léthargie" hono izy taona maromaro izay hoy ny mpahalala ; ny tena moa nandao tanindrazana fa zakan'ny iraky ny fitadiavana ka tsy naharaka loatra intsony. "Salanitra" aza sendrasendra tany amin'ny MySpace tany no nahenoako azy.

Fa nony nivoaka kosa Bezoro tamin'ity taona ity dia tsy hay ny nipetra-potsiny. Ka dia tonga soa am-pelatànana ny kapila ary tena tsy nandiso fanantenana fa mbola ao amin'ilay itiavako azy toy ny "itiavany ny ampelany voankazo manta kisoka tsy atakalony masaka".

Indro misy sombitsombiny fampahafantarana ny tarika sy ny raikikira zaraina amin'ny rehetra mankafy ny bà-kirany (Rock, blues miaro ny faka avy Androy).

Ireo hira anatin'io rakitra io moa dia efa tafiditra tamin'ity herinandro ity ao amin'ny RadioVazoGasy.

Misy ihany koa ity forum ao amin'ny "moov.mg" ity.

Tsy "publicité" an-jambany fotsiny fa fizarana ny soa sy ny tsara. Mahazoa fy daholo !

Salanitra e !

 

Antso ho an'ny WWF : karazana mitady ho lany tamingana.

Nampidirin'i ikalamako | 5 Des, 2007

Tongue out Nihomehy be aho teo fa namonjy versera-n'ny namany Ravavitokana io tolakandro io, ka hay nisy reny iray niantso ahy foana hono saika mba hangataka servisy hoe mba alaiko koa ny zanany rehefa maka ny ahy aho dia mba aterina any an-tranony.

Tsy izy nimenomenona fa "tsy misy nomerao finday fa nomerao ao an-trano fotsiny ny anao anaty lisitry ny mpianatra", na ilay mama iray nilaza hoe "tsy hoe tsy napetrany fa tsy manana finday izy io", tsy izay no nampihomehy ahy fa ilay mama anankiray - tsy mbola mifanerasera amiko mihitsy, "la classique expatriée !" - tena nitanaka be mihitsy nahare hoe tsy manana finday aho : "Comment ça ! vous n'avez pas de cellulaire? Et comment vous faites, dites donc!".

Ikalamako moa izany efa immigrée fa tsy expatriée na  bourgeoise eto amin'ny tanàna. Ikalamako rahateo efa miloko ny hodiny fa tsy manjopiaka. Hany ka tena zava-nahavariana ilay olona mihitsy izany hoe tsy manana finday izany aty amin'ny taona 2007. Nahatsiaro ny tenako ho tena "objet de découverte" ho an'ilay ramatoa mihitsy aho : karazana mitady ho lany tamingana avy any amin'ny ala matevina any Afrika, lolll.

Ka lokin'ny hehy irery aho mieritreritra hoe tokony mba hanokanan'ny WWF fanampiana manokana mihitsy entina hiarovana an'ikalamako sy ny babakoto ao Andasibe, fa ho lany tamingana izahay.

Sa ahoana ? Wink

Andro iraisam-pirenena ho an'ny gagy.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Des, 2007
 
Mandraisa anjara amin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny gagy (izay no fiteny azy araka ny fandalinana nampitain'i "simplex miala voly").
 
 
Ity ny fandraisana anjarako hampitaiko ho an'ny gagy eran-tany :

 

 



Vita tompoko ny adidiko. Finareta soa daholo.

Hasambaran'olon-droa izay andro izay.

Nampidirin'i ikalamako | 29 Nov, 2007

30 novambra 1996 io andro io.

(dia indreo ny olon-droa nofafazana vary - tso-drano mirary "fahavokarana" - rehefa avy nanao sonia ilay Boky.)

nosoratan'i Rosemonde Gérard.

Fihavanana.

Nampidirin'i ikalamako | 22 Nov, 2007

Fihavanana, tsy misy dikanteny azo omena an'io hono :

  • Parenté : tsia satria milaza rohim-pihavanana io
  • Amitié : tsia satria azo lazaina hoe fifankatiavana
  • Amour : tsia satria io no fitiavana
  • Unité : tsia satria midika firaisankina
  • Relation : tsia satria fifandraisana no dikany
  • ...

 

Fihavanana : tsy mety hazavaina na adika fa hiainana. Ny Malagasy ihany no mahalala ny dikany satria izy ihany no miaina azy. Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiainan'ny Malagasy ny Fihavanana.

Tsy mpikaroka na manam-pahaizana aho fa sarababem-bahoaka miady amin'ny fiainana andavandro ka tsy dia mandinika lavitra.  Fa mba nampiasaiko ihany ny "matière grise" kely ananako nandinihiko tsara an'io androany tolakandro manontolo. Izany tokoa ve hoy aho. Raha ny "contexte" nampivoaka ilay resaka dia toa manaiky aho fa izay tokoa. Handeha mba hampiasaiko ny solosaina hanaovako fikarohana momba izany hoy aho anakampoko, hihihi.

 

Ilay "contexte"  ? :

Tamin'ny talata maraina be aho nahazo antso avy amin'ny namako mba nangataka servisy : hitsena olona eny amin'ny seranam-piaramanidina fa ilay olona efa nantenainy hitondra azy eny (fa izy tsy mamily) tsy afaka tamin'ny ora farany. Nananako ny fotoana dia nekeko ny fangatahany fa efa fombanay eto rahateo ny tsy mifampihafahafa, taigna samy an-taigna. Nolazainy hoe iza ilay olona ho tsenaina hamonjy fivoriana iraisam-pirenena, fantatro anarana fotsiny. Malagasy ambony - sy malaza - hoy ny valalabemandry. Fantatro koa satria firesaky ny reninay foana taloha. Nifandray rizareo hatry ny fahakely, fa tapitra teo amin'io andiany io, tsy nahalala azy izahay ankizy, satria samy nanana ny fiainany izy ireo nony lehibe.

Kanjo nony tonga ny vahiny, izaho tsy nieritreritra hitonona, saingy ilay namako "mpirahalahy" amin'ny zokiko lahy, no nilaza hoe : " izy dia zandrin'i anona", dia tonga ilay vahiny dia nanao hoe  "zanak'i anona ianao izany" (Golemain!). "Eny tompoko". Teny an-dàlana dia nanontany ireo dadatoa sy nenitoanay izy, sy ireo bebe sy ny dadabe : aiza, manahoana,... 

Dia nanao kaonty iray sy valo teo aho aloha : adidiko ve ny manasa azy ireo hisakafo satria fantatro fa nifampitondra tsara mihitsy izy mianakavy roa tonta tamin'izany. Rehefa nalaina ambony nalaina ambany dia eny no neken'ny saiko. Kanjo nony nilazako ilay namako mahalala  azy ireo hilaza izany  amin'izy ireo, dia nilaza izy fa efa voafandrika zareo io alakamisy hariva noeritreretiko io. "Zarako aza naratra" hoy indray aho anakampo. Ny finiavana nisy fa ny fotoana no tsy nifanindry. Samy afaka izany. (Zany mba lohako ! hihihi).

Kanjo alarobia hariva, nahazo hafatra tanaty finday ilay ranamana hoe mba hanasa anao sy ry anona ary izy mivady ranona (ikalamako mivady io) amin'ny alakamisy antoandro. Dia golemain fanindroany fa ny andrizareo indray no tonga aloha.

Teo ampihinanan-kanina io tolakandro io moa izany no nivoahan'ity raikipohy ity hoe "ny fihavanana tsy mety adika fa iainana" satria rehefa avy nanazava tamin'ny iray latabatra izy momba ny fifandraisan-drizareo ray aman-dreny, ary nanambara izy fa tena tsy nampoiziny ary nahafaly azy mihitsy ny nahita sy nahalala ahy aty, dia nivoaka ny hoe "boribory ny tany", "tena tsy ampoizina an", "mahafinaritra kah". "lalina ny fiainana an" ; dia izy nanasa no namehy hoe : "tsotra ny antony : ny fihavanana". "Ka inona no handikana sy hanazavana izany amin'ny vazaha" hoy indray ny fanontaniana. Dia novaliany hoe "tsy azo adika sy hazavaina izany fa zavamisy iainan'ny Malagasy. Izy irery ihany no mahazo izany. Le Fihavanana chez les Malgaches, fiteny io satria izay nandalina momba azy io dia tsy nahita ny teny mahadika azy.

Misy hotsakotsakoina izany satria ny kaly teo efa levona koh. Tsy nampoiziko aloha e, satria izaho vao nilazana ny anarany dia tsy nirototra fa araka ny kajiko dia tsy misy hamakian'io olona io loha amin'izay izaho zanak'olom-pantany taloha mihitsy, ka tsy misy antony tokony hitononako hoe iza aho.

Fehiny : Nahay nihavana tokoa ny ray aman-dreny taloha.

Ho anareo Andriambavilanitra mpanao tononkalo.

Nampidirin'i ikalamako | 16 Nov, 2007

Miala tsiny amin'i DadaRabe sy ny rakoto rehetra eto aho androany fa hanavaka kely ny Andriambavilanitra ary indrindra ireo rehetra mampirenty ity blaogy ity amin'ny tononkalony,

ka atolotro azy ireo ity hiran'andriambavilanitra toa anay ity :

Hiran'i Fiorella Mannoia, "Quelle che le donne non dicono".

(miala tsiny raha teny frantsay no nandikako azy fa haingana sy mora kokoa noho izy ireo zanak'olo-mirahavavy) 

 

"Ce que les femmes ne disent pas" 

 

Elles nous font compagnie certaines lettres d’amour

Paroles qui restent avec nous,

et  jamais nous nous en allons 

mais nous cachons de la douleur

qui glisse ; nous la sentirons après.

Nous avons trop de fantaisies, et si nous disons une mensonge

C’est une vérité manquée qui arrivera tot ou tard

Le vent change mais nous non

Et si nous nous transformons un peu

C’est pour l’envie de plaire à qui y est déjà ou pourra venir  rester avec nous

 

Nous sommes ainsi

C’est difficile à expliquer

Certaines journées amères, laisse tomber, d’ailleurs tu pourrais nous trouver ici

Avec nos nuits blanches,

mais nous serons pas fatiguées, meme quand nous te dirons encore un autre “oui”

 

Vite vite s’en vont des journées sans fin,

Silence ; quelle familiarité!

Et les phrases d' enfant laissent des traces

Qui tourneront. Mais qui les entendrait?

Et, des voitures, pour nous,

Les compliments du playboy

Mais nous ne les entendons plus

S'il y a celle qui n’en peut plus,

Le vent change mais nous non

Et si nous nous confondons un peu

C’est pour l’envie de comprendre ce qui ne réussit plus à parler

Encore avec nous.

 

Nous sommes ainsi, douces compliquées

Toujours plus émotionnées, délicates

Mais tu pourrais nous trouver encore ici,

Dans les soirs de tempete

Amène-nous des roses

Des nouvelles choses

Et nous te dirons encore un autre “oui”

C’est difficile à expliquer

Certaines journées amères, laisse tomber, d’ailleurs  tu pourrais nous trouver ici

Avec nos nuits blanches,

mais nous serons pas fatiguées, meme quand nous te dirons encore un autre “oui”

 

 

 

Fiadiana amboara.

Nampidirin'i ikalamako | 5 Nov, 2007

Natao androany 4 novambra 2007 moa izany ny fiadiana ny amboara ara-paritra teo amin’ny taranja “escrime” mampiasa sabatra, sampana zazavavy sy zazalahikely.

Natokako ato amin’ny blaogy izy ity satria mendrika ho tsarovako mihitsy (sy hireharehako foana fa mbola vitsy ny hafa loko no manao ity taranja ity eto Afrika, lol. Patriotisme mal placé ? hihihi).

Na dia efa 4 taona aza no nanaovan-dravavitokana ity taranja ity, dia izao no fandraisana anjara voalohany tena manan-danja natrehany, raha mbola famporisihana sy fiomanana daholo aloha ireo nataony isan-taona hatrizay. Manomboka 10 taona manko vao tena mpikambana ao amin’ny federasiona ny atleta ka sampana zazavavikely na zazalahikely no fanombohana, vao miakatra ho tanora, sns.

Ny indro kely fotsiny amin’ny tenin’ny mpandrafitra dia ity : nisy ihany fitongilanana nataon’ny mpitsara ny lalao, ka na tokony ho tafakatra tamin’ny famaranana aza izy hiady ny toerana voalohany na faharoa, dia voatery nionona tamin’ny laharana fahatelo. Atao akory moa fa mimenomenona fotsiny no azon’ny mpanofana sy ny atleta ary ny ray aman-dreny atao fa tsy zava-baovao ny toa izao.

Ny nampanontany tena anay ray aman-dreny  rehetra teo dia hoe inona no tokony hampianarina ny ankizy ? Ampianarina hizaka ny tsy rariny dieny izao kely izao ve izy ireo, sa hampianarina hiady  amin’ny tsy rariny sahady. Indrindra fa eo amin’ny lafiny fanatanjahan-tena tokony tsy hitranga ny toa izao. Voa ny tena aloha dia aleo nangina mba tsy hihitaran’ny resaka, nefa tsy mety kosa satria mampihena ny finiavan’ny ankizy hihoitra hiady mihitsy ny toa izao.

Fa GASY KA MANJA e ; raha ho avy ny andro iray, hanaovako kahitry be manadala ny sehatra hampisehoako ny maha afrikana ahy, hahaha.

Tsara ny valim-bokatra androany, faly ny mpampianatra fa mahabe fanantenana ireo mpianatra – iray toeram-piofanana (club) izy roa vavy nahazo ny laharana fahatelo - izay aloha no zava-dehibe izao. Ho hita eo ny kihon-dàlana iandrasana ny ambiny. 

Dia mba iny aloha izany zaraina amin’ny namana rehetra eto ny zanaka malagasy e, hihihi  !!!

 

P.S : inona kay ny fiteny ny "escrime" amin’ny teny gasy ??? Amin’ny escrime manko misy ny "épée", "fleurette" ary ny "sabre", ka tena tsy haiko ny dikan’ireo amin’ny teny gasy afa-tsy ny sabatra ; kanefa ny sabatra aza amin’ny teny gasy toa mahafoaka ireo lelamby rehetra ampiasaina ireo.

 

Ho feno folo volana ny namana seraserako !!!

Nampidirin'i ikalamako | 23 Okt, 2007

Ny serasera sy ny namana serasera moa ity mankalaza ny fahavalo sy ny fahadimy taonany, izaho hankalaza ny fahafolo volana nifaneraserana taminareo teto afaka andro vitsivitsy (efa mba hahazo taona atsy ho atsy, lol).

Dia lasa ny saina hoe inona tokoa moa no nahatonga ahy nanokatra blaogy sy lasa tafiditra lalina amin’ity raharaha manga ity, izaho ilay badovavy fahiny ?

Ny taona moa nitombo dia nampitomboina koa ny fianakaviana ; nitombo koa ny olom-pantatra sy ny namana – be koa ireo mpiray tanindrazana nihavy nanampy isa, ka isan’izany i sefoCool Hery.

Mandroso moa ny tany dia mba nampandrosoina tato an-trano koa ity kopitera mba hialana amin’ny habadoana fa tsy vitan’ny hoe “ny ankizy ankehitriny mpanangana ny taona roa arivo” intsony ny tanjona, fa “izay tsy mahay kopitera no badon’ny taona roa arivo”  ka tsy maintsy niezaka niala tamin’izany tokoa.

Ka ity namana sefo Hery ity izany no nasesiky ny razana hanampy ny tena amin’izany katrok’asa mafonja izany. Isaorana  ny Avo fa raha faharetana dia ananan-dranamana ity marina mafy, niaiky aho! Tsiky ihany ny azy dia ampy fa tsisy bedy izany mihitsy an, ramose tsy mba masiaka !!!

Ka indray andro ary nanao fety izahay tato an-trano dia naka sary mazava ho azy. Ny paositra elekitronika moa mba efa nananana. Dia mba ni-zesta hoe alefaso paositra ilay sary rehefa vita ry Hery. Tonga ny ampitso ity rohy ity  fotsiny no nalefany paositra, sy  hoe “Efa ao anaty blaogy ny sary fa alaivo ao. “

Inona angaha ity blaogy ??? Hitanay taiza izany blaogy izany fa bilao azo ifampitorahana no hainay koh. Dia klikena hono ity rohy dia namoaka soratra sy sary tokoa. Dia nalaina tokoa ny sary rehefa avy natoro tsara ny fanaovana azy, dia nohidina ity pejy fa tsy fomba mijerijery sekrén’olona... Tsy mba nandalina ilay saina mba nanadihady hoe inona hono itony e?

Fa mba nizesta tany amin’ny hafa kosa anefa avy teo an : “efa azo daholo ny sary tao an-trano tamin’ny “versera”, efa nomen’i Hery tamin’ny blaoginy”, nefa toa tsy mba nisy iray nanontany hoe inona ity blaogy = ny tena irery izany no tsy mahay izany blaogy izany raha dinihina ka aleo mody fanina.

Nandeha ihany ny fotoana, isaky ny mahazo mailaka avy amin’i sefo dia ity no soratra ao :

From: Eugene Heriniaina <[email protected]>
Date:

Subject:

To:

Salut

patati et patata et patati et patata

--
Inona no misakana anao tsy hiblaogy?


Hery
"Tsiky dia ampy"

 

“Inona no misakana anao tsy hiblaogy” io ihany no hitako eo isaky ny mihetsika.

Ny tena mba manontany hoe maninona no asianao an’io foana, dia averiny amiko ilay fanontaniana nilako  valiny : inona no misakana anao ? Ka rehefa nazavainy tsotsotra ilay izy dia nazava fa ny tsy fahaizako sy ny hakamoako no misakana ahy fa “raha tsy hay hono tsa hibitabitahana”.

Kanefa moa rehefa zavatra lazaina anao isan’andro – goutte d’eau chinoise, hihihi – dia toa miketriketrika ihany ny zanak’atidoha amin’ny farany hoe “maninona tokoa moa raha jerena akaiky ny momba an’io !”

Ka dia tonga ity andro lehibe rehefa tsy nahaleo ny piblisité-n’ingahirainy dia nisokatra tamin’ny 8 janoary ny blaogy.com-n’ikalamakoary ny 30 janoary kosa ny  blaogy.org 

 
Saika kivy aloha tamin’ny voalohany fa sady efa tsy hay ity izy, izay lazaina toa tsy hita, mbola nivatravatra fihavy daholo koa ireo mpitsidika (efa aty aoriana ry tokinao vao mibaboka fa izy indrindra no tena be fihavy tao, lol). Ilay ps koa aloha no tena nahatonga izany e, fa anarana moa iny an-tanim-boanjo, samy manao izay mahabotrabotra azy avy : “l’habit ne fait pas le moine” hono koh !

Nony hay indray ny blaogy dia nasain’i angie sy hery nikarajia indray. “Hay ve izao izany mi-chat randraikakiko o !”, hihihi, kanjo nangatahan’i angie pv ka loza fa tsa hay sy tsa hitan’i vendrana inona angaha izany, aiza koa misy izany. Fa dia nilofo tokoa nianatra ka dia nahay nony farany hoe:  mankao an-dakozia fa tsy ao amin’ny salon miaraka amin’ny olona rehetra. Hay re rey olona ka tao an-dakozia tao ikalamako efa be kil mpanao combien, ankoatra ireo tsy mahandry lakozia fa tonga dia ao amin’ny salon no miady varotra...Fa tsy naharatsy fihavanana kosa klou ny varotra tsy raikitra e, manja iny !

Dia izao efa mba mamaky forum  “mora mahazo moa aho ry Hery rehefa hazavaina maharitra o ?”Embarassed, mamaky ireto gidragidra tsy mety lany, mitety ny pejin’ny namana maromaro dia mandrangodrangotra eny, dia mihaino RadioVazoGasy sy mahay mampiditra hira mihitsy aza an, attention hein !

Dia izao efa manomboka voaisy loha koa ny ps sasantsasany, fa ny ambiny mbola vinaninaina satria “tsy mbola nampiditra momba anao ianao dia tsy afaka mijery ny mombamomba ny namana sy ny sariny”.

Dia inona moa izany fa dia misaotra ny mpampianatra indrindra indrindra, ary misaotra koa ireo rehetra manaiky ho namana. Ho ela velona !Tongue out

28 septambra.

Nampidirin'i ikalamako | 27 Sep, 2007

Toko tapaka, vilany mitongilana.

Nampidirin'i ikalamako | 8 Sep, 2007

Vive la rentrée ! vita ny fialan-tsasatra...

Nampidirin'i ikalamako | 27 Aog, 2007

Sady nanao adidy nanotrona fanambadian'ny namana tany Venise no nanararaotra nijery tanàna, Na dia efa hita aza tsy nankaleo.


  

 

Niverina kely tany an-trano aloha nanamboatra valizy dia roso indray nankany Afrika herinandro (hoy i Hery koh!)

 

 

 


Vazivazy moa izany fa tany atsimo-atsinanan'i Italia tany e, tany amin'ny faritry ny Puglia (Les Pouilles) no naleha.

 

Tao Monopoli (tokony ho 30 km avy eo Bari), tanànan'ny mpanjono; fa tany Castellana-Grotte, tanàna kely 10 km eo ho eo avy eo Monopoli no nisy ireo namana nampiantrano, ka nanararaotra nijery ilay lavabato lalina teo amin'ny 70 m any ambanin'ny tany. Azoazo ery ny aina tamin'ny hatsiatsiaka 15° raha midanika efa ho 40 ° aty ivelany.

 


 

Tsy natao ambanin-javatra ny filomanosana an-dranomasina tao Monopoli, satria arakaraka ny hidinanana mianatsimo an'i Italia no hahitana ranomasina madio sy tsara sady milamina tsy mba be olona.

 

 


 

Tsy lavitra avy eo Monopoli no misy an'i Alberobello. Isan'ny "Patrimoine de l'Unicef" izy io noho ireo trano "trulli" mampiavaka azy, igloo italien no fiantsoako azy am-bazivazy. Nahavariana tokoa, matevina efa ho 1 m ny hatevin'ny rindrim-bato ka mangatsiatsiaka ery ao anatiny. Raha any an-tanàna izy dia trano fonenana fa raha any an-tsaha dia fasiana biby sy fitaovam-piasana.

 

 


 

Ostuni : "la ville blanche" (la città bianca), mierinerina eny an-tampon-kavoana, mianatsimo ihany efa hihazo an'i Brindisi (amin'ny zorony havanana amin'ny saritany, tanàna manaraka an'i Montalbano).

 

 


 

Mbola isan'ny tafiditra ho isan'ny "Patrimoine de l'Unicef" koa i Matera, efa any amin'ny faritry ny Basilicata, miankandrefana indray, hihazo an'i Taranto (amin'ny zorony havia amin'ny saritany, ambany kely an' Santeramo in Colle). Matera dia antsoina koa hoe "la ville des pierres" noho ireo tranony miorina amin'ireo vatolampy be, izany hoe noloarana tamin'ireo vatolampy.

Ny tena nampalaza an'i Matera ihany koa, ho an'ireo izay tia sarimihetsika, dia noho izy nanodinana ny "La passion du Christ" tamin'ny 2003, ka io amin'ny ankavanana aorianako io no natao havoanan'i Golgota, namantsihana an'i Jesoa tamin'ny hazo fijaliana, ary io ankaviako io  kosa  sy ity ambany ity

ny tanànan'i Matera nanaovana ny làlan'ny hazo fijaliana, izany hoe ilay niakarany nitondra ny hazo fijaliany.

“ Notte di San Lorenzo “ – “Ny alin’i Md Laurent “

Nampidirin'i ikalamako | 10 Aog, 2007
Rehefa tonga ny alin’ny 10 aogositra dia mibanjina ny faravodilanitra avokoa ny Italiana maneran-tany miandry ny handalovan’ireo kintana hiraraka.

Hatramin’ny ela no nanokanan’ny Italiana ity alina ity ho an’i Md Laurent (San Lorenzo), maty maritiry tamin’ny taonjato fahatelo, ary milevina ao amin’ny Basilica iray mitondra ny anarany eto Roma ; satria ireo kintana miraraka ireo dia tsy inona fa ranomaso nalatsak’ity olomasina ity nandritra ny fampijaliana azy, ka miriaria foana eny an’habakabaka eny ka tsy midina ety an-tany raha tsy mitsingerina ny fotoana nahafatesany, ka mahatonga ity alina ity ho toy ny alin’ny nofy sy hitondra fanantenana.

Rehefa tonga ny “Notte di San Lorenzo” dia heverina fa ho tanteraka ny fanirian’izay miezaka mahatsiaro ny fijalian’i Md Laurent, ka isaky ny kintana mianjera dia anononana izay mba irina amin’ny fiainana.

Marihina moa fa araka ny siansa, ireo kintana mirotsaka amin’ny alin’ny 10 aogositra dia vokatry ny fandalovan’ny asteroidy ao amin’ny Vondron-kintana Perseo (nahatonga ny anarana hoe Perseides) eny amin’ny faritra tazamason’ny tany, saingy azo ampivadiana tsara amin’ny lafiny poetika.

 

Ka raha sendra mibanjina faravodilanitra re, aza hadino ny mamboraka ny fanirianareo tsirairay avy!

Olo-jiaby amin'ny fomban-taniny - tapany faharoa

Nampidirin'i ikalamako | 6 Aog, 2007

Tapany faharoa tokoa izy ity, satria tontosa soa aman-tsara tamin’ny 14 jolay teo ny fanambadian’ireto namanay, Marika sy Gianluigi.

Raha ny tokony ho izy dia tokony hanao “sérénade” ralehilahy tamin’ny zoma 13 jolay hariva, fa efa nampoizina ihany fa tsy hahasahy hiakatra sehatra ranamana. Fa ny tena votoatin’ilay fety kosa dia ilay antsoin-drizareo hoe “Fiaingana” (partenza), izany hoe andro farany hipetrahan-drazazavavy ao an-tranony fa hanainga hamonjy ny akaniny izy ny ampitso.

Ny ampitso kosa rehefa vita ny fanamasinana ny fanambadiana dia nanolotra fialana hetaheta teo an-tokontanim-piangonana aloha ny fianakaviana ; kanefa ny tena nahasarika anay tsy tompon-tany dia ity fomba ity : natao an-tongotra daholo moa ny làlana na tamin’ny nandroso na nony nivoaka ny fiangonana fa ny fiara rehetra dia niandry teny am-pidirana ny tanàna daholo. Ny antony dia eo ny hateren’ny làlana, fa teo koa ireo fialana hetaheta kely atolotry ny mpiray tanàna ho an’ny mpivady vao sy ny mpanotrona (banquet, na “banchetto” amin’ny teny italiana), ka amin’izany dia mitambatambatra ny fianakaviana telo na efatra dia mba mamelatra ireo banquet ireo manoloana ny tranony izay lalovan’ny mpanambady. Ka adidy moa ny mandray isaky ny fiantsonana ka toa vao tsy nandray fiara hamonjy restaurant akory (izay tany amin’ilay tanàna iray hafa mba lehibebe) dia efa voky sahady, hihihi.

Na tany am-piangonana na  tany am-pisakafoanana  aloha dia tsy nalaiko sary satria efa mahazatra ireny.

Taorian’ny sakafo dia samy namela fiara teo am-pidirana ny tanàna daholo indray, dia niara-niakatra an-tongotra hanatitra azy mivady kely any an-tokantranony vaovao. Ka izay fianakaviana tsy nanolotra banquet tamin’ny nandroso indray no nanolotra teto.

Nony tonga tao an-tokontanin’izy mivady dia nisy vatan-kazo lehibe dia lehibe (notaritina tamin’ny trakitera hono vao tafakatra tany, nandritra ny nahatany am-piangonana anay, lol) nibahana ny tokonam-baravaran’izy ireo. Fomba ao amin’io tanàna io izy ity hanehoanao amin’ny rehetra fa tsy mandà izay rehetra adidy sy olana eo amin’ny fiainan-tokantranonao ianao fa vonona foana hisikim-ponitra, saingy noho i Gianluigi tovolahy tena mahafatra-po amin’ny asa, dia toa ho tapany vetivety raha vatan-kazo kelikely, ka dia nitadiavan-drizareo izay lehibe indrindra izy.

Raha nilazana moa izahay hoe miara-miakatra any antrano daholo rehefa avy any amin’ny restaurant fa mbola hihinana "cochon laqué" fa izay no tena mba spécialté any amin’io faritra io, dia saika torana aho fa ny teo aza tsy tafidina intsony ! Kanefa teo vao azoko fa hay mbola ho lava ny fiarahana fa tsy hoe aterina fotsiny ny mpivady vao, satria rehefa tapaka ny vatan-kazo ka afaka niditra ny tranony izy roa dia izahay mbola nanohy nihinana sy nisotro teo ivelany ihany.

Rehefa tafiditra soa aman-tsara tao an-tokantranony izy roa kely dia mbola tsy vita hay ny "sedra", fa hay mbola nofenoin'izy ireo fotsimbary tsy haiko na iray gony na mahery ny fandriana sy efitrano fandrian'ny mpivady vao. Dia mbola tsy maintsy nanadio izay indray izany aloha izy ireo.

Ny hevitr'ireto sedra moa izany dia toa ny firariana azy mivady kely ho vonona hatrany amin'izay rehetra hitranga eo amin'ny fiainana sy amin'ny adidy aman'andraikitry ny tsirairay : rangahy hiasa mafy, ramatoa  hahakarakara tokantrano.

Vita izany rehetra zany, izahay nanohy nisotro sy nihinana sy nivazo...satria hay re ka mbola miandry amin’ny 1 ora maraina indray fa hofohazina amin’ny “sérénade” indray re ireto izy mivady kely !

Efa tamin’ny 2 ora maraina vao namonjy torimaso - izahay izany fa zareo mbola teo asa tamin'ny firy vao nisaraka an.

Nahafinaritra sy nahavariana ahy tokoa izy ity ka tsy aritro ny tsy hizara azy eto, ilay horonantsary nisy olana dia tsy mety apetraka eto fa dia aleo sary vitsivitsy no hilaza azy

Tena tsy nandàla vola aman-karena ireo ray aman-dreny tamin’ny fikarakarana kanefa dia nambaran’izy ireo fa izay no tena fety aminy fa tsy ny fanamasinana sy ny fiaraha-misakafo fotsiny akory, ka raha tsy manao ireo izy dia toy ny tsy manao fety ary aleony aza tsy manao.

Dia miverina indray ilay hoe “olon-jiaby amin’ny fomban-taniny”.

 

 

 

 

 

 

 

 

Ny 26 jiona-n'i Roma (fanampiny, "in live" fohifohy)

Nampidirin'i ikalamako | 4 Jol, 2007

Efa nolazalazain'i Hery ihany ny fizotran'ny 26 jiona-nay izay tena koranam-pianakaviana foana no endriny. Dia ity izany ny fanampiny, "live" teny am-panombohana noezahina ho fohy izy ity (8min) fa ny mpaka horonantsary koa nony kelikely nametra-pialana fa izy kosa ve tsy hitotorebika - marina ny azy.

Misimisy ihany ny namana serasera tao araka ny voalaza, saingy toa tsy tratra an-tsary ao daholo, misy ny tara toy ny mahazatra angamba, na efa tonga ao ihany fa mbola variana mibosibosika ravintoto sy voanjobory, satria efa tara sambo tamin'ny fandalovan'ny lasary sy composé ary ny nems sy sambos ; samy manana ny talentany koa moa rehefa toa izao, ka ao ny manan-talenta amin'ny fanafanana sehatra dia izy foana no hita matetika ao amin'ny sary, ao ny eo amin'ny lafiny fanafanana lovia, ny fanafanana hira, ny fanafanana resaka, ny fanafanana seza koa, samy mba manao izay vitany daholo, ka izay tsy hita eto dia ao amin'ny tahirintsary angamba no mety hiseho : tao ry hery, ry angie, ry mbaliana, ry nanji, ry colar, ry matrix, ry fehno, ry tsiory, sy izay tsy fantatra ny ps-ny fa nisinisy  ihany ny namana tao, ary  ikalamako mazava ho azy, fa dia taditadiavo ao daholo re e. Dia nampalahelo koa fa efa alinalina moa vao natao ilay medley kaiamba ka efa tsy tafiditra anaty horonan-tsary intsony fa sahirana nanezakezaka nihira koa angamba ny mpaka azy.

Vita soa aman-tsara moa iny ka dia miandry izay mety ho fety manaraka indray izahay fa "miova andriana manko hono miova sata", ka dia eo mahita izy...

Ho tratry ny asaramanitra manaraka daholo indray.

Olo-jiaby amin'ny fomban-taniny.

Nampidirin'i ikalamako | 24 Jio, 2007


Casale San Nicola
: tanàna kely misy mponina 300 eo ho eo, avo tokony eo amin’ny 860 m miohatra amin’ny ranomasina, tataovin’ny tendrombohitra "Gran Sasso" (Grande Pierre), tendrombohitra vato be, mahatratra 2912 m.

Ambanin’io tendrombohitra io,  (1400 m  midina avy amin’ny tendron’ny Gran Sasso), no misy ny Institut National de la  Physique Nucléaire, mandalina indrindra ny Physique des Particelles.

10 km ny halavan’ny tonelina manavatsava io tendrombohi-bato io, amin’ny làla-migodàna(autoroute)  ka raha avy aty Roma dia ny tanànan’i Casale San Nicola no miandry anao eo am-pivoahana azy (170 km avy aty Roma). Io Fiangonana io no tazan’ny maso voalohany indrindra raha vao mivoaka ianao, na tazan’ny maso farany alohan’ny hidiranao ilay tonelina raha ho any Roma.

 

Mino aho fa nohalalinina manokana mihitsy ny toerana nanorenana azy io, fa fankaherezana ho an’ny ankamaroan’ny mpandeha fiara hiatrika na niatrika ny fandalovana ambanin'ity vatobe mitatao ity (raha  mpino mazava ho azy).

 

 

 

Ny tanàna koa dia mbola tataovin’ny arabe migodana, angamba 50 m eo ho eo ny haavon’ny fototra ijoroany.

Ao no mipetraka ireto fianakaviana namanay ireto, mahafinaritra ilay tanàna raha hanaovana fialan-tsasatra, fa mino aho fa ny olona tsy lehibe tao tsy afaka honina ao mihitsy.

 

Ny fomban-tany tiako hotantaraina eto dia mialoha ny fanambadiana, satria hanambady i Marika sy Gianluigi.

Soratra tamin’ny  12 mey, ary any am-piangonana amin’ny 14 jolay.

Omaly kosa dia fety nanasana ny havana, tapaka sy namana rehetra, ny mpiray tanàna manontolo. Nanomboka tamin’ny 12 antoandro ka hatramin’ny nihoatra ny sasak’alina akory aza, nifandimby tao daholo, tsisy natao afa-tsy nisakafo.

Ny sakafo natokana ho an’io fotoana io : hena amin’ny saosy voatabia, lamoria (morue) nendasina, aroso miaraka amin’ny mofo (fa tsy vary na pates) ; gateau ary biscuits.(Lamoria 500 kg hono no novidiana, tena tsy nisy tavela e).

Rehefa mody dia mbola ampitondraina gateau sy biscuits efa vita fonosana tsara hatrany am-boalohany, miaraka amin’ilay fanomezana kely fankasitrahana ny firariantsoa naterina (“bomboniera” no iantsoan-drizareo azy) miaraka amin’ny confetis.

Mbola vao ny lafin-kavana sy naman-dravehivavy izay, fa amin’ny 30 jiona izao indray dia hisy toa izany tsisy valaka any amin’ny fianakavian-dralehilahy (sakafo mitovy, hanasana ireo havana sy tapaka avy amin-dralehilahy). Nanararaotana nanaterana ny fanomezana sy ny firariantsoa koa moa io andro io.

Amin’ny zoma harivan’ny 13 jolay tokony hanao "sérénade" ralehilahy, ka asa fa somary saro-kenatra izay ny anao lahy ! Ho hita eo izay hatokony.

Ankoatr’izay dia ralehilahy miantoka ny akanjon-dravehivavy, ny trano sy ny entana ao anatiny, afa-tsy ny efitrano fandriana izay zarain’ny roa tonta. Ny fianakavian-dravehivavy kosa miantoka ny akanjo anatiny (intime) hanaovan-dralehilahy amin’ny andro mariazy.  

Efa mba maromaro ihany ny mariazy novonjena teto, fa ity fomba iray ity dia hafa kely aloha e. Ary miezaka manao kaonty baoritra momba ny mety ho lany hiatrehana izao fa toa vizana ambony ihany.

Dis-moi !

Nampidirin'i ikalamako | 22 Jio, 2007

 

 

DIS-MOI MAINTENANT AVEC QUI TU ES.

(dimmi adesso con chi sei)

 

 

 

Le noir de la nuit, 

Dans la tete, mes pensées ;

La lumière de la radio

Tout le monde laissé dehors ;

La musique que j’écoute

Dit ce que j’aimerais,

Mais que je ne t’ai jamais dit.

 

Les mains sur le volant,

Trop de choses j’aurais à dire ;

Mais combien j’y ai pensé !

Juste avant de partir,

J’ai choisi les paroles,

Les plus belles que je connais ;

Qui sait, si j’y réussirais.

 

Dis-moi maintenant avec qui tu es

Si de moi, tu lui en as jamais parlé

De mes voyages pour te revoir

Et pour savoir comment tu vas

Dis-moi maintenant où tu vis

Et je te rejoindrai

Meme si ce serait au bout du monde

Moi,  j’y arriverai

Dis-moi maintenant si la nuit

Quelqu’un d’autre te console

Si t’as compris que je t’ai aimé

Et que je t’aime encore

Dis-moi maintenant si, la nuit

Dans ton lit tu es seule

Si t’ as compris que je t’ai aimé

Et que je t’aime encore

 

Je me rappelle que c’était l’été

Celle d’il y a dix ans ;

Je sais, j’ai changé,

Le temps passe et passera ;

Mais une parole suffit

Et je serai là chez toi ;

Qui sait, si toi, qui sait

 

Dis-moi maintenant avec qui tu es

Si de moi tu lui en as jamais parlé

De mes voyages pour te revoir

Et pour savoir comment tu vas

Dis-moi maintenant où tu vis

Et je te rejoindrai

Meme si ce serait au bout du monde

J’y arriverai

Dis-moi que t’as pas changée

Que tu es restée comme alors

Si t' as compris que je t’ai aimée

Et que je t’aime encore

Dis-moi maintenant, si la nuit

Dans ton lit tu es seule

Si tu as compris que je t’ai aimée

Et que je t’aime encore

 

Je t’emmenerai avec moi

Cette fois-ci je trouverai

Le courage et les paroles

Un sentiment qui existe encore

 

Dis-moi maintenant si,  la nuit

Quelqu’un d’autre te console

Si t' as compris que je t’ai aimée

Et que je t’aime encore

Dis-mois maintenant si,  la nuit

Dans ton lit tu es seule

Si t' as compris que je t’ai aimée

Et que je t’aime...

...encore

 

GIANNI MORANDI

 

"Matoa isika mbola miaraka" (se stiamo insieme)

Nampidirin'i ikalamako | 12 Jio, 2007

 

 

 

 

Tamin'ny vao nanomboka ny taom-pianarana dia nangataka ankizy maromaro tamin'ny CM1 ny sekoly ianaran'ny zanako fa hanao "concert hommage pour Riccardo Cocciante, ancien élève de l'établissement". Namporisihiko mafy izy tamin'izany fa mba fotoana iray hahafahako mahita akaiky an'i Cocciante izy io, nefa moa izy tsy nanaiky.

Natao tamin'ny zoma teo ary ilay concert, ka lasa tany ny resakay telo mianaka teo am-pihinanan-kanina teo ; izay Ravavitokako vao nanenina satria nanjary tsisy resaka afa-tsy i Riccardo Cocciante sy ny "autographe" ao am-pianarana omaly sy androany.

Dia ho fiononanay mianaka dia nalaiko indray aloha ity hira nahazoan'i Cocciante voalohany tamin'ny San Remo (Festival de la musique italienne) tamin'ny taona 1991 ity, izay isan'ny tena ankafiziko.

 

Ny" veloma mandra-pihaona avy aty aminay"!

Nampidirin'i ikalamako | 5 Jio, 2007

Efa tamin'ny 20 mey moa ity andro iray   nankalazaina ity, saingy izao vao nivoaka ny horonana nitahiry azy, hahafahana mampiseho sy mampita ny "Arahaba ho anareo rehetra avy aty aminay" (avy aty "afrika" hoy ilay ranamana mpiara-monina eto izay, lol).

 

Voan-dàlana nentin'ny Filoha avy any Chine.

Nampidirin'i ikalamako | 18 Mey, 2007

Avy namaky ny vaovao nampitain'i jentilisa moa aho teo momba ny fiverenan'ny filoha avy nivahiny tany Chine, ka dia nitsidika kely ny "site"-n'ny fitondram-panjakana, ka nitsiky kely ny molotro nahita ireto voan-dàlana nentina ho an'ireo fokontany miisa 17.500 any Madagasikara,  ireto vata fandraisam-peo ireto.

Ndryyyyyy, hoy aho anakampo, izay ve vao hanana itony ireny ny fokontanintsika, sa hanoloana ny efa simba izy ireto, sa ???, fa toa miverina amin'ilay hevitra napetrak'i tokinao tao amin'ny blaogiko momba ny firimorimon'ny fandrosoana hoe "hanao ahoana ny hantsana manelanelana an'i Madagasikara sy ny tany mandroso raha izao no mitohy ?"

 

Da marina any zany !

Nampidirin'i ikalamako | 18 Mey, 2007

Tamin'ny 12 mey teo moa aho dia somary mba lasa saina ihany ny amin'ny fandehan'ny andro sy ny fandrosoana entiny, kanjo androany dia nisy namana nandefa ity taty amiko, toa mbola manamafy izany :

 

 A tous ceux et celles qui pensent encore être jeunes,
 

Et bien NON!
Beaucoup d'étudiants qui sont entrés cette année
À l'université sont nés en 88
(L'année de la mort de Coluche).
Ils n'ont jamais chanté " we are the world, we are the children" ou "ça, c'est vraiment toi"
Ni entendu parlé de schtroumf.
Pour eux, le sida et le chômage ont toujours existé.
Les Twix ne se sont jamais appelés Raiders
(2 doigts coupe-faim)
Et les M&Ms ne se sont jamais appelés Treets
(Fond dans la bouche pas dans la main).
Et ils ne sont pas au courant du licenciement abusif de
Grosquik à cause de son embonpoint
Remplacé par un ridicule lapin
Sur les paquets de Nesquik.
Et ils n'ont jamais joué à la console Atari ,
Au Commodore 64, au CPC6128 d'Amstrad.
Ils ne connaissent même pas Pac Man.
Ils n'ont jamais vu de disquettes 5 pouces 1/4.
Ils te rient au nez quand tu leurs
Dis que les premiers PC n'avaient pas de disque dur
Et que les écrans n'avaient qu'une couleur.
Le CD est apparu quand ils avaient à peine 1 an et ils n'ont jamais eu de 45 tours de Chantal Goya ou de mange-disques.
Ils ne savent pas ce que c'est que d'écouter la radio à grandes ondes, ignorent comment étaient les anciens téléviseurs et ne peuvent pas expliquer comment on faisait sans télécommande et comment on pouvait regarder la TV en noir et blanc.
Ils n'ont jamais vu de mire sur un écran télévision!
Ils ignorent totalement qui est Candy, le Prince d'Euphor et même le danger que représente un Golgoth.
Ils croient que James Bond a toujours été Pierce Brosnan,
Ils ne pensent pas aux dents de la mer quand ils se baignent.
Ils croient que les pattes d' éph sont une invention des années 2000 et que le téléphone avec fil est un objet de science fiction, que le minitel est seulement un objet de déco rétro.
Pour eux les patins à roulettes ont toujours eu des roues alignées et Mickaël Jackson a toujours été blanc.
Ils ne te croient pas quand tu leur dis que
Yannick Noah a été un joueur de tennis avant
et qu'il a gagné Roland Garros 3 ans avant leur naissance.
Ils ignorent que Fonzie est le mec le plus cool de la Terre.
Ils savent que Giscard est un ex mais un ex quoi ?
Ils se foutent littéralement de ta gueule quand tu leur expliques, pendant qu'ils jouent à la Playstation 2,
que tu t'amusais autant avec ton Télécran.
Alors dis-toi que ces gens qui sont rentrés à l'université cette année...
Ce sont EUX les Jeunes maintenant !!!!!!

Voici quelques symptômes de ton vieillissement :

Tu comprends le texte ci-dessus et tu souris en te disant "Putain de merde, mais c'est vrai en plus". 
Tu te rends compte quand tu lis les journaux qu'une bonne partie des gens du show biz sont plus jeunes que toi. 
Les enfants te disent maintenant madame ou monsieur et te vouvoient. T'es obligé(e) de ranger ton linge toi-même. 
Tu trouves qu'on offre vraiment beaucoup de cadeaux aux enfants aujourd'hui par rapport à ce que t'avais à l'époque. 
Tu as besoin d'une journée entière pour te remettre d'une soirée bien arrosée (si si, avoue-le).

Après avoir lu cet e-mail, tu décides de l'envoyer à d'autres amis VIEUX en te disant qu'il n'y a pas de raison qu'ils n'aient pas aussi une petite déprime comme toi, en pensant au temps qui passe...

Allez, au revoir ami VIEUX ! Allez encore un coup de vieux, La VIEILLESSE c'est quand :

Faire l'amour dans une voiture est absurde.
Il y a plus de nourriture que de boissons alcoolisées dans ton frigo.
6h00 du matin est l'heure à laquelle tu te lèves et non plus celle à laquelle tu te couches.
Jeans et T-Shirts ne sont plus considérés comme des vêtements pour tous les jours.
Tu prends un petit déjeuner à l'heure du petit déjeuner.
Et le plus important ....
Tu lis ce mail et tu cherches désespérément un signe
> qui ne s'applique pas à toi
> et, pour te venger,
> tu envoies ce mail à tes amis pour que, eux aussi,
> ils se rappellent qu'ils sont vieux... 

Eritreritra manaraka ny onjan'ny fandrosoana.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Mey, 2007

Dia lasa tokoa ny eritreritro androany mahita ny fandrosoana. Dia manontany tena hoe rehefa afaka 15 taona, feno 25 taona ny zanako, inona indray re ny zava-baovao entin'ny fandrosoana e!

Satria tsaroako tsara ny nahatongavako teto Eoropa tamin'ny 91, mbola nisy rotaka be tany Dago ny volana aogositra, taorian'izay tena nanahirana be ny fifandraisana ara-paositra, nefa ny fiantsoana an-tarobihy mbola lafobe mihitsy, sady ny ankamaroan'ny tapaka sy namana tsy nanana vata-fiantsoana akory.

Roa taona tato aoriana dia afaka niantso niafina, na teny amin'ny toerana fivorivorian'ny Filipina, na tany amin'ny Afrikana ; izay ao ambadik'izany fiantsoana izany aloha dia tsy hay, kanefa dia azo an-tsaina fa misy halatra tamin'ny nomeraon' olon-kafa tao ambadik'izao. Fa ny tena moa tany am-pianarana nianatra "conjugaison" hoe je m'aime : izaho aloha ; izay vao  je t'aime : izany hoe ianao ; izay vao je l'aime : izy izany ; ka izay nahafahana niantso ny havana tany Dago aloha no zava-dehibe, fa izay kaontin'ny hafa eo vidiny. Teo amin'ny 50 centimes de euro teo ho eo ny iray minitra tamin'izany, fa dia efa zava-dehibe aloha e.

Ankehitriny anefa, nampitady namako be izay aho, tany Antsiranana no nahalalako azy farany, ary dia mbola any izy hatrizao rehefa nasaiko notadiavan'ilay namako be tao amin'ny adiresiny taloha tao Behoririka, satria mbola ao ny zokiny. Dia azo daholo na ny mailaka azo hanoratana aminy na ny nomeraon'ny finday, ka dia nahafinaritra ny - tsy hoe nifankahitana moa izany - fa ny famerenana ny fifandraisana taloha izay notapahan'ny elanelan-tany.

Dia androany ihany, raha nifanoratra mailaka izaho sy ilay namako iray izay manana talenta amin'ny asa-soratra ihany, hatramin'ny teny lycée, dia nampatsiahiviko azy fa mila manokatra pejy ao amin'ny www.artiste-malgache.com mihitsy izy mba hampahafantatra ny talentany, kay izy efa nanokatra tokoa tamin'ny vao nolazaiko an'io enim-bolana lasa izay, saingy ho an'ny tsy za-draharaha toa anay moa dia toa teny sinoa daholo ny fanazavana ato, ka navelany ilay izy. Mifandefa mailaka eo izahay dia nampitaiko tamin'ingahy lehibe mpikarakara ny hetahetany, ka tonga dia afaka niresaka tsara tamin'ny ity hoe Yahoo rizareo, ka teo aho nijery ilay pejy dia hitako fa nihetsika tokoa, satria fantany amin'izay ny tokony ataony izao.

Dia lasa tokoa ny fisainana, lalina lahy ny fandrosoana. Ary efa ampy ve izay ? Toa efa manamora fiainana tsisy toa izany ny olombelona, ka mbola misy tsy ampy ve ka mila hoforonina indray ? Inona ny zava-baovao afaka 10 na 20 taona ?

Eto isika hahita azy, fa asa na mbola amin'ny alalan'ny blaogy no famoahana  ny ventsoventsom-po sy izay eritreritra miserana ao an-tsaina amin'izany fotoana izany...

Mba hiteny irery ve ny webmaster-n'ireny site rehetra ireny amin'izany hoe "tena efa mandroso ny tany fa tsy izany no nampiasainay tamin'ny andronay!"

 

Fehezam-boninkazo ho an'ny Andriambavilanitra rehetra.

Nampidirin'i ikalamako | 8 Mar, 2007

Niova tokoa ny toetr'andro - ary mampanahy tokoa - fa raha izao no fotoanan'ny mimosa, dia efa tamin'ny tapaky ny volana janoary izy io taty aminay dia efa namony, ary efa an-dalam-pahamainana izy amin'izao.

Ka mba ho solon'ny mimosa atolotra ny Andriambavilanitra mifanerasera eto amin'ity toerana ity anio 8 martsa, dia indro fehezam-boninkazo tsara tarehy narindran'i Clarisse Ratsifandriamanana.

 

 

ATI-TSITRAKA HO AN’NY VEHIVAVY

 
 
 

Ny vehivavy ve ? – Moa tsy bikabika

Sady sarisarin’ny tany onenantsika ?

 

FA NY VEHIVAVY ROAPOLO TAONA

No tanin’i Afrika tsy mbola notrandrahana,

Misaly zava-miafina, mpikaro-pahafahana.

 

NY TELOPOLO TAONA

No Inda – rentirenty manintona ho hanitra

Mirado rojovola, miravaka andriamanitra.

 

NY EFAPOLO TAONA

No Eoropa mihetsiketsika anaty fandrosoana

Sy ny helatrelatry ny fiaina-manoloana.

 

NY DIMAMPOLO TAONA

Dia hipoka sy zina – tahaka an’i Amerika –

Tahiry saro-bidy ara-teknika.

 

NY ENIMPOLO TAONA

No velatr’i Rosia takarina hidirana,

Mpanavotra sahirana, kanefa manahirana.

 

NY FITOPOLO TAONA

No Nosy  mipariaka nomena fanambinana

Anti-mitanisa amboaram-bolan-tsinana.

 

NY VAOLOPOLO TAONA

No Tendrontany roa tsy takatra polorina,

Vaingan-dranomandry sarotra antomorina.

 
 
 

Clarisse Ratsifandriamanana

( notsongaina tao amin’ny  amboaran-tonokalo Taratra)

 (tohiny)

R'ilay tanànako !

Nampidirin'i ikalamako | 22 Feb, 2007

Rehefa mijery vaovao ao amin’ny gazety  eto amin’ny aterineto aho dia mahatsiaro ny fahiny foana rehefa mamaky momba ny traboina, ny rano miakatra,… amin’izao orana tsisy farany any amin’ny tanàna izao.

 

Teny Ambohibarikely Anosibe no nipetrahanay tamin’izany fotoana izany, iny manaraka ny làlan-drano sy ny làlamby miala avy any Andranomanalina, Isotry, Ampefiloha, Anosibe dia miantoraka mankany Tanjombato iny. Ny nanamora ny fiantsoana ny teny aminay dia hoe eny amin’ny paraky, satria raha mandeha zotra izahay mody dia miteny hoe “misy miala eo amin’ny paraky” (ndry, fahizany tokoa izany, fahatsiarovana sisa !). Ny ozinina manao ny Paraky tsy lefy tsinona io, fa ny tena tandrifin’ny tranonay, sarahan’ny làlamby sy ny làlan-drano, dia ny Cimelta.

 

Ka rehefa avy elaela izay ny orana tamin’izany (ka hatramin’izao raha ireo vaovao vakiana eto foana) dia efa miomana foana ny hanala kiraro raha toa ka mandeha tongotra mody satria akaiky kokoa ny làlana avy any avaratra raha mody an-tongotra mandalo any Anosy, hopitaly Ravoahangy, Solimotel, dia miampita ny “passage à niveau” sy ny tetezana, dia lasa amin’izay manara-morona. Angamba ivaiva any avaratra mihoatra amin’ny eny atsimo (tao ihany aho no nahalala aiza ny avaratra atsimo andrefana mihoatra amin’ny tranonay satria efa tsianjery be fotsiny hoe rehefa miteny atsimo ny olona dia any amin’ny misy ny Paraky izay, raha avaratra dia any amin’ny misy ny tsenan’Anosibe, ary andrefana ao ambadiky ny tranonay).

 

Nipetraka tao izahay nanomboka 1986 ka hatramin’ny 1996 angamba izay, satria izaho niala tany an-tanindrazana tamin’ny 1991, fa nandritra izay fotoana izay dia saika isan-taona no misy io olana io. Nisy fotoana indray mandeha na indroa aza, tamin’ny fotoana mbola nahatany ahy, no tena nanao azy ny orana, ka tena tafiditra tao an-trano ny rano, ka izay foana no tena tsaroako sy fitantarako hampihomezana ny namana aty. Taolana ny nify ka miomehy, niainana ilay izy ka nalaina manja tamin’izany fa zara aza nisy trano nonenana koh, saingy mampalahelo fa efa 20 taona lasa izay mbola tsy misy fiovana mihintsy ilay toerana, ny talohan’ny nonenanay teny mbola manampy izany,  asa raha mba ao anaty fanamby 8 ao amin’ny MAP ny fanatsarana azy io re.

 

Ka rehefa tafiditra ary ny rano dia izao no paika : asiana kapoaka na birika daholo ny entana manana tongotra ivaiva, ny tsisy tongotra ampakarina ambony latabatra sy fandriana.  Dia manao “botte de pluie” amin’izay ao an-trano satria efa hanasa-dranjo ny rano, fa izany an : clop clop clop clop manerana ny trano. Ny trano fandroana moa tamin’izany tsy mba misy itony bakoly itony satria fianakaviana efatra izahay no tao anatin’ilay tamboho, iraisana ny trano fandroana, izany hoe efitrano malalaka fotsiny dia samy mitondra ny sinin-drano sy ny savony sy ny fanamainan-tena (aza mba misy hadino re ny akanjo sy ny anatiny fa tsy maintsy mivazavaza miantso olona ianao hitondra ilay izy ao, fa angaha ianao afaka hitsoriaka tsy mitafy amin’ity tokontany feno olona, hahaha), ka teo no tena henjana rehefa miakatra an-drova ny rano, ahoana ary no handehananao mandro nefa ny tongotrao aza anaty rano tsy fantatrao fihaviana, haintsika ihany fa fiondranan’ny rano maloto iny lalan-drano iny.

 

Amin’izao aho miteny irery hoe matanjaka tokoa isika tany an-dalam-pandrosoana fa ny aretina tsy azo tamin’izany efa aretina niavonavona mihintsy. Dia mbola tantara mitohy io amin’izao  fotoana izao, ary asa mandra-paha-rahoviana.

 
Tamin’izany kosa aho tsaroako tsara nanao vazivazy foana hoe : “rehefa tafita aho any aoriana any dia ataoko voalohan-draharahako ny mamboatra ity toerana ity”. Eny mantsy ry tanàna !!! Eny ho’aho ry Gasikarako …

Arahaba ry Mpifankatia tratry ny 14 febroary !

Nampidirin'i ikalamako | 14 Feb, 2007
                   14 février   -   SAINT VALENTIN
 
 
Ny andron’ny 14 febroary dia natokan’ny Eglizy Katolika Romana hankalazana ny andro nanaovana maritiora an’ Md Valentin, satria mbola nafana ny fanenjehena ireo kristiana tamin’ny andron’ny Mpanjaka lehibe Claudio II tamin’ny tapatapaky ny taonjato fahatelo.
 
Valentin d’Interamna (Terni ankehitriny, tanàna ao Italy tokony ho 100km avy ao Roma) dia  eveka maty martiora noho ny nanamasinany ny fanambadian’ny tovovavy kristiana iray tamina lejionera romana izay voarara tokoa tamin’izany fotoana izany.
 
Ankoatra io dia nisy tantara iray  koa milaza fa i Valentin dia namitrana ny fifankatiavan’ny tanora roa nifamaly tena an-dàlana, ka raha sendra nifanena tamin’izy ireo izy dia nanolotra vonindraozy ho tazoniny miaraka ka niombona tamin’izay izy roa.
 
Ity olomasina ity dia milevina ao Terni, ao amin’ny Basilika mitondra ny anarany. Voatahiry anaty vata izy ary eo anilan’io dia misy sary vongana volafotsy misy soratra hoe : Md Valentin mpiaro ny fitiavana (San Valentino patrono dell’amore).
 
Ho anareo mpifamofo izay te-hankalaza ny fanambadianareo ao amin’io Basilika io dia voaasa manokana isan-taona handray anjara amin’ny foara sy fety ben’ny Mpifankatia ao amin’io tanàna io mandritra ny volana febroary manontolo.
 
Ary ireo izay an-dalana ny hankalaza jaobily na volafotsy na volamena kosa dia misy Sorona Masina manokana ho azy ireo ka hanomezana azy ireo fahatsiarovana toy ny pergamena sy  voninkazo ho an’ny andriambavilanitra.
 
Ka atsipy ny teny ho ren’ny manan-tsofina…
 
Ary dia mirary fety sambatra ho an’ny Mpifankatia rehetra.
 
 

Ho fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana .

Nampidirin'i ikalamako | 10 Feb, 2007

Omaly 9 febroary no naterina sy nasitrika tao amin'ny fasan'ny fikambanan-drelijiozy Trinitera any Tsiroanomandidy i Zoky Paul, folaka an-datony rehefa niady mafy tamin'ny aretina tsy mamela mahazo. Nataoko hahatsiarovana azy ity rakitr'androko anio ity. Mbola feno ny foko androany, mahatsiaro ny fotoana rehetra niarahana na tany Madagasikara na taty ivelany fony izy nanohy ny fianarany, na dia vitsy aza ny fotoana niarahany taminay telo mianaka tato an-trano, noho izy nilofo nianatra ka tsy dia nivoaka firy raha tsy nosokirina tao an-tranony. Miverina ato an-tsaiko ny tononkalon'i Clarisse Ratsifandrihamanana manao hoe : "iza amintsika no manan-tombon-dahy, izaho mbola nofo sa ianao fanahy ? Ianao fanahy, toto-bonikazo natolotra ho saran'ny torimaso farany, sa izaho nofo mbola mitomany, anaty fitarainana, fa mafy ny fiainana ?" (tohiny)

Ndry !!!!

Nampidirin'i ikalamako | 8 Jan, 2007
Toa aviavy be daholo ireto olona ato amin'ny tanàna izany ka mahakoditra. Tena izao angaha ny mouvement ato ? Aleo izahay handeha miadana fa aza kotabaina e ! Ilay izy ato efa manahirana, toa tsisy hiasana ireto izy. Calme an.

Tonga soa tokoa

Nampidirin'i ikalamako | 8 Jan, 2007

Rehefa nihondikodina tao moa dia hita ihany hoe aiza no soratana ilay lahatsoratra - raha tsy hay tsy hibitabitahana, hoy ny fitenenana. Mino aho fa dia izy amin'izay ity an. Raha lasa izao ity dia naman'ny afa-panadinana aho aloha izany.

Eo ary aloha hojerena.

 

1 2 3 ... 53 54 55  Manaraka»