Fitsarana farany : sahotaky ny voavonjy sy voaozona eo am-baravaran'ny Berner Münster

Nampidirin'i ikalamako | 16 Okt, 2022

Efa ho enim-bolana lasa angamba izay aho no nomen’ilay namako ity sary ity : "voan-dàlana sady enti-mody", hoy izy. "Mba jereo ao daholo hoe ireo marika famantarana (iconographie) rehetra mety ho hita ao".

Tsy nolazainy akory na eglizy taiza io fa hainy tsara ny lohabeko hoe raha misy zavatra manitikitika azy dia tsy amelany raha tsy hitany.

Ny katedraly protestanta an’i Berne ilay izy, ny Berner Münster. Ary sary mandravaka ny varavarana fidirana io sary io.
Tafahomehy aho tamin’izay satria haiko tsara fa raha izahay no tafaraka nijery an’io dia mety ho lany teo am-baravarana teo ny tapak’andronay manontolo nikaroka sy niady hevitra hoe irý i anona, irý midika an’izao, itsy mety famantarana an’i anona.
Izay #rymiavaka izay.

Hakako fotoana io, hoy aho taminy. Kanjo moa tapaka ny tongotro avy teo dia tsy nifantoka tamin’inon’inona loatra ny saiko na dia tsy nivoaka ny trano nandritra ny telo volana aza aho.

Enim-bolana mahery izay no lasa, tadidiko tampoka izy ity aninkeo maraina ary dia tsy namelanay sy dadatoa google raha tsy nazava ireo kisarin’olona kely miisa 250 mahery, vita amin'ny vato sy hazo : ny Fitsarana Farany, sanganasan’i Herhart Küng nanomboka ny taona 1460 ka  hatramin’ny taona 1485.

Bitika ilay sary, mety hanahirana ny mijery ireo rehetra voalazako eto, fa afaka mitady amin’ny aterineto ihany ianao fa misy sary azo alehibiazina any.

 

Miainga avy amin’ny tendro fara-tampony ny fanazavana : ny mpitsara, Jesosy Tompo, no mitarika ny Fitsarana Farany, sy ireo mpanelanelana roa eo ankaviany sy ankavanany, dia i Maria reniny sy i Jaona Mpanao Batisa, mandohalika sy mivavaka.
Manao akanjo lava Izy ary mampiseho ny ferin’ny lefona eo amin’ny tratrany sy ny ratra navelan’ny fantsika eo amin’ny tànany. Ny sabatry ny Fahamarinana sy ny Lisy mariky ny Famindram-po mivoaka ny vavan’ny Mpitsara dia maneho ireo didy roa momba ny fanamelohana sy ny famonjena.

Laharan-tsary manaraka eo ambany : ireo Apostoly iraika ambin'ny folo, miaraka amin’ireo marika hamantarana azy ireo avy : i Matiasy miaraka amin'ny famaky roa lela mariky ny nanapahana ny lohany, Jakoba zanakalahin’i Alfeo miaraka amin'ny tehin’ny maritiorany, Bartolomeo miaraka amin'ny antsy noho ny fanendahana ny hodiny raha nampijaliana izy, Jaona miaraka amin'ny kalisin’ny Paska, Petera miaraka amin'ny fanalahidin'ny ny Fanjakana, Paoly miaraka amin’ny sabatra fony izy Saoly, Jakoba zokiny nitondra ny tehina sy ny satroborin’ny fivahiniana masina, Andrea niaraka tamin’ny hazo fijaliana miendrika X nanantonana azy. Mazava ho azy fa tsy ao i Jodasy fa ny faha-12 amin’izy ireo kosa, izay miaraka amin’ny hazo fijaliana sy tànana loaky ny fantsika dia i Dimasy, ilay mpangalatra tsara fanahy, nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana teo Golgota niaraka tamin’i Jesosy ka nampanantenaiNy ny lanitra.

Manaraka eo ambany dia ireo anjely dimy izay mitazona tsirairay avy ireo fitaovana nampijaliana an'i Jesosy : ny hazo fijaliana, ny tsanganan’andry nikapohana an’i Jesosy, ny volotara namatorana ny spaonjy misy vinaingitra, ny rotsa-kazo sy ny karavasy, ny satroka tsilo sy ny fantsika.
Milahatra amin’ireo anjely fa erý ambany indrindra ankavanana : ny devoly miaraka amin'ny amponga sy trompetra, manome ny ngadon'ny diabe ho an'ireo voaozona ho any amin'ny helo. Misy zohy mirehitra eo ambanin’ny tongony, ka i Jodasy miaraka tamin’ny kitapokely misy farantsa telopolo io ao anatiny io.

 

Eo amin’ny afovoan’ny sehatra indray misy ny Arakanjely Misely mandanja ireo fanahy amin'ny mizàna. Tsara ny vokatra saingy manao fetsifetsy, manandrana manova ny vokatry ny lanja ho azy ny devoly : apetrany ao anatin’ilay vilia ilany ny tongony no manofahofa kibay izy. I Misely kosa misambotra azy amin'ny volombavany no manokatra ny kibony amin'ny sabatrany ka nipotsaka tao daholo ny taovany maloto.

Ao anation’ilay faritra feno vahoaka be ireo indray :

1- eo amin’ny ilany ankavanana : angonin’ny anjely ireo nitsangana tamin’ny maty ka voatsara ho mendrika ny lanitra. Misy mariky ny hazo fijaliana miloko mena eo amin’ny handriny, toy ilay ràn-janak’ondry nanamarihana ny varavarana sy tolànana voalaza ao amin’ny Eksodosy, toko 12. Manao akanjo fotsy izy ireo, izay fampahatsiahivana ny “akanjo fotsy” nanaovan’ny olom-boafidy teo anoloan’ny seza fiandrianan’ny Zanak’ondry.

Mandeha araka ny ambaratongam-pahefana sivily sy ara-pivavahana ny fidirana any. Ireo kardinaly sy eveka fantatra amin'ny satrok’izy ireo, ny mpanjaka amin'ny satroboninahiny, ireo mpitondra fivavahana sasany amin’ny satrok'akanjony. Ireo manampahefana ao Berne, izay mifikitra mafy amin’ny fitiavany ny faritaniny dia nanamafy fa ny ben’ny tanànany (bürgmeister) izay fantatra amin’ilay sarina orsa, mariky ny tanànan’i Berne dia mankany an-danitra fa tsy toy ny ben’ny tanànan’i Zurich izay anisan'ny voaozona.
Ao amin’ny antokon'ny olom-boafidy dia ahitana ny solontenan'ny mpanorina ny katedraly sy ny vondron’ny mpiasa, izay fantatra amin'ny alalan'ny fitaovana fampiasan’izy ireo (antsy fijinjana sy fikosoham-bary, famaky, tantanana, hareza, sns). Ao koa ilay masera miaraka amin'ny ankizy ao anaty fandrian-jaza, mariky ny akanin-jaza karakarainy (Kindergarten), ireo mpanjakavavy, ary ilay olom-boafidy iray izay avotry ny anjely teny am-pelatanan’ny devoly tamin'ny fotoana farany.

Manao valala manjohy izy ireo hiditra ny varavaran’ny Lanitra, ambenan’ny anjely roa. Ny voalohany miditra ao dia ny Papa miaraka amin'ny satro-boninahiny, arahin'ny ambaratongam-piangonana ambony indrindra.

Ny paradisa dia toy ny lanitra manga feno kintana ary efa any ireo patriarka sy olo-masina izay mora hay araky ny marika famantarana azy ireo : i Mosesy (miaraka amin’ny vato fisaka misy ny Didy Folo) sy Davida Mpanjaka (miaraka amin’ny harpa), i Masimbavy Cathérine avy any Alexandrie (miaraka amin'ny kodiarana nampijaliana azy), i Masimbavy Barbara (miaraka amin'ny tilikambo, mariky ny fonja nitazonan-drainy azy), i Masimbavy Claire (miaraka amin'ny “ostensoire” misy ostia), i Masimbavy Dorothée (miaraka amin'ny harona misy voninkazo sy voankazo,  mariky ny fahagagana nataony an’i Théophile ka nampitodika azy amin’Andriamanitra), i Masimbavy Marina (miaraka amin'ny dragona izay nalefa handrapaka azy tany am-ponja), i Masindahy Sébastien (miaraka amin'ny zana-tsipìka nandefonana nefa tsy nahafaty azy), i Masindahy Laurent (miaraka amin'ny fitonoana hena mariky ny nampijaliana azy tambony afo).

2- Ao amin’ny ilany ankavanana indray ireo devoly mampijaly ny voaozona amin’ny kaikitra, sy mandetika ny hohon-tanany sy ny rantsan-tongony amin’ny nofon’ireo. Tsy lazaina intsony ny fampijaliana amin’ny fandroritana amin’ny tady sy rojo vý, ny fikapohana amin’ny hazo,  ny fandoroana amin’ny labozia, ny famiravirana amin’ny sabatra, lefona sy ny sisa.
Mety ho samihafa ny antony nahatonga ny fanamelohana ho any amin'ny helo. Ao ny tsy fanajana ny Didy Folo toa ireo olona telo nahantona tamin’ny lelany, nodorana teo ambanin’ny tongotra, fa angamba niteny ratsy an’Andriamanitra ; toy izany koa ilay vehivavy maty ny nonony, voasazy noho ny namonoana ny zanany kely. Ao ireo meloka noho ny fahotana mahafaty fito : toa ilay pretra sy  ilay sakaizavaviny, ireo nivadika tamin’ny voady nataony ka manao ho fitadiavam-bola ny famelana ota tokony ho ataony amin’ny maha-pretra sy relijiozy azy ka voafatotra sy notaritaritina ho any amin'ny helo. Ao koa ireo manampahefana ambony manararaotra sy miavonavona. Ireo tsy manaja ny asany toy ilay mpanao asa-tànana nanao ratsy ny asany, ny mpivarotra namitaka ny lanjan'ny mizàna, ilay nisoloky ho mpanamboatra kitron-tsoavaly, eny, hatramin’ny mpangataka sandoka.

 

Mitohy midina eo amin’ny tapany ambany isika ka eo afovoany, ambanin’i Misely Arakanjely ny sarin’ny Hasin'ny Fahamarinana (Vertu de la Justice) : milamina endrika, malefaka ary kanto. Mitàna sabatra ny tànany havanana ary mizàna eo amin’ny havia. Misy anjely roa eo ankavia sy ankavanany. Efa tamin’ny taona 1575 anefa vao napetraka teo io Hasin’ny Fahamarinana io, taorian'ny "Fanavaozana protestanta", fa sarin’i Maria Virjiny no teo talohan’izay.

Eo ambaniny eo misy mpanao asa-tànana roa mitazona hodi-biby mivelatra, ka ny daty nametrahana ny vato fototra tamin’ny taona 1421, tamin’ny nanorenana ny eglizy no voasoratra ao.

Manaraka azy eo ambany ireo Virjiny folo : ireo virjiny hendry 5 nitondra fanala sy solika avy eo an-kavia ary ireo virjiny adala 5 nitondra fanala fa tsy nitondra solika avy eo ankavanana, fanoharana ny amin’ny andro fitsarana, izay ho avy tampoka sy ny fisarahan’ny olom-boafidy amin’ny voaozona.

 


Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article