Ny 'Sala del Conclave' ao Viterbo

Nampidirin'i ikalamako | 7 Jol, 2022

 

Miezaka ihany aho mampiditra ato anaty blaogy ireto vohitra sy tanàna manan-tantara notsidihanay sao mba mahasoa anareo tia zaha-tany ka any Viterbo no itondranay sy ity zandrikeliko ity anareo eto. Tantara iray anatin'ny tantaran'i Viterbo ihany anefa izy ity fa mbola betsaka ny tsara ho fantatra momba azy.

Viterbo dia nantsoina ihany koa hoe "Tanànan'ireo Papa" satria tany no foibe nisy ireo Papa nandritra ny 24 taona, nanomboka tamin'ny antsasaky ny taonjato faha-XIII, araka ny fanapahan-kevitry ny Papa Alexandre IV. Ny trano fonenan'ireo eveka teo akaikin'ny katedraly ihany noho izany no nohatsaraina natao fonenan'ny Papa. Isan'ny fanitarana natao amin'ny andron'i Papa Clement IV koa ny nanorenana ny "Sala del Conclave" sy ny "Loggia della Benedizione".

Ny "Sala del Conclave"  dia io efitrano lehibe io izay natao fandraisan'ny Papa vahiny manan-kaja. Fa tao ihany koa no nifidianana ny ho Papa Ray Masina hitondra ny eglizy katolika romana. Ka ny voalohany sy manan-tantara dia ny fifidianana izay handimby an'i Papa Clément IV, nodimandry ny 29 novambra 1268. 

 

Izay no fifidianana Papa lava indrindra teo amin'ny tantara satria dia naharitra 2 taona sy 8 volana (1006 andro) ny fahabangan'ny seza fiandrianan'ny Papa. Ary izay no nitondra ny fanaovazana tamin'ny fanatanterahana ny Fifidianana Papa ka nahatonga ny "Conclave" fantatsika ankehitriny.

Ankoatra ny fizarazaran'ireo kardinaly nivory tao manko, satria samy nanana ny antokotokony sy ny tombotsoa arovany avy, dia nisy antony hafa ihany koa nampitarika ela ity fifidianana ity :

- 20 ny isan'ny kardinaly am-perinasa tamin'izany saingy ny iray dia tsy afaka namonjy ny fifidianana satria niondrana an'ady araka ny antson'i Louis IV hiatrehana ny silamo (croisade) ary matin'ny aretina pesta tany.
- tamin' ireo 19 nandray anjara tao indray dia nisy iray nametra-pialana noho ny fahosany sy ny fahanterany. Ary nisy kardinaly roa nodimandry nandritra ny fotoam-pifidianana.

Leo ihany ny mponin'i Viterbo noho izany fitarozahan'ny fifidianana izany satria mbola izy ireo koa no niantoka ny sakafon'ireo kardinaly. Hany ka nohidiandrizareo tao amin'io efitrano lehibe io izy ireo nanomboka tamin'ny volana mey na jona 1270. Izay no nahatonga ilay anarana hoe "Conclave" - nohidiana "cum clave", teny latina midika hoe "miaraka amin'ny fanalahidy".

 

Nataon'ny mponina zay hahanoana azy ireo ka noferany ny habetsahan'ny rano fisotro sy ny sakafon'izy ireo ary nesoriny ihany koa ny tafon'ny trano mba tsy hampahazo aina ireo kardinaly.

Efa ny voalohan'ny volana septambra 1271 vao nahita marimaritra iraisana izy ireo ka i kardinaly Tebaldo Visconti no voatendry ho Papa ary Grégoire X no anarana nentiny.

Rehefa voafidy ny Papa vaovao dia mivoaka ny efitrano ireo kardinaly ary mankeo amin'io lavarangana tsara tarehy antsoina hoe "Loggia delle Benedizioni" io. Eo no ambara amin'ny vahoaka hoe nahazo Papa vaovao : Habemus Papam !
Ary avy eo no hanomezany ny tso-drano ho an'ny vahoaka.

Mba tsy hiverenan'izay intsony dia noraisina ny fanapahan-kevitra tamin'ny taona 1274 fa mitokana sy mihidy amin'ny "conclave" mandritra ny 8 andro ny kardinaly rehefa hifidy Papa ka raha tsy mahafidy amin'izay dia ahena ny sakafo sy ny rano fisotro.




 

 

 

Ny fantsakan'i Masindahy Patrisy ao Orvieto.

Nampidirin'i ikalamako | 12 Jan, 2018

Ao afovoany andrefan'i Italia, ao Orvieto, no mba itondrako kely anareo amin'ity blaogy ity, hampahafantatra lava-drano fantsakana iray :  ny "Lava-dranon'i Masindahy Patrisy". Tsy misy idirany amin'ity olomasina irlandezy ity ny anarany fa angamba nalaina tamin'ny tantarany, izay nanokana toerana fisintahana sy fivavahana tany ambanin'ny tany tamin'ny antsasaky ny taonjato faha-18 tany. "Lavadranon'ny manda" no tena anarany tany am-boalohany noho izy tsy lavitra an'i Rocca Albornoz, izay tanàna misy manda fiarovana.

Tamin'ny taona 1527 no natomboka ny fanorenana azy, ary efa ny taona 1537 vao vita. Izy ity dia isan'ny hahitana taratra ny fahaiza-manaon'ireo italianina amin'ny sehatry ny asa vaventy izay mampalaza azy ireo tokoa (làlana, tetezana, tao-trano). Raha ny fantsakana mahazatra manko dia asiana tady ny siny fanovozana dia iny no alatsaka any ambany any dia sintonina miakatra avy eo, fa ity kosa dia misy tohatra roa miolikolika - ny iray natao hidinana ary ny iray natao hiakarana,  mba tsy hampifanjevo ny mpantsaka. Ampondra no nentina nantsaka tamin'izany satria 54 metatra ny halalan'ilay lava-drano ka tsy mora ho an'ny olombelona ny hiakatra ireo zana-tohatra 248 miaraka amin'ny siny feno rano (fa azo atao ihany raha te hanabokona aloha e).

 

'Ireo Tany Dimy' ao avaratra-andrefan'i Italia.

Nampidirin'i ikalamako | 27 Mar, 2017

 

Eto am-pampirimina ireo sary maro loatra anaty solosaina aho no nanapa-kevitra hoe maninona moa raha zaraina anaty blaogy ny resaka fizahantany sao mba mety hanintona sy hahasoa ny hafa ihany.

Tsy voatery handany vola be tokoa manko vao mahita tany fa afaka ampiarahana ny mahasoa sy ny mahafinaritra. Tsy voatery ho ny vahiny avy any ivelany ihany koa no mihazakazaka mizaha ny toerana mahafinaritra fa ireo tompon-tany ihany koa. 

Ka raha sendra manana fahafahana mandalo any Italia avaratra-andrefana ianao na dia faran'ny herinandro fotsiny ihany aza, dia mba misy toerana iray mahafinaritra ity : Le Cinque Terre, na Ireo Tany Dimy dia MonterossoVernazzaCornigliaManarola ary Riomaggiore. Marihiko fa teny italianina fa tsy frantsay akory io anarany io fa mitovy firazanana moa ireo teny roa ireo ka mora aminareo ny maminany azy.

Italia dia saikanosy lava mahia izay nefa dia mbola bahanan'ny tangoron-tendrombohitra roa miavaka tsara izy dia ny Alpes izay mahasarona amin'ny sakany iray manontolo ny tendrony avaratra ary ny Apennins izay manivatsiva ny halavany iray manontolo, avy any avaratra ka hatrany amin'ny tendrony atsimo. Ka Le Cinque Terre dia tànana (tany no fiantsoana azy tamin'izany andro izany) miorina eny amoron'ny ranomasina Méditerranée saingy antsefatsefan-tendrombohitra ihany koa. Tsy mifanalavitra izy dimy ireo ary misy fiarandalamby sy arabe ihany koa mampitohy azy.

Ny tena tsara ho fantatra dia azo tsidihana tsara anatin'ny indray andro izy dimy ireo fa ny ilaina fotsiny angamba dia hoe manana toerana hatoriana iray alina eo amin'ny manodidina eo satria amin'ny maha-toerana manintona mpizahatany azy dia lafo ny saran'ny hotely ao. La Spezia ny tanàn-dehibe iray tena akaiky azy, fa izahay aza moa sendra nanao adidy tany Gênes no nanararaotra nankany. Napetrakay tamin'ny tanàna kely iray taty alohaloha ny fiara dia teo izahay no nandray fiarandalamby ary mifanohitra amin'izay nony hariva satria mbola niverina nody tany Gênes izahay.

Misy lalàn-tany (Sentieri, hoy rizareo, Sentiers hoy ny frantsay) mampitohy ireo Tany Dimy ireo, saingy taorian'ny tondran-dranobe tamin'ny taona 2011 izay nandrava zavatra betsaka tamin'ireo tanàna ireo dia misy ireo tsy mbola nisokatra tamin'izahay tany tamin'ny taona 2015. Fa raha manao iray amin'ireo fotsiny ihany aza dia tena efa zava-dehibe : 3 km manitsavitsa ala kirihitra, tanimboly (voatabia, voaloboka sns), miakatra sy midina tany kisilasila mandritra ny adiny iray eo ho eo. Ankoatra ny fotoana hakana aina, hankafizana ny hatsaran'ny zavaboary manodidina, ranomasina sy zava-maniry, hakana sary ihany koa. Sady fanatanjahantena no fahafinaretana no rivotra madio antoky ny fahasalamana e. Rehefa vizana manao besorongola dia afaka miakatra sy midina fiarandalamby amin'izay. Misy iray amin'ireo Tany mitirintirina eny an-tampon-kavoana, raha eny amoron-dranomasina ireo 4 sisa. Azo atao tsara ny miakatra tohatra mankeny raha mbola mavitrika fa misy ihany koa ny fiarabe mitatitra ireo mpizahatany.

Ka ny atao izany raha ho any dia mividy tapakila ho an'ny iray andro ka tafiditra anatin'io ny saran'ny fiaradalamby na impiry hiakatra sy hidina eo ianao anatin'ny indray andro, ny saran'ilay fiarabe mpitatitra miakatra eny amin'ilay tanàna iray an-tampon-tendrombohitra, ny saran'ny fidirana ireo lalàn-kely (eny, satria toy ny toerana be mpizahatany dia mila fikojakojana izy ireny). Izany hoe manatomboka tapakila iray eny am-piandohana ianao dia tsy mila miasa saina intsony.

Misy koa anefa safidy iray, dia ny fandehanana sambokely fa tsy fiarandalamby. Amin'izay dia avy any an-dranomasina ianao no maka fafiny mijery ireo Tany raha avy teny amin'ny Tany ianao teo no nijery ranomasina.

Na lanaka tanteraka aza ny hariva dia tsy heno akory izany fa efa nahazo ny anjarany ny maso sy ny saina. Asa iza loatra no namorona ny teny hoe fialan-tsasatra fa maika mahazo hasasarana rehefa fotoam-pialantsasatra satria mandeha mizaha tany - hihihi. Tokony hoe fiatoana amin'ny asa sy fialana amin'ny isan'andro mahazatra.

Ireo tahirintsary moa izany dia misy Dimy arakaraky ny Tany ka tsindrio isaky ny sary dia entiny any amin'ny pejy ianao.
Mahazoa fahafinaretana !

 

Monterosso al Mare :

Monterosso al Mare

********

Vernazza :

*********

Corniglia :

*********

Manarola : 

************

Riomaggiore :