Efa saika lavareny teto amin'ny sehatry ny serasera.org ity Roma III. Ambohipihaonan'ny namana manko teto Roma - andiany fahatelo izao - nanomboka ny 11 ka hatramin'ny 15 aogositra lasa teo.
Tsy hay ny tsy hisaotra an'i hery sy angie izay atidoha niketrika ny fandaminana rehetra. Fa isaorana indrindra koa ireo namana tonga niara-paly sy nifankahalala, rehefa avy nifandray tamin'ny alalan'ny virtoaly. Tao izany i ds ombam-pianakaviana avy any Strasbourg, i bilaky mianaka sy i tritriva mangamaso avy ao Paris, i mimosa avy any Grenoble. Dia nanampy isa ihany koa ny namana malagasy vitsivitsy eto Italia, tao ny avy tany Livourne, ny avy tany Gênes ary ireo avy tany Naples ary ireo namana vitsivitsy eto Roma, anisan'izany i colar.
Dia izahay eto an-toerana nandray ny vahiny moa dia nisy an'i hery sy angie ary ikalamako ombam-bady aman-janaka avy, tao koa i mbaliana ary i hervé - ombam-bady ihany koa - isan'ny nikirakira ny RVG tamin'izany.
Korana sy hehy no nafotaka tao anatin'izay dimy andro izay. Tahatahak' izao ny sombitsombiny fa ny rehetra kosa dia efa natambatra sy mbola hatambatra ato avokoa : Roma III
namana ireo....
Ny 11 aogositra no nanomboka tonga ny vahiny,

ka dia efa nanomboka koa ny fizahan-tany
...

Tonga ihany koa ny andiany manaraka,

Ora fisakafoanana hariva :

dia tsy maintsy asiana fihinanana glasy aorian'ny sakafo fa mafana loatra ny andro :

Tao anaty fandaharam-potoana ny hilanona kely indray takariva :


ankoatra ny afindrafindrao tsy azo avela dia tsy hadino koa ny mofomamy mitam-pihavanana :


sy ny sarim-pianakaviana kely 

Ny ampitso indray dia vonombonona maraina daholo 

satria nanapa-kevitra ho eny amorom-parihy,

dia natao daholo izy azo natao teny : ny fihinanan-kanina,

ny ganagana kely moa tsy tana vao mahita rano


ny ganagana be koa toa izany,

ny tena ganagana koa moa miselontselona mivezivezy eny ihany, mampahatsiahy fa izy ireo no tompon-drano 

ary izay tsy mahay milomano na kamo milomano na vizana milomano dia mivazo:

Dia notohizana tany an-tranon'ny namana ny takariva satria tsy nisy fatana nahafahana nitono hena intsony teny amorom-parihy fa nesorin'ny fanjakana ho fitsinjovana ny kirihitra tsy ho may,

ka dia mitohy ny kaly sy ny vazo sy ny dihy sy ny toko resaka

Na dia nisy aza ny nivoaka alina (fanindroany ho an'ny sasany
) dia mbola tafafoha tsara ihany ny ampitso maraina, andro fiaingan'ny hody. Efa nisy aza moa ireo efa lasa maraimbe.

dia raikitra indray ny ketrika fa hirodorodo...

...hirodorodo hisakafo any amin'ny snou alohan'ny hamonjen'ny sasany fiarandalamby, sy fiaramanidina ary ny làlana mody mianatsimo.

izany rehetra zany dia tsy maintsy faranana amin'ny lelaka glasy
fa izay no maha-Roma an'i Roma

"ary etsy hasiana sary farany alohan'ny hifamihinana hifanaovana veloma !"

TAPITRAAAAAAAAA....miandry fihaonana manaraka indray, veloma madinidinika e 
Niherina ny andro nandehanana tany Parisy nanaovana ilay hetsika entina manohana an'i Shoan izay miady mafy amin'ilay foza ratsy.
Mbola izay aloha zao no kotaba eny rehetra eny aminay namana niara-nanomana azy iny. Efa nentin'i Hery teto ihany moa ny fihetseham-pony tamin'izany.
Lasa kely fotsiny ny saiko androany ka nahatapa-kevitra ahy hizara izany ato amin'ny blaogiko ihany koa. Hoy ny eritreritro mandalo hoe "na efa mahazo vahana aza ny haratsiana - na toetra, na fanao, na zava-mitranga eo amin'ny tontolo, sns - dia toa mbola mahavelombolo ihany ny mahatsapa fa mbola mitombina ihany ny ohabolan-drazana hoe "ny soa atao levenam-bola" aty amin'ny taona 2010", satria indro fa navalin'ny namany sy ny manodidina azy amin'i Shoan tokoa ny soa sy ny tsikitsiky nentiny ho an'ny tsirairay hatrizay raha tonga izao ny fotoana ilany izany.
Tsy ny tanjona ara-bola nentina natao solom-boankazo ho azy ihany no tratra tamin'iny hetsika iny, fa ny fidodododon'ny rehetra dia nanafana ny fony tokoa ka nanome tanjaka sy hery azy hiady sy hihoitra hatrany fa tsy hiraviravy tànana.
Dia hifampisaotra daholo ihany moa isika rehetra mpifamoivoy eto amin'ny tontolon'ny aterineto, satria dia na tany amin'ny facebook aza no nitsirian'ilay hevitra dia nanao soroka niara-nilanja sy tongotra niara-namindra tao daholo ihany isika rehetra na ny avy tao amin'ny facebook, na ny tato amin'ny serasera, na ireo vohikala sy onjampeo isan-karazany misahana ny tontolontsika malagasy mahalala sy niara-niasa nivantana tamin'i Shoan na tsy mahalala azy akory aza fa nahare ny momba azy fotsiny satria misy ny namana iraisana na nentanin'ny firaisan-kina tsotra izao.
Izy sy ny fianakaviany moa dia mampita ny fisaorana sy fankatelemana ny rehetra naneho sy maneho ary mbola haneho firaisam-po amin'izy mianakavy amin'izao fotoan-tsarotra izao.
Na dia tao Parisy aza no natao ny korana dia nisinisy ihany ny namana avy any amin'ny faritany : Lille, Troyes, Dijon, Bretagne, Amiens, Rouen,Toulouse, niampy anay sy Hery avy aty Roma ary namana iray avy any Athènes.
Ka misy sary vitsivitsy ihany satry hozaraina aminareo (azonareo tsidihana koa ato) ary ny azonareo vakiana ato kosa ny fisaorana sy tatitra fohifohy momba ny fizotra sy ny vokatr' iny takarivam-pikoranana iny.
Ny toerana nananaovana ny korana

eny iky rankizy, tonga ity ilay andro lehibe...faly hanao adidy sady faly mifankahafantatra 

namana ihany, namana hatrany 
Arison Jaha, Olombelo Ricky ary Edgard Ravahatra : tsy afaka nijanona moa izy ireo kanefa nitondra ny anjara-birikiny.
be kenonkenona...sa manao PV ?

kabary fandraisana sy fisaorana.

ireo vahiny.
hanomboka ary ny korana...
ny afindrafindrao tsy azo avela.

afa-po ny mpikarakara fa tratra ny tanjona nokendrena 
tsisy miala ambony pista an.. ahintsano pousiera...

eo r'ingahy Dj a, mbô asio kilalaky indray klou e 

efa any amin'ny karaoké indray izao ka samy mihira amin'ny fo an...

Teto izahay niara-niredona ny hiran'i Michel Fugain hoe "Je n'aurai pas le temps".

Cin Cin akia Shoan a, mirary fahasitranana e !
Ao anaty vahoaka ao daholo ry mimosa , raozigasy, sipagasy, oully, hery, rawestern ho an'izay mpitsidika ny dailymotion, bilaky, tritriva mangamaso, rakaroka, fahamarinana, infinity ary ikalamako mazava ho azy
§§§§§§§§§§§§§§§§§§§§§§§§
Ny ampitso izahay nisy 9 mianadahy nidina namangy azy tany Rouen nitondra ny vokatra ka io izy mbola feno tsiky na dia reraka aza ary manao mampamangy ny blaogasifera...
Mankasitraka ny rehetra hatrany : ny atidoha nikotrika, ny mpiara-misalahy, ny mpanotrona, ny ao amin'ny restaurant, ny mpamily ny lafiny fitsinjahana, ny mpaka sary rehetra ary Shoan nampiray antsika ! Onera be daholo ny lany dia afaha havizanana daholo e.