"Efa diva hanao veloma Ka manala ny alahelony Izato volam-pararano"
Dox
Hira tena tiako fony izaho mbola zaza nitombo ka hatramiizao an-dalam-pahanterana izao ity hiran'i Pauline Rabehasy ity. Izaho moa tsy dia naharaka na nankafý loatra ireny hira vahiny ireny, ka raha ny ankizy variana tamin-dr'i Scorpion sy ry Bangles, izaho mbola nianoka tanteraka ny kalon'ny fahiny.
Sary tamin'ny fanendrena kardinaly vaovao tamin'ny volana jiona 2018 teo ity. I zoky Kardinaly sy ity zokiko ity dia isan'ireo nahalala ahy nanomboka teo amin'ny fahaadolatsentoko satria zokibe tao an-trano izy ireo nanomboka tamin'izany fotoana izany.
Vao nahita ahy nitsena azy teny an-tseranana izy dia vaky vava hoe "tena ohatran'ny mahita sy mahare an'i maman aho aminao". Nampiako ity izaho nitafy lamba tamin'ity fotoan-dehibe nanendrena ho kardinaly an'i zoky Dezy ity dia tena nitamberina taminay telo mianadahy ny 35 taona lasa.
Fa ity pika sary ity apetrako eto satria dia nitsatoka tany amin'ny ati-fanahiko ny fanamarihana sy fanontanian'i zoky teny antsefatsefan'ny fifalianay teny : "Zandry a, misy alahelo manaloka ny fiainanao. Afaka zarainao amiko raha tianao."
Indroa be izao ilay fanontaniana no nipetraka isaky ny mahita hirika izy satria fifalian-dehibe tanaty efatra andro no nihaonanay ka tsy dia nisy nivalamparana.
Hitany fa nandainga aho. Hitany fa nitelina ranomaso aho. Hainy koa anefa aho. Hainy ny toetrako. Hainy fa akora ety ivelany fotsiny ity izaho be ati-doha ity fa marefo toy ny kristaly aho ao anaty ao.
Isaorako azy ilay fanajany ny fahanginako. Tsaroako amin'ity sary ity ny Fitiavana be mamehy anay mianakavy.
(Tsy teto izy no nanontany fa antony hafa indray ity fihinay mianadahy ity. Mitovy toetra izahay mianadahy fa izy mazava fo sy avy hatrany dia milaza zay tsy zakany fa tsy toa ahy.)
Rahampitso maizim-bolana, hoy i neny taminao Hanainga antsokosoko isika, haka sambo ka handao Ity tany feno ady, ravaravan'ireo baomba Ho any an-tany lavitra any, hanovo fiainam-baovao.
Onjan-drano, oran'andro, haizim-pito no sedraina Hafanana mahaana mila hahafaka aina Ilay vary iray fonosana natao vatsy efa lany F'ilay faravodilanitra mbola tsy tazana ihany
Andro firy izay no lasa, sa vao omaly no niainga ? Kely sisa dia ho tonga, hoy i neny toa mandainga Fa ny ranomasonao toa ritra, ny molotrao nihanangina Dia naronjonao tan-tratrany ny lohanao makiana
Dia nitsangana i neny, niova toera-nilasiana Tsy nalàny teny an-tratrany ilay vata-mangatsiaka Ny nijery mbola nihevitra fa torimason-jaza Fa raha hain'ny tompon-tsambo, omeny trondro ianao ho haza
Fa nihantsona ny sambo, tody ihany tan-tseranana Dia natolotry i neny ireo mpitsena ilay zanany Efa simban'ny hain'andro sy ny rivotra sy orana Ka dia vata fotsy sisa no handriany am-piadanana.
2 aogositra
(loharanon'aingam-panahy : TATO. Efa nodimandry andro vitsivitsy ilay zaza fa nafenin-dreniny teny an-tratrany foana satria raha hitan'ny hafa dia asaindrizareo avalana any an-dranomasina )