Andron'ny Fifankatiavana, 30 jolay

2016-07-30 @ 10:36 in Ankapobeny

Tsy asiana tatasiaka be fa sady tsy ampy na ny teny na ny sary na ny fotoana, no sao hivoaka ny foto-kevitr'ilay Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fifankatiavana androany (sa moa Finamanana no tokony ho izy ?) Tongue out

 

Folaka

2016-07-09 @ 09:44 in Ankapobeny

Isan'ny hira tena tiako hatramizay izy ity, toa angorodaon'i Regis no manaraka azy raha tsy diso ny fitadidiako ny tany amin'ny taona 80.
Elabe tsy re i Liva ka izao indray vao miverina an-tsehatra, niaraka tamin'i Olombelo Ricky tao amin'ny Palais de Sport teo ka asa na isan'ny averiny hohiraina ity. 

 

Vita indray aloha ny revy "Tavamboky"

2016-07-07 @ 22:51 in Ankapobeny

 

Tsy be famisavisana, tsy be fandanjalanjana. Tsy asiana jery todika, tsy asiana famintinana. Noraisina ny fanapahàn-kevitra fa hovonoina tanteraka ilay takelaky ny tena atsy amin'ny tambazotra "facebook". Tsy nandany ora maro fa raha vao hita hoe izay no vahaolana dia nampiharina.

Afaka iray volana dia ho feno 8 taona ny nonenana tany, mba ampy kosa angamba izay o ?
Afaka miverina miserasera sy mitoraka blaogy tsara, afaka miverina mijery tantara mitohy sy vaovao an-tsary amin'ny fahitalavitra, sns.
Tsy nasiana resabe, izay naharay fampilazana dia tsara, izay tsy naharay dia hahare amin'ny hafa ihany atsy ho atsy. Tsisy azo hamerenana ny fanambarana rahateo fa dia zay zany !

Novonoina fa tsy nohidiana. Izany hoe na miverina mamoha trano any aza aho dia tsy afaka hiditra intsony, sady tsisy n'inon'inona intsony ao fa nasaiko nofafany daholo. Tsy nangataka tahiry aho fa atao inona tokoa moa !

Fony tsy tany 8 taona lasa izay, toa nety ihany ny fiainana k'ty ! Cool

 

Mamo ny foko.

2016-07-06 @ 23:47 in Aingam-panahy

 

...mba dizina koa indraindray Embarassed

 

Mamo ny foko



27 desambra 2014

calendar
« Jolay 2016 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
31            
Rohy
  • Namana