Ny afotroa Vesuvio tamin'ny taona 79

Nampidirin'i ikalamako | 25 Aog, 2021

 

Ny 24 aogositra 79 no daty iray tena nanamarika ny tantaran'ny volkano Vesuvio noho ny hamafin'ny fipoahany ka nandrava tanteraka ireo tanàna manodidina azy dia i Ercolano, Pompei, Stabia ary Oplontis, noho ireo ranok'afotroa sy ny karazam-bato nanarona ireto tanàna.

Ny nahafahana namantatra io daty io dia ny tahirin-tantara nosoratan'i Plinio-ilay-tanora : "Nonum kal septembres" hoy ny filazany, izany hoe 9 andro talohan'ny volana septambra. Mpisolovava sy mpahay lalàna ary mpanoratra tamin'izany fotoana izany izy, zana-drahalahin'i Plinio-ilay-antitra. Ity dadatoany ity, izay mpanoratra sy lehiben'ny komandin'ny tafika, dia isan'ireo namoy ny ainy tamin'io loza io, sempotry ny entona sy ny lavenona naparitaky ny volkano raha handeha hamonjy ny namany.

Na izany aza dia nanao fanamarihana ihany ireo mpahay tantara tatý aoriana, rehefa nanao fikarohana tao Pompei, fa mety ho ny volana oktobra no tena sarona tanteraka ilay tanàna satria ny akanjo nanaovan'ny mponina dia efa somary mafanafana fa tsy maivana kely toa ny rehefa volana aogositra.

Isan'ny volkano araha-maso tsy miato i Vesuvio na dia "mandrimandry" aza izy satria izy ihany no volkano anaty kaontinanta raha eto Eoropa (i Etna sy Stromboli dia eny amin'ny nosy avokoa) ary feno mponina manodidina azy.

Taorian'ity fipoahany tamin'ny taona 79 ity dia ny 1631 no taona nampitroatra mafy azy indray. Teny an'elanelany teny dia nifoha sy nandravarava ihany izy. Fa nisy fotoana kosa dia natory nandritra ny 300 taona. Indraindray dia mamoaka entona fotsiny izy ao anatiny ao ary tamin'ny 1944 no nipoahany farany.

 


Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article