Antananarivo-Antsiranana, mandroso fotsiny.

2017-01-26 @ 20:03 in Fahatsiarovana

 

 

♫ ♪ Ô izany diany mahitsy hatrany re ho any Aminao
Fa ny hany tiany ka ho tompoiny anie dia Ianao ♫ ♫

Hoy ny zanany lasa nanatitra azy any hoe : 

 

Lavitra sy sarotsarotra ny làlana sady niampy ny fijanonana kely isaky ny tanàna misy ireo Ondriny : Antsohihy, Befotaka, Ambilobe, Ambanja. 

Ny alarobia 25 janoary tamin'ny folo ora alina vao tafapaka tany amin'ny farany avaratry ny Nosy, raha niala tany Antananarivo ny talata 24 janoary maraina.

Any izy no hody ho vovon-tany. Tsy any amin'i dada, tsy any amin'i neny fa eo anivon'ireo izay nahafoizany tena ka nekeny ho tompoina nandritra ny 30 taona.


 

 

Zoma 27 tolakandro : 

 

 

 

♫ ♪ Tsy manahy tsy maninona
Soava dia, dia ho ambinina ♫ ♫ 

[Olombelo Ricky]

 

 

 



Verindrohy (trackback)

calendar
« Febroary 2026 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
Rohy
  • Namana