Karaborosy tsy minday pasazy mandeha an-dafy.

2018-09-06 @ 18:27 in Ankapobeny

 

Toran'ny hehy erý aho tamin'ny faran'ny herinandro teo fa sady nitaiza zana-bazaha kely aho tato no nanamboatra ity horonantsary ity : https://youtu.be/gmdPzE5OEfc

Nanontaniany aho hoe amin'ny fiteny inona izany hira izany ? Novaliako izy hoe amin'ny fiteninay, fiteny malagasy. Fa inona no lazainy ? Dia nazavaiko azy hoe nalahelo izy teny ambony fiaramanidina. Fa ho aiza izy ? hoy ihany rabefanontaniana. Hody hono, hoy ihany aho namaly sady somokotra namita ilay horonana. Angaha ianareo, hoy izy, mandeha fiaramanidina rehefa mody any Madagasikara ? Fa tadiavinao handeha inona izahay ? hoy aho taminy. Mandeha amin'ity, hoy izy, sady lasa izy nihazakazaka naka ity haingo-tranoko fataony kilalao ity.

Laughing Laughing Laughing Laughing  ianao, hoy izy, niteny hoe itony ny fandehananareo manao voaiazy  Laughing Laughing Laughing Laughing 

Verindrohy (trackback)

calendar
« Febroary 2026 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
Rohy
  • Namana