Fehezam-boninkazo ho an'ny Andriambavilanitra rehetra.

2007-03-08 @ 10:22 in Fanajana

Niova tokoa ny toetr'andro - ary mampanahy tokoa - fa raha izao no fotoanan'ny mimosa, dia efa tamin'ny tapaky ny volana janoary izy io taty aminay dia efa namony, ary efa an-dalam-pahamainana izy amin'izao.

Ka mba ho solon'ny mimosa atolotra ny Andriambavilanitra mifanerasera eto amin'ity toerana ity anio 8 martsa, dia indro fehezam-boninkazo tsara tarehy narindran'i Clarisse Ratsifandriamanana.

 

ATI-TSITRAKA HO AN’NY VEHIVAVY

 
Ny vehivavy ve ? – Moa tsy bikabika
Sady sarisarin’ny tany onenantsika ?

FA NY VEHIVAVY ROAPOLO TAONA 

No tanin’i Afrika tsy mbola notrandrahana,
Misaly zava-miafina, mpikaro-pahafahana.

NY TELOPOLO TAONA

No Inda – rentirenty manintona ho hanitra
Mirado rojovola, miravaka andriamanitra.

NY EFAPOLO TAONA

 No Eoropa mihetsiketsika anaty fandrosoana
Sy ny helatrelatry ny fiaina-manoloana.

NY DIMAMPOLO TAONA

Dia hipoka sy zina – tahaka an’i Amerika –
Tahiry saro-bidy ara-teknika.

 
NY ENIMPOLO TAONA

No velatr’i Rosia takarina hidirana,
Mpanavotra sahirana, kanefa manahirana.

 
NY FITOPOLO TAONA

No Nosy  mipariaka nomena fanambinana
Anti-mitanisa amboaram-bolan-tsinana.

NY VALOPOLO TAONA

No Tendrontany roa tsy takatra polorina,
Vaingan-dranomandry sarotra antomorina.

  

Clarisse Ratsifandriamanana 

 

( notsongaina tao amin’ny  amboaran-tonokalo Taratra)

 

 

 

Verindrohy (trackback)

calendar
« Febroary 2026 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
Rohy
  • Namana