Fehezam-boninkazo ho an'ny Andriambavilanitra rehetra.
Nampidirin'i ikalamako | 8 Mar, 2007Niova tokoa ny toetr'andro - ary mampanahy tokoa - fa raha izao no fotoanan'ny mimosa, dia efa tamin'ny tapaky ny volana janoary izy io taty aminay dia efa namony, ary efa an-dalam-pahamainana izy amin'izao.
Ka mba ho solon'ny mimosa atolotra ny Andriambavilanitra mifanerasera eto amin'ity toerana ity anio 8 martsa, dia indro fehezam-boninkazo tsara tarehy narindran'i Clarisse Ratsifandriamanana.
ATI-TSITRAKA HO AN’NY VEHIVAVY
Ny vehivavy ve ? – Moa tsy bikabika
Sady sarisarin’ny tany onenantsika ?
FA NY VEHIVAVY ROAPOLO TAONA
No tanin’i Afrika tsy mbola notrandrahana,
Misaly zava-miafina, mpikaro-pahafahana.
NY TELOPOLO TAONA
No Inda – rentirenty manintona ho hanitra
Mirado rojovola, miravaka andriamanitra.
NY EFAPOLO TAONA
No Eoropa mihetsiketsika anaty fandrosoana
Sy ny helatrelatry ny fiaina-manoloana.
NY DIMAMPOLO TAONA
Dia hipoka sy zina – tahaka an’i Amerika –
Tahiry saro-bidy ara-teknika.
NY ENIMPOLO TAONA
No velatr’i Rosia takarina hidirana,
Mpanavotra sahirana, kanefa manahirana.
NY FITOPOLO TAONA
No Nosy mipariaka nomena fanambinana
Anti-mitanisa amboaram-bolan-tsinana.
NY VAOLOPOLO TAONA
No Tendrontany roa tsy takatra polorina,
Vaingan-dranomandry sarotra antomorina.
Clarisse Ratsifandriamanana
( notsongaina tao amin’ny amboaran-tonokalo Taratra)