Roso an-tanin’olona fa hoe hila ravin’ahitra, hitady ny soa, handranto ny soa sy ny tsara, hahita faripiainana ambonimbony kokoa…

Dia mbola toa izany koa ireo nandositra ny ady atsy Afrika, niatrika ny onja mahery sy ny rivo-nifofo tanatin’ireo lakana sy sambokely,  nanao vy very ny ainy, nandositra ny ady sy fanenjehana any an-tanindrazany izay mivaivay amin’izao fotoana izao ka namonjy ny morontsiraka atsimo atsinanan’i Italia.

Eoropa paradisa sa Eoropan-disadisa ?

Misy ny vonona hifofotra tokoa saingy sao tsaratsara kokoa ny mifofotra any amin’ny tanin’ny tena tokoa e ? Aleo mahantra any an-tanin’ny tena hono toa izay mahantra aty an-tanin’olona fa atý toa sady efa mahantra no tsisy mpijery tsisy mpiantra akory.

Izany eritreritro lasa izany dia tsy inona akory fa mbola mahaontsa ahy ity ranamana iray somalianina ity. Asa na teraka sy lehibe teto izy, na mety ho zaza natsangan’olona fahizany, na tonga hitady ravin’ahitra, na tonga teto nanaraka ny ray aman-dreniny voatendry hiasa teto, na nalefan-dray sy reniny handranto fianarana na ahoana.

Taona vitsivitsy lasa izay no nahitanay azy isaky ny hariva etsy amin’ny sampanan-dalana etsy : tsy maintsy misy tavoahangy-na labiera  eny an-tanany dia miandry fiara mijanona amin’ny jiro mena izy hanasa fitaratra hono. Eo amin’ny valo ora alina eo no fanombohany “miasa” eo ary matetika amin’ny iraika ambin’ny folo alina izy mbola eo. Manasa fitaratra hono izy nefa ny andro maizina be, izy efa "vita ketsa"… kanefa mino aho fa tsy ny labiera no nahavizana azy fa zava-mahadomelina. Ny tenany tsy zakany moa zany fa dia mba io angamba no fanalany hamohamo. Tamin’ny voalohany izahay somary natahotra ihany, indrindra izaho rehefa irery mitondra fiara. Kanefa moa dia hita fa tsy mila vaniny ranamana fa rehefa atao izy hoe tsia aza sasana dia lasa izy miverina mipetraka eo amin’ilay vato nataony seza dia mitolona ny tavoahanginy na lasa saina irery eo.

Angamba izy io nivoaka tamin’ilay toby iray mpikarakaraka sy mpitsabo itony zareo domelin’ny zava-mavesatra itony (centre de récupération des toxico-dépendants) eo akaiky eo, kanefa mahagaga ihany raha dia izy irery no mivoaka eo.

Kanefa dia asa fa indray andro aho sendra nihaino vaovao tamin’ny onjam-peo no taitra fa nisy tovolahy vahiny maty novonoin’olona hono tao amin’ny zaridaina akaikin'ilay sampanana "fiasany". Ontsa be ny foko fa tonga dia azoko an-tsaina fa ilay ranamana io maty io. Asa dia inona loatra re ny antony ? nisy vola kely ve tany am-paosiny, sa niady tamin’olona ve izy sa nahoana loatra  fa dia tsy haiko moa.

Volana maromaro taty aoriana kosa dia nisy nametraka ity fahatsiarovana ity teo amin’ilay toerana “fiasany”, tena mba nahafinaritra sy nanohina ahy tokoa. Fomban-drizareo italianina manko (ny eto moa no haiko fa ny any an-kafa tsy fantatro) ny mametraka voninkazo, sary sy soratra amin’ny takelabato toa izao eo amin’ny toerana nahafaty ny havany na namany (toerana nitrangan’ny loza ohatra) ka asa na iza no namany mba nahavatra nametraka ity ho fahatsiarovana azy:

omaggio a Farah Ali Hassan Farah Ali Hassan
teraka tao Mogadissio ny taona 1954
maty nisy namono ny 20.09.2009
"Mandria ao amin'ny fiadanan'ireo Marina"
Namana iray

Asa, mety ho iray amin’ireo nikarakara azy tao amin’ilay toby ve ? Sa iray amin’ireo olona mpandalo amin’ny fiara eo isak'alina ka ontsa toa ahy ? Sa namany talohan’ny nampikororosy azy ? Asa loatra fa ny saiko aza mba nanana fikasana hametraka voninkazo eo indray andro any  saingy nenjehin’ny eritreritro aho hoe "fony velona izy tsy nanaiky aho ny hanasany ny fitaratry ny fiarako sitrany ahay na dia 50 centimes fotsiny aza mba mety ho nahafaly  azy ka nahoana no izao vao hamela voninkazo ho azy !".

Hany heriko dia nanokana ity pejin’ny blaogiko ity ho azy.

Handry am-piadanana izy na inona antony nampikororosy sy nampivary lavo azy toa izay na inona.

Sambatra izy mbola manana namana nahavita nandrakitra ny fahatsiarovana azy amin’ilay takelabato sy nanoratra hoe “mandria ao amin’ny fiadanan’ireo Marina”.