Aogositra : ampoka namana.
Nampidirin'i ikalamako | 30 Aog, 2008Izay angamba no azo amintinana ny volana aogositra nodiaviko tamin'ity taona 2008 ity.
Nanomboka tamin'ny :
12 aogositra : Glory sy ny feo mangany ; Valeria "mpamokatra" ny sangan'asany : namana fantatra tao amin'ny MySpace.


14 ka hatramin'ny 20 aogositra : ireo namana eto amin'ny seraseratebokaorg ; anisan'izany ihany koa ny mpanakantontsika nimpirimpirina tany ho any, fa soa fa nisy ny aterineto nahafantarana izay momba azy ankehitriny .




(P.S. : noraiketina ato kosa ireo horonantsary nirakitra io fihaonana io)
20 ka hatramin'ny 29 aogositra : Shoan, andrarezin'ny blog "Gasy Ka manja" (saingy indrisy, toy ny blaogytebokaorg-n'i sefo Hery dia vizana koa ireo takelaka blog iadidian'io vohikala io) sy Davina.




§§§§§§§§§§§§§§§§§§
Fiteny moa ny hoe "satry foana ny hiaraka kanefa tsy maintsy misaraka" ka dia nisy foana ny fifanaovam-beloma teny antseranam-piaramanidina, tssss !


§§§§§§§§§§§§§§§§§§
Dia izao aloha aho izany dia manerinerina indray mamentsoventso ny hirahiran'i sefo foana hoe "inona no manakana anao tsy hanokatra blaogy ?", satria dia izao no vokany.
Nilay e ! Veloma mandra-piserasera eto indray !