Mba satriny

Nampidirin'i ikalamako | 9 Okt, 2013

 

Mba satriny, eny mantsy, hiaina filaminana
Ho lavitra ny ady izay manjaka ao an-taniny.
   Fa ny zony hiaina filaminana
   Toa voaambana ny basy.

Mba satriny, eny mantsy, hianatra, hiasa
Ho tonga olom-banona, ho tsara fari-piainana.
   Fa ny zony hianatra sy hiasa
   Toa sembanin’ady lava.

Mba satriny, eny mantsy, hifaly sy hiravo
Ho tsikitsiky hatrany no hisoritra amin’ny tavany.
   Fa ny zony hifaly sy hiravo
   Toa akorain’ny fahantrana.

Dia mba satriny, eny mantsy, hifindra firenena
Hitady ravin’ahitra, hamelomany ankohonana, hahitany fiadanana.
   Fa ny zony hifindra firenena anefa
   Toa voararan’ny lalàna.

Soa fa nisy ilay sambo nampanantena famonjena,
Soa fa nisy vola sisa an-tànana nanefana izato sarany,
Soa fa nisy ranomasimbe hotetezina andro maro,
Dia indro tsinjony sahady ilay Kanaàna miandry azy.

Saingy indrisy tsy tafita, rendrika io ilay nifaharana,
Maro ireo natelin’onja, tsy naloany intsony,
Ireo mbola velon’aina, mbola ho ady koa ny fiainany,
Satria mbola lavina aminy, ny zo honina eto Kanaàna.

Fa manaikitra ny fo mijery ireto vata an-jatony,
Fa adidin’ireo velona ny mandevina ny maty,
Ary zon’ny maty ny ho tsara levenana
   Fa ny zony faha-velona,
   Hiaina anaty filaminana
   Hianatra, hiasa
   Hifaly sy hiravo
   … indrisy nofinofiny ihany.

 

Roma, 9 oktobra 2013.

(fiondrehana eo anoloan'ireo mpitsoa-ponenana 300 eo ho eo namoy ny ainy raha niainga avy tany amin'ny moron'i Afrika, namonjy an'i Lampedusa, nosy kely ao atsimo atsinanan'i Italia. Nandositra ny ady sy fahantrana tany amin'ny taniny, nanantena hahita fanavotana sy fiainam-baovao saingy ilay ranomasimbe no tompon'ny teny farany ho azy ireo. 100 mahery no aina avotra tamin'io andro alakamisy 3 oktobra 2013 io)