(...) Dia ho velona hatrany ianao raha mbola misy tia anao
Raha mbola misy andriambavilanitra miresaka momba anao
Raha mbola misy olona mahatsiaro anao
Ny hanononana ny anaranao fotsiny
Dia hampirehitra lel’afo kely iray...
Ianao no antoky ny hampaharitra anao mandrakizay na tsia (...)
Hoy ity hiran’i Sergio Reggiani ity, atolotro indrindra an’izay namana iray izay.

Omaly aho vao nahare ny vaovao ratsy. Notadiaviko tao amin’ny tambazotra facebook ny zanany (satria tsy namako) dia nijojo ny ranomasoko nahita ilay sary tsotra dia tsotra tokoa nandravahany ny pejiny tamin’ izay fotoana izay : tamin'ny volana septambra teo izany no nahalasanany.

Izy no Malagasy voalohany fantatro – ankoatra ilay namako malagasy nanafatra ahy nankaty - tanatin’ny herinandro nahatongavako teto Roma tamin’ny fiandohan'ny taona 1991. Avy dia nahatsapa tena nahita zoky, nahita reny aho tamin’ny fandraisany ahy.

Tsotra sy be fitiavana : tsy misy afa-tsy izay no azoko ambara momba azy.
Tsy mba simban’ny fahatafitana tamin’ny fiainana ny toetrany nandritra ny dimampolo taona nanambadiany olona hafa firenena.
Tsy mba simban’ny fanatontoloana ny fomba fisainany na dia efa nahatety izao tontolo izao aza izy, noho ny asan’ny vadiny sy isaky ny fotoana fialan-tsasatra.
Tsy mba simban’ny fizahozahoana ny fony na dia nisondrotra hatrany aza ingahy vadiny teo amin’ny asany.

Nahafinaritra ery nahita azy an-gazety, rehefa nisy fihaonana ofisialy na teny amin’ny lapa-panjakana malagasy na tany amin’ireo masoivohom-pirenena isan-karazany. Satria mitovy lenta amin’ny Lehiben'ny masoivoho ny vadiny amin’ny maha-Tale Jeneralin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena lehibe iray miasa any Madagasikara azy. Izay no toerana notazoniny farany talohan’ny nandehanany nisotro ronono.

Olona avy any avarabaratr’i Eoropa any ingahy. Tany amin’ny taona 1967 tany ho any no nifankahalalandrizareo raha tsy diso ny fitadidiako. Toa mbola hitako foana izy mitantara amiko hoe isaky ny ora fisakafoanana dia mody mandalo ao amin’ilay fivarotana niasany ingahirainy, kay efa nitilitily azy. Izy anefa hono tamin’izany nampitahorin’ny olona hoe ny vazaha ange mpaka fo, dia natahotra mafy mihitsy. Saingy babo ihany fa ingahy tsy namotsotra tamin’ny fisariana zoro.

Dia miaraka lokin'ny hehy izahay roa itantarany ny fangovitany nony tonga ny andro hitondrana azy hihaona amin’ny rafozany (satria tena azo an-tsaina mihitsy lay tahotra raha ny fahatsorany Smile). Impiry naveriny tamiko hoe "aza matahotra, malala, fa izaho no hanambady anao fa tsy ny ray sy reniko", hoy izy, fa izaho efa nanangan-torana nony hidina ny fiaramanidina.

Efa nanana olana tamin’ny fo izy na tamin’ny fotoana  nifankahalalanay voalohany aza, fa aty amin’ny tany mandroso moa sady misy ny enti-manana ka dia voaaraka akaiky foana ny fahasalamany. Nandalo tany an-tanindrazana aho ny 2003 – vao voatendry niasa tany am-bolana vitsivitsy izy ireo tamin’izay – dia mba nahita fotoana nahafahanay niaraka nisakafo. Tany amin’ny taona 2008 tany aho no nahare hoe tena narary mafy izy ary lasa nalemy. Saingy tsy nifanena mihitsy izahay.

Indray andro, tamin’ny taona 2012 raha tsy diso aho (mety ho 2011 ihany koa anefa) dia akory ny hafaliako naharay antso an-taribihy tamin’ingahirainy nilaza fa eto Roma izy mivady (fa manana trano eto koa moa rizareo) ary mba maniry hahita ahy ka handalo aty an-trano ny ampitson’izay. Dia mijanona misakafo ianareo, hoy aho, raha izany no izy. Tsy afaka mijanona izahay, hoy izy, fa mba maka rivotra kely vetivety fotsiny amin’ny tolakandro fa te-hahita anao mafy. Dia tonga tokoa zareo, mbola afaka mandeha izy fa tantanana miadana fa tena efa sahirana be sady reraka dia reraka.

Hafaliana no nifamihinanay mirahavavy-mianaka. “Mbola nataon’Andriamanitra hahita an-dry akia aho”, hoy izy… Nafeniko ny masoko nanganohano tamin’izay, fa nanomboka omaly aho isaky ny mahatsiaro io teniny io sy mitadidy ny endriny tamin’izay fotoana izay dia mirotsaka ny ranomasoko. Tsy maintsy malahelo fa tsy vato ilay fo e !

Ka ho azy ity aingam-panahiko nisidina androany ity, ho fanomezam-boninahitra azy.
Fa fiderako hatrany koa ny vadiny.
Ity sary nindramiko tao amin-janany ity dia mahalaza zavatra be dia be momba azy mivady. Nisy elanelana be, tena lehibe tokoa, teo amin’ny faripahaizan’izy ireo – tsy hoe fanaratsiana no ilazako izany fa izay nahafantatra azy ireo dia nahalala izany avokoa. Saingy Fitiavana sy Fifanajana ary Fahatsoram-po sy fanahy no tena nanjaka tamin’ny tokantranon’izy ireo ka tsy mba olana tamin’izy ireo izany. Hita taratra eto amin’ity sary tamin’ny fandevenana azy tany an-tanindrazany ity ny fahatsorana sy ny mahamamy hoditra azy ireo.

Veloma vetivety fotsiny akia, amore mio ! Mbola hihaona isika indray andro any. Misaotra anareo mivady tamin’ny fitiavanareo ahy, haiko fa niangarana kely aho raha samy ankizy teto Roma. Embarassed