'Aleo ihany tsy mpino, toa izay katolika mihatsaravelatsihy' : tsia, tsy tenin'ny Papa Ray Masina io.

Nampidirin'i ikalamako | 18 Mar, 2018

Tsy resa-pinoana fa resa-panahy no fototr'ity toraka blaogiko androany ity. Ilay fanahy tsara na fanahy ratsy mamaritra ny toetran'ny olombelona tsirairay. Tsy misy ny tapitr'ohatra amin'ny hatsarana kanefa koa dia misy ny hiringiriny amin'ny haratsiam-panahy. Samy manana ny isehoany ireo, samy manana ny fahaizany mamoaka na manafina azy. Misy ny tsara fanahy tsy mipoerapoera mihitsy fa izay ataony am-panetren-tena no hahitana taratra izany. Misy ny kary manafin-koho ka mahavaky vava indraindray. Dia misy koa anefa ny tena tsy tahotra tsy henatra mihitsy fa mivandravandra toa vay an-kandrina ny haratsian-toetrany. Raha atao aza ny kajy dia aleo lavitra ireny olona ireny, efa hay ny toetrany dia anjaranao ny manaraka na tsia ny ataony. 

Fa ny idiran'ny resa-pinoana eto dia satria maro ireo kivy amin'ireo saka manafin-koho ka nijapy ny resak'i Papa François indray andro. Nolazaina manko fa tenin'i Papa ny hoe "aleo ihany tsy mpino toa izay katolika mihatsaravelatsihy" ary nety tamin'ny ankamaroantsika ilay izy satria betsaka tokoa ny mitanisa ny tenin'ny Soratra Masina hampirantiana ny atao fotsiny fa tsy mampihatra izany amin'ny fiainana sy ny fiaraha-monina. Sarotra be ny mampihatra ny fanetren-tena, ny fitiavana ny hafa, ny fandeferana izay takiana amin'ny olona milaza ho kristianina. Eny, afaka miafina ao ambadiky ny hoe mba olombelona mety ho diso koa izy ireny.

Fa tsy dia io loatra no teny nolazain'i Papa Fransoa : "ho antsika rehetra, hoy izy, ho antsika tsirairay avy, dia tsara kokoa, ankehitriny, ny mandinika sao misy fiainana roa sosona ao amintsika, miseho ho marina, toa tena mpino tonga lafatra, katolika tsara kanefa ao ambany ao manao zavatra hafa". Ary notohizany fa "impiry moa isika maheno hoe raha ho katolika toa an'ireny dia aleo ihany tsy mpino.

 

 

Ny katolika moa no voaresaka eto satria ny tenin'ny Papa no notsongaina. Fa izaho kosa, na dia nobeazina tamin'ny finoana katolika aza, na hodidinina zoky sy dadatoa sy nenitoa Mpanompon'ny Avo aza, dia isan'ny tsy mety zakan'ny resaka fivavahana. Ary arakaraky ny hitomboan'ny taonako, arakaraky ny hikasohako amin'ny fiangonana sy ny mpivavaka - tsy avahako ny finoana eto - no mainka mampanalavitra ahy amin'ilay izy. Nataoko vazivazy ihany, saingy zary tenany koa, ny hoe aleo aho hijanona ho ilay matevin-koditra hatrizay ka hatramizao fa raha mi-fôpla aho tsy entiko midina manaraka ahy ny Fiangonana sy ny Fivavahana fa mba manohy mihivingivina fotsiny ny olona miteny hoe "shhh, iny ve moa hahagaga !".

 

PS :  efa napetrako tamin'ny namana vitsivitsy ihany ny hafatra fa apetrako ato koa hoe raha sanatria tonga ny andro ialako eto, izaho tsy entina any am-piangonana izany fa rehefa tsisy "Funérarium" azontsika hiarahana farany (toa mbola tsisy an'izany eto Roma) mba hanaovanareo ireny hira reveko be ireny amin'ny gloum - Bakomanga ao anatin'izany - dia avy dia tairo ny fanaterana ahy eny amin'ny "Crématorium" fa dorana no faniriako fa ny fasako dia any am-ponareo tsirairay avy, any amin'izay misy anareo any avy. Tsy hankanao akanjo mainty sy volondavenona fa loko marevaka daholo azafady.