Avy teny am-baravarankelin'ireo Malagasy mihiboka eran-tany

Nampidirin'i ikalamako | 6 Mey, 2020

 

​Tamin'ny voalohandohan'ny volana aprily dia nisy namana nanasa ahy hiditra tamin'ilay vondrona "View from my window" tao amin'ny facebook. Nojereko ka feno vahoaka be eran'izao tontolo izao tao ary nahatsiaro tena ho bitika tsisy mpahita aho ka naleoko nivoaka tsimoramora. Nahafinaritra ahy anefa ilay izy ka niainga koa ny ketrika hoe maninona moa raha manangana iray toa an'io hanalana andro miaraka amin'ny namana ato fotsiny. Dia natsangako tokoa ny 11 aprily 2020, ary "Malagasy mihiboka eran-tany" no natao anarany.

​Nataoko vondrona mihidy izy aloha satria dia hoe iarahanay mpinamana nanala andro fotsiny mandra-pifaran'ny fihidiana aman-trano no noeritreretina. Kanjo ireo namana nampidiriko tanaty vondrona niantso namana hafa koa, dia ireo niantso hafa. Dia taitra aho afaka adiny iray naharay sary marobe avy amin'olona tsy fantatro. Voatery nangataka an'i Fahamarinana Maharitra haingana aho nanampy ahy niandraikitra ilay izy ary novohaina ho hitan'ny rehetra ilay vondrona.

Mba hanamora ny handraisan'ny maro ny foto-kevitra dia novaina ho ​Avy eny am-baravarankelin'ireo Malagasy mihiboka eran-tany izy.

​

 

Tsy haiko ny hamintinana izay nitranga tao fa ny azoko lazaina dia feno ny fo nahita ny hafalian'ny mpikambana rehetra. Ny 4 mey teo no nanomboka ny famohana tsikelikely ny varavaranay eto Italie noho izany dia ny 1 mey no nohidiana ny rindrin'ny vondrona, na teo aza  ny alahelon'ny mpikambana maro izay nangataka ny hanohizana sy hanovana anarana azy fotsiny rehefa vita ny fihibohana.

​Fotoana nanamarika ny tantaran'izao tontolo izao ny famelezan'ny valan'aretina COVID-19 ka nahatonga antsika rehetra nasaina nihidy aman-trano. Ho anay dia hijanona ho tahiry, ho tsangambato mahafinaritra ho an'ny tantarantsika Malagasy tamin'ity vanim-potoana manokana ity io vondrona io. 

Ny hanovana ny anarany sy hanohizana azy dia  hahavery tanteraka ilay lohahevitra hoe "mandritra ny fihibohana" ary zary herim-po very maina ny ezaka nanasivana sary efa 20.000 mahery mba ho izay teny am-baravarankely, na eny an-davarangana, na teo an-tokontany fotsiny no nekena hipoitra amin'ny rindrina - misy aza moa ny nahavita niakatra teny an-tafontrano mihitsy nikopa-tànana mba ahafahanay mijery ny hakanton'ny tazan'ny masony.

Io izy, azo vangiana hatrany raha manindry ny rohy ianao : Avy eny am-baravarankelin'ireo Malagasy mihiboka eran-tany 


​

 


Ny toetra mendrika nasehon'ny rehetra nandray anjara tao no tena heriny fa izahay mirahavavy dia​ faly raha afaka nanao izay nahatanteraka izany. Fahafaham-po lehibe ho anay izany.

Mankasitraka ireo haino aman-jery sy ny filazam-baovao niresaka momba ity kopa-tanana nifanaovana ity, na ny tamin'ny fampielezam-peo araka ny tatitra nataon'ny namana, na ny akony tonga taty aminay toa ireto :



 

Aleo ny hevitra vitsivitsy nofantenana tamin'ireo maro be naposaky ny mpikambana no hanambara izay tsapanay rehetra nandritra izay 20 andro nahavariana anay tao izay.

Mirary soa indrindra mba hivoaka mpandresy izao tontolo izao amin'ny fiadiana amin'ity aretina ity.