Fihavanana.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Nov, 2007

Fihavanana, tsy misy dikanteny azo omena an'io hono :

  • Parenté : tsia satria milaza rohim-pihavanana io
  • Amitié : tsia satria azo lazaina hoe fifankatiavana
  • Amour : tsia satria io no fitiavana
  • Unité : tsia satria midika firaisankina
  • Relation : tsia satria fifandraisana no dikany
  • ...

 

Fihavanana : tsy mety hazavaina na adika fa hiainana. Ny Malagasy ihany no mahalala ny dikany satria izy ihany no miaina azy. Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiainan'ny Malagasy ny Fihavanana.

Tsy mpikaroka na manam-pahaizana aho fa sarababem-bahoaka miady amin'ny fiainana andavandro ka tsy dia mandinika lavitra.  Fa mba nampiasaiko ihany ny "matière grise" kely ananako nandinihiko tsara an'io androany tolakandro manontolo. Izany tokoa ve hoy aho. Raha ny "contexte" nampivoaka ilay resaka dia toa manaiky aho fa izay tokoa. Handeha mba hampiasaiko ny solosaina hanaovako fikarohana momba izany hoy aho anakampoko, hihihi.

 

Ilay "contexte"  ? :

Tamin'ny talata maraina be aho nahazo antso avy amin'ny namako mba nangataka servisy : hitsena olona eny amin'ny seranam-piaramanidina fa ilay olona efa nantenainy hitondra azy eny (fa izy tsy mamily) tsy afaka tamin'ny ora farany. Nananako ny fotoana dia nekeko ny fangatahany fa efa fombanay eto rahateo ny tsy mifampihafahafa, taigna samy an-taigna. Nolazainy hoe iza ilay olona ho tsenaina hamonjy fivoriana iraisam-pirenena, fantatro anarana fotsiny. Malagasy ambony - sy malaza - hoy ny valalabemandry. Fantatro koa satria firesaky ny reninay foana taloha. Nifandray rizareo hatry ny fahakely, fa tapitra teo amin'io andiany io, tsy nahalala azy izahay ankizy, satria samy nanana ny fiainany izy ireo nony lehibe.

Kanjo nony tonga ny vahiny, izaho tsy nieritreritra hitonona, saingy ilay namako "mpirahalahy" amin'ny zokiko lahy, no nilaza hoe : " izy dia zandrin'i anona", dia tonga ilay vahiny dia nanao hoe  "zanak'i anona ianao izany" (Golemain!). "Eny tompoko". Teny an-dàlana dia nanontany ireo dadatoa sy nenitoanay izy, sy ireo bebe sy ny dadabe : aiza, manahoana,... 

Dia nanao kaonty iray sy valo teo aho aloha : adidiko ve ny manasa azy ireo hisakafo satria fantatro fa nifampitondra tsara mihitsy izy mianakavy roa tonta tamin'izany. Rehefa nalaina ambony nalaina ambany dia eny no neken'ny saiko. Kanjo nony nilazako ilay namako mahalala  azy ireo hilaza izany  amin'izy ireo, dia nilaza izy fa efa voafandrika zareo io alakamisy hariva noeritreretiko io. "Zarako aza naratra" hoy indray aho anakampo. Ny finiavana nisy fa ny fotoana no tsy nifanindry. Samy afaka izany. (Zany mba lohako ! hihihi).

Kanjo alarobia hariva, nahazo hafatra tanaty finday ilay ranamana hoe mba hanasa anao sy ry anona ary izy mivady ranona (ikalamako mivady io) amin'ny alakamisy antoandro. Dia golemain fanindroany fa ny andrizareo indray no tonga aloha.

Teo ampihinanan-kanina io tolakandro io moa izany no nivoahan'ity raikipohy ity hoe "ny fihavanana tsy mety adika fa iainana" satria rehefa avy nanazava tamin'ny iray latabatra izy momba ny fifandraisan-drizareo ray aman-dreny, ary nanambara izy fa tena tsy nampoiziny ary nahafaly azy mihitsy ny nahita sy nahalala ahy aty, dia nivoaka ny hoe "boribory ny tany", "tena tsy ampoizina an", "mahafinaritra kah". "lalina ny fiainana an" ; dia izy nanasa no namehy hoe : "tsotra ny antony : ny fihavanana". "Ka inona no handikana sy hanazavana izany amin'ny vazaha" hoy indray ny fanontaniana. Dia novaliany hoe "tsy azo adika sy hazavaina izany fa zavamisy iainan'ny Malagasy. Izy irery ihany no mahazo izany. Le Fihavanana chez les Malgaches, fiteny io satria izay nandalina momba azy io dia tsy nahita ny teny mahadika azy.

Misy hotsakotsakoina izany satria ny kaly teo efa levona koh. Tsy nampoiziko aloha e, satria izaho vao nilazana ny anarany dia tsy nirototra fa araka ny kajiko dia tsy misy hamakian'io olona io loha amin'izay izaho zanak'olom-pantany taloha mihitsy, ka tsy misy antony tokony hitononako hoe iza aho.

Fehiny : Nahay nihavana tokoa ny ray aman-dreny taloha.


8 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "Fihavanana."

  1. Andao ary tohizana ry Ikalamako izany fihavanana mamy izany à !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Nov 2007, 18:52
  2. marina izany ry DadaRabe fa ny génération ankehitriny tratran'ny amnésie daholo rehefa lasa adrisa...tsy mahatadidy anao mbola tsimbotry tsy tafa e !
    Tsy voalohany no niainako toa io, fa ilay raikipohy navoakany no nahatonga ny torapo nataoko.
    Misy namako izay aty nilaza hoe "les nouveaux riches sont durs à avaler, à la différence de la vieille bourgeoisie" (milaza ny eto amin'ny tanànany izy an, fa mino aho fa valable pour tous les pays io)

    Nampidirin'i ikalamako 24 Nov 2007, 04:51
  3. Andray ry Ikalamako ! Hi hi hi, mahatsiaro tena voatonona kely aho amin'ilay hoe "generation ankehitriny tratran'ny amnesie" :(

    (Aleo aloha hiaro tena kely fa tssss :-P )
    Ilay izy koa anie na hoe mpirary tampo aza ohatra, rehefa lasa ny generations maromaro dia afaka mifanambady indray ny ankizy e. Izany hoe misy karazana "fifandraisana/fihavanana" miova ao isaky ny generation. Mety ho lasa tsy "mihavana" mihitsy aza.

    Raha amnesia no mety mahazo ny "generation" zandry raha manadinodino ireny "havan'ny" generation zoky ireny --- Inona no hilazana ny "aretin'ny" generation zoky izay indraindray tsy liana akory hahafantatra ny havan'ireo generation zandry ?!

    Nampidirin'i pissoa 24 Nov 2007, 06:16
  4. eo indrindra isika izao hihihi.
    Vao nieritreritra mihitsy aho teo fa misy ny dadatoa na nenitoa tsy miezaka mampahafantatra anao ny zanany, dia manjary tsy mifankahalala tsotra izao ny génération zandriny. Tsy "amnésie" iny izany fa tena "manque de relation". Kanefa izaho indray efa tratra indray andro efa taty, niantso ny anadahin-dreniko aho dia ny zanany lahy gasy ray gasy reny no namaly. Nitonona aho hoe je suis telle, ta cousine. Dia tsy nirototra izy. Mbola nomeny ny "vous" ilay gasy kely nilikiliky nampiresaka fa cousin germain koh !
    Nefa indray niantso zanaky ny cousine-n'i mamanay (gasy ray gasy reny koa, samy tsy mbola nifankahita zahay satria lehibe taty an-dafy daholo ireo, ikalamako no gasy vao tonga), mitovy anarana izahay roa dia nilikiliky indray ikalamako hoe je suis ta cousine de Rome, ton homonyme. Tonga dia nihoraka be izy, nampiseho fa faly nahalala. Ka mino aho fa ilay blem amin'izay dia "différence de culture". Nisy notezaina tanatin'ny toetsaina malagasy mahalala havana - eto ilay Fihavanana chez les malgaches, misy notezaina tamin'ny hoe la famille c'est papa, maman et mes soeurs et frères.
    Ka ekeko fa misy ny génération zokiny tratran'io amnésie culturelle io (mamorona formule indray ikalamako, hahaha) fa tsy maro izy ireo raha ny zavatra niainako no jereko.
    Kanefa misy koa génération-ko efa ela tsy hitako notadiaviko aty an-dafy aty mbola tsy tratran'ny amnésie, satria nihinana trondro be dia be angamba fahakeliny (mahatsara mémoire moa hono?).
    Non, tsy namely aho ry pissoa fa ny ankapobeny no lazaiko. Raha kajiana ny isanjaton'ny dia mahery be ny génération zandriny amnésique.
    Dia andraso hotadiavina ny anaran'io aretin'ny génération zokiny. Andraso hanontaniana le docteur psychiatre eto amin'ny blaogy raha efa misy terme technique azo iantsoana an'io, mba mila valiny ry DadaRabe, lol

    Nampidirin'i ikalamako 24 Nov 2007, 07:01
  5. Ka ilay fiainana ankehitriny mihitsy angamba ny mahatonga an'izany. Fahiny mifankahita matetika ireo mpihavana. Misy ny fivoriana. Ankehitriny dia miparitaka noho ny fitadiavana avokoa. Hany ka zary toa tsy mifankahalala.

    Ilay fihavanana dia lasa amin'ny havana akaiky sisa (mipray tam-po).

    Tsy aretin'ny olona angamba ry Ikalamako fa aretin'ny fiaraha-monina. Sa ahoana ?

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 24 Nov 2007, 14:25
  6. Izaho indray rey olona dia rehefa gasy dia havako a ! sa ahoana ?
    Fa miresaka fihavanana isika. Ikalamako a ! mbô tadidinao ve ny resaka taratasy nifanaovana tamin'ny 1981 ? grandes vacances tamin'izay ? boribory ve ny tany ary ladim-boatavo ny an'ny gasy !!! tadidinao, tadidinao ve ho'aho ?

    Nampidirin'i Tsikisariaka 25 Nov 2007, 11:08
  7. Oay, ay ve misy ikalamako @ teny galasam koa e? ary boribory ny blaogy an! sy ny glaoby!!! Tsy azo faritana tokoa ny fihavanana kty! Angamba hoy aho dia fivondronan-javatra 4 izy io fitiavana fandeferana fahalalam-pomba fahatokisana Tsy afa mandeha ila izy ireo Raha tia ianao tsy maintsy mandefitra, raha mandefitra ianao dia mahalala fomba izay, ary raha mahatoky ianao dia misy fitiavana ao izany, sa ahoana hoy ianao? Nampidirin'i ikalakey 01 Des 2007, 02:27
  8. manondrana akia ny blaogy fa aza tezitra a! hihihi Matahotra (s)pams hono koh !
    Ary somary taraiky ary ikala raha izao vao nahita ny gasy amin'ny nanatà. Misaotra amin'ny hevitra, ary tena miobon-kevitra aminao aho amin'io lazainao io.

    Nampidirin'i ikalamako 01 Des 2007, 08:03