Nomen'Andriamanitra ny fara i news2dago !
Nampidirin'i ikalamako | 27 Sep, 2008Tena tsy afaka mametraka hevitra ao amin'ny pejinao aho rainy
ka aleo mba hanaovako lahatsoratra vaovao mihitsy hiarahabana an' i Fanilo kely : TONGA SOA E !!!
Maroroa taiza ry izy mivady, ary mahazoa aina haingana ny nenin'i Fanilo fa efa tsy andrin'i dadany izay hodian'ny sipabeny anankiroa.
Mitombo iray indray ny mpantsaka rano izany ry news an ! Mirary soa e !

nomen'Andriamanitra ny Fara tokoa r'ise a!
Nampidirin'i sazykely 27 Sep 2008, 07:42de asio arrozazy kely klouny eto e
Dia mirary soa ho an'i N2D nahazo farakely. Dia ho tahian'i Tompo hatrany ianareo mianakavy kely ka ho feno fahendrena sy ho tafita amin'ny ambony indd i Fanilo kely, ho anisan'ny olo-manga malagasy. Dia hitombo isa indray izany ny blaogy eto atsy ho atsy ! hi hi hi !
Fa dia tena tsy nisy nahomby toy ny anarako ihany kay ireo anarana bdb natolotry ny hafa tatsy ! Hay tsy izaho irery no tsy mamely ny anarako :)) Azonao atao surnom ihany aloha ilay Kdaomb e :)) Sa tsy izany ry Tokinao ?
Nampidirin'i Kdaombaramita 27 Sep 2008, 08:23arabaina less news2dago a.
Nampidirin'i simp 27 Sep 2008, 12:44Mirary soa ny zaza sy ny neniny sy ny dadany :)
heveriko fa za rery no tsy afaka mametraka hevitra ao.
Nomen'Andriamanitra ny fara i news a!
sady tsara anarana tokoa izy izany :)
dia maroroa taiza.
Hotahian'Andriamanitra ny zaza sy ny ray sy reniny.
Mirary soa
Nampidirin'i maintikely 27 Sep 2008, 12:54Dia miomàna aloha i nN2D fa tsy matory firy amin'ny alina mandritra ny 15 jours à 3 semaines eo, surtout reraka i madama nandalo césar. Fa apetraho eto ihany aloha ilay sariny jerena raha tena vavy tahaka an-dreniny fa tsy lahy tahaka an-drainy ! Anontanio anay ihany raha misy tsy hay fa efa nandalovanay izany e ;)
Nampidirin'i Kdaombaramita 27 Sep 2008, 13:33"Congratulations on your new baby girl" ry news2dago ah! Izany ka tena "News" marina.
Nampidirin'i radotiana 27 Sep 2008, 13:44Rehefa miverina mandalo eto dia hahita ny fiarahabanay rehetra e :-)
Dia nomen'Andriamanitra ny fara. Mirary fahasalamana tsara ho an'izy mianaka e.
Nampidirin'i Hery 28 Sep 2008, 03:02dia maroroha taiza izany e!!!! dia mbola mamerina ny firarian-tsoa ihany koa ry N2D
Nampidirin'i sipagasy 30 Sep 2008, 05:12Manana namana tokoa manana anareo na dia tsy mifanatri-tava aza!
tonga soa ato an-trano izahay 3 mianaka e! tena tsy misy torimaso vanona firy @ alina! na dia mbola tsy tokony hanao reraka firy ary izahay mivady dia toa tsy tsaroana akory mahita ilay pissoa kely miara matory @nay eo!
Mahay zavatra tokoa Andriamanitra marina!
Nampidirin'i news2dago 30 Sep 2008, 07:04Misaotra antsika rehetra nahatsiaro