Valin-kafatra : hatsangako ny sainam-pireneko.
Nampidirin'i ikalamako | 23 Jio, 2009
Eny iky ry Kdaomba, atsangako ny sainam-pireneko raha mbola nahazo tombon'andro aho hahafahako maneho fa Malagasy - Proudly Malagasy - avy any Madagasikara.
Io ny ahy, io no Madagasikarako na mahantra aza, na tantely afa-drakotra aza ka anjakan'ny adala, na lavitra ahy aza.
Nomen'ity firenena honenako ity ahy ny zom-pireneny ary dia natsangako "teo amin'ny antsasa-taho" tatsy amin'ny pejiko iray tatsy ny saina "maitso-fotsy-mena" italiana nanehoako fisaonana volana vitsivitsy lasa izay raha nisy horohorontany be namoizana ain'olona maro teto Italia.
Mbola mirehareha amin'ny maha-malagasy ahy tanteraka aho ka dia atsangako ny sainam-pirenena "maitso-fotsy-mena" malagasy amin'izao andro fahatsiarovana ny nahazahoan'i Madagasikara ny fahaleovantenany izao satria aho mbola tsy very zo fa mbola malagasy 100 isanjato.
"Fa anivon'ny mamiratra, ny taniko no mamiko, tsy manam-paharoa ; hafa mbola hafa, mamy tena mbola mamy" (Jérôme Randria)