'Mpifamofo mandra-maty', tantara nosoratan'i Thinà.

Nampidirin'i ikalamako | 24 Mey, 2018

Azo lazaina fa maromaro namana manana talenta aho : ao ireo mpanakanto ara-mozika dia ao ireo havanana amin'ny asa soratra. Maro noho izany ny kapila mangirana sy ny boky izay natolotr'izy ireo na nojifaiko tamindrizareo. 

Raha ny asa soratra dia tononkalo no maro an'isa. Mahafinaritra ahy misintona boky iray izay tandrify ny tànako dia mitsaingoka pejy iray hovakiana rehefa milamindamina iny aho. Tsy ataoko sesi-montotra fa matetika ataoko fakana aingam-panahy.

Ny boky farany voaraiko teo kosa dia tsy tononkalo fa tantara : "Mpifamofo mandra-maty" nosoratan'i Thinà Andriafaly (na i Tsikisariaka eto amin'ny serasera). Tsy nampoiziko ho tantara, fa noheveriko fa raki-tononkalo toy ny mahazatra ilay izy raha tsy tonga teny an-tanako.

Mpiara-mianatra teny amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa izahay roavavy nanomboka tamin'ny taona 1980, fa nandritra ny taom-pianarana - sendra nifampitantara hoe misy fahoriana ao amin'ny fianakaviana - vao nahalala fa hay mpihavana tsy mifanalavitra akory. Saingy ny finamanana no tena namatotra anay hatramizay ka hatramizao.

Efa tonga namangy ahy tatý Roma izy indray taona, nanararaotra ny fandalovany niasa tatý Eoropa. Tsaroako izy niteny tamiko hoe "hosoratako ho tantara izay" raha nisy zavatra noresahanay mirahavavy tamin'izay fotoana izay. Tsy nijanona tanaty saiko kosa anefa ilay resaka raha tsy tafavoaka ny boky ka nampatsiahiviny ahy.

Ny tantara moa tsy azo tsimponina toy ny tononkalo ka efa iray volana taorian'ny nahazoako ny boky aho vao nanana fotoana nifantohana taminy. Edrey fa dia tao aho no noraisina fa tsy nijanona raha tsy ny maso no vizana ary ny torimaso no niantso. Tsy lavabe rahateo moa ilay izy ka nisononoka ery ny famitàna azy.

Sady velon-tsiky teny am-piandohana sy teny an-tenantenany teny fa nahatsapa ho nahazo anjara ankolaka tanaty tantara ihany ny tena, satria tantaran'i Mialy zanak'i Ravolasoa ity izy. Mbetika nitsetsetra, mbetika nitaintaina, mbetika nitsiky teny am-pitetezana ireo pejy 160 mahery. Ary tsy nampoiziko ny niafarany ka dia nirotsa-dranomaso sy velon-tsento terý.

Hay ve ka tsy mivetsovetso lasam-borona amin'ny tononkalo fotsiny ny talentany, hoy aho, fa miangaly tantara mihitsy koa. Ny fahaiza-mamorona, ny fomba fanoratra, ireo voambolana sy sarinteny nampiasaina moa dia aoka fotsiny. Manaiky aho fa voafehy ary nentina niakatra avo ilay taranja.
Dia mandrosoa hasina akia rahavavy dia misaotra indrindra nizara !

Mino aho fa azo jifaina eny amin'ny fivarotam-boky mahazatra izy ity fa izaho aloha dia mamporisika hoe vakio fa tsy mandiso fanantenana. 

 


Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article