Saint-Tropez ao France : ny nahatonga ny anarany.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Jol, 2022

 

Ity hosodoko "Salvamento della testa di San Torpé" (i.e. "fanavotana ny lohan'i Md Torpé") sanganasan'i Gignaroli Giovan Bettino ity dia nandanianay minitra lava dia lava mihitsy raha nitsidika ny katedralin'i Pise izahay. Nanontany tena izahay hoe fa inona no zava-nisy teto ? taiza iny loha navotana tany an-dranomasina iny ?
Dia rafitra nitady tamin'ny aterineto toy ny mahazatra fa tsisy miala eo raha tsy mazava ny resaka tsinona. Teo vao nidanaka hoe hay ve izany izy ity e !

Ny anay dia tanànan'ny mpanankarena any atsimon'i Frantsa i Saint-Tropez fa tsy hainay izay tantaran'ingahy ity raha tsy tamin'io.

Torpè, Torpes, Torpezio, Tropezio, Tropez dia anarana ahalalana an'i Caïus Silvius Torpetius avokoa.
Araka ny tantara dia tamin'ny fotoana nandalovan'i Simona Piera apostoly tany Pise, mialoha ny hihazoany an'i Roma, no nahatonga azy ho kristianina.
Tandapa sy manamboninahitra mpiaro an'i Néron, amperora romanina nanjaka tamin'ny taonjato voalohany, i Caius raha mbola nivaivay ny fanenjehana sy faneren'ny fanjakana romanina ireo kristianina mba hivadika hanompo sampy.

Nisy fitokanana ny tempolin'i Diane tany Pise indray taona ary noteren'ny amperora hihira ho an'ny voninahitr'i Diane i Caius, saingy nandà tsy nety nivadika tamin'ny finoany izy.
Tezitra tamin'izay i Néron ka nandidy ireo miaramilany hampijaly an''i Caius.
Nefa, araka ny tantara hatrany, dia tapaka hatramin'ilay andry vato be namatorana azy rehefa nokapohina tamin'ny karavasy izy. Ary maty nianjeran'io andry vato io ilay miaramila nikaravasy azy.
Nomena ny liona sy ny leoparda indray izy avy teo saingy namotoka natory teo an-tongony fotsiny ireto biby masiaka.
Lany haika ny amperora ka nandidy ny hanapahana ny lohany.

Rehefa maty tamin'izany izy dia nasainy nataon'ireo miaramila tanaty lakana ka nalefa tany amin'ny onin'i Arno ny vatany, niaraka tamin'ny akoho iray sy alika iray izay noheveriny hihinana ny sisany.

Ny tanànan'i Pise moa no lalovan'ny ony Arno farany alohan'ny hivarinany any an-dranomasina ka dia nentin'ny rian-drano hatrany izany ilay lakana ary tsy niantsona raha tsy tany Héraclée, any atsimon'i France, izay tsy iza fa ny tanànan'i Saint-Tropez ankehitriny. Tsy niova, tsy simba, tsisy nanombinana hono ilay vatan'i Caius tamin'izany.
Voarakitra fa tsy izay ihany fa maro koa ny zavatra nangatahana tamin'ny anarany no tanteraka ka nahatonga ny eglizy katolika romanina nanandratra azy ho olomasina.

Ka i Caius, na i Masindahy Tropez izany no olomasina mpiahy ireo tantsambo sy mpiahy ihany koa ny tanànan'i Saint-Tropez, izay mankalaza izany isaky ny 29 aprily, daty voalazan'ny tahirin-tantara fa nanapahana ny lohany ka nahafaty azy.