Ho fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana .

Nampidirin'i ikalamako | 10 Feb, 2007

Omaly 9 febroary no naterina sy nasitrika tao amin'ny fasan'ny fikambanan-drelijiozy Trinitera any Tsiroanomandidy i Zoky Paul, folaka an-datony rehefa niady mafy tamin'ny aretina tsy mamela mahazo. Nataoko hahatsiarovana azy ity rakitr'androko anio ity. Mbola feno ny foko androany, mahatsiaro ny fotoana rehetra niarahana na tany Madagasikara na taty ivelany fony izy nanohy ny fianarany, na dia vitsy aza ny fotoana niarahany taminay telo mianaka tato an-trano, noho izy nilofo nianatra ka tsy dia nivoaka firy raha tsy nosokirina tao an-tranony. Miverina ato an-tsaiko ny tononkalon'i Clarisse Ratsifandrihamanana manao hoe : "iza amintsika no manan-tombon-dahy, izaho mbola nofo sa ianao fanahy ? Ianao fanahy, toto-bonikazo natolotra ho saran'ny torimaso farany, sa izaho nofo mbola mitomany, anaty fitarainana, fa mafy ny fiainana ?"