“ Notte di San Lorenzo “ – “Ny alin’i Md Laurent “

Nampidirin'i ikalamako | 10 Aog, 2007
Rehefa tonga ny alin’ny 10 aogositra dia mibanjina ny faravodilanitra avokoa ny Italiana maneran-tany miandry ny handalovan’ireo kintana hiraraka.

Hatramin’ny ela no nanokanan’ny Italiana ity alina ity ho an’i Md Laurent (San Lorenzo), maty maritiry tamin’ny taonjato fahatelo, ary milevina ao amin’ny Basilica iray mitondra ny anarany eto Roma ; satria ireo kintana miraraka ireo dia tsy inona fa ranomaso nalatsak’ity olomasina ity nandritra ny fampijaliana azy, ka miriaria foana eny an’habakabaka eny ka tsy midina ety an-tany raha tsy mitsingerina ny fotoana nahafatesany, ka mahatonga ity alina ity ho toy ny alin’ny nofy sy hitondra fanantenana.

Rehefa tonga ny “Notte di San Lorenzo” dia heverina fa ho tanteraka ny fanirian’izay miezaka mahatsiaro ny fijalian’i Md Laurent, ka isaky ny kintana mianjera dia anononana izay mba irina amin’ny fiainana.

Marihina moa fa araka ny siansa, ireo kintana mirotsaka amin’ny alin’ny 10 aogositra dia vokatry ny fandalovan’ny asteroidy ao amin’ny Vondron-kintana Perseo (nahatonga ny anarana hoe Perseides) eny amin’ny faritra tazamason’ny tany, saingy azo ampivadiana tsara amin’ny lafiny poetika.

 

Ka raha sendra mibanjina faravodilanitra re, aza hadino ny mamboraka ny fanirianareo tsirairay avy!