Indray andro hono... ikalamako sy i Papa Benoà XVI.

Nampidirin'i ikalamako | 15 Feb, 2017


Aoka tsy ho tafintohina ny vontom-pinoana eto am-pamakiana ny lohatitra fa tantara tena marina ity (ripaka be). Izay koa aho moa vao tonga saina fa hay betsaka mihitsy ny zavatra nanamarika ahy nefa tsy voatahiriko tato anaty blaogiko fa variana tarý an-tsaha hafa tarý. Fa araraotiko ity volana febroary ity hitahirizako ato ity resaka iray ity.

 

Isaky ny volana febroary manko dia tsaroako foana ny nanambaran'i Papa Benoà XVI fa hametra-pialana tsy hitondra ny Eglizy katolika intsony izy. Notampohany daholo ny vahoaka tamin'io 11 febroary 2013 io, fa izaho kosa vao nahare ilay vaovao dia tafateny irery hoe "izany an, izany hoe tsy namelan'i toi aho raha tsy nahita ilay maso aloha vao niala i toi." Iny masony iny manko tena mba tsy nitiavako azy iny - hihihi, izay raolombelona sy ny fitsarana ivelany. Tsy hoe tsy tsara noho i Jean Paul II izy tamiko fa tsy tiako ny masony dia ampy ahy izay. Kanjo tsy namelan'ny vintana fa nataony nifampijery "zieudanlézieu" mihitsy aloha izahay, dia nametra-pialana izy efa-bolana tatý aoriana. 

Tsy dia miondana fivavahana loatra aho. Asa, izay ve no azoko ilazana azy ? Tsy hoe tsy mpino aho anefa. Fa fivavahana katolika no nitomboako dia io no manavanana ahy izany. Mampihomehy-mahasosotra ny olona foana aho rehefa miteny hoe tonga hiangona sy hivorivory miaraka aminareo aho fa tsy dia tonga hivavaka loatra. Ary satria moa ny tena aty ivelany dia eo ihany koa ilay fitiavana hilanja avo ny fanevan'i Madagasikara, na ny fiangonana na ny fiaraha-monina tsotra no miantso hisolo tena. 

Ary izay antony izay no isan'ny nahatafiditra ahy lalina tamin'ny fikarakarana ny fananganana ho olomasina an'i Jacques Berthieu tamin'ny volana oktobra 2012. Pretra frantsay izy fa niasa sy maty tany Madagasikara. Nila fandraisana andraikitra ny fanomanana io andro lehibe io, ka isan'ny nanolo-tena hamonjy ny fivoriana voalohany mihitsy aho. Noraisiko ho adidy mba tsy hampitsanga-menatra ny Ankohonana sy Madagasikara satria andro alatsinainy, andro fiasana be izao ilay niantsoana fivoriana. Ary satria nila solontena "hanao raharaha" isaky ny firenena manana olomasina ho atsangana, toy ny namaky teny, nitondra ny "relique"-n'lay olomasina, nitondra ny fanatitra, sns, dia asa moa naninona no tonga dia nisy iray taminay nivory teo avy dia niteny hoe "aleo ianao izany no mitondra fanatitra e". Eny, hoy aho, fa hiamboho adidy ary ve moa !

Fa tsoriko fa tsy tanaty lohako mihitsy ny hoe eny amin'ny Papa no entina ny fanatitra. Nataoko dia handihindihy hitondra fanatitra mankeny amin'ny ôtely fotsiny ilay izy, sady manao fitafy mahamalagasy no mihira ny "mofo sy divay eeee, no atolotray eee, ho Anao ry Tompooooo". Efa ny sabotsy maraina nanao famerenana ny "raharaha"-n'ny tsirairay aho vao gaga hoe fa angaha moa ho eny amin'i Papa mihitsy izy ity. Izaho amin'io efa nananihany ny ankizy ihany hoe "mila mividy rebareba hono aho fa ho eny amin'i Papa fa matiko itenisany zay mihomehy ahy eo !". Fa na izany aza efa nivonona hanao izay akanjo fitondrako any am-piangonana misy ato fotsiny aho. Sady ilay Ray am-panahy mpiandraikitra ny Ankohonana moa niteny hoe iny satroborinao iny anaovana fa mety iny satria avy any amin'ny tany niasan'i Jacques Berthieu mihitsy. 

Sabotsy alina be aho izany vao nandinika. Navoaka daholo izay mba akanjo lava vitsivitsy tato dia mba nahita iray niady tsara amin'ny lamba hotafiana ny lokony. Ary teo am-panandramana azy aho no nahita hoe niady tsara hatramin'ny kapa teny an-tongotro..."scoubidou" fitenako tato an-trano io. Dia, draisy tsisy adihevitra intsony, hoy aho, fa dia izao zany no hanaovako rahampitso : Malagasy tsotra dia tsotra. Talohan'ny niala ny trano aho ny alahady dia mbola toran'ny hehy nieritreritra ny "vavan'ny spekta" rehefa hahita ny paoziko. Dia mbola namelako tatasiaka kely aloha tao amin'ny facebook hoe izay mihomehy ahy mankeny amin'ny Papa rehefa avy eo dia esoriko tsy ho namana... dia aorian'ny "Credo" hono izahay mankeny raha misy manaraka mivantana amin'ny fahitalavitra.

Haiko fa nataon'ny ankizy mbola nananihany ihany aho ka niomehy irery foana aho teny an-toerana nieritreritra ny voamasondrizareo hivontirika. Na ireo izay nahita ahy vao maraina teny aza hono dia nihevitra fa kapa nanaovako maraina fotsiny iny mba tsy ho vizana alohan'ny fotoana aho fa nataondrizareo dia hisolo kiraro aho avy teo. Marina fa nitondra kiraro avo vodi-tongotra nisoloako aho, fa nanaovako taorian'ny lamesa, izany hoe nandritra ny fety lehibe natao teo an-tokotanim-piangonana, rehefa nesoriko daholo ny satroka sy lamba ary novahako ny voloko nataoko sara-droa.

Resaka saika tsy vita moa iny nandritra ny andro vitsivitsy hany ka hadino hatramin'ny nitantara azy tato. Fa tohina tamin'ny hafaliana sy afa-po ihany aho anefa satria maro ny Malagasy nidera fa mendrika hono ikalamako teny amin'i Papa. Ka zah zany mihitsy an !!! hahaha fanetren-tena tsy roa aman-tany...


Ny ahy moa tena ekeko fa resaka ivelany daholo no nampihetsi-po ahy. Iza moa no tsy ho faly fa hiseho amin'ny fahitavalitra eran'izao tontolo izao fa nandray tànana olo-manan-kaja. Tamiko dia manam-pahefana toy ny rehetra izy. Ankoatran'ny maha filohan'ny Eglizy katolika azy dia filoham-pirenena ihany koa izy ka mba nidedaka mihitsy ikalamako fa niaka-dapa.

Kanefa nisy fotoana somary nenjehin'ny eritreritro kely ihany aho satria nitangoronan'ny mpiray tanindrazana aho nony nirava. Ankoatran'ny hafaliandrizareo nahita ilay gasy petaka niakatra teny dia nosamborin'izy ireo nosafoina ny tànako fa nahazo fahasoavana tamin'i Papa hono. Tena tsoriko fa isan'ny nanohina kely ahy izay. Hoy aho anakampo hoe "sao dia nisalovana ny anjaran'ny sasany ary aho ?". Fa avy eo moa namboariko ny saiko hoe tsy nanao aferafera aho fa mba vintam-bokako iny izany e.

Ny lohako aloha dia nolanjalanjaiko tsara mihitsy teny amin'ny làlana nolalovako nalain'ny vahoaka sary e. Malagasy ka manja kanouh ! Fa vao terý am-piakarana kosa ary, nony nanitsaka ilay karipetra mena manoloana azy izahay dia nojereko izy - nanoman-tena be hoe hiatrika ilay maso boribory be hafahafa iny. Izy koa nijery tsara, asa angamba izy naminany hoe avy aiza ikalakely iny fa toa tsisy "mainty" amin'ireto fito mianadahy hatsangana olomasina. Efa nafarana izahay hoe 50 segondra ihany ny torapo amin'ny Papa raha misy. Fa izaho ve moa nanana inona lazaina azy. Kanefa na izany aza, izy no avy dia nanomboka tatasiaka dia nandamina ahy. "Avy any Canada angaha ianao" hoy izy tamin'ny teny anglisy - hadinony angamba hoe ilay vazaha iray ao ange ka an'ny Malagasy. Novaliako tamin'ny teny anglisy izy fa "avy any Madagasikara aho" dia notohizako tamin'ny teny italianina hoe "dia misaotra Papa fa izay vao nahazo Olomasina voalohany izahay Malagasy." 

Inona moa no tokony holazaiko azy ankoatra izay ? Izaho manokana aloha izay. Fa ilay endrika sy masony nitsiky nony nifampijery izahay... izay ilay fotokevitr'ity toraka blaogy androany ity.

Raha tsy diso aho dia iny ny fananganana olomasina notontosain'i Benoà XVI farany - asa na nahavita firy izy tanatin'ny fotoana nitondrany ny Eglizy katolika. 


Canonisations à Rome - Rondro Volantsoa di Doc_Strange


Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article