Fiaraha-moninay atý Italia miaraka amin'ny COVID-19

Nampidirin'i ikalamako | 16 Mar, 2020

 

 

Tsy hanao diary ny isan'andronay mihidy aman-trano nanomboka tamin'ny 9 martsa aho fa mba hitantara fohy izay herinandro voalohany izay eto am-piadiana amin'ity aretina  COVID-19 na coronavirus ity.

Be ny fanentanana natao, samy nandray andraikitra nanentana ny namana, ny havana mba hanaraka daholo ilay lalàm-panjakana hoe "aza mivoaka ny trano raha tsy tena misy antony manokana sy lehibe". Raha ny sekoly amin'ny ambaratonga rehetra fotsiny manko no nohidiana tamin'ny faramparan'ny volana febroary iny dia ny firenena iray manontolo no noferana tsy hivoaka intsony nony tonga ny 9 martsa.

Ny antony dia satria nihombo ilay aretina tany avaratr'i Italia, nitombo ny isan'ny maty sy ny  isan'ny marary na dia nitombo ihany koa aza ny isan'ny sitrana. Nofaritana ho faritra mena noho izany ny faritr'i Lombardia, any avaratra, ka tsy tokony hisy hahazo mivoaka na miditra. Vao nahare izany ireo mponina tany ny alin'ny nivoahan'ilay didy hitsivolana dia nihazakazaka naka fiaradalambý sy fiarabe ny alin'iny ihany ny ankamaroan'ny olona "nandositra" namonjy havana sy namana any atsimon'i Italia. Mbola asa be ho an'ny fanjakana ihany koa  ny niandry azy ireny teny amin'ny gara isan-karazany satria izay tratra dia tsy maintsy natoka-monina avy hatrany. Hany  herin'ny fanjakana dia namaritra an'i Italia manontolo ho faritra mena sy nandrara anay rehetra tsy hivoaka intsony raha tsy antony lehibe ny alatsinainy 9 martsa. Maro ny fiasana nakatona fa misy ihany anefa ireo navela hisokatra satria ny fiainam-pirenena mila mihodina na izany aza. Izany hoe ireo tsy maintsy miasa aloha dia afaka mandeha fa mila mameno ilay "fahazoan-dàlana" izay  alaina ao amin'ny vohikalan'ny Ministeran'ny Ati-tany.

Tsotra sady mora azo ny anton'zay fepetra izay ary averiko amin'ny namana rehetra ombieny ombieny : "raha mbola mivezivezy sy mifanerasera isika dia mivezivezy sy hiparitaka hatrany ilay biby ratsy".

Misy ihany ny mbola mafy loha, mieritreritra hoe ahoana moa zahay no fehezinao ato an-trano. Dia naveriko foana hoe ny didi-jadona manjaka any Chine no naha-avotra an-drizareo ka izao zareo efa manomboka miverina tsimoramora amin'ny fiainana an-davan'andro. Tsy mbola resy tanteraka ilay izy fa efa manomboka mihena. Satria any Chine rehefa didy mivoaka dia arahana raha tsy te-ho tapa-doha. Ny tany tandrefana no hamono tena amin'ny demokrasiany.

Manomboka miha-ratsy koa ny toe-draharaha any amin'ireo firenena hafa. Dia hita fa mamerina ny fahadisoana nataonay teto Italie  tamin'ny tapa-bolana ihany koa rizareo. 

Omaly raha olona 368 no namoy ny ainy tatý aminay tanatin'ny iray andro, dia voalaza fa niakatra 38% ihany koa ny isan'ny mitondra ilay otrik'aretina any amin'ny faritra atsimon'i Italia, indrindra ny faritr'i Puglia. Nahoana no niakatra tampoka ? Satria nentin'ireo nandositra avy tany avaratra tamin'ny tapabolana nidina any atsimo ilay virus. Tsy hita teo no ho eo izay fa izao vao mitranga satria 15 andro no mikotrika ao anaty ilay aretina vao mirongatra etý ivelany (incubation hoy ny teny frantsay).

Tokony hilamina ilay fanarahana fepetra raha tsy misahotaka isika. Miteny ho antsika rehetra aho, hatramin'ny any Madagasikara satria averina hatrany fa tsy marina ilay hoe tsy mandaitra any amin'ny tany mafana ilay aretina. Tena  mandaitra fa samia mitandrina.

Manomboka ny herinandro faharoa mihidy an-trano izahay izao. Tamin'ny alarobia ihany aho no nivoaka kely 30 minitra niantsena. Milahatra eo ivelany, manaja ny elanelana 1 metatra avy, dia miditra tsikelikely. Rehefa tafavoaka ny ao vao miditra indray ny manaraka. Tsy atao mahakivy izany fa manararaotra maka rivotra sy manala voly ihany koa e. Inona moa no mahamaika, hiantsena dia avy hatrany dia hody dia tsy hivoaka ny trano intsony avy eo ! Ny tànana no tena mila arovana fa iny no tena hikitikitika ny entana ao anaty tsena ao. Ny orona sy vava afaka saronana amin'ny lamba fitafy raha tsy manana ilay tena izy.

Mbola ho apetrako ho tehiriziko eto fa ho atambatro ireo horonantsary vitsivitsy nanamarika ity vanim-potoana mangidingidy ho an'ny tantaram-pirenenay ity.

Tsy maintsy resena ary tsy maintsy ho resy ity aretina ity fa miangavy antsika fotsiny "mipetraha ao an-trano !". 

Raha mbola manohy mivezivezy isika dia tsy ho resy izy na afaka herintaona aza.

Ny teny fanentanana sy fankaherezana miasa atý izao dia ny " #iorestoacasa" (#mijanonaatoantranoaho ) sy ny hoe #andràtuttobene (#hihatsaraizao )


Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article