Iza no nahatsiaro ity ?
Nampidirin'i ikalamako | 7 Apr, 2009Eeeh, zany ny hira tamin'ny andronay - - efa nohavaozina izy eto fa tena mbola reveko...(ndao hitsiky aloha fa be loatra ny mampitsetra)
Eeeh, zany ny hira tamin'ny andronay - - efa nohavaozina izy eto fa tena mbola reveko...(ndao hitsiky aloha fa be loatra ny mampitsetra)
MBOLA HO AVY IZY (Minoa fotsiny )
Resaka ve no ho tantaraina
Olon-dehibe samy manan-tsaina
nefa ny zavatra fantatray
'Ty fitiavan'ity mampiferin'aina re
Taitran' ny bika sy ny hatsarana
Izay dia hirifatra ka tsy tana
Hanova fonenana ve r'ingahy
ka ny vady aman-janaka no hialana re
Mandra-pihaona tongava soa
Raha hanaraka an'iny any lavitra any
Ianao no namadika fanekena (hiara-maty aminareo aho)
F'izahay sy ny ankizy dia eto ihany ô
Aza maharitra ela loatra
Fa rehefa miverina tiako ihany ô
O raha nilaozan'ny tiana tsy taza-maso
Tsy mahahinan-kanina fa misento
Mirotsaka ho azy ny ranomaso
Nefa na ho ela na ho haingana iny
Tsy maintsy miverina fa andraso
Mbola ho avy izy e, k'aza malahelo
Izay nanova fitàna, ka nandao tanàna e!
Mbola ho avy izy e, k' aza malahelo
RAMILISON BESIGARA
AZA TEZITRA IANAO FA SOMONGA NY AHY AN !
Rehefa mifarana toa izao ny taona dia tsy mety fa tsy maintsy manembona, saingy raha sendra ity hira dia tena mi-depra, tsssss
"Nofinofiko farany, mba eo am-pelatànanao no hifarana ny dia,
Tsy ho taraiky an-tanin'olonkafa ery e
Dia ho tafita izany ho tanteraky"