Ny tena namana mahay manaja ny fahanginanao.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Aog, 2018

 

Sary tamin'ny fanendrena kardinaly vaovao tamin'ny volana jiona 2018 teo ity. I zoky Kardinaly sy ity zokiko ity dia isan'ireo nahalala ahy nanomboka teo amin'ny fahaadolatsentoko satria zokibe tao an-trano izy ireo nanomboka tamin'izany fotoana izany.

Vao nahita ahy nitsena azy teny an-tseranana izy dia vaky vava hoe "tena ohatran'ny mahita sy mahare an'i maman aho aminao". Nampiako ity izaho nitafy lamba tamin'ity fotoan-dehibe nanendrena ho kardinaly an'i zoky Dezy ity dia tena nitamberina taminay telo mianadahy ny 35 taona lasa.

Fa ity pika sary ity apetrako eto satria dia nitsatoka tany amin'ny ati-fanahiko ny fanamarihana sy fanontanian'i zoky teny antsefatsefan'ny fifalianay teny : "Zandry a, misy alahelo manaloka ny fiainanao. Afaka zarainao amiko raha tianao."

Indroa be izao ilay fanontaniana no nipetraka isaky ny mahita hirika izy satria fifalian-dehibe tanaty efatra andro no nihaonanay ka tsy dia nisy nivalamparana.

Hitany fa nandainga aho. Hitany fa nitelina ranomaso aho. Hainy koa anefa aho. Hainy ny toetrako. Hainy fa akora ety ivelany fotsiny ity izaho be ati-doha ity fa marefo toy ny kristaly aho ao anaty ao.

Isaorako azy ilay fanajany ny fahanginako. Tsaroako amin'ity sary ity ny Fitiavana be mamehy anay mianakavy.

 

(Tsy teto izy no nanontany fa antony hafa indray ity fihinay mianadahy ity. Mitovy toetra izahay mianadahy fa izy mazava fo sy avy hatrany dia milaza zay tsy zakany fa tsy toa ahy.

 

 

 

Tamboho manan-tantara, na ho an'ny nitaingina azy na ho an'ny nandalo teo.

Nampidirin'i ikalamako | 25 Apr, 2017

​Tena mpankafy ny tarika Lolo sy ny Tariny hatrany am-boalohany aho​. Variana ihany anefa fa nisy hirany dia tsy haiko, sambany vao reko firy taona aty aoriana. Tsy dia nanana fahafahana namonjy rindran-kiran-drizareo koa moa ny tena fa mbola sahirana tamin'izany ka izay nandeha an'onjampeo ihany no tena hay.

Mahafinaritra ahy mahita ireo mpiondana LSNT sahirana mafy ao amin'ny facebook, miezaka manao antso avo azy 9 lahy hiverina an-tsehatra miaraka na dia indray mandeha fotsiny ihany aza. Raha misy izany ka sendra mba manana ny ampy entina mankany Madagasikara aho mety mba handray voromby mihitsy an ! (soa fa mbola afaka manonofy aloha hatreto, hihihi.)

Fa rehefa mihaino ity hirandrizareo iray ity kosa - nosoratan'i Erick Manana - dia toy ny mahita maso mihitsy an'ireo bandy ireo tamin'ireny. Nonina teny Anjohy sy Andohalo izahay tamin'izany fotoana izany. Mpianatry ry Mera tao amin'ny Maria Manjaka ary efa nianatra herintaona tao amin'ny sekoly anglikana tao Ambohimanoro koa. Dia nisy namanay rahateo nipetraka teo ambanin'ny tranondrizareo tery Ambohijatovo. Noho izany, azo lazaina fa nahita ny revin-drizalahy teny ambony tamboho mihitsy nandritra ny taona maromaro ihany.

 

Ka raha manao dia mianoatra mankany amin'ireny fotoana ireny ankehitriny dia mihomehy irery toa azy ireo ihany koa : moa ve mba tanaty saindrizalahy tamin'izany andro izany hoe hanao hira fahatsiarovana ireny izy ireo ampolo-taonany maro aty aoriana ? Mahafinaritra satria izahay koa izao mihaino ilay hira dia mbola mahatsiaro ireny daholo - na ny mpianatry ry Mera, na ny mpianatr'Ambohimanoro, Ambohijavoto avaratra, Paul Minault, lycée Gallieni, Sefrera Andohalo, sns izay nifanaretsaka teo amin'io sampanan-dalana teo Ambohijatovo io.

Matetika kamo ny ankizy handalo eo rehefa mirava fa siatsiahan-drizalahy foana - tsy misioka moa zany fa mitssstssst e. Nefa mino aho fa am-po taralila an - huhuhu.

Tokony asiana takelaka fanomezam-boninahitra mihitsy ity tamboho ity - antsoina hoe Tamboho Lolo sy ny Tariny - fa dia manan-tantara mihitsy ho anay adolantsento nanodidina ny taona 80' iny.

Maromaro ihany ny tokony hanoratra ankehitriny hoe #MerciHiary

Nampidirin'i ikalamako | 8 Mar, 2017

 

Manoloana ny sazy mihatra, herintaona an-tranomaizina, mahazo an'i Hiary dia manontany tena ihany aho hoe tena mahazo torimaso mamy daholo ve ireo nahatonga izao ?

Izaho manokana aloha dia manaiky fa misy fotoana tsy dia azoazoko ny fiaingany. Fa toetrany manokana moa izay ka tsy voatery ho tian'ny olona rehetra izy. Tsy mpinamana izahay fa matetika manaka-dresaka ao aminy aho rehefa resaka mahafinaritra ahy, satria misokatra ho an'ny rehetra ny pejiny. Fa eto kosa aho dia tena midera azy fa hatramizao aho aloha tsy mbola nahita resaka hoe miangavy "firaisankina" amin'ny mpiserasera rehetra i Hiary hanafaka azy any, na hoe nigonongonona fa tsy rariny ny nahazo azy. Nanaiky izy fa diso ary ny hafatra nampitainy koa mbola feno fahendrena hoe aza miditra amin'ny fiainan'ny olona. Tsapany ihany hoe tsongoy fon'olona tsongoy fon-tena. 

Mbola nahatazana io vondrona natsangany io aho fony mbola hitan'ny rehetra avy aty ivelany izy io, ary isan'ny tsy nankatò ilay izy mihitsy satria halako bika tsy tiako tarehy no tena betsaka tao, ankoatran'ny adala sy ondraondranana rehetra faly nahazo fahalalahana hanaratsy sy hanambany ny hafa. Ilay izy rahateo vao resaka hoe fifosana dia tsy tsara mihitsy ny entiny na ahoana na ahoana hanadiovana ny fisiany. Raha hanatsara "pipole" angamba tsisy tsara ohatry ny miteny aminy mivantana hoe tsy mety izao, satria ny mifosa dia miresaka ilay olona rehefa tsy eo izy. Misy moa dia tena mivoana tanteraka. Ohatra iray, misy nanakiana ny fiankanjon'ny artista iray dia avy daholo babay sy lohavohitra amin'ny angady sy harona. Hatramin'ny hoe "mitaiza tanora ianao amin'ny mahaartista anao ka zao ve no fiankanjonao ?!!!" Oadrayyy, inona ary itony ! Ny ray aman-dreny no mitaiza ny zanany amin'ny fiankanjony fa tsy ny artista. Raha mihira izy hoe mifoha rongony dia mangalara daholo ianareo dia tena marina izay. Fa raha izay fiankanjony, soranjandiana io koh ! (tapitra ny ohatra fa mba tsetsatsetsa).

Ka hoy aho hoe misimisy ihany ny ankolafin'olona tokony hisaotra an'i Hiary amin'zao ora maizina ho azy izao :

- ireo nihoa-pefy tamin'ny resaka rehetra tao amin'ilay vondrona ka nahatonga ny fitoriana nony farany, fa dia nanaram-po mihitsy nomeny sehatra nifosana. 
- ireo mpiandraikitra ny vondrona "afaka madiodio", tsy voaroiroy kely akory fa efa misy an'i Hiary nijoro tamin'ny tongony nisolo vaika ny ankalana.
- ny fitondram-panjakana nahazo zanak'ondry atao sorona, ho fampitandremana fa zay mbola mitetateta eo dia hifafa ny kihony toa an'i Hiary. 
- ireo mantamanta vava fa nahay nilamina ihany, tsy manakotaba ny fitondram-panjakana intsony fa matahotra sao hanao vakansy herintaona eny ambany atsinanana.

Ny mampalahelo amin'ity fotsiny dia tsy afaka hampiseho firaisankina betsaka ankoatra ny #FreeHiary ny blaogasifera malagasy satria resaka fiainan'olona manokana no voakitika tamin'ilay tantara fa tsy hoe niady ny tsy mety ataon'ny mpitondra izy ka niharan'ny tsindrihazolena. Raha ity faharoa ity manko dia afaka niady ny hamotsorana azy ny vahoaka satria "gadra politika" izy amin'izay.

Izao no hoe bibilava sinambotr'ankizy... Fa araka ny fiteny iray hoe izay tsy mahafaty dia mampatanjaka, mahabe hery (hoy aza ny vazivazin'ny rainilita hoe izay tsy mahafaty mahalasa faikam-boto). Miampy ny fianarana tsy matoky olona intsony fa ny vadiny ihany sisa no nanaiky fa nanoronoro hevitra azy tao amin'ny fiandraiketana ny vondrona, ka nampidi-kizo azy saika nampiaraka nigadra azy mivady. Ankoatra izay dia efa lesona hay hatramizay hoe havako raha misy patsa no betsaka. Dia mankahery azy manokana sy ny fianakaviana keliny tokoa no mba azoko atao angamba. Asa raha mbola haverina hodinihana ny momba azy atsy ho atsy na dia miandry ny herintaona ivoahana fotsiny no hany azo atao...

Misy zavatra iray mampitsiky ahy fotsiny eto fa miparitaka be moa ao ny sarin'i Justin Trudeau, praiminisitra kanadiana. Nivoaka daholo ny sariny fahiny fa tena bôgôsy hatry ny fahakeliny ingahy. Lasa gaigy aby ny ampela ao amin'ny facebook. Dia avy aho amin'ny vazivaziko mahazatra hoe mba itadiavo ny sarin'ny praiministrantsika fony adolantsento koa nama fa mba asehontsika koa ny antsika a... Tsisy sahy namaly lay resaka, nefa raha talohaloha teo izay dia asa angamba zay vanitika tsy vanitika tao - laolina. Isa Folo ho an-drafanja fa tena nandaitra ny nanagadrana an'i Hiary, mbola tsy mitoko ary angamba tsy hitoko intsony ny mpiserasera malagasy. Tampina ny daomy.

Mba nandefa fisainana indray (01/2008) - UPDATED (11/2016)

Nampidirin'i ikalamako | 23 Nov, 2016

Ity lahatsoratro 8 taona lasa ity indray no tsaroako raha nahita ity sary ity aho omaly ka aleo atambatro ato : ny feeling tao an-tranon'omby raha alaina sary an-tsaina hoe miaina izao vaninandron'ny teknolojia izao.

------------

18 JANOARY 2008

OUF vita ny fety, milamina sy voadio ny trano (tato ihany no nariana ny fako fa tsy lasa any Naples kah !).

Dia nakanaka aina nandinika ny fety nifanesy teo moa, dia niverina kely tany amin'ny Noely indray ny saina, dia tonga indray ny fanontaniana hoe :

   

Inona angaha no mety nitranga raha toa ka vehivavy ireo Majy telo nanatitra fanomezana ho an’i Jesoa zazakely ?

 

angamba

Nanontany làlana izy ireo.

 Tonga ara-potoana izy ireo.

Nanampy nampiteraka an’i Maria izy ireo.

Nanadio ny tranon’omby izy ireo.

Fanomezana tena ilaina no natolotr’izy ireo.

Sy zavatra azo hohanina.

  

Fa mba inona kosa angaha ny resaka mety ho re teny an-dalàna raha nody izy ireo ?

 

mety hoe : 

 

Kay, mba hitanareo ve ilay kapa nanaovan’i Maria  niaraka  tamin’ilay akanjolavany ?

Ary ilay zaza tena tsy mitovy amin’i Zozefa mihitsy e !

Fa mba ataon-drizareo ahoana  koa angaha ny mipetraka miaraka amin’ireo biby ireo anatin’io trano io ?!

Ka ny ampondrany aza mahia kaozatra ohatran'ny inona koh !

Ary Zozefa ange hono toa tsy miasa akory e ! Toa saomera hoe...

Enga anie fotsiny ka averiny ny vilany nitondrantsika vary sy laoka teo e !

  Virjiny hono Maria ! ntss, virjiny ny any ankaratra, olona niaraka tamiko teny Ankatso iny, fantatro tsara mihitsy !!!

 

Asa re ! 

 

 

'Tiako ianao' lé raha eto ...

Nampidirin'i ikalamako | 30 Okt, 2016

Efa elaela ihany aho no saika handrakitra ity dingana iray mba vitako tamin'ny fiainako ity tato saingy tsy nirototra loatra fa nataoko hoe tsy zava-dehibe mila tsarovako loatra. Fa roa andro mifanesy izao dia misy namana roa miteny zavatra mamerina ahy hieritreritra azy ity foana.

Nandritra ny folo taona mahery aho niasa tamina ramatoa izay, efa 70 taona any ho any izy izao angamba satria latsaka kelin'izay izy tamin'izany. Ny reniny efa 90 angamba zay na mahery. Tsy dia misy asabe manakory natao tao aminy fa matetika dia lany andro miresaka zahay mianaka. Saingy telo na efa-taona lasa nony tsy nanana fiara intsony aho dia tsy nety tamiko intsony lay nankany aminy. Avy hatrany dia reny ny fahabangana ka nony afaka volana vitsivitsy dia nantsoiny foana aho hoe rahoviana ianao no hiverina. Tsy izay irery anefa ny olako saingy kamo be aho hitantara aminy dia avy dia tsy novaliako intsony ny antsony. Dia navelako tany izy. Misy fotoana anefa dia miasa ny saiko hoe efa nahazo taona izy mianaka, raha sanatria tonga ny andro tsy haha-eo azy intsony dia mety hanenenako izao fahanginako izao ka tokony mba hamangy azy ihany aho. Nefa tsy vitako foana ilay izy fa tena tsy te-hitantara aminy ny olako aho fa haiko fa tsy ho tanako ny ranomasoko fa izaho bekoretaka izay. 

Fa tamin'ny iray volana lasa izay dia noraisiko an-tànana ny heriko rehetra, tsy maintsy tonga any aho hoy aho. Noraisiko ny fiarabe iombonana dia lasa aho. Kanjo - soa ihany, vintana angamba hoy aho, hehehe - tsy tao izy. Dia hoy aho hoe tsy maintsy antsoiko izy izany ilazako hoe eto aho ary andrasako izy raha efa akaiky hody. Satria raha mody fotsiny aho dia tsy ho fantany mihitsy hoe "efa tonga nitady azy". Nantsoiko izy fa hay lasa vao maraina nankany amin'ny tranony any an-tendrombohitra izy mianaka nanao faran'ny herinandro.

Dia nolazaiko azy hoe izaho ato am-baravarana saika hanao mamikely anareo mianaka. Efa ela aho no saika handalo fa tsy ampy herin-tsaina hiresaka (sady kendan-dranomaso ihany aho miresaka amin'ny finday, tsssss) fa androany tena nataoko izay nandalovana. Faly be izy naheno ny feoko ary mino aho fa azony ny toe-panahiko nahatonga izay rehetra izay fa izy indray no nankahery ahy. Nahatsiaro tena faran'izay maivana aho nony avy nanidy finday. Tsy dia fanaoko izay dingana izay kanefa dia vitako satria tena tsy nandry ny saiko.

Ka naharay mailaka avy amin'ny namana iray aho zao maraina izao dia nanganohano kely indray ny masoko. Teto amin'ny blaogasifera no nampinamana anay tamin'izany, niara-nitolona tamin'ny fanaovana asa-soa sy niara-nivanitika tamin'ny hagegena ihany koa, dia avy teo nifampitarika tany amin'ny facebook. Nony niala tany aho dia mbola vitsy aloha hatramin'izao ny namana nanoratako mailaka na nafarako olona hampita kopa-tànana. Ka ankoatra azy ireo, sy ianareo zay mamangy ity blaogiko ity, dia misy ny namana manomboka miasa saina any hoe nisy inona no tsy hita intsony aho. Anisan'ireny izy saingy soa fa tsaroany hoe voarakitra tany amin'ny blaoginy tamin'izany ny adiresiko dia io izy nanoratra io : matahotra aho sao dia vaovao ratsy ny aty amin-dry fa tiako indry, tena tiako be [...] Mba omeo vaovao akia aho.

Dia avy hatrany koa dia ny tenin'ilay namana iray omaly no niverina tao an-dohako raha nizara ilay hiran'i Gildas Arzel hoe "Avant de t'aimer" izy. "Aza hadino mihitsy, hoy izy, ny miteny hoe tiako ianao amin'ny olona izay tianao fa mandalo fotsiny ihany izao fiainana izao."

Manampy trotraka izany ny famaranan-dresakay sy Angie Boutax ary sefo Hery matetika hoe "tiako be nareo an, aleo lazaina zao sy averimberina ihany fa tena tsy hay ny rahampitso". Sady miaraka manao zavatra ara-sosialy ihany izahay telo mianadahy no mifanafatrafatra foana.

Tsy mamisavisa ny ratsy fa miomankomana raha sanatria.

Nampidirin'i ikalamako | 16 Jol, 2016

 

Isan'ny resaka tsy zakan'ny Malagasy ilay manafatrafatra hoe raha sanatria aho maty dia izao sy izao no mba ataovy. Toa hitako ihany ny hivingivindohandrizareo tamin'ny fotoana nanoratan'i Ratsimiseta ilay tononkalo malaza "Rehefa maty aho". Nefa anie dia ny Ntaolo ihany no milaza fa ny aina tsy mifametra e !

Tsy ny amin'ny lafiny materialy fotsiny anefa fa eo amin'ny fanehoana fitiavana ihany koa, na amin'ny fihetsika na amin'ny famborahana izany mihitsy.
Izaho tena mpamela hafatrafatra sy mpiteniteny an'io hoe raha sanatria ka dila tampoka aho dia tsarovy fa tiako be nareo, tiako be ianao, dia mba zao sy zao no faniriako faramparany raha azo atao.
Kanefa dia impiry aho no mifanjinja amin'ny havana sy namana mihitsy satria ny setriny mba azo dia hoe "aza mirediredy eo 'ty !Sealed

Izaho manko dia milaza foana hoe ianareo no mba ametrahako azy fa izaho tsy manam-bola omena ny "notaire" izay karamaina hampirina azy itony, toy ny aty an-dafy. Efa haintsika ihany fa tsy antsika ny segondra manaraka : mety avy mivanitika aminareo eto aho, hoy aho, dia mitsangana saingy mety hiakatra tampoka ny tosi-dràko dia hiankarapoka aho dia izay ; na hidina ny tohatra aho avy manao veloma anareo dia mety hisolifatra dia hidona ny lohako dia ho vita eo ny amiko, sns.

Dia mbola ao koa ny tranga toa itony fanahafihan'ny mpampihorohoro itony. Efa maro izay "Je suis" niombonan'ny mpisera eny amin'ny tambazotra sosialy izay an !!! Indrisy fa tamin'ity "Je suis Nice" ity dia nisy reny malagasy vao erotrerony tokoa isan'ny namoy ny ainy tao - handry am-piadanana anie izy, ary mirary fiononana ho an'ny fianakaviany sy ireto zanany kely anankiroa. Ka iza tokoa moa no nanampo fa haka fahafinaretana hijery afomanga no nivoahana ny trano nefa dia fahafatesana no niandry teny amoron-dranomasina ! Cry

Tsy hoe mamisavisa ny ratsy hiavian'ny soa. Tsy izany mihitsy satria tsisy maniry ny ratsy ho avy saingy isan'ny trangam-piainana daholo izany. Fa miomankomana ihany, amin'izay raha tonga ny lera dia hiverina ao an-tsainareo daholo izay "redirediko" rehetra izay.
Innocent Amen Tongue out

 

Lanaky ny nofy ratsy ihany ikalamako

Nampidirin'i ikalamako | 18 Mar, 2016

Raketiko ato aloha ity fa mety izay no hanosika ahy hanoratra hitantara azy atsy ho atsy (izany hoe hiverenako soratana ity lahatsoratra ity amin'izay).

Efa ho herinandro mahery manko izao no sembanin'ny nofy ratsy foana ny torimasoko. Teo alohaloha izy dia saika nitovy foana ny fitrangany, saingy afak'omaly alina niova kely ary tena tsy tiako mihitsy. Dia mba hafa koa, somary maivamaivana  alina (tsy alina moa izany fa efa maraina e, satria aho taitra tampoka sady nangovitra moa ny famantaranandro fanaraina koa naneno, namoha an'ingahirainy handeha hiasa).

Efa nanam-pikasana hanoratra ilay nofy afak'omaly ihany aho satria kamo hitantara amin'ny olona sao lazainy efa marary saina. Saingy tena tsisy aingam-panahy mihitsy fa toa modaka be fotsiny ato. Kanjo nivenjivenjy kely teto amin'ny aterineto aho io dia nahita famporisihana hoe aborahy fa aza kobonina ny nofy ratsinao, soraty raha tsy tianao tantaraina amin'ny olona, amboary ho angano kely, ezaho ho tsara fiafara fa hanampy anao betsaka izany.

Dia tonga ato ihany aho aloha izany manoratra ity. Asa raha ho tafaverina miaraka amin'ny aingam-panahy hiangaly azy na dia hionona amin'ity Foot in mouth

 

Ingahy Formidable

Nampidirin'i ikalamako | 10 Sep, 2015

 

Mpampianatra taranja frantsay anay teny amin'ny sekoly ambaratonga faharoa no nitantara ity taminay. Asa naninona fa tsy afaka tato anaty lohako izy ity efa ho herinandro izao Innocent

Fa fony fahavelony, hono, ingahy Formidable dia nanafatrafatra mihitsy ireo havany hoe raha maty aho dia aza mba apetraka eo an-doha fasako ny anarako fa tsy tiako mihitsy.
Satria manko, hono, dia nohadrohadroin'ny olona loatra sy nihomehezan'ny olona foana izy tamin'io anarany io noho ilay anarana tsy dia mahazatra.

Nony tonga tokoa, hono, ny andro nahalasanany, dia toy izao no soratra napetraky ny havany teo amin'lay vato mariky ny fasany.

"Ato no mandry fehizay, olona iray mamy hoditra tamin'ny fiaraha-monina. Nahafoy ny androny tamin'ny fanaovan-tsoa. Nanome izay kely nananany nanampiana ny hafa. Tsy mba nitady valiny teo amin'izay nataony tamin'ny hafa. Vady, ray, zanaka, zoky, zandry, namana, mpiara-miasa tsy foinay mandrakizay."

Dia isaky ny misy mpandalo, hono, eo amin'ny fasany ka mijanona mamaky ilay soratra, dia misento tokana, miteny hoe : "c'est Formidable !"

 

Angano angano, arira arira,
Izaho mpitantara.
Ianareo mpamaky.

 

 

Ny havesa-danjan'ny Misaotra

Nampidirin'i ikalamako | 23 Mar, 2015

 

Toa tsy mety ho lany daty mihitsy ity resaka manao soa ity izany an. Lasa teo indray manko ny tafasiry. Ny votoatin-dresaka dia iray foana : manaova soa raha mbola afaka manao izany. Mivaly hatrany ny soa atao. Tsy miandrandra valiny anefa rehefa manao soa. Ary tsy ny olona hanaovana izany no voatery hamaly anao.
Dia tiako hotantaraina kely eto ity zavatra niainako vao haingana ity. 

 

Tamin’ny faramparan’ny taona 2014 iny dia nisy dia iray nalehako. Efa mahafinaritra moa mikisaka ankehitriny fa maro ny saran-dalana mora. Dia nitsiry teo koa ny hevitra hoe efa handeha ihany ka ahoana raha mitsoriaka mamangy namana iray. Nojerena dia afaka mahita tapakilan-damasinina haingam-pandeha mora ihany koa. Nisy fanahiana ihany hoe raha sanatria ka tsy tratra dia vola very fotsiny, satria hampiasa fitaterana isan-karazany vao ho tonga eny amin’ny fiarandalamby. Raha ny kajy tsotsotra dia tokony ho tratra, na ampiana ireo fotoana lany amin’ny fitohanan’ny fiara eny an-dalambe sy ny fiandrasana ny fitateram-bahoaka sasany aza dia azo atao hoe malalaka ihany. Dia tapaka ihany ny hevitra hoe aleo aloha atao mba tsy hanenenana. Raha tena tsy tratra dia tsy anjara izany ny hifankahita. Raha lasa dia arahaba soa arahaba tsara. 

Kanjo tokoa dia tena tsy laitra ilay fitohanana teny an-dàlana hany ka tena 10 mn alohan’ny hiaingan’ny fiarandalamby aho vao nitontona tany. Ilay gara rahateo mbola tsy haiko ka tsisy fotoana nandinihana hoe aiza no mankaiza fa nahita soratra manondro masinina haingam-pandeha dia nihazakazaka tsisy toa izany nidina ilay tohatra. Efa hampaneno kiririoka ny “sefo de gara”. Avy dia niakatra tsy nanontany intsony fa faly erý hoe lasa ihany. Kanjo sady manidy varavarana ingahy sefo no miteny hoe “marihina fa tsy manan-kery amin’ity fiarandalamby ity ny tapakila mora vidy” …

Loooza, notaritina indray ny valizy ndeha hivoaka kinanjo tsy nisokatra intsony ny varavarana. Nikoropaka nitady an’ilay sefo. Soa fa iny izy handeha hanamarina ny hidim-baravana koa. Ampidino aho hoy aho taminy fa diso azafady. Ho aiza ianao, hoy izy. Nolazaiko ny alehako dia hoy izy hoe ka mankany ity kah. Eny hoy aho, mankany ity saingy tsy tapakila mandeha amin’ity no atý an-tanako, izaho tsy manam-bola hividianana tapakila feno matoa aho naka ity. Mandehana aloha hoy izy mipetraka etsy fa jereko ny momba izany avy eo fa tsy afaka midina intsony ianao na ahoana na ahoana. 

Nipetraka, nipotrapotraka ny hatsembohana, nihararetra nefa faly ihany hoe lasa – tsss. Lasa teo ny kajy tao an-doha hoe mety mbola ampy ve ny vola sisa aty amiko sa hiantso an’i sefo Hery hamahana ny karatra ilay fividianana zavatra amin’ny aterineto. 

Afaka kelikely io hitako ingahy sefo mifamaly amin’ny tovolahy afrikana. Tsy haiko zay nifamaliana fa ny reko dia ilay tovolahy miteny hoe “tsy manafokafoka anao aho”… dia nanohy nifamaly teo, dia nilamina avy teo, dia hitako namoaka vola ilay tovolahy. Dia nandray ny tapakilany dia nipetraka teo amin’ny seza teo alohako. Dia niandry ny anjarako aho. Dia niandry. Asa impiry izy no nandalo teo amiko, fanahy iniako jerena fa sao ataony dia mody fanina aho. Tsy miteny tsy mivolana izy fa manohy ny làlany, dia nanomboka naka toky aho no sady nanomboka latsa-dranomaso hoe “ndryyy mba mitsinjo ahy ve izy izany e ?” 

Na izany na tsy izany, mba lalina koa aloha ilay gara misy fiarandalamby roa samy haingam-pandeha dia miaraka miainga e ! Sa natao fanahy iniana fa tsy maintsy misy foana ny diso toa ahy ? Smile

Afaka adiny telo tonga soa aman-tsara tany amin’izay naleha. Navelako nidina daholo ny mpandeha satria teo amin’ny kalesa loha-masinina sady misy ny tranokelindrizareo mpiandraikitra no nisy ahy. Nony tafidina daholo ny olona dia nanao mbay làlana ilay mpiara-miasa aminy aho satria somary nibahana teo an-dalantsara izy. Etsy ny fivoahana hoy izy fa tsy atý. Azafady hoy aho fa misy zavatra tiako lazaina ilay  mpiara-miasa aminao fotsiny, dia nomeny làlana aho. Naheno ahy ingahy sefo dia nijery. Efa nomaniko moa ny holazaiko. Nataoko teo amin’ny foko ny tanako, ny feoko mangovitra (be hetsimpo tsssssss) : “misaotra tompoko” hoy aho sady somary niondrika kely aho. “Tsy misy fisaorana madama”, hoy izy. Nitanàka ilay namany nijery ahy… “andrayyyyyy, hoy izy, tsara beeeee”.. “marina e”, hoy ihany izy sady nampakariny ny ankihiben-tànany. 

Nandritra ny adiny telo dia zay no nameno ny lohako : tsy ny olona ataonao soa no hamaly izany aminao. Ary tsy mitady valiny aminao koa ny olona manao soa anao. Ka mahaiza mankasitraka na kely na be ny soa atao aminao. Mahaiza misaotra.

 

Tora-drano avy any ambony...

Nampidirin'i ikalamako | 28 Feb, 2015

Indrisy ry Iarivo, Iarivo niandohana, mamy k'efa nilokana.... safo-drano ianao ity ! Sanatria ve ka heniheny ianao ka hiverina ho heniheny ?

Dia ho aiza ireto vahoaka ? Inona izao no harapaka fa ny kely an-tànana nafoy, ny trano nianjera sy dobo-drano, ny asa vao maika tsy hisy, sns. Inona no hatao rehefa hisintona ny rano ? mbola hiady amin'ny fivelomana, ny aretina ho manginy fotsiny, ny Fanjakana tsy azo ianteherana.

Efa niainanay ny rano niakatra teny amin'ny tanàna ambany 30 taona lasa izay fa tsy mbola nisy ny tahaka ity indray mitoraka ity... CryCryCry

 

[sary tokana ihany (nindramina tao amin'i Madagascar Sondage) fa vaky toy ireo fefiloha ny fo mijery ireo sary marobe.]

Jombilo.

Nampidirin'i ikalamako | 19 Feb, 2015

Teny efa reko teny ho eny ihany ity teny iray ity fa raha tsy nihaino ny hiran'i Rah-CKiky aho tsy taitra loatra hitady izay dikany an. Ka moa ve avy amin'ny teny frantsay Gigolo izy ity sa tena teny gasy vao noforonina mihitsy ? Tenin-jatovo izy raha zao fahitako azy izao satria na ny rakibolana eto amin'ny aterineto aza toa mbola tsy namoaka azy. Na sao dia tenim-paritra ?

Ka lasa ny saiko eto hoe sao dia tara loatra ny fanangonana itony teny vaovao itony e, rahafakampitso efa andron'ny Tenindreny (Teny ibeazana araka ny sosokevitry ny namana iray). Sa efa isan'ny teny malagasy ofisialy fa izaho no taraiky ? 

Fa mahery ity Rah-Ckiky ity an, manomboka mahafinaritra ahy na dia somary kidaladala miteniteny foana izay aza indraindray Laughing

Fa ampian'i Sahoby an'ity koa dia aoka fotsiny - tena nataony manara-penitra tokoa Cool

 

Jombilo tsy matsiro
Mihinan’ny volany tsy manino

Rehefa io ilay sponsor
Avy hatrany ianao dehors
Rehefa tonga ilay vazaha
Dia tsy maintsy mandeha mipà
Raha tsy zany mandray kifafa
Misolo toeran’ireo solafa
‘Nareo roa no mifankatia
Izaho anefa tsy maintsy miray vilia
Raha bôgôsy ka tsisy sôsy
Dia tsy maintsy iraisana ilay matos
Izaho lasa nitsiry mony
Mila  ho voan’ny tazovony
Nefa izaho indray no misy fil
Toute  option sady tactile 

 


Sary...mainty sy fotsy.

Nampidirin'i ikalamako | 14 Feb, 2015

Aleo ny hira sy ny dikan-teny malalaka nataonay sy dadatoa google no omena toerana fa tsy asiana resa-be. Hiran'i Carmen Consoli izy ity, "In bianco e nero" [(sary) fotsy sy mainty] no lohateniny. 

Mijery ny sarin’ny reniko aho
Toa sambatra ery izy, telo taona angamba izy teo
Mamihina saribakoly eo an-tratrany
Fanomezana mba tsara indrindra.
Sary tamin’ny nankalazana ny andro nahaterahany
Sary mainty sy fotsy efa vasobasoka.
Mijery ny reniko tamin'izany andro izany aho dia mahita
Ny tsikiny mitovy amin’ny ahy.

Dia mieritreritra aho,
Impiry no tsapako hoe lavitra ahy izy ?
Eritrereto hoe impiry.

Mba satriko erý ny hiresaka aminy ny momba ahy
Fara fahakeliny, manontany ny anton’ny
Fahanginana ela sy toa feno fankahalana 
Sy ireo fotoana tsy nifampiraharahanay.

Nasehoko azy hoe hentitra aho
Nanana hambo sy tsy hay atonina 
Ao anatiko ao toa masiaka
Fa matahotra  fifanandrinana.

Mijery ny sary ny reniko aho
Toa sambatra ery izy, roa-polo taona teo angamba
Ny volo voafintina anaty sarondoha landy
Ny tian’ny endrika aseho toa zary nanjavona.
Sary maneho ny taona enimpolo,
Ny hamiranan’i Catania.
Notsongolohako an-tsakany sy an-davany dia hitako
Ny fijerinay mitovy.

Dia mieritreritra aho,
Impiry no tsapako hoe lavitra ahy izy ?
Eritrereto hoe impiry.

Mba satriko erý ny hiresaka aminy ny momba ahy
Fara fahakeliny, manontany ny anton’ny
Fahanginana ela sy toa feno fankahalana 
Sy ireo fotoana tsy nifampiraharahanay.

Mba satriko erý ny hiresaka aminy ny momba ahy
Fara fahakeliny, manontany ny antony
Mba satriko erý ny hiresaka aminy ny momba ahy
Fara fahakeliny, manontany ny antony.

 

Namana, mana-namana, finamanana.

Nampidirin'i ikalamako | 30 Jan, 2015

Tsy filàna akisa akory ity lahatsoratra ity na famelezana akaiky fa eritreritra mandalo fotsiny. 

Tsara erý manko ny mahatsapa hoe manana namana - na virtoaly aza - rehefa iny izy maneho eny tsindraindray amin'ny teny na fihetsika kely hoe mahatsiaro anao na tsy hitahita aza ianao sady manome toky eny ihany koa hoe eo izy raha misy ilàna azy.

Fa mahafinaritra ihany koa, ary manohina mihitsy, rehefa misy namana maneho aminao amin'ny fehezanteny roa na telo fotsiny hoe marefo ny tanja-tsainy ka tiany zaraina aminao. Tsy mangataka n'inon'inona izy fa manamaivana azy fotsiny izay fihetsiny izay. Hainy fa tsy afaka hanampy azy amin'ny olany ianao - indrindra raha lavitra azy - fa ataony fampaherezana ho azy kosa ny fahalalana fa ao ianao tsy mitsara, tsy mandiso, tsy mandray an-tendrony, tsy manaraby, tsy manao serimônina. Tsy voatery ho hainao toy ny paosinao izy vao afaka hanampy azy ianao. Ary tsy voatery handoa-danitra ianao hanampy azy.

 

"Fony aho kivy ratsy tsy mba nanana hitarainana, hoy i Henri Ratsimbazafy, tsisy tia, lany vatsy, zary leon’ny fiainana. Dia ianao tamin'izay no hany mba  niteny tamiko ka namerina indray ny fiainana ho mamiko. Eny teny kely monja feno hatsaram-panahy, nisy hevitra mafonja ka nitondra hery ho ahy."

 

Tsaroako tampoka ny tenin'ilay akama be izay Wink hoe "misy namana tsy foy kôtiana... ohatra hoe ianao".  Tamin'izay aho avy dia niteny hoe tsy mi-tira mihitsy angamba aho zany an Yell.

Fa vazivazy moa iny nandraisako azy iny fa marina fa misy mihitsy ny bandy - na dia ireny atao hoe tsy mandalo katsa-maina ireny aza Tongue out, fa tena fatra-panaja ny sipa tsy foiny kôtina. Ilay "tsy foy" no tena tsindriana eto. Tsy hoe tsy sahy na tsy tiana akory.

Fa avy eo miankina amin'ny tsirairay ny mino na tsy mino izany satria ianao miaina ilay finamanana ihany no mahatsapa zay fihetsika tsara be izay. Misy ny tsy mety mino fa ry Don Juan sy ry Casanova dia afaka tsy mikôty sipa fa mandray azy ho namana toy io lazaiko io ambony io.

Fantatro fa tsy mijery ny blaogiko izay namako izay. Tsy fantany akory ny fisian'ity. Fa apetrako eto ihany ity eritreritro nandalo androany ity rehefa avy naharay "misaotra" avy taminy aho ho setrin'ny fampaherezana nasiana tsiky kely nalefako ho azy omaly.



 

...miteraha hahita !

Nampidirin'i ikalamako | 23 Jan, 2015

Eto am-piatrehana ny safidin-drafotsikely amin'izay fianarana ambony ho ataony aho dia tonga saina fa tena misy lesoka be mihitsy ny fahaizako mikirakira sy mitsikaraka eto amin'ny aterineto eto. Ekeko fa tsy dia manintona ahy loatra izy ity fa voafetra ny tontoloko eto. Tsy dia mandany andro mitady zava-baovao eto aho fa zay mandalo ny masoko sy ren'ny sofiko ihany. 

Kanefa atý amin'ny taona roa arivo dia ato daholo ny torolalàna sy ny sosokevitra sy ny fitarihana ilain'ny mpianatra (sy ny ray aman-dreny koa). Hatramin'ny fisoratana anarana.

Tsy mety amin-drafotsibe ilay izy fa naleony niantso vonjy tamin'ny mpampianatra mihitsy androany. Satria ankoatra ilay very ato anaty ala kirihitry ny tolotra isan-karazany eto amin'ny aterineto dia tsy mora koa miatrika izany miaraka amin'ny zaza miala sakana (hihihi miteraha hahita hono koh). 

Tsara ilay rizareo mahalala ny zavatra tiany sy manana ny zony feno hifidy izany fa tsy toa antsika nanoa be fahatany ny ray aman-dreny. Fa rehefa eo amin'ny taonan'ny miala sakana izy dia mbola tantara koa ny manazava aminy ny lafy tsara sy lafy ratsin'ny fanapahakeviny fa matoa izy nifidy zavatra iray dia tsara iny aminy, amin'iny fotoana iny fa tsy mijery ny atsy ho atsy izy. 

Marina fa vao nanomboka ny taona dia efa nisy ny resadresaky ny tompon'andraikitra eo amin'ny fitarihana sy fanoroana azy ireo amin'ny izay taranja mety hanavanana azy sy azony atao, nanazava azy ireo koa ny asa azony atao rehefa vita ny fianarana. Izany hoe nisy fihaonambe aloha dia avy eo noraisina sy niresahana tsirairay izy ireo. Mba tiako loatra iny fomba iray iny. Kanefa nilaiko ihany ny fanampian'ny mpampianatra azy mivantana. Tsy miteny aho hoe ananany hena-maso kokoa fa mba feo hafa afaka hampieritreritra azy hoe tsy dia diso loatra ilay an'i neny. 

Hitako nilamindamina ny sainy ka asa izay ho tohiny. Mandrimandry saina koa izy fa mbola afaka tsy miala eto Roma avy hatrany raha vao afaka bac izany. Fa mba azony aloha hoe ny fampianarana eto Italie mihitsy no latsa-danja ka tsy tokony ataony ambanin-javatra ny vintana ananany hoe manana vatsy hafa sy mafonja.

Kely ny zaza, kely ny adintsaina. Lehibe izy dia lehibe koa ny adin-tsaina. Mora ny nisafidy ho azy iny sekoly nataony nandritra ny 15 taona iny. Lehibe indray ny fiasan-doha hanampy azy hisafidy ny hataony eny amin'ny anjerimanontolo. Lasa zao !!!

Na izany aza, misy fifaliana manafana ny foko amin'izao resaka zao satria nofinofiko hatramin'izay ny ho mpandika-teny saingy tavela any anaty tiroara any ilay nofy fa nananihany ilay fiainana ka tsy tanterako ilay izy. Efa zary bogongolo mihitsy aza. Tsaroako nitselatra mihitsy ny foko nilazany taorian'ny fihaonana tamin'ny tompon'andraikitra hoe io no fianarana tiany hatao. Tiako fa mba nalainy tamiko ihany izay fitiavana fiteny maro izay, ary voafehiny tsara hoy ny mpampianatra ka tsy misy atahorana fa mila milofo fotsiny izy. Let it be.

 

 

Mitomania ianao ry Taniko.

Nampidirin'i ikalamako | 7 Feb, 2009

ANDROY.

Nampidirin'i ikalamako | 18 Apr, 2008

Fanontaniana napetraky ny tao an-tranonay foana ny hoe : "taiza ho aiza tamin'ny fiainako no nitiavako an' Androy ?"

Tsy hitako ny valiny. Ny toetrako angamba mifanaraka tsara amin'ny hangazan'ny tany sy ny fanakoakon' ny beko antandroy.

Efa voalazako fony voatagy aho fa isan'ny mba nampalahelo ahy tamin'ny fiainako ny tsy nahafahako nanohy hatramin'ny farany ny fianarana teny amin'ny Anjerimanontolo (sampana tenin-drainiboto), nefa dia mba fikasako tamin'izany fa ny lohahevitra hotohanako amin'ny famaranana ny fianarana dia ny hoe "Comparaison de la langue allemande et le dialecte antandroy". Frown

Indro misy beko antandroy ho an'izay mba liana hahalala misimisy kokoa an'ity faritra atsimon'ny Nosintsika ity, tanànan'ny roy,  maniry betsaka any amin'io faritra io .

Fomba fiteny any Androy ny hoe : "aty Androy, ny fiainana toy ny fihinanan-draketa, tsy eritreretina ny tsilony".

 

 

 

 

Maninona angaha ny biby no tsy mba miteny...

Nampidirin'i ikalamako | 18 Mar, 2008

Miala tsiny amin'izay tsy tia biby aloha, indrindra fa ireo tsy tia saka toa an'i sipagasy matahotra horangotiny sy iaboba manome soso-kevitra hoe asiana gants ny tongotra aman-tànan'izy ireny, na i maintikely milaza fa tia biby tokoa saingy amporisihan'ny alikany ho tsy tia saka, na i lalasoa tsy tia saka mainty - tsy hay na ny "tsy tia" na "ny saka" no maintyTongue out - fa dia marary ny foko ato fa marary ny sakako mainty, tena ilay fiancé-ko mihitsy fa izy irery no lahy amin'izy efatra sady izy no malemy fanahy indrindra.

 

Efa elaela izy no mandringa fa noho ny biby tsy mba miteny dia vinavinaina fotsiny hoe inona no mahazo azy, tsss.

Efa natao ny taratra X dia mety ho ny lohan'ny taolam-pe no misy tsy mety (nefa toa tsy maninona akory ny taratr'ilay izy ao fa tsy mahita lazaina angamba ilay dokotera dia mba mitsatoka aloha). Antibiotika 15 andro.

 

Mbola tsy misy fiovana afa-tsy ny hoe mandringa kely ilay nandringa be teo dia nentiko indray androany ka mety ho tsistita indray hono ka mila maka santionan'ny rano avalana hodinihina indray. Dia antibiotika hafa indray ity 10 andro, dia sady nomeny vitamina hanamafisana ny taolana ihany. Koditra aho hoe ahoana no hakana ilay rano io, kay nomeny karazana fasika tsy mitroka aho dia amin'izay ilay rano tavela eo dia iny no alaina amin'ilay siringa kely (mahay raha raolombelo).

 

Raha izay anefa izy mba miteny dia efa mba fantatra hoe "aiza marary ny sakako, ato ?", "ao ary e !, "Ity fafody"   Izao lasa manao ankamantatra sy ankitsapaka... lalina izany !

Antso ho an'ny WWF : karazana mitady ho lany tamingana.

Nampidirin'i ikalamako | 5 Des, 2007

Tongue out Nihomehy be aho teo fa namonjy versera-n'ny namany Ravavitokana io tolakandro io, ka hay nisy reny iray niantso ahy foana hono saika mba hangataka servisy hoe mba alaiko koa ny zanany rehefa maka ny ahy aho dia mba aterina any an-tranony.

Tsy izy nimenomenona fa "tsy misy nomerao finday fa nomerao ao an-trano fotsiny ny anao anaty lisitry ny mpianatra", na ilay mama iray nilaza hoe "tsy hoe tsy napetrany fa tsy manana finday izy io", tsy izay no nampihomehy ahy fa ilay mama anankiray - tsy mbola mifanerasera amiko mihitsy, "la classique expatriée !" - tena nitanaka be mihitsy nahare hoe tsy manana finday aho : "Comment ça ! vous n'avez pas de cellulaire? Et comment vous faites, dites donc!".

Ikalamako moa izany efa immigrée fa tsy expatriée na  bourgeoise eto amin'ny tanàna. Ikalamako rahateo efa miloko ny hodiny fa tsy manjopiaka. Hany ka tena zava-nahavariana ilay olona mihitsy izany hoe tsy manana finday izany aty amin'ny taona 2007. Nahatsiaro ny tenako ho tena "objet de découverte" ho an'ilay ramatoa mihitsy aho : karazana mitady ho lany tamingana avy any amin'ny ala matevina any Afrika, lolll.

Ka lokin'ny hehy irery aho mieritreritra hoe tokony mba hanokanan'ny WWF fanampiana manokana mihitsy entina hiarovana an'ikalamako sy ny babakoto ao Andasibe, fa ho lany tamingana izahay.

Sa ahoana ? Wink

Fihavanana.

Nampidirin'i ikalamako | 22 Nov, 2007

Fihavanana, tsy misy dikanteny azo omena an'io hono :

  • Parenté : tsia satria milaza rohim-pihavanana io
  • Amitié : tsia satria azo lazaina hoe fifankatiavana
  • Amour : tsia satria io no fitiavana
  • Unité : tsia satria midika firaisankina
  • Relation : tsia satria fifandraisana no dikany
  • ...

 

Fihavanana : tsy mety hazavaina na adika fa hiainana. Ny Malagasy ihany no mahalala ny dikany satria izy ihany no miaina azy. Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fiainan'ny Malagasy ny Fihavanana.

Tsy mpikaroka na manam-pahaizana aho fa sarababem-bahoaka miady amin'ny fiainana andavandro ka tsy dia mandinika lavitra.  Fa mba nampiasaiko ihany ny "matière grise" kely ananako nandinihiko tsara an'io androany tolakandro manontolo. Izany tokoa ve hoy aho. Raha ny "contexte" nampivoaka ilay resaka dia toa manaiky aho fa izay tokoa. Handeha mba hampiasaiko ny solosaina hanaovako fikarohana momba izany hoy aho anakampoko, hihihi.

 

Ilay "contexte"  ? :

Tamin'ny talata maraina be aho nahazo antso avy amin'ny namako mba nangataka servisy : hitsena olona eny amin'ny seranam-piaramanidina fa ilay olona efa nantenainy hitondra azy eny (fa izy tsy mamily) tsy afaka tamin'ny ora farany. Nananako ny fotoana dia nekeko ny fangatahany fa efa fombanay eto rahateo ny tsy mifampihafahafa, taigna samy an-taigna. Nolazainy hoe iza ilay olona ho tsenaina hamonjy fivoriana iraisam-pirenena, fantatro anarana fotsiny. Malagasy ambony - sy malaza - hoy ny valalabemandry. Fantatro koa satria firesaky ny reninay foana taloha. Nifandray rizareo hatry ny fahakely, fa tapitra teo amin'io andiany io, tsy nahalala azy izahay ankizy, satria samy nanana ny fiainany izy ireo nony lehibe.

Kanjo nony tonga ny vahiny, izaho tsy nieritreritra hitonona, saingy ilay namako "mpirahalahy" amin'ny zokiko lahy, no nilaza hoe : " izy dia zandrin'i anona", dia tonga ilay vahiny dia nanao hoe  "zanak'i anona ianao izany" (Golemain!). "Eny tompoko". Teny an-dàlana dia nanontany ireo dadatoa sy nenitoanay izy, sy ireo bebe sy ny dadabe : aiza, manahoana,... 

Dia nanao kaonty iray sy valo teo aho aloha : adidiko ve ny manasa azy ireo hisakafo satria fantatro fa nifampitondra tsara mihitsy izy mianakavy roa tonta tamin'izany. Rehefa nalaina ambony nalaina ambany dia eny no neken'ny saiko. Kanjo nony nilazako ilay namako mahalala  azy ireo hilaza izany  amin'izy ireo, dia nilaza izy fa efa voafandrika zareo io alakamisy hariva noeritreretiko io. "Zarako aza naratra" hoy indray aho anakampo. Ny finiavana nisy fa ny fotoana no tsy nifanindry. Samy afaka izany. (Zany mba lohako ! hihihi).

Kanjo alarobia hariva, nahazo hafatra tanaty finday ilay ranamana hoe mba hanasa anao sy ry anona ary izy mivady ranona (ikalamako mivady io) amin'ny alakamisy antoandro. Dia golemain fanindroany fa ny andrizareo indray no tonga aloha.

Teo ampihinanan-kanina io tolakandro io moa izany no nivoahan'ity raikipohy ity hoe "ny fihavanana tsy mety adika fa iainana" satria rehefa avy nanazava tamin'ny iray latabatra izy momba ny fifandraisan-drizareo ray aman-dreny, ary nanambara izy fa tena tsy nampoiziny ary nahafaly azy mihitsy ny nahita sy nahalala ahy aty, dia nivoaka ny hoe "boribory ny tany", "tena tsy ampoizina an", "mahafinaritra kah". "lalina ny fiainana an" ; dia izy nanasa no namehy hoe : "tsotra ny antony : ny fihavanana". "Ka inona no handikana sy hanazavana izany amin'ny vazaha" hoy indray ny fanontaniana. Dia novaliany hoe "tsy azo adika sy hazavaina izany fa zavamisy iainan'ny Malagasy. Izy irery ihany no mahazo izany. Le Fihavanana chez les Malgaches, fiteny io satria izay nandalina momba azy io dia tsy nahita ny teny mahadika azy.

Misy hotsakotsakoina izany satria ny kaly teo efa levona koh. Tsy nampoiziko aloha e, satria izaho vao nilazana ny anarany dia tsy nirototra fa araka ny kajiko dia tsy misy hamakian'io olona io loha amin'izay izaho zanak'olom-pantany taloha mihitsy, ka tsy misy antony tokony hitononako hoe iza aho.

Fehiny : Nahay nihavana tokoa ny ray aman-dreny taloha.

Eritreritra manaraka ny onjan'ny fandrosoana.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Mey, 2007

Dia lasa tokoa ny eritreritro androany mahita ny fandrosoana. Dia manontany tena hoe rehefa afaka 15 taona, feno 25 taona ny zanako, inona indray re ny zava-baovao entin'ny fandrosoana e!

Satria tsaroako tsara ny nahatongavako teto Eoropa tamin'ny 91, mbola nisy rotaka be tany Dago ny volana aogositra, taorian'izay tena nanahirana be ny fifandraisana ara-paositra, nefa ny fiantsoana an-tarobihy mbola lafobe mihitsy, sady ny ankamaroan'ny tapaka sy namana tsy nanana vata-fiantsoana akory.

Roa taona tato aoriana dia afaka niantso niafina, na teny amin'ny toerana fivorivorian'ny Filipina, na tany amin'ny Afrikana ; izay ao ambadik'izany fiantsoana izany aloha dia tsy hay, kanefa dia azo an-tsaina fa misy halatra tamin'ny nomeraon' olon-kafa tao ambadik'izao. Fa ny tena moa tany am-pianarana nianatra "conjugaison" hoe je m'aime : izaho aloha ; izay vao  je t'aime : izany hoe ianao ; izay vao je l'aime : izy izany ; ka izay nahafahana niantso ny havana tany Dago aloha no zava-dehibe, fa izay kaontin'ny hafa eo vidiny. Teo amin'ny 50 centimes de euro teo ho eo ny iray minitra tamin'izany, fa dia efa zava-dehibe aloha e.

Ankehitriny anefa, nampitady namako be izay aho, tany Antsiranana no nahalalako azy farany, ary dia mbola any izy hatrizao rehefa nasaiko notadiavan'ilay namako be tao amin'ny adiresiny taloha tao Behoririka, satria mbola ao ny zokiny. Dia azo daholo na ny mailaka azo hanoratana aminy na ny nomeraon'ny finday, ka dia nahafinaritra ny - tsy hoe nifankahitana moa izany - fa ny famerenana ny fifandraisana taloha izay notapahan'ny elanelan-tany.

Dia androany ihany, raha nifanoratra mailaka izaho sy ilay namako iray izay manana talenta amin'ny asa-soratra ihany, hatramin'ny teny lycée, dia nampatsiahiviko azy fa mila manokatra pejy ao amin'ny www.artiste-malgache.com mihitsy izy mba hampahafantatra ny talentany, kay izy efa nanokatra tokoa tamin'ny vao nolazaiko an'io enim-bolana lasa izay, saingy ho an'ny tsy za-draharaha toa anay moa dia toa teny sinoa daholo ny fanazavana ato, ka navelany ilay izy. Mifandefa mailaka eo izahay dia nampitaiko tamin'ingahy lehibe mpikarakara ny hetahetany, ka tonga dia afaka niresaka tsara tamin'ny ity hoe Yahoo rizareo, ka teo aho nijery ilay pejy dia hitako fa nihetsika tokoa, satria fantany amin'izay ny tokony ataony izao.

Dia lasa tokoa ny fisainana, lalina lahy ny fandrosoana. Ary efa ampy ve izay ? Toa efa manamora fiainana tsisy toa izany ny olombelona, ka mbola misy tsy ampy ve ka mila hoforonina indray ? Inona ny zava-baovao afaka 10 na 20 taona ?

Eto isika hahita azy, fa asa na mbola amin'ny alalan'ny blaogy no famoahana  ny ventsoventsom-po sy izay eritreritra miserana ao an-tsaina amin'izany fotoana izany...

Mba hiteny irery ve ny webmaster-n'ireny site rehetra ireny amin'izany hoe "tena efa mandroso ny tany fa tsy izany no nampiasainay tamin'ny andronay!"