Boaty fanaterana taratasy antitra indrindra eran-tany.

Nampidirin'i ikalamako | 5 Apr, 2021


Ho eny Castel Gandolfo kely isika, tanàna 25 km avy eto Roma fotsiny. An-tampon-kavoana kely izy, mitatao ny farihin'i Albano, izay farihy vokatry ny volkano taloha. Ny tena mampalaza an'ity tanàna ity, ankoatran'ny hatsarany sy ny tantarany efa fahagola, dia satria any no misy ny fonenan'ireo Papa nifandimby rehefa tonga ny andro mafana. Hatreo amin'ny Fitondran'i Papa Benoà XVI anefa izany satria i Papa Francesco dia nandà tsy hampiasa io Lapa-panjakana io fa nisafidy ny hijanona tontolon'ny taona ao amin'ny Vatican. Lasa tranom-bakoka natao hotsidihan'ny mpizahatany izany ny Lapa ankehitriny.

Fa ny tena hankanesantsika eny Castel Gandolfo ara-tantara androany dia hiresaka momba ny boaty fanaterana taratasy antitra indrindra eran-tany. Roanjato taona izy io izao satria noforonina tamin'ny taona 1820, araka ny sosokevitra natolotr'i Jacorossi, Mpanolotsainan'ireo Priori (fikambanan-drelijiozy no nantsoina hoe priori). Somary sarotra manko ny fifandraisana an-taratasy tamin'izany fotoana izany satria tsy tonga mivantana tao an-tanàna ny taratasy fa tao amin'ny biraon'ny paositra tao Albano Laziale, tanàna mifanila amin'i Castel Gandolfo. Tao kosa dia voatery niandry mpiandraikitra iray hanangona sy hanatitra azy amin'ny toerana tokony alehany ireo taratasy sy entana. Nokaramaina 1/2 baiocco (vola tamin'izany fotoana izany) isaky ny taratasy io mpiandraikitra io.

Mbola nisy olana ihany anefa rehefa tonga any amin'ny tanàna hanaterana azy ireo satria nisy tsy nahay namaky teny sy nanoratra ireo mpiandraikitra ka tsy hainy na ny anarana na ny adiresy tokony hanaterany izany. Teo no teraka ny hevitr'i Jacorossi hoe aleo manokatra boaty iray dia alatsak'izay mpiandraikitra ao fotsiny ireo taratasy dia rizareo ao amin'ny priori no manasivana sy manatitra izany any amin'ny tompon-taratasy avy.

Eo anelanelan'ny Lapan'ny Tanàna sy ny Biraon'ny Paositra no ahitana io boaty roanjato taona niainana io.

Ny fanambadiana jiosy.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Apr, 2021

Ho an'ny jiosy dia tsy Sakramenta fa Fifanarahana ny fanambadiana. Taloha dia natao tany an-trano ihany izy fa ankehitriny kosa afaka ankalazaina any amin'ny sinagoga. Ny zava-dehibe fotsiny dia ao ambany tataro antsoina hoe "khuppa" izy ireo no mandray ny tsodrano ho mariky ny fonenan'ny tokantranon'izy ireo.
Razazalahy no manolotra peratra ho an-drazazavavy izay tsy maintsy entiny foana eo amin'ny fanondron'ny tànany ankavanana ary mandritra izany ny rahalahiny dia mitazona labozia amin'ny mosoara dantelina natolotr'i razazavavy.

"Kettuba" izay midika hoe Soratra no anaran'ilay Fifanarahana. Azo haingoina amin'ny sarim-boninkazo kely izy, soniavin'ny vavolombelona ary miantoka ny zon-drazazavavy raha sanatria tonga amin'ny tsontsori-mamba isarahana. Noho izay antony izay dia ny renin-dravehivavy no mitahiry ny "kettuba".

Taloha dia natao lisitra tao daholo ny fananana nentin-drazazavavy ary teto Roma dia tsy maintsy nametraka tahirimbola antoka, mitentina avo roa heny amin'ny sandan'ny fananana nentin-dravehivavy razazalahy.

Amin'ny maha fifanarahana ny fanambadiana dia azo ekena ny fisarahana amin'ny jiosy, nantsoina hoe "ghet" izay ankatoavin'ny Fitsarana ary marihina amin'ny fandrovitana ny "kettuba". Azo atao tsara koa ny manambady fanindroany any amin'ny sinagoga.


_____
Sary fanehoana : Kettuba, sanganasan'i Di Castro - Di Segni.
Hosodoko sy ranomainty amin'ny pergamena vita amin'ny hoditr'ondry.

Roma 1785.

2020 anatin'ny 6 minitra

Nampidirin'i ikalamako | 4 Jan, 2021

 

Na niantomboka tamin'ny ranomaso fa nilaozan'ny namana tiana aza ny 2020, ary nofaranana tamin'ny fihibohana satria izay no fepetra noraisin'ny fanjakana mba tsy hampirongatra indray ny valan'aretina COVID-19 izay namely mafy tokoa ny firenenay eto Italia, dia tsy azo lazaina fa ratsy izy fa navesatra fotsiny.

Ary teny anelanelan'ny janoary sy desambra teny dia nisy tokoa ny lesona nomeny ho an'ny zanak'olombelona : iaino arak'izay azo atao ny anio, sitraho ny bitika atolotry ny fiainana fa sarobidy izany rehefa tsy afaka atao intsony.

 

Fiarahana tamin'ireo mpanakanto vitsivitsy tanaty 'Vorombý'

Nampidirin'i ikalamako | 29 Okt, 2020

Ketriketriky ny saiko farany teo ary mba naha-afapo ahy tokoa ny nanatontosana ity horonantsary ity ! 

"Vorombý" dia hiran'ny tarika Zopanage tany amin'ny taona 80'. I Ndrina Ranaivoarimanana no namorona azy ka nohavaoziny sy nataony tanatin'ny rakikira navoakany tamin'ny taona 2017 izy ary nampihirainy an'i Harinaivo Rabevala (Naivo) izay isan'ny mpikambana ao amin'ny tarika ihany koa. 

Hevitra hafa no nitondrana ny horonantsary, mba niala kely tamin'ny mahazatra. Satria moa ny mpanakanto dia isan'ireo mpivezivezy mitety tany mitondra sy mampahafantatra ny talentany ka isan'ireo mandray vorombý matetika, misara-toerana amin'ny havana, namana, olon-tiana ka izy ireo no nindramina hampiaina azy. "Tsy misy ny mandra-pihaona ho antsika. N'aiza n'aiza misy anao dia ao anatin'ny foko hatrany ianao", hoy i Mahatma Gandhi izay.

Nahafinaritra fa maromaro ireo mpanakanto niresahana an-tsoratra, an-tendrilavitra avokoa, satria ny tena avy eto amin'ny solosaina atý Roma no miketrika ka ny sasany dia naka sary ny tenany ary nandefa ny anjaran'izy ireo  tamin'ny mailaka fa ireo somary sahirana nanao ny azy mitokana no nanirahana ny mpikirakira horonana mba ho alainy sary. Fa mbola nahafinaritra tokoa ny naneken'izy ireo handray anjara tsy tam-pihambahambana na dia tsy olom-pantatro manokana aza ny sasan-tsasany. 

Sitraka sy telina ho azy 12 mianadahy/mianaka : Edgard Ravahatra - Charles Kely - Son (Tarika Son) - Noum's Montana - Carol (Dillie) - Jaojoby - Alain Rabetrano - Radanz - Davis (Mika & Davis) - Alain sy Malala (JS Twins) ary Pita Rabeson.

Ny hefin-tsikina an'i nenibe.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Okt, 2020

 

Ny reny sy ny renibe taloha dia nanao hefin-tsikina tambonin'ny akanjony ho fiarovana ireny satria tsy dia nanana akanjo maro nisolosoloana rizareo. Mora kokoa manko ny manasa ny hefin-tsikina izay vita amin'ny hasy ny ankamaroany, noho ny akanjo na pataloha na somizo vita amin'ny lamba hafa.
Fiarovana ny akanjo noho izany no tena asan'ny hefin-tsikin'i nenibe, kanefa ambonin'izay dia :

Natao hibatana ny vilany mamay izy fony mbola tsy nisy ireny "fibatam-bilany" ankehitriny ireny.

Tsy nanano-sarotra ny namafa ny ranomason'ny ankizy, sy indraindray, manadio ny tarehy misolitiky ny loto.

Rehefa any am-pisoko i nenibe dia ny hefin-tsikina no itondrany ny atody, na ireo akohokely mila velomina, na ireo atody efa mitady ho foy izay apetrany eo akaikin'ny fatana hahazo hafanana mba hanamora ny fahafoizany.

Rehefa misy vahiny mamangy dia natao fiafenan' ireo zaza saro-kenatra ny hefin-tsikin'i nenibe. Avy tamin'izany no nahatonga ilay fomba fiteny hoe "miafina anaty atin'akanjon-dreniny".

Rehefa mangatsiatsiaka ny andro dia ampakarin'i nenibe izy iny hanafanany ny sandriny sy ny sorony. Rehefa andro mafana kosa dia hamafany ny hatsembohany rehefa izy miketrika sakafo eo amorom-patana.

Natao hikopakopahana afo mitady ho faty ihany koa iny hefin-tsikina ela niasana iny.

Mbola iny ihany koa no hitondrana ny ovy sy ny kitay mankany an-dakozia.

Raha eny an-tsaha dia izy no solon'ny harona hasiana ireo karazam-bokatra : rehefa voaoty ny pitipoà dia tonga koa ny anjaran'ny laisoa. Rehefa tapitra ny fotoanany, dia hanangonana ireo paoma latsaka avy eny ambony hazo izy.

Rehefa misy vahiny tsy ampoizina dia mahavariana fa haingana dia haingana mihitsy ny hamafan'iny hefin-tsikina iny ny vovoka amin'ny entana.

Rehefa amin'ny ora fisakafoanana dia ahofahofan'i nenibe avy eo an-davarangana ny hefin-tsikina, hilazana amin'ny vatan-dehilahy eny an-tsaha fa masaka ny sakafo ka mila mody amin'izay.

Ampiasain'i nenibe hamoahana ny mofomamy avy ao anaty lafaoro tanimanga ihany koa izy ka apetrany hampangatsiahana eo amin'ny sisim-baravarankely.

Mbola mila taona maromaro angamba vao hisy hahaforona fitafy afaka hifaninana amin'iny hefin-tsikina efa tontatonta nefa mahavita be iny. 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 ... 52 53 54  Manaraka»