Ny hefin-tsikina an'i nenibe.

Nampidirin'i ikalamako | 11 Okt, 2020

 

Ny reny sy ny renibe taloha dia nanao hefin-tsikina tambonin'ny akanjony ho fiarovana ireny satria tsy dia nanana akanjo maro nisolosoloana rizareo. Mora kokoa manko ny manasa ny hefin-tsikina izay vita amin'ny hasy ny ankamaroany, noho ny akanjo na pataloha na somizo vita amin'ny lamba hafa.
Fiarovana ny akanjo noho izany no tena asan'ny hefin-tsikin'i nenibe, kanefa ambonin'izay dia :

Natao hibatana ny vilany mamay izy fony mbola tsy nisy ireny "fibatam-bilany" ankehitriny ireny.

Tsy nanano-sarotra ny namafa ny ranomason'ny ankizy, sy indraindray, manadio ny tarehy misolitiky ny loto.

Rehefa any am-pisoko i nenibe dia ny hefin-tsikina no itondrany ny atody, na ireo akohokely mila velomina, na ireo atody efa mitady ho foy izay apetrany eo akaikin'ny fatana hahazo hafanana mba hanamora ny fahafoizany.

Rehefa misy vahiny mamangy dia natao fiafenan' ireo zaza saro-kenatra ny hefin-tsikin'i nenibe. Avy tamin'izany no nahatonga ilay fomba fiteny hoe "miafina anaty atin'akanjon-dreniny".

Rehefa mangatsiatsiaka ny andro dia ampakarin'i nenibe izy iny hanafanany ny sandriny sy ny sorony. Rehefa andro mafana kosa dia hamafany ny hatsembohany rehefa izy miketrika sakafo eo amorom-patana.

Natao hikopakopahana afo mitady ho faty ihany koa iny hefin-tsikina ela niasana iny.

Mbola iny ihany koa no hitondrana ny ovy sy ny kitay mankany an-dakozia.

Raha eny an-tsaha dia izy no solon'ny harona hasiana ireo karazam-bokatra : rehefa voaoty ny pitipoà dia tonga koa ny anjaran'ny laisoa. Rehefa tapitra ny fotoanany, dia hanangonana ireo paoma latsaka avy eny ambony hazo izy.

Rehefa misy vahiny tsy ampoizina dia mahavariana fa haingana dia haingana mihitsy ny hamafan'iny hefin-tsikina iny ny vovoka amin'ny entana.

Rehefa amin'ny ora fisakafoanana dia ahofahofan'i nenibe avy eo an-davarangana ny hefin-tsikina, hilazana amin'ny vatan-dehilahy eny an-tsaha fa masaka ny sakafo ka mila mody amin'izay.

Ampiasain'i nenibe hamoahana ny mofomamy avy ao anaty lafaoro tanimanga ihany koa izy ka apetrany hampangatsiahana eo amin'ny sisim-baravarankely.

Mbola mila taona maromaro angamba vao hisy hahaforona fitafy afaka hifaninana amin'iny hefin-tsikina efa tontatonta nefa mahavita be iny. 

Avy teny am-baravarankelin'ireo Malagasy mihiboka eran-tany

Nampidirin'i ikalamako | 6 Mey, 2020

 

​Tamin'ny voalohandohan'ny volana aprily dia nisy namana nanasa ahy hiditra tamin'ilay vondrona "View from my window" tao amin'ny facebook. Nojereko ka feno vahoaka be eran'izao tontolo izao tao ary nahatsiaro tena ho bitika tsisy mpahita aho ka naleoko nivoaka tsimoramora. Nahafinaritra ahy anefa ilay izy ka niainga koa ny ketrika hoe maninona moa raha manangana iray toa an'io hanalana andro miaraka amin'ny namana ato fotsiny. Dia natsangako tokoa ny 11 aprily 2020, ary "Malagasy mihiboka eran-tany" no natao anarany.

​Nataoko vondrona mihidy izy aloha satria dia hoe iarahanay mpinamana nanala andro fotsiny mandra-pifaran'ny fihidiana aman-trano no noeritreretina. Kanjo ireo namana nampidiriko tanaty vondrona niantso namana hafa koa, dia ireo niantso hafa. Dia taitra aho afaka adiny iray naharay sary marobe avy amin'olona tsy fantatro. Voatery nangataka an'i Fahamarinana Maharitra haingana aho nanampy ahy niandraikitra ilay izy ary novohaina ho hitan'ny rehetra ilay vondrona.

Mba hanamora ny handraisan'ny maro ny foto-kevitra dia novaina ho ​Avy eny am-baravarankelin'ireo Malagasy mihiboka eran-tany izy.

​

 

Tsy haiko ny hamintinana izay nitranga tao fa ny azoko lazaina dia feno ny fo nahita ny hafalian'ny mpikambana rehetra. Ny 4 mey teo no nanomboka ny famohana tsikelikely ny varavaranay eto Italie noho izany dia ny 1 mey no nohidiana ny rindrin'ny vondrona, na teo aza  ny alahelon'ny mpikambana maro izay nangataka ny hanohizana sy hanovana anarana azy fotsiny rehefa vita ny fihibohana.

​Fotoana nanamarika ny tantaran'izao tontolo izao ny famelezan'ny valan'aretina COVID-19 ka nahatonga antsika rehetra nasaina nihidy aman-trano. Ho anay dia hijanona ho tahiry, ho tsangambato mahafinaritra ho an'ny tantarantsika Malagasy tamin'ity vanim-potoana manokana ity io vondrona io. 

Ny hanovana ny anarany sy hanohizana azy dia  hahavery tanteraka ilay lohahevitra hoe "mandritra ny fihibohana" ary zary herim-po very maina ny ezaka nanasivana sary efa 20.000 mahery mba ho izay teny am-baravarankely, na eny an-davarangana, na teo an-tokontany fotsiny no nekena hipoitra amin'ny rindrina - misy aza moa ny nahavita niakatra teny an-tafontrano mihitsy nikopa-tànana mba ahafahanay mijery ny hakanton'ny tazan'ny masony.

Io izy, azo vangiana hatrany raha manindry ny rohy ianao : Avy eny am-baravarankelin'ireo Malagasy mihiboka eran-tany 


​

 


Ny toetra mendrika nasehon'ny rehetra nandray anjara tao no tena heriny fa izahay mirahavavy dia​ faly raha afaka nanao izay nahatanteraka izany. Fahafaham-po lehibe ho anay izany.

Mankasitraka ireo haino aman-jery sy ny filazam-baovao niresaka momba ity kopa-tanana nifanaovana ity, na ny tamin'ny fampielezam-peo araka ny tatitra nataon'ny namana, na ny akony tonga taty aminay toa ireto :



 

Aleo ny hevitra vitsivitsy nofantenana tamin'ireo maro be naposaky ny mpikambana no hanambara izay tsapanay rehetra nandritra izay 20 andro nahavariana anay tao izay.

Mirary soa indrindra mba hivoaka mpandresy izao tontolo izao amin'ny fiadiana amin'ity aretina ity.


 




 

'Isaorako ny fiainana' - Gracias alla Vida (Violetta Parra)

Nampidirin'i ikalamako | 1 Apr, 2020

Isaorana ny fiainana raha toa ka mbola manana tafo sy rindrina efatra ahafahana “mihiboka” amin’izao vanim-potoana izao. Raha mbola afaka mitanina andro, mizara fiainana amin'ny biby tiana, misotro divay,…

Isaorana ireo rehetra mikarakara ny marary eny amin’ny tobim-pitsaboana isan-karazany maneran-tany, manomboka amin’ireo lehibe isan-tsokajiny, mpitsabo sy ny mpanampy, ka hatramin’ireo miandraikitra ny sakafo ho an’ny rehetra sy ireo misahana ny fanadiovana izay tena zava-dehibe tokoa.

Isaorana ireo mpamily fitaterana rehetra, an'arabe, an-dalambý, an'habakabaka : mpitatitra olona mbola mila mamonjy ny asany, mpitatitra entana hamatsiana ireo tsena, fivarotam-panafody, tobin-tsolika, sns.

Ary rehefa ho tafavoaka ny ala isika ka ho tantara sisa ity valan’aretina COVID-19 ity dia inoana fa maro dia maro ny hahay ny dikan’ny hoe fitiavana ny hafa, ary mety hihena ny fitiavan-tena.

 

Fiaraha-moninay atý Italia miaraka amin'ny COVID-19

Nampidirin'i ikalamako | 16 Mar, 2020

 

 

Tsy hanao diary ny isan'andronay mihidy aman-trano nanomboka tamin'ny 9 martsa aho fa mba hitantara fohy izay herinandro voalohany izay eto am-piadiana amin'ity aretina  COVID-19 na coronavirus ity.

Be ny fanentanana natao, samy nandray andraikitra nanentana ny namana, ny havana mba hanaraka daholo ilay lalàm-panjakana hoe "aza mivoaka ny trano raha tsy tena misy antony manokana sy lehibe". Raha ny sekoly amin'ny ambaratonga rehetra fotsiny manko no nohidiana tamin'ny faramparan'ny volana febroary iny dia ny firenena iray manontolo no noferana tsy hivoaka intsony nony tonga ny 9 martsa.

Ny antony dia satria nihombo ilay aretina tany avaratr'i Italia, nitombo ny isan'ny maty sy ny  isan'ny marary na dia nitombo ihany koa aza ny isan'ny sitrana. Nofaritana ho faritra mena noho izany ny faritr'i Lombardia, any avaratra, ka tsy tokony hisy hahazo mivoaka na miditra. Vao nahare izany ireo mponina tany ny alin'ny nivoahan'ilay didy hitsivolana dia nihazakazaka naka fiaradalambý sy fiarabe ny alin'iny ihany ny ankamaroan'ny olona "nandositra" namonjy havana sy namana any atsimon'i Italia. Mbola asa be ho an'ny fanjakana ihany koa  ny niandry azy ireny teny amin'ny gara isan-karazany satria izay tratra dia tsy maintsy natoka-monina avy hatrany. Hany  herin'ny fanjakana dia namaritra an'i Italia manontolo ho faritra mena sy nandrara anay rehetra tsy hivoaka intsony raha tsy antony lehibe ny alatsinainy 9 martsa. Maro ny fiasana nakatona fa misy ihany anefa ireo navela hisokatra satria ny fiainam-pirenena mila mihodina na izany aza. Izany hoe ireo tsy maintsy miasa aloha dia afaka mandeha fa mila mameno ilay "fahazoan-dàlana" izay  alaina ao amin'ny vohikalan'ny Ministeran'ny Ati-tany.

Tsotra sady mora azo ny anton'zay fepetra izay ary averiko amin'ny namana rehetra ombieny ombieny : "raha mbola mivezivezy sy mifanerasera isika dia mivezivezy sy hiparitaka hatrany ilay biby ratsy".

Misy ihany ny mbola mafy loha, mieritreritra hoe ahoana moa zahay no fehezinao ato an-trano. Dia naveriko foana hoe ny didi-jadona manjaka any Chine no naha-avotra an-drizareo ka izao zareo efa manomboka miverina tsimoramora amin'ny fiainana an-davan'andro. Tsy mbola resy tanteraka ilay izy fa efa manomboka mihena. Satria any Chine rehefa didy mivoaka dia arahana raha tsy te-ho tapa-doha. Ny tany tandrefana no hamono tena amin'ny demokrasiany.

Manomboka miha-ratsy koa ny toe-draharaha any amin'ireo firenena hafa. Dia hita fa mamerina ny fahadisoana nataonay teto Italie  tamin'ny tapa-bolana ihany koa rizareo. 

Omaly raha olona 368 no namoy ny ainy tatý aminay tanatin'ny iray andro, dia voalaza fa niakatra 38% ihany koa ny isan'ny mitondra ilay otrik'aretina any amin'ny faritra atsimon'i Italia, indrindra ny faritr'i Puglia. Nahoana no niakatra tampoka ? Satria nentin'ireo nandositra avy tany avaratra tamin'ny tapabolana nidina any atsimo ilay virus. Tsy hita teo no ho eo izay fa izao vao mitranga satria 15 andro no mikotrika ao anaty ilay aretina vao mirongatra etý ivelany (incubation hoy ny teny frantsay).

Tokony hilamina ilay fanarahana fepetra raha tsy misahotaka isika. Miteny ho antsika rehetra aho, hatramin'ny any Madagasikara satria averina hatrany fa tsy marina ilay hoe tsy mandaitra any amin'ny tany mafana ilay aretina. Tena  mandaitra fa samia mitandrina.

Manomboka ny herinandro faharoa mihidy an-trano izahay izao. Tamin'ny alarobia ihany aho no nivoaka kely 30 minitra niantsena. Milahatra eo ivelany, manaja ny elanelana 1 metatra avy, dia miditra tsikelikely. Rehefa tafavoaka ny ao vao miditra indray ny manaraka. Tsy atao mahakivy izany fa manararaotra maka rivotra sy manala voly ihany koa e. Inona moa no mahamaika, hiantsena dia avy hatrany dia hody dia tsy hivoaka ny trano intsony avy eo ! Ny tànana no tena mila arovana fa iny no tena hikitikitika ny entana ao anaty tsena ao. Ny orona sy vava afaka saronana amin'ny lamba fitafy raha tsy manana ilay tena izy.

Mbola ho apetrako ho tehiriziko eto fa ho atambatro ireo horonantsary vitsivitsy nanamarika ity vanim-potoana mangidingidy ho an'ny tantaram-pirenenay ity.

Tsy maintsy resena ary tsy maintsy ho resy ity aretina ity fa miangavy antsika fotsiny "mipetraha ao an-trano !". 

Raha mbola manohy mivezivezy isika dia tsy ho resy izy na afaka herintaona aza.

Ny teny fanentanana sy fankaherezana miasa atý izao dia ny " #iorestoacasa" (#mijanonaatoantranoaho ) sy ny hoe #andràtuttobene (#hihatsaraizao )

Olona avy Italia tsy mahazo miditra any Madagasikara - #coronavirus

Nampidirin'i ikalamako | 2 Mar, 2020

 

Ambadiky ny tsiky sy hehy hono tsy voatery ho fifaliana foana. Tsiky fanafenan-tomany, hoy i Bessa.

Misy rahona mampanjombona io tsiky sy hehiko io hatramin'ny maraina. Misy namana nanontany ahy tamin'ny alin'ny zoma  28  febroary hoe ahoana io "notam" io, tena tsy tafa ve fa marary mafy i dada ka tena mila mandeha aho. Tsy nanana avaly azy aho dia nentiko tao amin'ny vondronay zanaka am-pielezana eto Italia ao amin'ny facebook ny resaka. Samy niresaka tao izahay rehetra fa nisy kosa nandefa hafatra manokana ho ahy avy teo, niteny hoe i anona lasa aninkeo ka tokony efa tonga izay zareo dia eo no hahitantsika hoe tafiditra ve sa tsia.

Afaka ora iray dia tonga ny vaovao hoe avy dia nalain'ny fiara mpitondra marary teny Ivato rizareo dia nentina ho atoka-monina eny amin'ny hopitaly eny Anosiala, Ambohidratrimo. Tankina daholo aloha.

Marihina fa ny 27 febroary no nosoniavin'ny ministry ny fahasalamana ilay "notam", izay misy soratra hoe "ity dia hanan-kery amin'ny fotoana hanaovana sonia azy". Ny 28 febroary maraina izahay mbola nahazo fanontanian'ny havan'ireo lasa nisidina hoe "aiza ny vohikalan'ny ministera milaza io" fa tsy nahita zareo - satria nanomboka nanana ahiahy koa izy ireo. Nitady aho moa dia nahita hoe adiny roa talohan'ny fanontaniana no namoaka ilay izy ny pejin'ny Primature ao amin'ny facebook. Izany hoe tsy hay na ny 27 febroary tamin'ny firy no vita sonia ny fandraràna ofisialy fa ireto namana kosa ny 28 febroary tamin'ny 7 maraina no niainga teto Roma tamin'ny sidina Air France izay mbola nandalo Paris. Ny Air France koa tsy mbola nahazo teny midina hoe tsy mahazo mitondra mpandeha avy Italia mankany Madagasikara.

Ny ampitso maraina, sabotsy 29 febroary dia  hafatra avy eny Anosiala mihitsy no azoko nanazava ny fandehan-javatra sy niangavy ahy hampita amin'ny rehetra hoe aza miainga intsony fa avy dia midoboka 15 andro any Anosiala.

Nandritra izay fotoana izay dia niaraka miasa saina tamin'ilay namana manana ray marary aho. Sady tsy nandrisika azy hijanona aho no tsy nandrisika azy handeha fa olon-dehibe izy mahalala ny ataony.

Marina fa sady mifananihany izahay no mandinika hoe inona daholo no atao : haka taratasy fanamarinana fa salama tsara, hanantena fahagagana ve hoe tsy ho tratran'ny sivana fa ho tafavoaka soa aman-tsara, sns. Inona daholo no atao anaty valizy hiatrehana ny eny Anosiala raha midoboka eny : hitondra savony hanasana lamba sy hisasana, hitondra lambam-pandriana ihany koa, hitondra ody moka sy fanafody hafa sao sanatria ny moka indray no hanadaraboka, atao bebe fahana aloha ny finday mandrapahatongan'ny havana hamangy hitondra fahana malagasy, sns.

Izaho izany amin'io miresaka amin'ny eny Anosiala hoe ahoana sy ahoana ny ao dia arak'izay lazain'ny eny no handinihanay ny tokony ho entina sy hatao.

Kanjo omaly alahady 1 martsa hariva izy nandondòna toy ny mahazatra. Avy aho dia nanadrohadro hoe "efa tsy vizaky ny "quarantaine" intsony angaha ny ati-doha" - satria izay no fifamazivazianay. Kanjo hoy izy hoe maty i dada.

Kepoka aloha. Voadona satria niaraka nitady fika handehanana hahita maso an'i dada no nandanianay fotoana tao.

Dia ahoana ?
Tena mbola vonona izy handeha na dia hidoboka eny Anosiala aza. Azoko mihitsy izay faniriany handeha izay. Fony mbola teo i dada dia ny tanaty lohany dia hoe mba ho hain'i dada fa tsy any amin'ny 10.000 km intsony izy fa mba efa etsy Anosiala fara-faharatsiny. Mba efa afaka hamangy azy ny havana na dia hoe eo an-tokotany aza fa zareo tsy mahazo mivoaka.

Izao lasa i dada dia tsy maninona fa handeha ihany, mba ho akaikin'ny fianakaviana na dia eny Anosiala aza Cry

Ny maraina vao nifoha aho ity alatsinainy ity dia nanafatra indray hoe ilazao rizareo any an-tanàna handefa taratasy fanamarinana fa nodimandry i dada, na fara-faraharatsiny ny filazana manjò. Izy rahateo efa nivonona haka taratasy fanamarinana any amin'i dokotera hoe salama tsisy tazo, tsisy kohaka, tsisy n'inon'inona. Dia efa vonona hoe raha te-hiala andraikitra ny sidina hitondra dia hanao sonia izy fa izy irery no tompon'andraikitra raha misy zavatra mitranga aminy.

Izaho amin'io sady miomana fa tsy maintsy handeha hiasa ka hoy aho taminy hoe raha vao mirava aho dia mihazakazaka mody haka vaovao faramparany sady hametrapetraka ny ato an-trano dia hamonjy anao eny an-tseranam-piaramanidina fa tongava alohaloha dia misy fotoana handaminana paik'ady.

Tsy nitaredretra mihitsy vao nirava fa avy dia namonjy fodiana, namoha solosaina sy facebook dia nandondòna azy tao. Antsoiko indry izao dia izao, hoy izy. Vao mainka aho nangovitra hoe misy inona indray. Kanjo hono kay vao nanontany ilay birao nividianany tapakila izy hoe mety ho ekenareo handehanako ve ity taratasy nomen'i dokotera ity hoe salama tsara aho, dia nanokatra solosaina hitady ny momba azy ilay birao dia avy dia nivandravandra be tao hoe tsy afaka miondrana ianao fa hentitra ny fandraràna avy any aminareo. Dia teo aza moa dia nitantara rizareo hoe fahadisoan'ny governemantanareo no nahalasa azy 5 tamin'ny zoma 28 febroary iny satria mbola tsisy nahazo taratasy momba izany izahay ka tsy nahalala hoe tsy mahazo mankany ny avy Italia.

Maty momoka teo ilay faniriana hanao adidy farany ho an'i dada.
Voin-kava-mahatratra moa ilay izy ka izaho avy no kepoka sy oriory eto.

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 ... 53 54 55  Manaraka»