Ny tena namana mahay manaja ny fahanginanao.

Nampidirin'i ikalamako | 4 Aog, 2018

 

Sary tamin'ny fanendrena kardinaly vaovao tamin'ny volana jiona 2018 teo ity. I zoky Kardinaly sy ity zokiko ity dia isan'ireo nahalala ahy nanomboka teo amin'ny fahaadolatsentoko satria zokibe tao an-trano izy ireo nanomboka tamin'izany fotoana izany.

Vao nahita ahy nitsena azy teny an-tseranana izy dia vaky vava hoe "tena ohatran'ny mahita sy mahare an'i maman aho aminao". Nampiako ity izaho nitafy lamba tamin'ity fotoan-dehibe nanendrena ho kardinaly an'i zoky Dezy ity dia tena nitamberina taminay telo mianadahy ny 35 taona lasa.

Fa ity pika sary ity apetrako eto satria dia nitsatoka tany amin'ny ati-fanahiko ny fanamarihana sy fanontanian'i zoky teny antsefatsefan'ny fifalianay teny : "Zandry a, misy alahelo manaloka ny fiainanao. Afaka zarainao amiko raha tianao."

Indroa be izao ilay fanontaniana no nipetraka isaky ny mahita hirika izy satria fifalian-dehibe tanaty efatra andro no nihaonanay ka tsy dia nisy nivalamparana.

Hitany fa nandainga aho. Hitany fa nitelina ranomaso aho. Hainy koa anefa aho. Hainy ny toetrako. Hainy fa akora ety ivelany fotsiny ity izaho be ati-doha ity fa marefo toy ny kristaly aho ao anaty ao.

Isaorako azy ilay fanajany ny fahanginako. Tsaroako amin'ity sary ity ny Fitiavana be mamehy anay mianakavy.

 

(Tsy teto izy no nanontany fa antony hafa indray ity fihinay mianadahy ity. Mitovy toetra izahay mianadahy fa izy mazava fo sy avy hatrany dia milaza zay tsy zakany fa tsy toa ahy.

 

 

 

Fitiavan-dreny

Nampidirin'i ikalamako | 2 Aog, 2018

 

Rahampitso maizim-bolana, hoy i neny taminao
Hanainga antsokosoko isika, haka sambo ka handao
Ity tany feno ady, ravaravan'ireo baomba
Ho any an-tany lavitra any, hanovo fiainam-baovao.

Onjan-drano, oran'andro, haizim-pito no sedraina
Hafanana mahaana mila hahafaka aina
Ilay vary iray fonosana natao vatsy efa lany
F'ilay faravodilanitra mbola tsy tazana ihany

Andro firy izay no lasa, sa vao omaly no niainga ?
Kely sisa dia ho tonga, hoy i neny toa mandainga
Fa ny ranomasonao toa ritra, ny molotrao nihanangina
Dia naronjonao tan-tratrany ny lohanao makiana

Dia nitsangana i neny, niova toera-nilasiana
Tsy nalàny teny an-tratrany ilay vata-mangatsiaka
Ny nijery mbola nihevitra fa torimason-jaza
Fa raha hain'ny tompon-tsambo, omeny trondro ianao ho haza

Fa nihantsona ny sambo, tody ihany tan-tseranana
Dia natolotry i neny ireo mpitsena ilay zanany
Efa simban'ny hain'andro sy ny rivotra sy orana
Ka dia vata fotsy sisa no handriany am-piadanana.

 

2 aogositra

 

 

(loharanon'aingam-panahy : TATO. Efa nodimandry andro vitsivitsy ilay zaza fa nafenin-dreniny teny an-tratrany foana satria raha hitan'ny hafa dia asaindrizareo avalana any an-dranomasina Cry)

 

'Mpifamofo mandra-maty', tantara nosoratan'i Thinà.

Nampidirin'i ikalamako | 24 Mey, 2018

Azo lazaina fa maromaro namana manana talenta aho : ao ireo mpanakanto ara-mozika dia ao ireo havanana amin'ny asa soratra. Maro noho izany ny kapila mangirana sy ny boky izay natolotr'izy ireo na nojifaiko tamindrizareo. 

Raha ny asa soratra dia tononkalo no maro an'isa. Mahafinaritra ahy misintona boky iray izay tandrify ny tànako dia mitsaingoka pejy iray hovakiana rehefa milamindamina iny aho. Tsy ataoko sesi-montotra fa matetika ataoko fakana aingam-panahy.

Ny boky farany voaraiko teo kosa dia tsy tononkalo fa tantara : "Mpifamofo mandra-maty" nosoratan'i Thinà Andriafaly (na i Tsikisariaka eto amin'ny serasera). Tsy nampoiziko ho tantara, fa noheveriko fa raki-tononkalo toy ny mahazatra ilay izy raha tsy tonga teny an-tanako.

Mpiara-mianatra teny amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa izahay roavavy nanomboka tamin'ny taona 1980, fa nandritra ny taom-pianarana - sendra nifampitantara hoe misy fahoriana ao amin'ny fianakaviana - vao nahalala fa hay mpihavana tsy mifanalavitra akory. Saingy ny finamanana no tena namatotra anay hatramizay ka hatramizao.

Efa tonga namangy ahy tatý Roma izy indray taona, nanararaotra ny fandalovany niasa tatý Eoropa. Tsaroako izy niteny tamiko hoe "hosoratako ho tantara izay" raha nisy zavatra noresahanay mirahavavy tamin'izay fotoana izay. Tsy nijanona tanaty saiko kosa anefa ilay resaka raha tsy tafavoaka ny boky ka nampatsiahiviny ahy.

Ny tantara moa tsy azo tsimponina toy ny tononkalo ka efa iray volana taorian'ny nahazoako ny boky aho vao nanana fotoana nifantohana taminy. Edrey fa dia tao aho no noraisina fa tsy nijanona raha tsy ny maso no vizana ary ny torimaso no niantso. Tsy lavabe rahateo moa ilay izy ka nisononoka ery ny famitàna azy.

Sady velon-tsiky teny am-piandohana sy teny an-tenantenany teny fa nahatsapa ho nahazo anjara ankolaka tanaty tantara ihany ny tena, satria tantaran'i Mialy zanak'i Ravolasoa ity izy. Mbetika nitsetsetra, mbetika nitaintaina, mbetika nitsiky teny am-pitetezana ireo pejy 160 mahery. Ary tsy nampoiziko ny niafarany ka dia nirotsa-dranomaso sy velon-tsento terý.

Hay ve ka tsy mivetsovetso lasam-borona amin'ny tononkalo fotsiny ny talentany, hoy aho, fa miangaly tantara mihitsy koa. Ny fahaiza-mamorona, ny fomba fanoratra, ireo voambolana sy sarinteny nampiasaina moa dia aoka fotsiny. Manaiky aho fa voafehy ary nentina niakatra avo ilay taranja.
Dia mandrosoa hasina akia rahavavy dia misaotra indrindra nizara !

Mino aho fa azo jifaina eny amin'ny fivarotam-boky mahazatra izy ity fa izaho aloha dia mamporisika hoe vakio fa tsy mandiso fanantenana. 

 

Giò & Giulia, voromahery mpivahiny ao Milan

Nampidirin'i ikalamako | 8 Mey, 2018

 

​Mahafinaritra ny fandroson'ny teknolojia indrindra rehefa anomezana fahafahana ny olon-tsotra hanaraka moramora ny fiainan-tokantranom-biby. Marina fa rehefa entin'ny hazakazaky ny fiainana sy rehefa tsy dia mahay loatra ny mombamomba azy ireny tsy azo onona akory fa ao an-drenivohitra be toa an'i Milan sy ny trano be mijoalajoalany dia afaka monina ao koa ny voromahery.

Nanorina akany ao an-tampon'ny tranobe an'ny orinasa Pirelli ao manko izy ireto satria ireny voromahery mpivahiny (faucon pélérin) ireny dia tia sy afaka miaina an-tanàn-dehibe ka matetika dia eny ny toerana avo no fidiany. Ary io trano mijoalajoala io dia isan'ny avo indrindra ao Milan, 32 rihana ary isan'ny nalaza ho avo indrindra tatý Eoropa tamin'ny taona 60'. Natao ho biraon'ny orinasa mpanao kodiarana Pirelli izy tany am-boalohany fa ankehitriny kosa dia ao ny foiben'ny "Regione Lombardia" ka anatin'ny andraikitry ny "Regione" izany ny fiahiana ihany koa ny zavaboary, biby sy zavamaniry ao amin'io faritra io.

Rehefa tsikaritry ny mpiasa ao amin'ity trano avo ity ireto vorona dia nampandre ny manam-pahaizana manokana momba izany izy ireo ka nanomboka teo dia nametrahana fakan-tsary miafina hanarahana andro sy alina ny fiainan'izy ireo tao an-tafontrano tao. Nasiana ihany koa lafika natao hanatodizana. Nomena anarana izy mivady : Giò ilay lahy ary Giulia ilay vavy. Ny antony dia satria Giovanni Ponti - Giò no anaram-bositra fiantso azy - no teknisianina namolavola ilay trano mijoalajoalan'ny Pirelli, ary Giulia Vimercati ny vadiny.

Napetraka ho an'ny daholobe ny rohy hanarahana izany ho an'izay liana sady mba hiarahana miasa ihany koa. Ka raha sendra misy mahatsikaritra zavatra hafahafa dia mampandre malaky ny tompon'andraikitra. Zava-dehibe sy zava-baovao tokoa ny fahafahana manaraka ny fivoaran'ny natiora, tsy mila mandeha lavitra fa eo amin'ny solosaina na amin'ny finday dia afaka manaraka ny fomba fandatsahany ny atody, ny fanafenany azy, ny fahafoizan'ilay atody - hmmm mampihetsi-po na dia zavatra efa hay ihany aza - ny famahanan'izy mivady ireto zaza, sns. Mahavariana daholo izay ataon'ireto vorona, mandeha mihaza (ny voromahery dia haingana be amin'ny fihazana vorona eny am-panidinana fa mahalana izy vao maka biby mipetraka izany) dia mody mitondra ny sakafo dia mamahana ireto zaza. Eo amin'ny isaky ny adiny roa eo rizareo miverina mitondra sakafo.

Tamin'ny herinandro iny nisy nahatsikaritra fa naratra ilay renim-borona ary tsy hita nandritra ny roa na telo andro. Niasa saina tsisy toa izany izahay. Nisy tsy natory fa nahavatra tsy niala teo amin'ny efijery ny maso, ny sasany nahavita nametraka ny finday teo anoloan'ny solosaina dia nanodina horonana ny zava-miseho. Vaky vava ihany koa mahita ny fikarakaran-drainy ireto voronkely satria raha vao teraka ireny dia mbola atolotra eo am-bavany aloha ny sakafo. Mihorakoraka toy ny zaza daholo mahita azy tonga miaraka amin'ny haza, dia mamahana ireto zaza fa reniny mbola marary dia nanjavona. Nitsinjaka daholo nony nipoitra tampoka i Giulia. Soa fa tsy re ny tabatabanay fa raha tsy izany angamba dia efa tsy tafapetraka tao intsony rizareo. 

Androany izao dia efa hita fa manomboka mivoaka ny volom-borona maintimainty ao ambany elatr'ireto zaza. Misy iray efa manomboka mikopak'elatra dia mianjera izay fa mbola tsy mahazaka tena. 

Dia io indray aloha ny mahavariana ahy ato. Ankoatra azy dimy mianaka dia mahasondriana ahy koa ny mitazana ity tanàna ity amin'ny ora isan-kazarany : vao mangirandratsy, antoandrobenanahary, avy orana, alimbe, sns. Io hariva io ohatra dia avy ny orana, nisy tselatra be teo dia io i Giulia (mino aho) fa ery ambony "climatiseur" izy no mihaminkamina sady miambina ny zaza.


 

'Aleo ihany tsy mpino, toa izay katolika mihatsaravelatsihy' : tsia, tsy tenin'ny Papa Ray Masina io.

Nampidirin'i ikalamako | 18 Mar, 2018

Tsy resa-pinoana fa resa-panahy no fototr'ity toraka blaogiko androany ity. Ilay fanahy tsara na fanahy ratsy mamaritra ny toetran'ny olombelona tsirairay. Tsy misy ny tapitr'ohatra amin'ny hatsarana kanefa koa dia misy ny hiringiriny amin'ny haratsiam-panahy. Samy manana ny isehoany ireo, samy manana ny fahaizany mamoaka na manafina azy. Misy ny tsara fanahy tsy mipoerapoera mihitsy fa izay ataony am-panetren-tena no hahitana taratra izany. Misy ny kary manafin-koho ka mahavaky vava indraindray. Dia misy koa anefa ny tena tsy tahotra tsy henatra mihitsy fa mivandravandra toa vay an-kandrina ny haratsian-toetrany. Raha atao aza ny kajy dia aleo lavitra ireny olona ireny, efa hay ny toetrany dia anjaranao ny manaraka na tsia ny ataony. 

Fa ny idiran'ny resa-pinoana eto dia satria maro ireo kivy amin'ireo saka manafin-koho ka nijapy ny resak'i Papa François indray andro. Nolazaina manko fa tenin'i Papa ny hoe "aleo ihany tsy mpino toa izay katolika mihatsaravelatsihy" ary nety tamin'ny ankamaroantsika ilay izy satria betsaka tokoa ny mitanisa ny tenin'ny Soratra Masina hampirantiana ny atao fotsiny fa tsy mampihatra izany amin'ny fiainana sy ny fiaraha-monina. Sarotra be ny mampihatra ny fanetren-tena, ny fitiavana ny hafa, ny fandeferana izay takiana amin'ny olona milaza ho kristianina. Eny, afaka miafina ao ambadiky ny hoe mba olombelona mety ho diso koa izy ireny.

Fa tsy dia io loatra no teny nolazain'i Papa Fransoa : "ho antsika rehetra, hoy izy, ho antsika tsirairay avy, dia tsara kokoa, ankehitriny, ny mandinika sao misy fiainana roa sosona ao amintsika, miseho ho marina, toa tena mpino tonga lafatra, katolika tsara kanefa ao ambany ao manao zavatra hafa". Ary notohizany fa "impiry moa isika maheno hoe raha ho katolika toa an'ireny dia aleo ihany tsy mpino.

 

 

Ny katolika moa no voaresaka eto satria ny tenin'ny Papa no notsongaina. Fa izaho kosa, na dia nobeazina tamin'ny finoana katolika aza, na hodidinina zoky sy dadatoa sy nenitoa Mpanompon'ny Avo aza, dia isan'ny tsy mety zakan'ny resaka fivavahana. Ary arakaraky ny hitomboan'ny taonako, arakaraky ny hikasohako amin'ny fiangonana sy ny mpivavaka - tsy avahako ny finoana eto - no mainka mampanalavitra ahy amin'ilay izy. Nataoko vazivazy ihany, saingy zary tenany koa, ny hoe aleo aho hijanona ho ilay matevin-koditra hatrizay ka hatramizao fa raha mi-fôpla aho tsy entiko midina manaraka ahy ny Fiangonana sy ny Fivavahana fa mba manohy mihivingivina fotsiny ny olona miteny hoe "shhh, iny ve moa hahagaga !".

 

PS :  efa napetrako tamin'ny namana vitsivitsy ihany ny hafatra fa apetrako ato koa hoe raha sanatria tonga ny andro ialako eto, izaho tsy entina any am-piangonana izany fa rehefa tsisy "Funérarium" azontsika hiarahana farany (toa mbola tsisy an'izany eto Roma) mba hanaovanareo ireny hira reveko be ireny amin'ny gloum - Bakomanga ao anatin'izany - dia avy dia tairo ny fanaterana ahy eny amin'ny "Crématorium" fa dorana no faniriako fa ny fasako dia any am-ponareo tsirairay avy, any amin'izay misy anareo any avy. Tsy hankanao akanjo mainty sy volondavenona fa loko marevaka daholo azafady.

 

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 ... 53 54 55  Manaraka»