Miara-mitehaka daholo an !
Nampidirin'i ikalamako | 19 Feb, 2008
Tsara loatra ! Tsy mety raha tsy zaraina ho an'ny namana, Zanak'Iarivo sy Zanaky ny lafy valon'ny Nosy.
Tsara loatra ! Tsy mety raha tsy zaraina ho an'ny namana, Zanak'Iarivo sy Zanaky ny lafy valon'ny Nosy.
Tononkalo nosoratan'i Bana Rahalahy
azonareo vakiana ao amin'ny takelak'i kalaneny : am-bava homana, am-po mieritra...
Eo daholo indray ary aloha ("réveille-toi" ry lalasoa sy ny zénérasiô tanora tamin'ny taona 80 ) mba manka-fy sy -fihina amin' ny lui sy ny elle-ny avy re, fa fetin'ny mpifankatia hono koh !
Ity sazikely mbola tena manonofy izay ho valentin-ny no mahaory, ndrooo ! nefa ny olona amin'izao blouzy be mifamihina ; miala tsiny amin'ny mineur e !
(sady mihira no manao tsianjery an !)
Dia variana sady toran'ny hehy aho mamaky ireto resaka ataon'ireto tanora tao amin'ny moov.mg tao.
Efa tonta be izy ity (2004) fa izay vao hitako (mbola bado aho tamin'izany fa tsy mbola nahalala an'i sefo ). Ity pejy voalohany ity ihany no tena nahaliana ahy fa dia nitamberina daholo daholo ireo hetsika tamin'izany rehefa mamaky ireto voatanisa ao aho.
Ny role :
Tsiferana, Jacky Z na Rajakta, Jules kely, Tor Disc-Jockey, Rasoa na i Danie le avy any Diego, sipa metisy karana manja be, Mimi, sipâ vezo nipetraka tao Ambohidahy, Rabanane rock, Olijaona Raboana, ry jumelles tsy miova fa mbola ireny ihany ny bika, Doc Holyday, Jean-Claude Lavabe, Rabetsaroana, Brice, Gova Jacky Judoka, Cocobe sy Bob ary Ra-Sam videurs, ny bandin'ny Maka, Rakaja sy Van, Bera sy Men, zanak'Indrianjafy, fianakam's iray manontol teo Antsahabe, ry Lola be, ry Clarck, ry Lolo be, ary ry Raba, Mahatsangy zanak'i Charles Ravaojanahary, Razafy moto, Ra-Vévé, Ra-Serge, Ra-Nary, Ra-Gangs, Potsy-kely, Ra-hivigin-doha, Mbilo...
Ny toerana :
Club du Lac(Ivato), Kaléi sy Caveau, Rivière Parfum, ampitan'ny Médecine Antsakaviro, eo @ ilay tanin'Anandrano
Ny hira :
born to be alive,rivers of babylon, j'ai encore rêvé d'elle, Pink Floyd : Another
Vam :
ny pointe : eny @ digue resaka vitesse, porsche- n 'i Lahifotsy
fiakarana Ankatso : VW-n'i Dida sy Ntsoa, 3116
Route circulaire : resaka pilotage fa tsy tanjaky ny daba fotsiny
famille Rabary 2749
2333
6610 tao @ poste
404 grenat
504 manga be an'i Haja be 2504
Ny fikaliana :
Blanche Neige,
Rakala eny Antaninarenina @ Parking ampitan'ny Roxy
sisin'Indra ry Jackson, sy Ra-Claude mpivarotra masikita,
ao amin'Indra : Ralay, Ra-Maurille, Thierry, Ra-Tom gérant
ah zalahy, lavabe nahavariana ahy izy tao fa tena nitsambikina nankany amin'ny 25 taona lasa aho. Tsy ampiana intsony koa fa manjary iray kilaometatra ny lisitra. Misy loha sy vam sy toerana voaveriko ao an-doha izy ireo fa misy tena nivoaka tanteraka angamba na tena mba tsy arako tamin'izany.
Mba fandaniana andro ny ahy ity rey olona !
RATSIMANDRAVA
Tsy an-drentirenty no niakaranao
Hitondra ny vahoaka,
Ry Ilay tsy mba nitsaoka
Hatramin’ny andro farany
Ka mamela mamy mipetraka ho tantarany...
Akanjo volontany, somizo volontany,
Izany monja ihany ihany
No teny an-koditrao...
Hany mba nangirana
Dia ny fampiehana sy ny galonanao !
Kanefa, tsapanay fa nampiretsidretsika
Ny teninao nilaza fa efa nisafidy
Tsy hiamboho adidy !
Manakoako izany ka mampihetsiketsika
Ny drafi-Pokonolona
Hiatrika ny tolona !
Na dia maotina aza, ianao miteny.
Tsy mirehadrehaka sy nilaza ombieny ombieny
Ho izao sy izao
Ny mombamomba anao...
Ny rafitry ny ASA naboraborakao
Ny kiry nentinao nandavo fahavalo
No entinay handravaka izato fasanao
Sy antoka ho anay, nanaitra lafy valo !
ENY,
Tsy an-drentirenty no niakaranao
Hitondra ny vahoaka sy ny taninao
Kanefa, an-tapitrisa…
Tsy àry ho voatanisa…
An-tapitrisa maro no mihoby anao !
Clarisse Ratsifandrihamanana - 20 jiona 1975