Tsy mety leo mihitsy aho mamerina ity horonana ity, ary izao vao hitako fa hay misy famintinana ny moments clous ato (fa tsy ny fantsika rehetra na izany aza, kanefa dia efa ampy hanasana vangy beuuuuh!), ka izay manana 22mn à disposition ka te-hiala hamomamo dia afaka manindry ny bokotra "play".
Mbola vao mihoatra 20mn ny sasakalin'ny 8 martsa (izany hoe vao miandoha ny 9 martsa fa tsy maninona e, aleo tara toa izay tsisy. Misy vahiny sy sahirana nikarakara fetin-jaza dia tsy tafa eto raha tsy izao).
Vita tamin'ny asabotsy 1 martsa ny "58ème Festival de la chanson italienne de San Remo".
Etsy ambany ny vokatra tamin'izany.
Fa ny tiako aseho anareo eto (isaorana ny ramosen'i Angie nanamarika io taminay malagasy ), dia ny hiran'i Eugenio Bennato, mitondra ny lohateny "Grande Sud", mitantara indrindra ny fifindra-monin'ireo mponina avy any amin'ny "Tany Fahatelo" (TdlR,hihihi, mba tsy hilazana hoe tany mahantra na tany an-dalam-pandrosoana) mankaty Italia (Afrika ihany anefa - ). Misy io zazavavy malagasy io raha arahanareo tsara fa izao no fiverenana ataony :