Nofy halina.
Nampidirin'i ikalamako | 5 Jan, 2019
Nofiko halina no tsy aritro dia atorako ato aloha vao mifoha...tatasiaka fanombohana ny taona. Mitrosona amin'ny tazo sy ny gripa be aho ato nanomboka tamin'ny 2 janoary fa mitsangana kely aloha manoratra an'ity dia hiverina hibonoka indray. Izaho tsy dia mba zanahan'ireny aretina kely ireny - na i djamal-al-atête aza tsy dia manao be fihavy loatra toa ny taloha intsony fa miselontselona sisa. Asa oviana aho no nahita zany maripana 38° azoko teo zany - toa tsy tsaroako, ririnin-dasa tsy tsaroana angamba.
Tanaty roa na telo volana aho izay dia nanonofy indroa na intelo hoe misy asa fanamboarana be hono eto aminay. Manomboka miha-tsy hitako foana ny trano mifanila vodirindrina aminay fa takona tao anaty asa be tao.
Fa halina, efa diva haraina iny dia "looooza" (hoy ny Dadan'ny ankizy - tpt) fa vita hoe ilay asa be ka lasa feno fasana tsara tarehy ilay havoana kely manoloana ny tranonay - "cimetière" fa tsy ireny fasana tokana toy ny any amintsika ireny.
Vita tsara tarehy aloha ilay izy e, sady maitso mavana dia feno olona somebiseby mikarakara ny fasany avy sy manaingo azy amin'ny voninkazo eo amin'io ahitra firaofan'ny ondry amin'ny sary io.
Ilay trano tena mifanila vodirindrina aminay lasa nikisaka be takona tao ambadikay tao, ary ilay iray nazera hono fa efa maty ny tompony ka tsisy nikarakara ilay trano - oadray ! Kanjo nony nifoha aho dia tsaroako fa hay tokoa moa vao nodimandry tamin'ny tapa-bolana ilay ramatoa fa mpivady efa antitra nefa tsy niteraka rizareo.
Vao nifoha aho dia tsy aritro fa lasa nojereko ny mety ho hevitra entin'ilay nofy. Hatramin'ny an'i Nostradamus.
Ririnina ny andro...