Harvey sy ny "Lotus"-ny
Nampidirin'i ikalamako | 7 Mar, 2015Mahafinaritra kosa itony vaovao itony zany an : Harvey Rabenjamina, 26 taona. Izy no namolavola ny endrik'ity Lotus Evora 400 ity.
Mahafinaritra kosa itony vaovao itony zany an : Harvey Rabenjamina, 26 taona. Izy no namolavola ny endrik'ity Lotus Evora 400 ity.
Mandritra ny andro vitsivitsy (ny 25 febroary ka hatramin'ny 6 martsa) dia misy fanaingana ny tontolon'ny aterineto handray anjara amin'ny hetsika #weselfie2015 ka isaky ny sary alatsaka ao amin'ny Facebook na Twitter na Instagram miaraka amin'io "hashtag" io dia androtsahan'ny mpiandraikitra ireo pejy ireo 50 centimes ho an'ny Fikambanana "Amis du Père Pedro" entina mikarakara ny Akamasoa.
Mahatsikaiky fotsiny fa mametraka sary ao amin'ny facebook aho dia ny sary no tazan'ny namana sy mahamaika azy ireo asiana tsikera fa tsisy mahamarika ilay "hashtag" sy ny pejin'ny mpikarakara misoratra amin'ny sary. O rey olona e !!!!
Ripaka indray aho nahita ity marina mafy. Tsy haiko aloha taiza no niandohany, iza no tena nanao azy fa ataoko ato ihany na izany aza. Taratry ny herin'ny teknolojia... na dia hanofinofisana fotsiny ihany aza.
I Mona Lisa (La Joconde) amin'ny ho fahatanorany vaovao indray
Mahafinaritra ahy erý ho'aho ny manaraka ny siokamboronkelin'i Samantha Cristoforetti e ! Mpanamory sambondanitra italiana izy io, mbola eny an'habakabaka izy amin'izao ary tsy sasatra maka sary sy mampita ny ataony isan'andro sy ny toerana tazany avy eny.
Toy izao, hono, ny tendro avaratra indrindra amin'i Madagasikara, Antsiranana :
[The very Northern tip of #Madagascar! /(IT) L'estrema punta settentrionale del Madagascar! #HelloEarth]
Ny Tsingin'i Bemaraha :
[(IT) Ciao #Madagascar! La Riserva naturale integrale Tsingy di Bemaraha si trova laggiù ed è patrimonio #UNESCO.]
Tafio-drivotra mandalo :
[A storm seen from above – hello #Madagascar! (IT) Una tempesta vista dall'alto - ciao Madagascar!]
Ity kosa ilay fireneko iray, ilay faharoa, ilay onenako ankehitriny : Italia mirehitra jiro... tsara erý, marina moa an !
[Tonight a special thought to #Italy after an important day. Stasera un pensiero all'Italia dopo giorno importante!]
Tamin'iny herinandro teo iny - nifarana tamin'ny asabotsy 14 febroary - dia nisy ny Festival di San Remo - fifaninanan-kira malaza eto Italia isaky ny volana febroary. Tamin'ny alakamisy 12 febroary ary dia nifandray mivantana taminy teny an'habakabaka ny tao amin'ny Festival. Nahavariana ilay mijery azy miresaka dia votsotra moramora eny ilay "micro". Tamin'io fotoana io indrindra no nilazany fa mandalo ambonin'i Italia ny sambondanitr'izy ireo ary afaka jerena tsy mila fitaovana fitazanana lavitra rehefa harivariva iny. Toa izao kosa ny nahitany anay tamin'izay fotoana izay :
[(IT) In questi giorni siamo visibili dall'Italia nei dintorni del tramonto. Oggi vi ho salutati!]
Dia toa izao izy am-perinasa... maka sary
efa nahavita torapo lahatsoratra aho teo an
Tsara lay mi-red red mitoraka blaogy fa hay moa ikalamako efa kobon'ny pokona dia navy dia wine.
Aleo izany avy dia ilay hira no apetraka e - hisy hahatsiarovanao ♫ ♫, ozy Jerôme Randria