Tsy asiana tatasiaka be fa sady tsy ampy na ny teny na ny sary na ny fotoana, no sao hivoaka ny foto-kevitr'ilay Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fifankatiavanaandroany (sa moa Finamanana no tokony ho izy ?)
toa tena mety handaitra ity fitsaboana ity an : "Raggatherapy" an'i Dj Gouty sy Jess Flavi One... atao raggadose maximum ny serum. Tsy excuse lay hoe tsy mahay mandihy fa raggatherapy dia ataovy izay tianao
Naka fotoana mihitsy aho tamin'ny alahady mba hanatrehako ity. Marina fa eny amin'ny lapa toy itony, sy eny amin'ireo toby miaramila ihany koa dia misy isan'andro ny matso kely rehefa hiova ny anjara fiambenana. Ny ao amin'ny Quirinale, ny Lapa-panjakana misy ny Filohan'ny Repoblika, dia ao an-tokotany no anaovana izany isan-kariva fa rehefa alahady kosa dia eo amin'ny kianja malalaka manoloana ny Lapa ka azon'ny rehetra atrehana. Ny tena moa rehefa monina amin'ny toerana iray dia tsy maika intsony hijery ny zava-mahaliana ao amin'ilay tanàna, hany ka manao rahampitso lava. Fa vitako ihany izy ity na dia efa 25 taona nipetrahana teto aza.
Ny baiko tena niasa tao izany dia ho an'ny "Guardia montata !" (guarde montée, mpiambina apetraka) sy ny "Guardia smontata !" (garde démontée, mpiambina esorina).
Mba tsarovana ato anaty blaogy ihany aloha ity fa tena tsy mpijery baolina sy mpiondana an'ity taranja ity mihitsy aho saingy androany kosa dia tena naka toerana tsara nanomboka tamin'ny minitra voalohany mihitsy aho : naniry mafy ny handresen'i Portugal.
Faly be fa ny haraton'i Eder no valisoan-dranomason'i Kapiteny Ronaldo.
Isan'ny hira tena tiako hatramizay izy ity, toa angorodaon'i Regis no manaraka azy raha tsy diso ny fitadidiako ny tany amin'ny taona 80. Elabe tsy re i Liva ka izao indray vao miverina an-tsehatra, niaraka tamin'i Olombelo Ricky tao amin'ny Palais de Sport teo ka asa na isan'ny averiny hohiraina ity.