[Ankapobeny ] 03 Desambra, 2017 14:37

 

​Tena mino ve ianao fa efa nahita azy ​nihanjaka satria nanala akanjo izy ?
Lazao ahy izay mba nofiny.
Lazao ahy izay nahavaky ny fony.
Inona ny tena mahaliana azy ?
Inona ny mba mampitomany azy ?
Tantarao ahy ny fahazazany. 
Eny, ambarao tantara iray momba azy aho ary tsy ao anatiny ianao.
Hitanao ny hodiny, ary nokasihanao ny vatany.
Kanefa dia hainao toy ny boky hitanao teny ho eny fotsiny izy, saingy tsy nosokafanao mihitsy.
Ny tena fiarahana dia tsy ara-batana fotsiny.
Ny tena fiarahana dia mahay mamantatra ny antsipirihan'ny iray, dia mitia azy fotsiny ary mitombo fitiavana azy noho izany.

 

[nahita aho dia nandika azy tamin'ny fiteny malagasy Tongue out]

 

 

[Ankapobeny ] 12 Novambra, 2017 12:26

Eto am-pandaminana ireto sary sy horonana marobe ato anaty solosaina aho dia mba avoakako ity fa isan'ny mba tiako zaraina : mpinamana vitsy dia vitsy izahay nandeha nifampizara fifaliana nanodidina ny sakafo sinoa taorian'ny nanamasinana ho diakra an'i Lalatina, pretra zezoita, tamin'ny 2011 teto Roma.

Ny fanaon'ny Fikambanandrizareo dia fialana hetaheta kely aorian'ny lamesa fanamasinana ary ny ampitso izy ireo dia manao sakafo lehibe anasany olona 10 - fianakaviana avy lavitra na eto an-toerana, na koa namana akaiky sy mpiara-monina ho an'izay tsy manana fianakaviana akaiky nanotrona tamin'ny fotoan-dehibe. Ka ity fiarahanay ity dia tena izahay mpinamana ireo no nanohy ny takariva nony vita ny fialana hetaheta niarahan'ny daholobe.

Tsy diso anjara moa ny kabary kely mahazatra antsika Malagasy rehefa toa izao. Kanefa nisy namana vahiny iray teo anivonay ka dia i Mialy no nangatahana handika teny. 14 taona izy teto. Ny teny italianina no tena manavanana azy. Tsy hoe tsy mahay fiteny malagasy izy fa io aza no hany teny nampiasainy tamin'ny 3 taona voalohany tamin'ny fiainany fa efa niditra garabola izy vao niboredika nanomboka ny fiteny italianina (indraindray kivy ireo mpampianatra fa tsy hainy zay tadiavin'ilay zaza satria miteny gasy izy - hihihi).

Izaho rahateo tsy nanao amboletra mihitsy fa rehefa miresaka izahay ao an-trano dia miasa ny teny roa. Roa taona izy no tany amin'ny garabola italianina dia nanohy tany amin'ny sekoly frantsay nony ambaratonga fototra ka hatramin'ny nahazoany ny bakalorea. Karazana fiteny telo izany no tena nibahana tamin'ny fiainany : ny malagasy izay fitenindreniny, ny frantsay fiteny nibeazany tany an-tsekoly ary ny italianina fiteny nahalehibe azy. 

Izy rahateo tsy mitovy toetra amiko petsana sy pelika ity fa milamina sy tsy dia be teny izay. Tsy mitoka-monina koa anefa. Fa isan'ny tena tsy tiany ny "manery" azy hiteny malagasy fa ny azy dia misoratra eny amin'ny handrinao olona iresahany ny fiteny ho ampiasainy. Rehefa tena hitany fa sady tsy mahay miteny italianina no tsy miteny frantsay ianao vao miezaka miteny malagasy izy. Kanefa hainy tsara koa fa ny Malagasy hiringiriny avy any Madagasikara mivahiny aty dia mahay teny frantsay. Ary tsy tairina mihitsy izy fa avela amin'ny nahim-pony fa lasa izy mandeha raha terenao hoe "mba valio amin'ny teny malagasy aho ho'aho !" - zavatra tena tsy zakany iny.

Tamin'ny 2003 izahay mianaka nankany an-tanindrazana iray volana fa narary ny renibeny. Niteny gasy madio be izy navelako irery niaraka tamin'ireo zana-drahavaviko satria izaho tany amin'ny hopitaly isan'andro isan'andro nandritra  ny fotoana rehetra naha-tany anay. Tamin'izany dia hainy hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ireny hiran'i Tempo Gaigy ireny (ramose tantantan, ora iray tsy miverina, misaotra foana foana, ...), ry Ndondolah sy Tahiry (aza ampirafesina, ...), ry Tif à Tif (sipasipako, ...) sy ireo tsy tadidiko daholo.

Ka tamin'ity takariva ity dia tena tsy nandà izy na indray mandeha aza, nony nataonay hoe indry izany mandika teny ho an'i Pina fa izy tsy mahay teny malagasy. Nanao tokoa izy satria hitany hoe nandeha tamin'ny fo ny fangatahanay fa tsy namandrika azy, tsapany fa tsy hanadinana azy raha mahay fiteny malagasy izy no tanjona teto. Nisy ihany fehezanteny vitsivitsy tsy hitany ny handikana azy na dia hainy aza ireo teny ao anatiny.

Dia finaritra ahy erý aho eto miverina mijery azy ity. Soa fa voatahiry Kiss

 

[Ankapobeny ] 25 Aogositra, 2017 11:26

 

 

Ity blaogiko ity no be mpitsidika kokoa noho ilay amin'ny teny frantsay, ka tsy maninona fa aleo ato no zaraiko ity horonantsary ity sao mahasoa ny hafa (adiny iray sy sasany ny halavany fa makà fotoana tsara).

Namana iray no nanoro ahy azy ity, tohin'ny resadresaky ny samy reny Wink.

Tsoriko fa vao nanomboka aho dia kenda. Teo amin'ny minitra faha-10 aho dia niala mihitsy aloha. Haka bahana hanohy rehefa mahazoazo angovo indray. 

 

 

 

[Ankapobeny ] 30 Jiona, 2017 23:16

 

Efa elaela ity no saika nadikako fa zao vao tonga ny finiavana, ary tena nandika tamin'ny teny gasy fotsiny aho fa TATO ny loharanon'ny lahatsoratra tena mba nahaliana ahy.
Ka angano angano arira arira... firy amintsika no mahay ny tantaran'i Kirikou sy Karaba mpamosavy ? Tena laniko tsianjery izy io taloha satria nataonay mianaka toy ny misakafo isan'andro ny fijerena ilay kapila.

 

Ity dia enti-mody nataon-janako omaly tamin'ny fankalazana ny "Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny vehivavy", natao hampitahana fa ny tantaran'i Karaba sy ireo lehilahy tao an-tanàna dia tsy inona fa tantara mampalahelo momba ny fanolanana tambabe mandritra ny ady ao Afrika.

Mifototra amin'ny fanadihadiana ny fihetsik'i Karaba izy ity. Ho an'izay mahalala ilay tantara dia tena mankahala lehilahy i Karaba ka navadiny ho sary vongana avokoa (Bikeko). Toa izao ilay tantara (etsy ambany ny horonana iray manontolo ho an'izay tsy mahalala) :

Rehefa nitady hevitra handresena an'i Karaba i Kirikou dia lasa nankany amin'ny "raibeny", ilay olon-kendry monina any anivon-tendrombohitra any...ka izy no nampahafantatra azy hoe maninona i Karaba no tsy tia lehilahy sy manova azy ireo ho sary vongana.

Nandritra ny fitantarany no nahalalana fa i Karaba dia tovovavy tena tsara tarehy. Nosamborin'ny lehilahy maromaro tao an-tanàna izy, nifanotofan'izy ireo ary nogejainy tsy hihetsika mba hanitrihan'izy ireo "tsilo misy poizina" tao amin'ny hazon-damosiny. Naharary azy mafy tokoa izany ka zary kapoaka mangidy ho azy nanomboka teo ary nampivadika azy ho mpamosavy.

Mafy loatra ny hirifiry niainany isan'andro ka tsy namela azy hiaina, hitia...ary nahatonga azy hankahala ny lehilahy, izay nozoniny niaraka tamin'ny tanàna iray manontolo.

Raha dinihana ilay tantara dia tsy inona akory fa fanoharana ny fanolanana mianjady amin'ny vehivavy any Afrika. Fomba nentin'i Michel Ocelot, mpanoratra sy mpamorona ilay horonantsary, izany hitoriana ny fanolanana mandritra ny ady izay miafara amin'ny fanosehana ataon'ny fiaraha-monina. 

Hita eto fa nifanotofan'ny lehilahy maromaro izy ary nositrihan'izy ireo "tsilo", izay azo lazaina ho ny filahiany, ary niteraka fanaintainana mafy ho an'i Karaba. Vokatr'izany dia natosiky ny tao an-tanàna izy ary nanjary nitoka-monina tany ivelany. 

Maneho ny zava-misy iainan'ireo vehivavy niharan'ny fanolanana tambam-be na nandritra ny ady izany. Tsy vitan'ny nianjadian'ny herisetra izy ireny fa mbola diso ihany koa eo imason'ny hafa. Rehefa manosi-bohotànana azy ireo ny iray tanàna dia mandà ny maha-tompon'andraikitra azy sy ny tsy fahafahany manala ny fijalian'ireo vehivavy izay tsy vitany narovana.

Kirikou eto dia taratry tsy fananantsiny sy ny herimpo. Nony hainy ny tsiambaratelon'i Karaba dia nanolo-tena hanala ny fahoriany izy : nongotany tamin'ny nifiny ilay tsilo nasisik'ireo lehilahy ireo ka afaka teo ny fanaintainany. Ary teo dia niverina nankaf­ý ny fiainana i Karaba, namela ny helok'ireo lehilahy ka namerina azy ireo tamin'ny tena endriny fa tsy sary vongana intsony ary nihavana tamin'ny iray tanàna. Niova daholo ny manodidina azy ary ny zavaboahary dia niverina tamin'ny laoniny, satria ny fanolanana sy ny herisetra natao azy dia nanozona ny tanàna iray manontolo ka nahatonga azy ho maina katana, tsy nisy hazavana, tsy nisy rano, tsy nisy voninkazo, sns.

Ny tian'ny mpanoratra avoitra izany dia ny hoe, raha manolana vehivavy dia manolana ny tontolo, manozon-tena ary mitady fahoriana ho an'ny tena. Tsy mpampijaly akory i Karaba mpamosavy fa nianjadian'ny herisetra, saingy nisikin-kerimpo izy nanasazy ireo mpampijaly azy, dia ny fiaraha-monina, hany ka natosik'izy ireo sy natokany monina.

PS : Mahery ilay zanako, nosokafany ny masoko tamin'ity tantara efa haintsika ity, tantaran'i Karaba fa tantaran'ireo vehivavy an-tapitrisa ianjadian'ny herisetra, ny fanolanana mandritra ny ady, ny fanolanana tambabe any amin'ny Repoblika Demokratikan'i Congo sy any an-toeran-kafa koa.

 

 

[Ankapobeny ] 23 Jiona, 2017 03:43

 

Mahavizana be ankehitriny ny fanarahana adi-hevitra momba io resaka mampandihy  mbenana io, raha toa ka tsy nahatohina fiaraha-monina akory izany nampandihy “mousta” izany fony izahay adolantsento niaina ny vanimpotoanan’ny Kaiamba. Mihaavolenta ny fampiasana ilay fitombenana ho fampilendalendana sy fanintonana andrizareo andriandahintany ankehitriny. Tratran’ny  fanatontoloana tanteraka ilay dihy izay isan’ny kolontsain’ny faritra iray.

Ny zavatra iray mba isan’ny manahirana ny saiko dia ny mijery ireo azo kilasiana fa artista rehefa manao fampisehoana. Matetika hipoka ny kianja – indrindra any ambanivolo tsy misy mpiandraikitra filaminana any, na anaty trano somary teritery – dia mitohaka tanteraka eo ambany lampihazo eo ny vahoaka fa mba te hahita akaiky dia akaiky ireto artista. Kanefa rehefa tonga ny hampisehoana iny “mangitakitaka” iny dia manamorona tanteraka ny sisin-dampihazo r’ikala artista, miamboho ny mpijery, miaraka amin’ny pataloha fohy efa mampiseho ravim-benana, dia sondriana ery manontsakontsana an’iny, nefa dia tena eo ambony lohan’ny mpijery mihitsy. Misy moa ireo mandohalika dia iny mbenanana iny no atondrotondrotra any amin’ny mpijery. Mahonena, sanatria toa manambany ireto mpankafý azy ! Indraindray moa rizalahy eo ambany eo tsy maharitra dia kasihandr'i lerony ny entana. Dia ry zavavy artista indray no tezitra… tssss ka nitady dia nahazo kah !

 

Ny morontsiraka avaratra (andrefana sy atsinanana) no tena havanana amin’ny fampandihizana andilana, ka isan’ny nampalaza ny “jeu de mousta” lazaiko etsy ambony. Ny avy ao afovoan-tany havanana amin’ny fampandihizana soroka sy lantsi-tànana. Ny avy any atsimo havanana amin’ny fampandihizana felan-tànana sy tongotra. Sy ny sisa mety tsy haiko ny fisiany na ny fanazavana azy fa resaka ankapobeny no ataoko eto. Fa amin’izany rehetra izany dia fitafy tsotra, arakaraky ny fitafy isam-paritra avy, no isalorana : lambaoany sy salovana, akanjo lava sy lamba tsotra. Isan’ny kolotsain'ny faritra ihany koa mantsy ny fitafy nentin-drazana.

Ka mahonena mihitsy ilay adihevitra manimba ny hasin’ny dihin-drazan’ireny faritra ireny. Ny dihim-paritra dia sokajy iray anatin’ny kolontsaina (culturel) malagasy ka aoka re tsy afangaro amin’ny resa-mbenana e. Ekena fa ny andilana no ampandihizina saingy ny kolombenana dia zara raha tafiana ny tapany ambany – ireo tanora no tena manan-talenta amin’io – satria ny tanjona dia ny hampirarakivy sy hampitsanga-mitoetra ny lehilahy mijery (fa tsy ho anay andriambavilanitra akory). Fa ny tena dihim-paritra mampandihy andilana kosa tsisy fetran-taona fa na ny vaviantitra na ny tanora maitsovolo dia mitsangana avokoa miaraka amin’ny sikina sy salovana rehefa misy lanonana.

Angamba ity horonantsary iray ity no hamintinako zay tiako lazaina.

1 2 3 ... 24 25 26  Manaraka»