Dia arehitro ny arendrina !

Nampidirin'i ikalamako | 25 Jio, 2009

Tsy mba nisy ihany koa ny nanazava tamiko hoe inona ny dikan'ny arendrina (sady tsy nikaroka aho fa raha tsy hita izay maharatsy azy ve dia tsy hotohizana ? lollll) fa manantena aho fa tsy vokatry ny fanjanahantany frantsay izy io.

 

 

arendrina taratasy ô, may may may

zé tsy faly manao aminay...

Valin-kafatra : hatsangako ny sainam-pireneko.

Nampidirin'i ikalamako | 23 Jio, 2009

 


 

Eny iky ry Kdaomba, atsangako ny sainam-pireneko raha mbola nahazo tombon'andro aho hahafahako maneho  fa Malagasy - Proudly Malagasy - avy any Madagasikara.

Io ny ahy, io no Madagasikarako na mahantra aza, na tantely afa-drakotra aza ka anjakan'ny adala, na lavitra ahy aza.

Nomen'ity firenena honenako ity ahy ny zom-pireneny ary dia natsangako "teo amin'ny antsasa-taho" tatsy amin'ny pejiko iray tatsy ny saina "maitso-fotsy-mena" italiana nanehoako fisaonana volana vitsivitsy lasa izay raha nisy horohorontany be namoizana ain'olona maro teto Italia.

Mbola mirehareha amin'ny maha-malagasy ahy tanteraka aho ka dia atsangako ny sainam-pirenena "maitso-fotsy-mena" malagasy amin'izao andro fahatsiarovana ny nahazahoan'i Madagasikara ny fahaleovantenany izao satria aho mbola tsy very zo fa mbola malagasy 100 isanjato.

 

  "Fa anivon'ny mamiratra, ny taniko no mamiko, tsy manam-paharoa ; hafa mbola hafa, mamy tena mbola mamy" (Jérôme Randria)

Valin-kafatra : Proudly Malagasy.

Nampidirin'i ikalamako | 27 Mey, 2009

Fony tany Madagasikara aho dia sahirana mafy nisintontsitona io voloko io tamin'ny braoshinina fa ngita e !  Ny tarehy no ratsy hoy ny Ntaolo ka ny volo no sintotsintonina - tsssss

Tonga taty an-dafy aho dia "Negra" no fiantsoan-drizareo ahy (tsy izy rehetra akory an, matahotra Andriamanitra fa misy kosa ny tena feno fanajana ny zon'olombelona e Tongue out). 

...Kanefa ange dia môla be izy ireo mahita ny fiolikoliky ny volonao e,

...Kanefa ange dia tsy andrin'izy ireo ny hahatongavan'ny masoandro migaingaina hanendasana tena eny amoron-dranomasina e - misy aza moa mandritra ny ririnina manao ity hoe solarium ity mba ho negra toa ahy - dia asa maninona fa toa izaho foana no diso fa negra.

 

Dia tsy maninona fa proudly malagasy negra ngita volo izao sipa izao : MALAGASY AHO

 


 

Ho an'ny zanak'i Bira sy ny manodidina : hetsika "Bezoro e !"

Nampidirin'i ikalamako | 23 Mey, 2009

Bezoro daholo,

Ho anareo ao Antananarivo sy Antsirabe ary ny manodidina.
Ho fitokanana ny atelier d'art "Bezoro e!" izay natsangana ao Antsirabe : fiaraha-mikorana ny tontolo andron' ny alatsinain'ny Pentekosta miaraka amin'ny tarika Vahömbey hotrononin'ny artista maromaro. Indro ny fanazavana sy ny fandaharam-potoana momba izany.

Ny toerana :
fivoahana amin'ny lalàna miankandrefana mankany Betafo, tokony ho 100m mialoha ny Orinasa STAR

Izay mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso na manoratra amin'i :

Vahömbey
00261-3202-45459
bezoro.tao@gmail.com

TONGAVA MARO, KARIBO E !....

 

Die Liebe, der Mensch, die Revolution

Nampidirin'i ikalamako | 16 Mey, 2009

Die Liebe, der Mensch, die Revolution

L'Amour, l'Homme, la Révolution

Fitiavana, Olombelona, Fanafahana




Die Liebe, der Mensch, die Revolution - Frank Baier

 

Hiran'i Frank Baier, niarahany nihira tamin'i Tselonina tao amin'ny Cinéma Kanto (Antananarivo) tamin'ny 14 sy 15 janoary 1983. 

Tononkira amin'ny teny alemana : H.E Käufer

Tononkira amin'ny teny frantsay : Amin Kerker

Tononkira amin'ny teny gasy : Tsilavina Ralaindimby

Mihira : Frank Baier sy Tselonina

 

1 2 3 ... 25 26 27  Manaraka»