Mampodipodimandry loatra ity zaza ity ka aleo hozaraiko ato.
Isan-taona toa izao ny "Zecchino d'Oro" aty aminay, Festival ho an'ny hiran'ny zaza izy io.
Tamin'ity taona ity dia isan'ny mandray anjara i Amelia Fenosoa, 5 taona ary ity hiran'i Lolo sy ny Tariny ity no entiny eny ambony lampihazo.
Ny fotokevitr'ilay hira moa eto - araka ny fanazavana nomen'ny mpikarakara ny Festival - dia ny hatsarampanahy sy fahalala-tànan'ny zaza malagasy. Ny rano no tena ambetin-dresaka, ny rano izay harena sarobidy ho antsika, indrindra ho an'ny any amin'ny faritra atsimo. Tsy tokony holanilaniana amin'ny tsy antony ny rano izay fanomezana sarobidy fa lasa ho "aina" izy rehefa ny tsirairay mahatandrina izany ka tokony hiezaka hamela soa isika fa izay no mitondra fahasambarana.
Hira hira hira hira hira Hira hira hira ho anareo manatrika eto Lascia che ogni bene ci dìa felicità (aoka ny soa rehetra hanome fahasambarana ho antsika)
Efa saika lavareny teto amin'ny sehatry ny serasera.org ity Roma III. Ambohipihaonan'ny namana manko teto Roma - andiany fahatelo izao - nanomboka ny 11 ka hatramin'ny 15 aogositra lasa teo.
Tsy hay ny tsy hisaotra an'i hery sy angie izay atidoha niketrika ny fandaminana rehetra. Fa isaorana indrindra koa ireo namana tonga niara-paly sy nifankahalala, rehefa avy nifandray tamin'ny alalan'ny virtoaly. Tao izany i ds ombam-pianakaviana avy any Strasbourg, i bilaky mianaka sy i tritriva mangamaso avy ao Paris, i mimosa avy any Grenoble. Dia nanampy isa ihany koa ny namana malagasy vitsivitsy eto Italia, tao ny avy tany Livourne, ny avy tany Gênes ary ireo avy tany Naples ary ireo namana vitsivitsy eto Roma, anisan'izany i colar.
Dia izahay eto an-toerana nandray ny vahiny moa dia nisy an'i hery sy angie ary ikalamako ombam-bady aman-janaka avy, tao koa i mbaliana ary i hervé - ombam-bady ihany koa - isan'ny nikirakira ny RVG tamin'izany.
Korana sy hehy no nafotaka tao anatin'izay dimy andro izay. Tahatahak' izao ny sombitsombiny fa ny rehetra kosa dia efa natambatra sy mbola hatambatra ato avokoa : Roma III
namana ireo....
Ny 11 aogositra no nanomboka tonga ny vahiny,
ka dia efa nanomboka koa ny fizahan-tany ...
Tonga ihany koa ny andiany manaraka,
Ora fisakafoanana hariva :
dia tsy maintsy asiana fihinanana glasy aorian'ny sakafo fa mafana loatra ny andro :
Tao anaty fandaharam-potoana ny hilanona kely indray takariva :
ankoatra ny afindrafindrao tsy azo avela dia tsy hadino koa ny mofomamy mitam-pihavanana :
sy ny sarim-pianakaviana kely
Ny ampitso indray dia vonombonona maraina daholo
satria nanapa-kevitra ho eny amorom-parihy,
dia natao daholo izy azo natao teny : ny fihinanan-kanina,
ny ganagana kely moa tsy tana vao mahita rano
ny ganagana be koa toa izany,
ny tena ganagana koa moa miselontselona mivezivezy eny ihany, mampahatsiahy fa izy ireo no tompon-drano
ary izay tsy mahay milomano na kamo milomano na vizana milomano dia mivazo:
Dia notohizana tany an-tranon'ny namana ny takariva satria tsy nisy fatana nahafahana nitono hena intsony teny amorom-parihy fa nesorin'ny fanjakana ho fitsinjovana ny kirihitra tsy ho may,
ka dia mitohy ny kaly sy ny vazo sy ny dihy sy ny toko resaka
Na dia nisy aza ny nivoaka alina (fanindroany ho an'ny sasany ) dia mbola tafafoha tsara ihany ny ampitso maraina, andro fiaingan'ny hody. Efa nisy aza moa ireo efa lasa maraimbe.
dia raikitra indray ny ketrika fa hirodorodo...
...hirodorodo hisakafo any amin'ny snou alohan'ny hamonjen'ny sasany fiarandalamby, sy fiaramanidina ary ny làlana mody mianatsimo.
izany rehetra zany dia tsy maintsy faranana amin'ny lelaka glasy fa izay no maha-Roma an'i Roma
"ary etsy hasiana sary farany alohan'ny hifamihinana hifanaovana veloma !"
TAPITRAAAAAAAAA....miandry fihaonana manaraka indray, veloma madinidinika e
Nahita masoandro, i TIA : boky voalohany nosoratan’i Raozigasy. Ary ho fampahalalana izany boky izany dia nomanina ilay hetsika INDRAM-PEO.
Fa iza moa i Raozigasy
Raozigasy : no solon’anarana nofinidin-dRamananjato Hajalalaina Andriamiharisoa entiny hamoahana sy hizarana ireo vetsovetsony.
Raozigasy : tambatr’ilay Raozy vonikazom-pitiavana sy ilay Gasy manamarika ny fihaviana.
Raozy : lokon’ny fitiavana ; entina mizara ny hotrakotraky ny fo raha faly, entina mampitony ny jalim-po anaty raha malahelo, voninkazon’ny embona sy ny vetsovetso. Haingon’ny fo mitempo fitia, milanja ny haban’ny sento zaraina. Miombon-taintaina, mitambatra tsiky, mizara hasambarana,
Gasy : lokon’ny fihaviana; entina mirehareha amin’ny kolotsainy manan-karena, entina iavahana amin’ny kantony tsy hita noanoa, taratry ny raitra sy ny lafatra malagasy maro karazana. Asandratra hiavaka amin’ny hafa rehetra, avoitra ho tabihan’ny firenena. Ajoro tsy ho takon’ny haitraitram-pandrosoana.
Raozigasy dia filazana ihany koa ilay raozidia miavaka sy manimba ny tontolon’ny raozy tsotra rehetra, miavaka i Raozigasy satria miezaka mampiely patrana ny kanto malagasy manerana izao tontolo izao ary manabe voho hatrany ny tenin-drazany.
Raozigasy sy ny Tononkalo Malagasy dia "lamban’akoho ka aina no fetra".
Tia indray kosa noamboara voalohany narafitr’i Raozigasy ho fehezan-tononkalo, hizarany amin’ny mpamaky ny fiTIAvana ao anatiny
Tohina indray ny fo fa nilaozan'ny namana serasera/facebook dia i Ny Hasina Heritianaalias Yonikafopl.
Afaka ny fijaliany, vita ny hazakazany, handry am-piadanana izy !
Veloma akia neny a, veloma any amin'i Shoan fa efa hifankahita ianareo izao.
Isan'ny havanana teo amin'ny asasoratra izy, ankoatr'ireo tsikiny nameno ny pejiny ao amin'ny facebook. Ity misy tononkalony iray isan'ny nahafinaritra ahy noraiketiny ao amin'ny pejin'ny serasera :
Indray andro any, Raha sendra ka tomany, Dia antsoy aho, Tsy mampanantena aho anefa, ny hanome tambitamby, Fa ny azoko atao, De hiaraka aminao, Handrotsaka tomany.
Indray andro any. Raha toa ianao te handeha, any lavitra any, Dia antsoy aho, Tsy hataoko anefa Ny hitazona anao, Fa hiaraka aminao aho, Hizotra iny lalana iny.
Raha toa indray andro any, Miantso ahy ianao, Ka tsymisy valiny, HEnonao tonga any, Dia tongava haingana, Fa mila anao aho, Mila ilay teny mamy, Miloatra avy eo imolotrao.
Misaotra an'i Hery nampahatsiaro azy toa izao :
Very namana iray indray ny serasera. Tamin'ny 05/04/2004 i yonikafopl no nisoratra anarana tao amin'ny serasera. Anisan'ny mpandray anjara mavitrika teto izy sy i akamatiana zandriny tamin'izany fotoana izany, anisan'ny mpampiditra sary matetika. Nisy fotoana izy narary mafy dia tsy afaka nandalo teo amin'ny serasera nandritra ny fotoana maharitra. Namana vitsivitsy ihany no nilazany ny aretiny. Taty aoriana dia niverina tsikelikely indray izy ary hita ny herim-pony nandresy ilay aretina. Tsy tahaka ny taloha intsony izy fa niova be ara-batana. Hitako hoe saika ni-se laisser aller kely izy tamin'ny voalohany. Taty aoriana anefa dia nivoatra tsikelikely ary hita indray hoe tapa-kevitra hiatrika ny fiainana izy... niverina nifandray tamin'ny ankizy izy. Niverina ni-tsaty tao amin'ny karajia efa ho isan'alina. Tamin'ny 2 avril teo izy no nitsaty farany tao amin'ny karajia.